ianareo reny mpisera eto

1. xxx ( 03/03/2009 15:32)
Miarahaba atsika daholo, bevoka zah, vao 2mois, ity no voalohany,te handoa foana, rera-dava, tsy misy zavtr vitako mihitsy,tsy misy sakafo tiako mihitsy, torimaso efa tsy tenenina, tsy te handeha2 mivoaka ny trano, dia matory foana, any ampiasana efa bedy foana zah. Inona no tokony fisorohana io maloiloy io? sao mba misy zavtr tokony hataoko de miala izy? raha mandeha bus moa de fa tsy tenina intsony, feno fofona zany ny anaty bus.
novalian'i welie ny 26/03/2009 16:45
2. sipagasy ( 03/03/2009 20:58)
hihih mazotoa sy mahereza e!! tsy mba tratran'izany aho fony niandry vohoka, ka tena tsy haiko ny hanampy anao.
3. sitlo ( 03/03/2009 21:17)
za koa :°)
4. kalinou ( 03/03/2009 21:34)
za aza de mandoa eran'ny arabe sahla @ ireny oln mamo ireny mintsy! ary ny ahy hatreo ambony table d'accouchement aho mbola mihoaa ihany fa tsisy fanafodiny mintsy! nataon'ny dr hoe aza mitsangana brusque @ maraina, zao na zao fa eh eh eh, zay kely haniko retra mankadoa ahy daolo. Fa dia mahereza fotsiny e

sitlo koa bevoka? ngah? :roll:
5. Papoose ( 04/03/2009 03:30)
xxx. nga tinao esorina?
6. ari.malala ( 04/03/2009 07:44)
papoose, andray kosa! ilay maloiloy kosa akia no tiany ialana a! ndry a! hihihi

xxx, izaho koa aloha tsy mba sendra ilay maloiloy tam bevoka e! fa ny azo atoro anao d ilay tsy mitsangana brusque am maraina, d miezaka minankanina iany na maloiloy azan d misy koa manoro hoe misotro jus de citron, k ts haiko izay afaka hanampy anao amreo :) mahereza e! kely sisa raha 2 mois izany ny kibo, fa mazàna mantsy eo am 3 volana eo d afaka ny malaises rehetra :) korazy
7. xxx ( 04/03/2009 09:25)
Izaho koa mpanao an'io rehefa bevohoka

- Aza manao voky loatra na noana loatra
- Aza mihinana sakafo acide be (marikivy rehetra ity), matetika nefa dia ireny no tena tiana hohanina
- Aza misotro rano mangatsiaka , fa mafàna sotroina : dite na ranon'apango

T@ zanako voalohany dia nomen'ny Dr MagnéB6 aho, dia ni calmer azy koa.
T@ zaza faharoa dia nomeny Fer , dia nety koa
Mila mijery Dr ihany sao izy mba afaka manoro hevitra ohatr'izany

Mahereza fa izay ilay hoe misotro ny rano tsy tiana sy miankin-drindrina irery e
8. Mirananirina ( 04/03/2009 13:32)
Nety tamiko aloha ity fa mety tsy hety aminao nefa lazaiko ihany.
Mitondra pecto na ireny bonbon masiaka ireny aho,ka raha vao te handoa avy dia hoaniko ireo fa tsy maninona.
Aza adino ny mitondra sac handoavana e.
9. belakely ( 04/03/2009 15:07)
Ny ahy indray akia misotro eau gazeuse kely dia afaka a! fa tena mijaly tokoa ilay mandoa, ny ahy aloha hatreo amin'ny 4 mois teo dia nijanona tanteraka ilay nandoa e!

Natoron'ny olona aho hoe misotro coca na asiana sakay kely ny sakafo, fa ireo aloha tsy nandramako satria efa tsy tiako rahateo.

Fa ny olona mandoa rehefa manao voyage aloha misotro coca dia tsy mandoa tokoa e!

Ka toro-hevitra ny an'ny olona fa ianao ihany no mahalala izay mety amin'ny vatanao.
Tongava soa ny vahiny e!
10. vale ( 04/03/2009 17:58)
Ohatry ny an'i miramirana io kou ny ahy no nataoko, ny anah aza bonbons tsotra fa tsy menthe akory fa mety tsara, tsy haiko na samy manana ny vatany ny oul mety ,mety @ hafa fa tsy mety @ hafa kosa. Andramo ihany alou, bon courage.
11. kelly13 ( 04/03/2009 18:34)
tsy tadidiko tsony :°)
12. kotobekibo ( 04/03/2009 22:12)
Efa hoe ajanony ouah ireo zava-mahadomelina sy taoka ireo!!!!
Laingako izany :-D :-D :-D
Toa tsy misy fa iafio kely d ref avy eo njy tena milamina .
13. ikaretsaka ( 04/03/2009 23:52)
nga rehefa te handoa .. tsy eleo aloha any izay te hivoaka?
14. Papoose ( 05/03/2009 02:50)
ari.malala:

papoose, andray kosa! ilay maloiloy kosa akia no tiany ialana a! ndry a! hihihi



oops marina zany!! ke hoe "izy" dia heveriko fa le zaza!!!!


za aza mivoaiazy de efa bbbbgoouuuaaaa beuuuuu!!!! maika fa hoe bikina ngamba de tsy haiko tsony!!!!


15. ari.malala ( 05/03/2009 07:25)
belakely:

Fa ny olona mandoa rehefa manao voyage aloha misotro coca dia tsy mandoa tokoa e!



efa nanandrana an'io za fa za kou mijaly b refa manao voaiazy fa ts mandaitra amko :(
16. vale ( 05/03/2009 20:15)
paoose, ari.malala: misy comprimé kely izay vidina eny am pharmacie, Notamine ny anarany raha tsy diso za, fa efa tena elabeeeeeeee kou za no nampias an'izany, za kou mantsy raha vao lalana be virages ka mandeha mafy le fiara de midégoba!lol
17. ikaretsaka ( 05/03/2009 21:33)
mandehana beka hoa
18. ari.malala ( 06/03/2009 08:13)
vale:

paoose, ari.malala: misy comprimé kely izay vidina eny am pharmacie, Notamine ny anarany raha tsy diso za, fa efa tena elabeeeeeeee kou za no nampias an'izany, za kou mantsy raha vao lalana be virages ka mandeha mafy le fiara de midégoba!lol



vale, hihihi hatram vogalène aza efa ohanina fa ts tafa e :P
19. ni81 ( 06/03/2009 09:09)
hoy ari.malala
efa nanandrana an'io za fa za kou mijaly b refa manao voaiazy fa ts mandaitra amko

Lasa mivaona kely ny resaka fa azafady ! Zà taloha tena mijaly mihitsy fa tena tsy fantatro izay nahafaka azy. Malemy mihitsy rehefa mandeha lavitra.
Tsara ny tsy dia manao voky be loatra fa aleo sakafo maivamaivana no hanina.

Raha mandoa rehefa mi-voaiazy dia andramo ny iray @ ireto:
- misotroa ranom-boasarimakirana
- mihinàna mangahazo manta
20. vale ( 06/03/2009 11:55)
vale, hihihi hatram vogalène aza efa ohanina fa ts tafa e

ari.malala: dadany ndray iny, andramo indray le an'i ni81 io, za koa alou t@ nampiasa le notamine de tsy nando ftsn fa somary naloiloy kely ihany e!! :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7395