MATIO 18

1. maeva74 ( 17/06/2009 16:07)
Ahoana ny fandraisan' areo io (Matio 18) io! zarazarao ny hevitrareo
Maeva74
novalian'i niryna ny 23/06/2009 05:15
2. xxx ( 17/06/2009 16:14)
Iza no maty tany @ 18????
3. xxx ( 17/06/2009 17:37)
maeva74:

Ahoana ny fandraisan' areo io (Matio 18 ) io! zarazarao ny hevitrareo
Maeva74

Fa zinona moa izay hevitray?
Ahoana no hevitr'i Jesoa amin'io? Izany no tokony ho fanontaniana mipetraka.
Avy eo raha hisy hamaly, dia moa hovaliany amin'ny anaran'i Jesoa ve?
Fa misy zavatra iray izay important : angataho ny Fanahiny dia homeny anao. Ary dia Izy no hanazava, d'une manière ou d'une autre.

ps : misy resaka maromaro ao ka asa izay tianao hanontaniana amin'ireo. Fa toa teny mivantana sy direct daholo aloha ka asa izay manitikitika ny sainao ao.
4. xxx ( 17/06/2009 19:19)
Tsy izao ve ilay fomba fanaon'ny mpitory baiboly mitety trano e? mody hoe inona no hevitra @ ity teny ao baiboly ity nefa ianao no tiany hamaky baiboliny. Mandehana @ lalana mahitsy wa fa aza fitapitahana ny olona.
5. maeva74 ( 17/06/2009 20:08)
Izay fandraisanao azy tsy maninona ry xxx, fa eo ampianarana baiboly aho izao ary misy zavatra tsy azoko tao dia nanantona mpitandrina aho ka nasiany nanao test kely dia io no fanontaniana nomeny ahy, ka io no hitondrako io toko sy andininy eto aminao, ny valin' ilay anareo nefa dia samy manana ny filazany avokoa, fa ny ahy dia notsoriko fa tsy dia haiko loatra ka nampianatra ilay mpitandrina ary tena variana aho nihaino azy fa tena tsy takatr' ilay saiko ny valiny, ka raha nanafitohina anao ny fangatahako ry xxx telo dia miala stiny aminao , tsy sendotra aho fa fantako ny tianao hatongavana, tsy kivy aho anefa fa mbola manasa ny hafa hilaza ny heviny
Maeva74
6. cutie ( 17/06/2009 20:34)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 17-06-2009 21:19:02
Lohateny : Re : MATIO 18
Tsy izao ve ilay fomba fanaon'ny mpitory baiboly mitety trano e? mody hoe inona no hevitra @ ity teny ao baiboly ity nefa ianao no tiany hamaky baiboliny. Mandehana @ lalana mahitsy wa fa aza fitapitahana ny olona.
:-D :-D :-D :-D
7. bor2lais ( 18/06/2009 08:54)
Misaotra an\'i Maeva74 nanokatra ity lohateny ity.

Araka ny fitadidiako dia efa nisy namana teto nilaza sy nanazava ny andininy sasany amin\'io toko io : raha tsy diso aho dia ny andininy 7->10 angamba izy izay !

Ny ahy indray dia ny andininy 15->17 no mba tiako zaraina amintsika !

\"15 Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;

16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin\'ny tenin\'ny vavolombelona roa na telo ( Deo.19.15).

17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin\'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.\"

Raha ny fahazoako azy, ireo andininy ireo dia manambara fa :

1. adidin\'ny Kristiana ny miteny (na milaza) ny tsy mety izay hitany. Izany hoe amiko dia tsy fihetsika Kristiana ny mijery arina an-tava.

2. Izany fitenenana izany anefa dia tokony atao am-pitiavana : tsy fanao ny manala baraka (mila mitokana amin\'ny mangingina) ! Aseho fa mariky ny fitiavana azy no itenenana ilay nanao ny tsy nety. Izany hoe ilàna \"tact\" ny fitenenana !

3. Noho izany misy dingana arahina eo amin\'ny fifampitenenana (dingana 3 farafahakeliny no voalaza eo amin\'ireo andininy etsy ambony ireo : atao hatrany ny ala nenina fa tsy mitsahatra na kivy. Amiko ilay hoe \"aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy\" tsy midika velively hoe avelao na ario izy fa kosa \"mivavaha ho azy\" mba hiovany !

Marihiko fa fomba fijery iray ihany ny ahy io ka mety tsy hifanaraka na hitovy amin\'ny fijerin\'ny hafa koa ialako tsiny mialoha !
8. Nandra1 ( 18/06/2009 09:13)
Ahoana ny fandraisan' areo io (Matio 18 io! zarazarao ny hevitrareo
Maeva74
http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/18

Ze mba takatro no zaraiko, ny zaza de tso-po, tsy mitana alahelo , etc... ary tsy manana ahiahy @ ho ampitso izany, izay rehetra ataony de @ fony daholo, ary matoky ze teny @ RR, ary feno fitiavana lalandava. Ireo toetra misy @ zaza ireo de tena sarotra tokoa ny hahantarehan'ny olon-dehibe azy eo @ fiainana satria mila fitiavana, finiavana, fandeferana, famelan-keloka, fahalalana onona ary indrindra fanetrentena eo @ ankapobeny. Ny olona manana ireo toetra ireo, izay rare dia manana fiadanam-po, ary manomboka ety an-tany ny paradisa.
9. maeva74 ( 18/06/2009 11:53)
\"Ny amin\'ny fanetren-tena - Ny lova avy amin\'ny fanafintohinana - Ny fanoharana amin\'ny ondry very - Ny fananarana ny namana - Ny famelana ny hadisoany - Ny mpitrosa tsy nanan-kaloa\" ireo angamba no votoatin\'ny \"MATIO 18\"

\"Ny mpitrosa tsy nanan-kaloa\"
Io ilay fampianarana azoko ka ho zaraiko aminareo namana tsy voatery anefa ianareo hanaiky izay ho lazaiko satria \" Jesosy dia efa mahafantatra fa tia mifanditra isika olombelona ka izay no nilazany hoe\" Aza mifanditra nohon\' ny amiko ianareo\"
ohatra iray no raisiko arak\' ilay fampianarana azoko

Koa amin\'izany, ny fanjakan\'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin\'ny mpanompony: 24 ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. 25 Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain\'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin\'ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. 26 Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe: Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra. 27 Nangoraka ny fon\'ilay tompon\'izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. 28 Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin\'ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: Aloavy ny trosako any aminao. 29 Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra. 30 Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. 31 Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin\'ny tompony. 32 Dia nampanalain\'ny tompony izy ka nilazany hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho hianao nifona tamiko; 33 ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin\'ny namanao va hianao tahaka ny namindrako fo taminao? 34 Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. 35 Dia ho tahaka izany koa no hataon\'ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin\'ny fonareo avy hianareo.

Ilay fanjakan\' ny lanitra
ilay trosa dia ny fahotantsika olombelona,isika rehetra dia samy ananan\' Andriamanitra trosa be tokoa tena bedabe tsy voaloha intsony satria tena betsaka, tsy nanan-kaloa isika dia nangatak\' andro mba aloha tsikelikely nefa dia nofohanan\' Andriamanitra izany trosantsika\" navelan\' Andriamanitra ny helontsika\" satria hitany isika fa tena ory tokoa dia nagoraka izy dia nofohanany na dia hita aza fa trosa be tokoa. Isika koa anefa dia nampindrana vola olonkafa tsy dia vola be manao ahoana anefa mihoatr\' ilay nofohanana tamintsika nefa isika tsy mba nanao toy ilay nataon\' ilay nanafoana ny trosantsika fa tezitra isika ka naniratsira ilay nananantsika trosa sy nanao teny maharary tokoa.
Izay ilay fampianarana azoko dia ny fahaizana mifamela heloka, Andriamanitra dia efa namela ny fahontantsika na dia efa tsy azo avela intsony aza nohon\' ny fahabetsahany ka tokony hamela ny rahalahantsika koa isika sy ny rahavavintsika tahaka ny namelan\' Andriamanitra antsika.
Maeva74
10. ikaretsaka ( 18/06/2009 12:00)
cutie:

Mpandefa : xxx [ Valio ] 17-06-2009 21:19:02
Lohateny : Re : MATIO 18
Tsy izao ve ilay fomba fanaon'ny mpitory baiboly mitety trano e? mody hoe inona no hevitra @ ity teny ao baiboly ity nefa ianao no tiany hamaky baiboliny. Mandehana @ lalana mahitsy wa fa aza fitapitahana ny olona.
:-D :-D :-D :-D


Izay mihitsy..mody hoe ahoana ny hevitrao nefa te hamahana abobo aminao ny heviny indirectement izy @ io... de raha vao contrairen'ilay pre concu ao andohany ny hevitra avoakao ao de na izy manao fiala jiosy (ooops voanjo alika bory rambo manko e) na ianao no lazalazainy fa tsy voavonjy e...blabla bla...
Fa resaka vonjy ihany...vonjeo vintsa aloha hamidy galioka....


11. xxx ( 18/06/2009 12:13)
ikaretsaka:

cutie:

Mpandefa : xxx [ Valio ] 17-06-2009 21:19:02
Lohateny : Re : MATIO 18
Tsy izao ve ilay fomba fanaon'ny mpitory baiboly mitety trano e? mody hoe inona no hevitra @ ity teny ao baiboly ity nefa ianao no tiany hamaky baiboliny. Mandehana @ lalana mahitsy wa fa aza fitapitahana ny olona.
:-D :-D :-D :-D


Izay mihitsy..mody hoe ahoana ny hevitrao nefa te hamahana abobo aminao ny heviny indirectement izy @ io... de raha vao contrairen'ilay pre concu ao andohany ny hevitra avoakao ao de na izy manao fiala jiosy (ooops voanjo alika bory rambo manko e) na ianao no lazalazainy fa tsy voavonjy e...blabla bla...
Fa resaka vonjy ihany...vonjeo vintsa aloha hamidy galioka....





samy hafa marina ny valintenin' ny olona te hibebaka sy ireo mpaniratsira an! sy ireo tsy mivaky loha fa mino izy ireo fa ny fiainana dia tsy mila ny Anandriamanitra fa mandeha ho azy fotsiny amin' izao , sao lahy diso hevitra ianareo ka izay vao hoe " oupss" (ooops voanjo alika bory rambo manko e)tahak' izay
12. xxx ( 18/06/2009 12:19)
ikaretsaka:

cutie:

Mpandefa : xxx [ Valio ] 17-06-2009 21:19:02
Lohateny : Re : MATIO 18
Tsy izao ve ilay fomba fanaon'ny mpitory baiboly mitety trano e? mody hoe inona no hevitra @ ity teny ao baiboly ity nefa ianao no tiany hamaky baiboliny. Mandehana @ lalana mahitsy wa fa aza fitapitahana ny olona.
:-D :-D :-D :-D


Izay mihitsy..mody hoe ahoana ny hevitrao nefa te hamahana abobo aminao ny heviny indirectement izy @ io... de raha vao contrairen'ilay pre concu ao andohany ny hevitra avoakao ao de na izy manao fiala jiosy (ooops voanjo alika bory rambo manko e) na ianao no lazalazainy fa tsy voavonjy e...blabla bla...
Fa resaka vonjy ihany...vonjeo vintsa aloha hamidy galioka....






Tena mahavariana samy hafa mihintsy ny famalin' ireo maniry ny te hibebaka sy ireo tsy mila Anandriamanitra satria aminy mandeha woazy ny fiainana tsy misy an' Andriamanitra sao lahy voa ka hoe" (ooops voanjo alika bory rambo manko e) mampalahelo. merci Maeva74 nizara fa fantatrao ihany , izany eto@ dinika e! ao ny pour ao ny contre ao ny mpaniratsira, mamaly dinika izy mba haniratsirany anao fontsiny , courage e!
13. ikaretsaka ( 18/06/2009 12:43)
izay le izy fa miala any...
de lazaiko foana hoe aza taitra raha ireny lazainao tsy mibebaka blablabla ireny no tonga aloha any ...
14. xxx ( 18/06/2009 13:06)
Mahavariana tokoa aloha hoe maninona no ataon'i xxx11 avy hatrany hoe tsy mila an'Andriamanitra ny hafa
15. ikaretsaka ( 18/06/2009 13:11)
valio aloha hoe mila manao ny fombafomba voanjo alika ve vao hoe mpivavaka e..voavonjy eee..
de taiza koa i xxx 11 no nanao hoe tsy mila an'Atra teo?
sady mody mivavaka ty no mamorona sy mandainga..deha mikonfesy!
16. tywa68 ( 18/06/2009 14:29)
Ikaretsaka > koa i Maeva74 te hiresaka d maninn ary ? aza mora tezitra moa e :lol:

Maeva74 : ny ahy ilay andininy momban'ilay ondry nania no mahafinaritra ahy, satria manome fanantenàna sy fifaliana hoe tena tia ahy ny Raiko. Indro averiko eto :

11 Fa ny Zanak'olona dia tonga hamonjy ny very. 12 Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? 13 Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. 14 Toy izany koa, tsy tian'ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.
Mahereza dhl fa tsy mora ny mahitsy lalana :wink: :-* Tompo ô ekeo ny vavakay . ^:^
17. ikaretsaka ( 18/06/2009 17:06)
tywa> hiresaka sa hitory teny (kabary tsy valiana)
18. maeva74 ( 18/06/2009 17:37)
Misaotra ireo izay nadray anjara tamin' ny adi- hevitra, kay ve nisy fifamaliana kely tato e! mahagaga ny valintenin' i Ikaretsaka tsy hitory teny mihintsy tompoko no hataoko ato, aoka hazava ny resaka fa mba te hizara izay fantatro aho, raha mpitory teny aho dia tsy tato no nadeha fa teny akalamanjana namory vahoaka, ka ny vahoaka mana- tsafidy ny hihaino fa tsy terena akory, raha nanorisory anao ny hevitra narosoko dia hialako tsiny bediabe fa tsy nampoiziko hoe nandratra anao ilay izy :?: :?:
19. ikaretsaka ( 18/06/2009 18:04)
de aza mitsimpona aza de aza faritana hoe matio zao sy zao ihany .. ga asivo q'ran sns de anontanio kao hoe ahoana ny hevitrareo momban'io andakana io ..
rehefa izany ihany...
sa?
mbola gaga?
20. maeva74 ( 18/06/2009 18:27)
ikaretsaka:

de aza mitsimpona aza de aza faritana hoe matio zao sy zao ihany .. ga asivo q'ran sns de anontanio kao hoe ahoana ny hevitrareo momban'io andakana io ..
rehefa izany ihany...
sa?
mbola gaga?



Izay no mba nahafinaritra ahy dia nataoko fa tsy nanontany ny hevitr' olona aho na tiany na tsy tiany,efa nahalala anao aho ka tsy gaga intsony Ndrematoa ( Kabary tsy valiana)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008