Tsy misy anarana hafa ahazoantsika famonjena

1. niryna ( 07/03/2009 00:40)
Ny soratra masina dia manambara amintsika fa"Raha adinina izahay anio tamin'ny asa tsara natao nanasitranana ilay lehilahy malemy dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Israely rehetra fa ny anaran'i kristy avy any Nazareta ,Izay nohombohanareo tamin'ny hazofijaliana fa natsangan'Atra tamin'ny maty kosa dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo" Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano nefa tonga vato fehizoro ary tsy misy famonjena amin'ny hafa ;fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra izay nomena ny olona mba hahazoantsika famonjena Asa 4:9-12

Io izany no voasoratra ka matokia Azy fa izy irery ihany no ahazoana famonjena
(l) niryna
2. xxx ( 07/03/2009 00:58)
De ireny 911 any aminareo izany dia tsy ilaina fa aleo miantso sy miandry an' an'A/tra foana na dia efa ho faty aza????
3. niryna ( 07/03/2009 01:16)
xxx:

De ireny 911 any aminareo izany dia tsy ilaina fa aleo miantso sy miandry an' an'A/tra foana na dia efa ho faty aza????


fa rehefa amin'ny inona ihany xxx no miantso an'Atra ?
Amin'ny fahoriana,fifaliana,fijaliana,fahanginana,amin'ny zavatra rehetra antsoy foana izy ary midera azy fa ny zavatra tsy vitan'ny olombelona xxx hain'Atra foana ? tsy mino izany ve hianao / ary tsy manome zavatra tsy ho zakantsika mihitsy izy izay no teniny knou

:D
4. xxx ( 07/03/2009 01:46)
Ko raha atsoina lave eo ve ny anarany tsy lasa manimbazimba azy indray?
-A/tra o! ho any an-kabone aho! tsy otsany hafahafa be vezany?
an an! aleo izy hipetra any amzay misy azy any fa sonde manahirana ko!
Efa ampy zay nomeny fa anjaratsika ny sisa.
5. Mirananirina ( 07/03/2009 10:54)
De ireny 911 any aminareo izany dia tsy ilaina fa aleo miantso sy miandry an' an'A/tra foana na dia efa ho faty aza????

Inona kay io 911 io azafady e
6. soanja ( 07/03/2009 11:24)
Mirananirina:

De ireny 911 any aminareo izany dia tsy ilaina fa aleo miantso sy miandry an' an'A/tra foana na dia efa ho faty aza????

Inona kay io 911 io azafady e


Nomeraom-panjakana antsoina ho Vonjy aina sy tranomay ary loza tampoka ny 911 aty Amerika avaratra.


7. ikaretsaka ( 07/03/2009 20:32)
Ahoana kay no hahafahan' I niryna mitompo teny fatratra fa voavonjy I niryna...efa avy any ambohitry ny avotra angaha ianao?

Fanamarihana: tsy misy afaka mitompo tena hoe avotra I anona sy ianona raha tsy aorianan'ny fitsarana farany..na ianao io sy zahako ity aza
8. cutie ( 07/03/2009 22:59)
zany an :D
9. coopsal ( 09/03/2009 08:32)
xxx:

Ko raha atsoina lave eo ve ny anarany tsy lasa manimbazimba azy indray?
-A/tra o! ho any an-kabone aho! tsy otsany hafahafa be vezany?
an an! aleo izy hipetra any amzay misy azy any fa sonde manahirana ko!
Efa ampy zay nomeny fa anjaratsika ny sisa.

==> Ary raha ohatra ka hoe, ny tsy miraharaha Azy sy tsy miantso ny anaraNy no tena atao hoe "blasfemy" ?
Eritrereto hoe misy olana eo @ ankizy mpianadahy na mpirahalahy dia tsy misy manatona an dada sy neny fa hoe "avelao dada sy neny any" (miresaka ankizy mbola tezain'ny Ray aman-dreniny aho eto). Raha miteniteny eo dada sy neny d atao hoe : "nareo mikisaha ary fa tsisy idiranareo izao fa adinay samy ankizy".
Tsy aleon'ny Ray aman-dReny kokoa aza ve hoe miantso azy ny zanany ? Ireo reniko sy rafozambaviko hatramin'izao izaho efa manam-bady aman-janaka izao dia mbola tsy mitsahatra ny miahiahy sy manoro hevitra sy miteny sy mananatra sy manampy araka izay azony atao. Koa nahoana no hoe ny miantso an' Andriamanitra @ zavatra rehetra indray no manimbazimba?
Asa ny anareo, fa ho ahy, ny tsy miantso an' Andriamanitra @ zavatra rehetra no manimbazimba Azy satria manao Azy ho toy ny tsy misy izany.
Sady voasoratra izany no par expériences-ko manokana dia izingiziniko. Sitrak' Andriamanitra indrindra ny hiantso ny anaraNy @ zavatra rehetra.
10. coopsal ( 09/03/2009 08:41)
ikaretsaka:

Ahoana kay no hahafahan' I niryna mitompo teny fatratra fa voavonjy I niryna...efa avy any ambohitry ny avotra angaha ianao?

Fanamarihana: tsy misy afaka mitompo tena hoe avotra I anona sy ianona raha tsy aorianan'ny fitsarana farany..na ianao io sy zahako ity aza

==> Mety ho efa nandeha tany am-bohitrinivoavonjy ihany niryna. Izaho na tsy mbola tany aza, dia finoana ny tenin'i Jesoa no ilazako fa misy assurance ny famonjena : KRISTY. Izy mihitsy no ni-assurer ary mi-assurer mandraka ankehitriny, araka ny teniNy hoe :
- "Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay"
- "... tsy ho very izay rehetra mino Azy"
- "ny sitrapon'ny Raiko dia ny tsy hamelako hisy ho very izay rehetra nomeNy ahy, fa hatsangako indray izy @ andro farany"
- "ny sitrapon'ny Ray, dia mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy".
Ka raha tsy nahatanteraka ny sitrapon'ny Rainy io Jesoa Kristy io dia mbola mety ho very izany izay mino Azy, fa raha toa kosa ka nahatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra io Jesoa Kristy io, dia azo antoka fa voavonjy izay rehetra mijery Azy ka mino (Azy).
Fantatro dia izao, tsy hisy hahita Azy raha tsy mitodika amin' Andriamanitra @ fo. Na dia mpivavaka be, na mopera, na pastera, na presbytera, na diakona, na eveka, na papa, na evanjelistra, na katekista, na mpiandry, na moine, na inona ... tsy misy izay mahita ny Zanaka mba hino Azy, raha tsy mitodika amin' Andriamanitra ny fony.
Ny teolojiana rehetra dia samy mahay fa ny finoana an'i KRISTY no mahavonjy, condition nécessaire et suffisante. Saingy na ireo mahafantatra ao an-tsainy an'izany aza, raha tsy mbola nitodika tamin' Andriamanitra ny fony, dia tsy mba hahita an'i KRISTY izy ary tsy afaka hino.
Raha misy te hahita na handre an'i KRISTY, dia aoka izy hitady an' Andriamanitra amin'ny fony.
11. ikaretsaka ( 09/03/2009 15:23)
misy olonkendry izay niteny hoe raha ny "angamba sy ny mety ary ny tombatombana ho no tena tanteraka dia efa ela isika no lasa A/tra kely"

amiko tsyizay hoe "angamba na mety" no mikaonty fa ny resultat... rehefa miteny @ vaolina hoe mety haharesy.... mety hahafaty baolina.... tsy midika izany fa naharesy na nahafaty
vita ny vaolina vao miresaka ary @ izay tsy mampaninona ahy ny mihaino ny hoe io ary ilay nolazaiko!
12. rakaroka ( 09/03/2009 22:01)
Ny tena "blem" @ le resaka wa dia lasa manao rano dikain´ny zinga le izy:
"Atoraka @ le Atra daholo" tahaka ilay "Message"nasain´i Nyrina naely vao haingana iny! Tsia dia tsia ! Dia mametra ny responsabiliten´ny olona amin.ny andraikitra tokony ho raisiny ireny, ary marina ny tenin´i xxx fa
tsa hay intsony hoe . amin´iza no tokony alehan´ny olona arakaraka ny manjo satria ´any amin´Atra FOANA no asaina mandeha anefa tsa hay mazava akory ´ty lalana mankany !
13. ikaretsaka ( 09/03/2009 23:08)
Io le nolazaiko atsy ambadika atsy hoe ny prejudice nao de tano ho anao. Fa aza ahilika @ Atra
14. coopsal ( 10/03/2009 12:13)
rakaroka:

xxx fa
tsa hay intsony hoe . amin´iza no tokony alehan´ny olona arakaraka ny manjo satria ´any amin´Atra FOANA no asaina mandeha anefa tsa hay mazava akory ´ty lalana mankany !

==> Ka rehefa tsy mahay ny lalana ve tsy aleo manontany Azy toy izay mi-karoka ? Tapitra ihany ny ety fa mbola mi-karoka lalana enao.
Izaho taloha tsy nivaky loha fa raha nanontany Azy aho dia nasehoNy ahy fa KRISTY no Lalana mankany amiNy.
15. mia ( 11/03/2009 20:12)
Je suis ton père et je t'aime de la même façon que j'aime mon fils Jésus. (Jean 17:23)

Car dans Jésus mon amour pour toi est révélé. (Jean 17:26)

Il est la représentation exacte de mon être (Hebreux 1:3)

Et Il est venu pour démontrer que je suis pour toi, pas contre toi. (Romains 8:31)

Et te dire que je ne compte pas tes péchés. (2 Corinthiens 5:18-19)

Jésus est mort pour que toi et moi puissions être réconciliés. (2 Corinthiens 5:18-19)

Sa mort est l'expression suprême de mon amour pour toi. (1 Jean 4:10)

J'ai renoncé à tout ce que j'aime pour gagner ton amour. (Romains 8:32)

Si tu acceptes mon fils Jésus, tu me reçois. (1 Jean 2:23) Et rien ne te séparera de mon amour. (Romains 8:38-39)

Dans ma maison, il y a tant de joie dans le ciel devant la repentance d'un pécheur. (Luc 15:7)

J'ai toujours été le Père et serai toujours ton Père. (Ephésiens 3:14-15)

Ma question est ... veux-tu être mon enfant ? (Jean 1:12-13)

Je t'attends. (Luc 15:11-32)

Ton Père qui t'aime Dieu tout puissant

Ho antsika rehetra io!







16. ikaretsaka ( 11/03/2009 20:23)
mampatsiaro ahy nytenin'ilay vazaha nampianatra anaty tao @ semigany ity

« J'ai dit qu'il existait deux types d'égoïsme, mais j'aurais peut-être dû
dire trois.
La première, c'est lorsque je fais quelque chose, ou plutôt lorsque
je me fais le plaisir de faire quelque chose.

Le deuxième, c'est quand je me donne le plaisir de plaire aux autres.
Il n'y pas lieu d'en être fier, ni de croire que l'on est quelqu'un d'extraordinaire.

Le troisième type d'égoïsme, le pire: c'est quand vous faites quelque chose pour éviter un sentiment désagréable.
Mais votre action ne vous donne aucun sentiment agréable, elle ne vous donne, en fin de compte, qu'un sentiment désagréable.
Car vous haïssez cette action.
Vous faites des sacrifices, mais vous les faites en ronchonnant.
C'est bien la pire forme de charité : faire quelque chose pour éviter d'avoir mauvaise conscience ou pour éviter que les autres aient une mauvaise opinion de nous.
Ils ne nous aimeront plus, (si on les contrarie en leur disant non), ils diront
du mal de nous et cela est si déplaisant "

17. mia ( 12/03/2009 18:16)
Tsya azoko loatra ny hidiran'ny resaka types d'égoïsme eto ry ikaretsaka
18. ikaretsaka ( 12/03/2009 18:23)
mia:

Tsya azoko loatra ny hidiran'ny resaka types d'égoïsme eto ry ikaretsaka



tsy egoisme ve le hoe "nenao ihany, nentsika ihany, ny anay ihany"?

sy le hoe "tsy misy hafa tsy io?"
19. mia ( 12/03/2009 18:44)
Tsy misy hidiran'ny egoisme kosa angamba ny teny hoe:
Si tu acceptes mon fils Jésus, tu me reçois. (1 Jean 2:23) Et rien ne te séparera de mon amour. (Romains 8:38-39)


Ny olombelona no manodina sy manimba izay voasoratra arak'izay fandraisany
azy arak'ilay teny hoe J'ai été déformé par ceux qui ne me connaissent pas

Ny olombelona rehetra no antsoina ary manana safidy izy ary izay mitady rehetra dia omena famonjena avokoa tsy misy tombo sy hala
Hoy ilay teny hoe Si tu me cherches avec tout ton coeur tu me trouveras. (Deutéronome 4/29)

Car il y a un seul Dieu et aussi un seul médiateur entre Dieu et les hommes, Jésus-Christ homme qui s'est donné lui-même en rançon pour tous. (1Ti.2:4-5)
20. ikaretsaka ( 12/03/2009 18:56)
izao ve tsy fanerena ankolaka?
imagineo hoe olona hafa no niteny an'io sy nolazaina t@ io sujet io fa tsy i Jesoa ohatra sanatria....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0593