Ny ex communiation

1. ari.malala ( 12/03/2009 06:34)
I Jesoa dia niteny fa tonga hiantso ny mpanota hibebaka, nefa nahoana isika olombelona no mi decider hoe ity olona ity dia tsy mahazo mandray komonio na aongana tsy ho mpandray intsony? Tsy maka ny toeran'Izy nanome hoe raiso ary hano ve isika amizany? Satria na ilay mandray décision hoe manongana na manilika iany koa aza olombelona mety latsaka @ fahotana!
2. bobone ( 12/03/2009 08:23)
ari-malala! he marina akia zany! fa hanamafisako azy dia ehoe! ''izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy! moa nisy nijanona ve teo na dia iray aza afatsy Jeso! izny hoe ! tsy misy marina na dia iray aza ny olona rehetra!
ny andry eo @ mason'ny hafa foana no malaky hita fa ny anao ahoana !
misaotra Ari an!
vahaolana dia hanaro izy ! ampianaro mba handeha @ lalana mahitsy ! tsy hiverenany @ lalana efa nadratra azy ! fa tsy mety hoe tsy mahazo mandray intsony , na tsy mahazo mandray cominio intsony !
3. ikaretsaka ( 12/03/2009 15:15)
ari.malala:

I Jesoa dia niteny fa tonga hiantso ny mpanota hibebaka,


dia ny tohiny nisy hoe "aza manota intsony" sy aza manao intsony ... fa tsy hoe "manaova foana de mibebaha"

Momban'ny excommunion dia ara-baiboly ka... fa mazava ho azy moa fa any @ le tsimpona "hodiantsika fanina" satria hafahafa amin'ilay revintsika! :-D
ho antsika manana baiboly misy ny Bokin'i Esdrasa dia efa voalazaao io (Jereo ao @ toko faha 10 ao)
i Md paoly koa ni excommunier ireo nanao inceste tao @ korintianina voalohany tao aho raha tsy diso ahako (toko faha 5)
i Jesoa koa moa efa nanome ilay fahefana hoe "izay tananareo eto an-tany de....."
4. mia ( 12/03/2009 18:21)
Efa t@ andron'ny farisianina(fariseo) sy ny scribes no nilaza ny tompo hoe :

Malheur à vous, scribes et pharisiens hypocrites ! parce que vous fermez aux hommes le royaume des cieux ; vous n'y entrez pas vous-mêmes, et vous n'y laissez pas entrer ceux qui veulent entrer.
5. ikaretsaka ( 12/03/2009 18:28)
ny fariseo sy ny scribes no nilazany izany fa tsy ireo nomeny fahefana hoe "ze avelanareo eto an-tany de voavela any an-danitra ...
biby 2 tsy mitovy :wink:
6. mia ( 12/03/2009 18:31)
Mbola misy hatrizao ny scribes sy pharisien ka fa @ enrika hafa fotsiny!!
7. ikaretsaka ( 12/03/2009 18:37)
biby 2 tsy mitovy reo hoa...
8. mia ( 12/03/2009 18:46)
ikaretsaka:

biby 2 tsy mitovy reo hoa...


Tsy biby kosa ireo fa olona e! ary asa raha hainao fa taloha anie tsy mahazo mamaky baiboly ny olona fa ny mpitondra fivavahana ihany ary natao @ teny latina ny fotoam-pivavahana mba tsy ho takatry ny olona izay tiana ambara

ireo koa dia tafiditra @ ilay hoe tsy miditra nefa manakana ny varavaran'ny lanitra tsy hidiran'ny sasany!


9. ikaretsaka ( 12/03/2009 18:54)
aleo atao hoe olona 2 tsy mitovy rehefa tsy tianao ilay humour ko hoe tsy azo ampitoviana e...
le hoe latinina sy tsy latinina de isika no hitako heo nanao erreur teo t@ ny tsy nianarantsika azy intsony...
ny an'ny silamo izao nataony teny arabo mandrak'ity ny androany! tsy nisy izany hoe mba tsy ho takatry ny olona ny tiany ambara izany....
10. mia ( 12/03/2009 19:03)
ikaretsaka:

aleo atao hoe olona 2 tsy mitovy rehefa tsy tianao ilay humour ko hoe tsy azo ampitoviana e...
le hoe latinina sy tsy latinina de isika no hitako heo nanao erreur teo t@ ny tsy nianarantsika azy intsony...
ny an'ny silamo izao nataony teny arabo mandrak'ity ny androany! tsy nisy izany hoe mba tsy ho takatry ny olona ny tiany ambara izany....


Vakio ny histoire raha tsy mino ianao!! nisy ny natao hoe barbares sy civilisés taloha ary ny élites ihany no nahay niteny latines!! initiés izany vao afaka namaky ny baiboly
nisy hevitra navoakan'ny pape ankehitriny aza moa hoe hamerenana an'io fivavahana @ teny latina io fa asa raha tanteraka !

efa nodorana ny baiboly ary nisy pages nafenina ihany koa(comme le livre d'henoch) nefa ny histoire rehetra ao anaty bible dia mifampitohy ary misy messages ampitainy


11. ikaretsaka ( 12/03/2009 20:29)
za ange tsy manda e.. fa hoy aho hoe erreur hatr@ izay no tsy nampianarana azy
12. ari.malala ( 13/03/2009 05:33)
ika, ts resaka tsimpona amze mampilay ny revy hoa! fa ny tsy azoko de na le oul mandray decision hi excommunier aza mbola oul ian kou met latsaka @ fahotana! sa enao sahy milaza fa tena masina tsy manantsiny? :-P
13. ikaretsaka ( 13/03/2009 16:05)
de raiso @ izao folozofia izao ilay izy ry ari hoe
marina fa samy latsaka @ fahotana
fa ny olona mi condamne sy maka decision hanagadrana mpangalatra 1 kosa dia mazava ho azy fa tsy ny nangalatra be nohon'ny vitan'ilay mpangalatra...
toy izany koa ny excomm... ilay olona ni ex comm dia tsy nahavita be nohon'ny vitan'ilay excommunie ka nampa excommunier azy...

ethics tsotrabe izanyary tsy azo ialana rehefa mbola eto an-tany
14. Fody ( 13/03/2009 17:15)

ari.malala:

Izao kosa no tokony hazava e! Ny olona ex-communié dia afaka miara-mivavaka amin'ny kristiana rehetra. Ny tsy fahafahany mandray dia tsy midika ho fanamelohana azy ho faty ao anatin'ny ota akory, fa fanampiana azy hiala amin'ny Fahotana, na amin'ny hevitra diso... Isany fijorona vavolombelona eo imason'ny olona koa izany hoe: Masina ny Eokaristia.

Ireto misy ohatra roa:

1 - Ny olona miaina ao amin'ny tokan-tranomaso dia tsy afaka mandray, fa afaka mivavaka miaraka tsara amin'ny kristiana, ary kristiana ohatra ny rehetra. Ny hetaheta te handray ao aminy, dia manosika azy hiala ao anatin'ny fahotana ka hiroso amin'ny fanambadiana.

2 - Misy pretra iray izay tsy mino fa i Jesoa dia Andriamanitra. Tsy mahazo manao lamesa intsony izy izao, ary tsy mahazo mandray koa. Fanamelohana azy ho faty ao anatin'ny ota ve izany? Tsia ny valiny. Fotoana fampantsiahivana azy hoe: iza no naha pretra azy? Inona ny Eokaristia raha tsy mino ny maha Andriamanitra an'i Jesoa izy?

Am-pitiavana be.

15. ari.malala ( 16/03/2009 07:09)
Fody, misaotra amle fanazavana, fa izaho anie tsy miteny hoe fanamelohana ho faty e! :)
16. ikaretsaka ( 16/03/2009 10:56)
Fa inona ny tian'i ari hahatongavana ary e
17. ari.malala ( 17/03/2009 06:22)
Io ilay hoe samy manao fahotana nefa maninona no mifampitsara io no tsy azoko anie e!
ika hoe:
ny olona mi condamne sy maka decision hanagadrana mpangalatra 1 kosa dia mazava ho azy fa tsy ny nangalatra be nohon'ny vitan'ilay mpangalatra...
toy izany koa ny excomm... ilay olona ni ex comm dia tsy nahavita be nohon'ny vitan'ilay excommunie ka nampa excommunier azy...
Izany hoe samy manao fahotana izany... eo anatrehan'Andriamanitra samy mpanota, eo anatrehan'i Jesoa izay niteny hoe raiso ary hano. Ekeko fa misy koa ilay hoe izay tanananareo sy izay avelanareo an, tsy mandà an'iny aho, fa tadidio koa fa misy ny izay tsy nanota taminareo :-P de aona izany? tena serieuse ilay fanontaniana fa aza ilay smiley no jerena :)
18. ikaretsaka ( 17/03/2009 16:43)
lalanan'ny fiainana sy ny realite io. rehefa tena dinihina, ny lehibe mitsara ny kely foana, ary ny nanao izay heverin'ny societe hoe "tsara" no mitsara foana ilay heverin'ny societe hoe "ratsy"
na i Rasalomona aza anie ry ari raha lazaina heo hendry be tahaky ny ahoana dia @ maha olombelona azy dia misy raha tsy nanjary nataony foana koa e... jereo ilay heo zarao 2 ny zaza ohatra....
manota rapiera fa i piera no mitsara.. dia ny fitsarana izay hitany heo mety kokoa @ le societe
possible kao hoe nanota i paoly t@ ireny pistily bedebe ireny nefa izy no nanome didy hoe ataovy izoa ranona sy ranona .. satria izay no hitany kokoa fa mety @ le societe
19. fijo ( 17/03/2009 21:15)
dia amin'ny fomba ahoana moa ,no hinoako izaho fijo,fa olona iray izay efa avy nanana tanatara "nazy"nohandrara ny olon airay sy hitsara azy,ka hanala azay ao amin'nyfinoany????

vao nijery ny tanataran'ny eglizy aho omaly,dia nisy mpanjaka angilisy tamin'ny taona faha12,nifandray be tamina mpitondra tao jerosalema(silamo)rehefa fantatry ny papa io,dia nesorina tsy ho katolik aintsony le mpanjaka.andrsao fa hojereko le anarany fa tsy tsaroako.izany hoe io arakaraky ny tombotsoan'ny fikambanna ihany no jerena,fa tsy misy izany hoany an danitra izany.
20. niryna ( 18/03/2009 03:51)
ari.malala:

I Jesoa dia niteny fa tonga hiantso ny mpanota hibebaka, nefa nahoana isika olombelona no mi decider hoe ity olona ity dia tsy mahazo mandray komonio na aongana tsy ho mpandray intsony? Tsy maka ny toeran'Izy nanome hoe raiso ary hano ve isika amizany? Satria na ilay mandray décision hoe manongana na manilika iany koa aza olombelona mety latsaka @ fahoartana!


iari a,ny fiangonana tsirairay avy dia misy article arahina mifehy izany fiangonana izany..anome ohatra anao aho

Ny ohatra hoe mpitaty rakitra fotsiny no teneniko dia misy boky kely manambara ny andralikitra ataonao ,sarotra ny hanazava ilay olona fa rehefa mamaky ilay article hianao ohatra dia mahalala hoe hay ve izao no tokony atao e ...ny fomba fandraisana ny olona ,ny asa aman-draharaha miandry azy ireo,ny tokony atao sy ny tsy tokony atao..raha tsy eo amin'ilay toerana izany dia mety hoe mitaty rakitra fotsiny ireo ...dia toy izany koa ireo olomboafidy sy nanao voady mba hitondra ny fiangonana ,mila mendrika,mila tsara toetra ,mila ......betsaka ilay izy ary vakiana daholo izany articles rehetra izany alohany andraisany anjara ...dia araka ny zavatra mahazo azy eo koa no mahatonga azy hoa voaongana tsy ho toa izao intsony ...kanefa toy ny olombelona rehetra manao ny fahadisoana izy ka rehefa mibebaka amin'Atra izy dia ho voavela ny helony...mila mibebaka koa izy vao afaka mandray indray satria masina ilay tenan'i kristy izay ho raisiny ...
izay no mba fantatro ka asa raha mahavaly ny fanontanianao ..
ao anatin'ny baiboly ny fanazavana ireo leadership na ireo antsoina lohaolona ,mpitarika ao am-piangonana ...izaho koa tsy nahalala izany raha tsy vao avy nihofana nanao io fandaharana io hoe inona avy ny andraikitra miandry ireo olona izay mitondra ao am-piangonana ? ny lehiben'ny chorale,ny mpampianatra ,ny diakonina ,ny minisitera karazany maro samihafa ... sns

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0536