isika ve ??

1. xxx ( 31/07/2009 07:37)
Isika Malagasy ve tena Afrikanina e raha jerena ny ankabiazany hoditra de toa tsy de mitovy @ireo afrikanina hafa isika ka tena afrikanina marina ve isika malagasy sa inona e,mila valiny aho fa tena vaka rhf misy manontany ahy aty andafy ty :?:
novalian'i hanjaris ny 28/09/2009 11:16
2. xxx ( 31/07/2009 09:37)
Isika Malagasy ve tena Afrikanina e raha jerena ny ankabiazany hoditra de toa tsy de mitovy @ireo afrikanina hafa isika ka tena afrikanina marina ve isika malagasy sa inona e,mila valiny aho fa tena vaka rhf misy manontany ahy aty andafy ty

Io indray ilay fanotaniana fametraky ny Gasy surtout ny haut plateaux Merina sns...
Fanotaniana voalohany apetrako aminao aloha.
1/-Misy continent 5 eto ambonin'ny tany. Continent inona no misy an'i     M/car
2/- Amin'ny firaisambe aiza ny firenena Malagasy no membre
-European sa American sa.......?
3/- Ny volon-koditra ve ampy hitsara ny firenena iray fa Afrikana izy na European?

Raha voavalinao ireo dia fanatarao hoe continent inona ny Malagasy.

3. ni81 ( 31/07/2009 10:54)
Io indray ilay fanotaniana fametraky ny Gasy surtout ny haut plateaux Merina sns...

Tsy izaho aloha io xxx io an!
Fa nahoana kosa no tonga dia ahasahianao milaza fa ry zareo ireo no mametraka io fanontaniana io matetika? F'angaha tsy afaka mametraka an'io ny olona avy any anindran-tany? :)
4. xxx ( 31/07/2009 11:14)
F'angaha tsy afaka mametraka an'io ny olona avy any anindran-tany?
Ka tsy fisainana avy any anindrana mihitsy izao. Ilay fanontaniana avy dia te hilaza hoe tsy afrikana ny gasy fa mila excuse fotsiny izy hi-expliqué-na ilay izy.

Dia avy eo inona koa no tohiny ry xxx-mpanokatra loha-hevitra, dia lazaina fa tsy gasy koa ny cotier avy eo, fa nareo ao afovoan-tany ao ihany no gasy an! pfff

Mampalahelo.

Teneno izany namanao izany hoe gasy pur hoe izahay fa tsy afrikana dia samy vita e! insistéo ilay hoe pur sao afangarony amin'ny cotier MAINTY indray.
5. xxx ( 31/07/2009 11:22)
Ny tanindrana dia matetika efa mahalala fa avy any afrika ny razany satria misy itovizany betsaka (ara-batana) @ afrikana izy ireo. Ny haut plateaux kosa dia miendrika asiatique,na malay ka matetika izay no mampanotany tena azy fa sao dia tsy afrikana hono izy.
Ny mampihome ange de rehefa mahita irony africain du Nord, sady fotsy no malama volo, efa hitovy @ europena irony nefa dia fier tsara mintsy ry zareo hoe Afrikana, nefa isika gasy izay mainty na ngita volo ny(ankamaroany) indray no tsy mahalalahoe izaho ity anie ka afrikana.
Ohatra ny milaza hoe izaho Antakarana fa tsy Malagasy ihany io e!
6. xxx ( 31/07/2009 12:21)
Zah kosa aloha mahita fa tsy anavahana io fisalaslana io. Tsy voatery ho mainty hoditra avokoa ny tanindrana rehetra, ary tsy ngita volo koa. Izaho mipetraka aty anindra-tany ary tena mahita izany. Jereo tsara ny Atandroy ( ialàna tsiny manonona fiaviana ho azy ireo ) fa tena betsaka ny tso-bolo no sady fotsy fihodirana koa. Maro ny toy izany fa aza dia asiana izany hoe fiheven-dramerina sy fiheveran-tanindrana izany.
Ny fanontaniany tsotra hoe: afrikanina isika sa tsia ( mila valiny eny sa tsia izy) ampio fanazavan ny valinteninao fa tsy itarina resaka hafa. Tsy hainao na inona ny fihavian'ny mpametraka dinika na inona.
Fa isika aloha mba manaiky ihany hoe afrikanina satria ao anatin'ny kaontinantan'i afrika e! fa ry zareo komorianina (betsaka ny namako komorianina no manana fisainana ohatra izany ) ,ireo no tena betsaka no tsy manaiky ho sokajiana ao anatin'ny atao hoe afrikanina. Ny andry zareo dia frantsay hono izy satria efa ao anatin'ny departemanta frantsay. Ny gasy hoy izy no afrikanina fa izahay tsy izy.
7. xxx ( 31/07/2009 12:38)
Ilay izy ry xxx5 dia zavatra efa nianarana tany @ classe T5 ary ny ankizy manana CEPE dia mahala ny valiny avokoa.
Ny antony hilazako izany dia matetika ireo Gasy mihevitena fa tsy Afrikanaina dia ny haut-plateaux. Ary zavatra efa nanaovan'olona iray izay nanao ny these sondage izy io ka aza atao mahagaga.
Vitsy dia vitsy ny Gasy azo kilasina ho fotsy hoditra, raha lazainao fa fotsy hoditra ny gasy dia inona izany no filaza ny Asiatika sy European???
Ary ilay fanotaniana dia matetika miverina nefa dia fanotaniana tsotra.
Ry zareo ao UK, Ireland, Scotland ve de hilaza fa tsy European satria manana ny endriny mampiavaka azy koa ry zareo na dia nosy aza.
8. ni81 ( 31/07/2009 16:59)
Ka tsy fisainana avy any anindrana mihitsy izao. Ilay fanontaniana avy dia te hilaza hoe tsy afrikana ny gasy fa mila excuse fotsiny izy hi-expliqué-na ilay izy.
laviko tanteraka kosa! misy olona tsy mitovy @ afrikana NA any anindrana aza. Eo Imerina koa dia misy mitovy @ afrikana tsisy hivoasana na dia kely aza anefa. Noho izany dia tsy afaka hitsaranao fa hoe MERINA no niteny io resaka io (raha tsy hoe fantatrao angaha io xxx nanoratra io :roll: )
9. rova30 ( 31/07/2009 22:33)
xxx:

Isika Malagasy ve tena Afrikanina e raha jerena ny ankabiazany hoditra de toa tsy de mitovy @ireo afrikanina hafa isika ka tena afrikanina marina ve isika malagasy sa inona e,mila valiny aho fa tena vaka rhf misy manontany ahy aty andafy ty :?:



Ny toerana misy an'ny Madagasikara:

nosy lehibe antsinanan'ny Afrika antsimo, ao andrefan'ny nosy LaReunion.(kontinanta : Afrika)
Io angamba no mora ahafantaran'olona moramora kokoa hoe aiza ho aiza eto amin'ity globy ity ilay toerana.

Ny fiaviana indray :

Mpivahiny maromaro no nitontona tany(hono) dia tamana be:
Ny avy any antsinanana: ny aziatika, andoneziana, maleziana indrindramoa ny snou (betsaka be)

dia avy eo indray, ny europeana: vaza( mazava ho azy)

dia teo koa ny arabo

tsy hadino indrindra indrindra ny afrikana

Ny avy any amin'ny pole sud no tsy haiko raha nisy tonga tao(possible)

Raha ny hevitro manokana dia firenena tena maro no nitambatra nahatonga antsika Malagasy!

:-* Aza hadino ny milaza fa miteny gasy ny MALAGASY ;-)

izay vao frantsay , anglisy ,espanola ... ;-)

10. rakapy ( 01/08/2009 14:42)
Angamba i xxx 1 mila mamantatra hoe iza avy no firenena ao @ continent Afrikanina
Iza no atao hoe Afrikanina dia ho voavaly ny fanotaninao.
Izaho aloha dia mihevitra ny tenako fa Afrkanina na dia manana ra european aza satria teraka sy lehibe teto M/car ary ny reniko dia Gasy.
11. fahamarinana ( 01/08/2009 18:56)
:arrow: :{ :{ :{ rahavao misy resaka cotiers ,tanindrana,merina dia efa tsa mamely ! ! ! Na ilay teny hamaritana aza efa midika fanavahana !...eny e! izay ilay malagasy sasantsasany ! :cry:
xxx mpandefa: N hiodi-kovia na hiodi-kavanana dia mbola afrikanina isika malagasy satria anaty ny faritry afrika !.. (l)
12. xxx ( 02/08/2009 20:55)
Za ilay xx nametraka ny hevitra gaga aho amilay lasa nisy resaka merina sy tanindrana ilay izy aoka hazava aloha fa za de tena cotier hiringiriny fotsy ary manja tsara mihitsy .Ny nahatonga ahy nisalasala manko fa tsy afrikanina ny malagasy t@za terminal tsaroako tsara ilay mpampianatra tena tezitra rh vao milaza ny mpianatra fa afrikanina ny gasy hoy izy isika de gasy fotsiny amizao fa tsy afrikanina ka nony tonga aty andafy aho de maro ny gasy samy hafa fodirana ka nampametrapanontaniana ny vahiny de zay no nahatonga ahy nametraka ny fnontaniana fa de ho aiko ny hamaly azy fa afrikanina ny malagasy satria continent afrikanina zay de mazava fa tsisy resaka merina sy tanindrana zay e merci anareo namaly e :lol:
13. rakapy ( 03/08/2009 06:06)
xxx 11>
Marina izany ary tsara raha mazava aminao fa Afrikanina no classe misy antsika Gasy. Ilay mpampianatra anao dia nampianatra diso raha ny fahalalako azy.
Ilay resaka cotires sy haut plateaux dia fihevitra efa tokony avela satria tsy hitondra firaisan-kina ho antsika ny fanindrahindrana izany tafahoatra.
14. ni81 ( 03/08/2009 08:45)
mety ahalaza azy ve ity e? :)
http://fr.wikipedia.org/wiki/Madagascar
15. fahamarinana ( 03/08/2009 12:41)
rakapy:

Ilay resaka cotiers sy haut plateaux dia fihevitra efa tokony avela satria tsy hitondra firaisan-kina ho antsika ny fanindrahindrana izany tafahoatra.

:arrow: =D> =D> Iraisako hevitra zato isan-jato !
xxx mpandefa sy 11 rahateo : fa inona no atao hoe cotier hiringiriny ? Tsy misy fahasamihafana anie e , resaka fiaviana io fa tsa misy ambany na ambony na antenantenany ! Tsy misy tombony zany no tiko lazaina e ! :lol:
Za manokana avy any anindran-tany koa satria tany no lehibe,teraka ,niaina, dia tena faly sy ravo na hiringiriny na tsia ! :D (l)
16. tess ( 04/08/2009 10:15)
zà manokana refa misy vazà manotany de lazaiko ho afrikanina misy mantsy tsy mahay sy tsy mahalala ny fiaisn"izany malagasy izany de kamo aho hanazava, afrikanina teboka famarana:-P
17. ni81 ( 04/08/2009 10:31)
zà manokana refa misy vazà manotany de lazaiko ho afrikanina misy mantsy tsy mahay sy tsy mahalala ny fiaisn"izany malagasy izany de kamo aho hanazava, afrikanina teboka famarana
afrikana ve nareo :D :-P tandremo tezitra eo an! nefa tsy mitovy @ ny anay ny mason-dry :-D :-D :-D
18. rakapy ( 04/08/2009 13:16)
Hoy i Ni 81
zà manokana refa misy vazà manotany de lazaiko ho afrikanina misy mantsy tsy mahay sy tsy mahalala ny fiaisn"izany malagasy izany de kamo aho hanazava, afrikanina teboka famarana

Izay mihintsy no famalina azy rehefa hita fa tsy mi-s'interesser loatra @ momba anao. Raha liana ny ahafantatra bebe kokoa izy vao aroso ny maha Gasy ny tena sns....
19. tess ( 04/08/2009 17:17)
ni81:

zà manokana refa misy vazà manotany de lazaiko ho afrikanina misy mantsy tsy mahay sy tsy mahalala ny fiaisn"izany malagasy izany de kamo aho hanazava, afrikanina teboka famarana
afrikana ve nareo :D :-P tandremo tezitra eo an! nefa tsy mitovy @ ny anay ny mason-dry :-D :-D :-D

MON NEZ orona afrikanina beuh mitsy

:-D
20. ni81 ( 04/08/2009 18:07)
MON NEZ orona afrikanina beuh mitsy
:lol: :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3953