ary inona hoa ny atao hoe YOGA ?

1. rasobakobako ( 15/04/2009 06:11)
Karazam-pinoana ve izy io, raha ny fahalalako azy dia ny mpanao kung fu no manao azy io, sa ahoana ? mba hazavao misimisy hoe ho an'izay mahalala.
novalian'i rakaroka ny 27/04/2009 17:36
2. diamondra27 ( 15/04/2009 11:57)
fanatanjaha-tena sy saina
manao méditation dry am le yoga
de mihira fivavahana ihany koa, aza anontaniana hoe inona le hira fa tsy tadidiko :oops:
3. ikaretsaka ( 15/04/2009 12:08)
rasoabakobako,
ity misy torolalana kely ho an'ny tsy mpanao Kung fu
:wink:
http://norprov.org/spirituality/ignatianprayer.htm

miala tsiny fa @ teny Anglisy
4. Mirananirina ( 15/04/2009 13:20)
5. Mirananirina ( 15/04/2009 13:22)
tsy nivoaka fa lava loatra,fa sary ireo manao yoga,sahala aminy gymnastique ihany fa miampy méditation.
6. soanja ( 15/04/2009 13:29)
Tsia, tsy karazam-pinoana ny Yoga. Fa ny bodista sy ny hindo ary ny hafa maro kosa no tena mampiasa azy matetika rehefa mivavaka izy. Tekinika entina hanaovana fanatanjahan-tsaina tokoa ny Yoga ary indrindra ho fanasitranana ny stress isan-karazany mianjady amin'ny saintsika noho ny antony maro samihafa eo amin'ny fiainantsika.
7. coopsal ( 15/04/2009 13:44)
Sadhu Sundar Singh:
He spoke of Hindu yoga. When he was small his father had a Sastri and a Sannyasi in the home, the former to teach the boy the sacred books and the latter yoga practices. "The strange thing is," said the Sadhu, "that a man according to yoga teaching is not to look to God but at the tip of his nose. Moreover, the thoughts which have been the subject of meditation of the yogi previous to entering the state of trance, present themselves in a very vivid way during trance. So we can understand the discrepancies of teaching amongst yogis. One says, 'There is no God,' another, 'There is only one God,' another, 'There are many gods,' another, 'All is God.'"

Dia toy izao no niezahako nandikana azy :
coopsal:
Nanambara mikasika ny yoga izay ataon'ny Hindou izy. Fony izy mbola kely, ny dadany dia nanana Sastri sy sannyasi tao an-trano, ilay iray voalohany dia nampianatra ity zazalahy ny boky masina ary ilay faharoa dia ny fanaovana yoga. "Ny zavatra mahagaga", hoy ny Sadhu, "araka ny fampianarana yoga, ny olona dia tsy tokony hijery an' Andriamanitra fa ny tendron'orony. Ankoatra izay, ny eritreritra izay niantombohan'ny fifantohan'ny yogi mialoha ny nidirany tamin'ny trans dia miseho ho zavatra manjavozavo mandritra ny trans. Izany no manazava hoe fa maninona no samihafa ny fampianarana eo amin'ireo yogi. Ny iray milaza fa `tsy misy ny Andriamanitra`, misy hafa milaza fa `Misy Andriamanitra ary tokana`, iray hafa milaza `misy Andriamanitra maro`, ary hafa milaza hoe `Andriamanitra ny zava-drehetra`."
8. ikaretsaka ( 15/04/2009 13:49)
misy kristianina yoga koa ka.. io ilay ataon'i Md Francois d'assise hoe "fahavarianam-panahy"
ary nataon'i Jesoa rehefa Misintaka irery any an'efitra sy any an-tendrombohitra izy
9. fahamarinana ( 15/04/2009 14:03)
:arrow: Ika : azavao misimisy hoe azafady ? raha tsy mahadiso r'ise ! Misaotra ! :-* (l)
10. ikaretsaka ( 15/04/2009 14:09)
jereo fa efa io nazavaiko ao ambony io ny ohatra 1
11. fahamarinana ( 15/04/2009 14:21)
:arrow: Azafady fa tsy tazako ,andraso ndray vakiana ary !... (l)
12. cutie ( 15/04/2009 14:42)
ny yoga hono good for yr body and soul :)
13. ikaretsaka ( 15/04/2009 15:11)
cutie> oh yeah of course !
tsy finoana ny Yoga fa pratique!
tadidio fa raha manao raozery ianao na manao chemin de croix ka manao meditation d'efa yoga izay
14. soanja ( 15/04/2009 22:12)
ikaretsaka:

misy kristianina yoga koa ka.. io ilay ataon'i Md Francois d'assise hoe "fahavarianam-panahy"
ary nataon'i Jesoa rehefa Misintaka irery any an'efitra sy any an-tendrombohitra izy


Tsara kokoa angamba Ika ny hanazavana ny" Meditation" sy "Contemplation" eto. Satria mifandraika be tokoa amin'ny teknika yoga io?? sa diso aho? io mantsy no tena hitako fanaon'i Xtianina sasany.

Misaotra hatrany manampy amin'i Info rehetra.


:-* :-* :-* :-* (l)
15. diamondra27 ( 16/04/2009 06:38)
ny méditation dia dia tena mifantoka tsara manala ny eritreritrao ianao , mi-vider izay rehetra ao an-tsainao ao dia miezaka mba hampiditra paix ao anatinao , zen e! sarotra be koa ilay manazava azy ary mety tsy azonareo le tiako lazaina , mila concentration sns
fa ny an'ny kristiana indray dia ilay mivavaka manokana iny miezaka mitady an'aTRA ? MIFONA AM RATSY NATAO SY MIBEBAKA ARY MI6VIDER IZAY REHETRA TSY NETY NATAONAO IHANY KOA

am yoga dia misy fotoana ianao manao réunion miaraka amin'ny mpianatra eo sy ny yogi, raha vao olona vao sambany vao nanatrika ianao dia ilay seance na hirahira iny ihany no atrehanao fa tsy ilay pratique

Raha tian'ny grand maître atsoina ianao dia afaka mahita azy amin'ny nofy, ary tsy hoe asandevoly izany fa tena réel
Ny tiako hambara dia hoe: mbola tsy mpikambana akory ianao dia efa nanonofy ilay grand maître , ary indray andro raha sendra nihaona tamin'ny disciple dia ry zareo no nanasa anao ary hitanao tao amin'ilay disciple ny sarin'ilay grand-maître ary nanontanianao hoe fa iza kay io poster am rindrina io , ary gaga ianao raha nolazaina fa i grand maître ilay izy, ary tena mitovy amin'ilay olona hitanao tamin'ny nofy mihintsy ilay sary
Tsetratsetra tsy aritra fotsiny iny fa izany no nahatonga ahy nanao yoga fahiny
16. fahamarinana ( 16/04/2009 12:51)
:arrow: asa raha diso fandray aho fa ny yoga zany ve ny tenako no maitre-ko e ! sa akory ! (l)
17. diamondra27 ( 16/04/2009 13:15)
fahamarinana : ny yoga tsy resaka atokompinoana fa resaka bien-étre akia a

be dia be ny branche azo atao am yoga
raha stressé na ohatr'izany dia afaka mampiasa le méditation ho'aho manamaivana ny ao anatindry ao, manao exercice de respiration sns
Ny resaka finoana kristiana tsy misy an'izany fa vavaka ihany ny azy dia samy miala.

Ohatra hafa ihany koa izao dia ampianarina indry face am zavatra tsy tiandry dia ampianarina ho tony tsara ny fo fa tsy impulsive
18. fahamarinana ( 16/04/2009 13:34)
:arrow: resaka méditation zany ve ,raha azoko tsara ! Ary raha mivavaka ve tsy mahazo resultat tahaka izay koa sa inona no tombon'ny yoga ohatra !
Fanontaniana mba nanitikitika ahy io sy tsy nahitako valiny ! Misaotra ireo zay afaka manampy !:) (l)
19. diamondra27 ( 16/04/2009 13:51)
fahamarinana: ny vavaka akia afaka manao exercice physique ndry raha mandeha manao mission any ambanivohitra ireny dia mandeha tongotra sns fa le yoga ange akia misy ohatry ny resaka exercice physique gymnastik ireny e
jereo nge ty lien ty e!de jereo am le resaka exercice physik ery à gauche


http://relaxation.energie.free.fr/yogameditation.htm

zany tsy midika hoe adaboy ny finoandry an
20. diamondra27 ( 16/04/2009 13:53)
midira direct eto raha hanao exo: http://relaxation.energie.free.fr/exercices.htm
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081