SUITE (TONGA RAFOZAKO itsy ambany itsy)

1. anatiko ( 26/02/2009 14:24)
tonga soa aman-tsara rafozako, asehonay azy ny fiananay fa tsy mila mizesta fa mandeha tsy moramora, sady atao izay tsy andaniana vola fahatany.
ho 50 taona izy @ diany aty zao, ka milaza fa hanao fety be, fa tsy atao mora hono izany 50 ans izany, marina izany fa ny vola tsy misy, ny nniversaire-janakay aza vao haingana tsy mbola nisy inona koa ny azy mila atao fety be hono!
ividianako gato izy (d asiako labozy 50 fa zay mantsy no tiany)ka ny fety aloha tsy afaka hanofa salle sy hoe invité olona be, ny zanako aloha tsy ataoko ambaniny mihitsy azafady, ny ahy aloha, sady soa ihany fa tsy misy ny vola.
dia ny @ fetiny zao no manahirana azy, sady tsy tiako ny toetrany fa

mitovy aniversaire @zokiko izy mantsy, dia ny azy hono tsy tiany atambatra @ ny any zokiko fa izy hono 50 taona, ka tokony anaovana fety manokana
dia izao no ataoko: ividianako gato izy rapitso, dia hohaninay dia vita
dia @ herinandro aho ho any @RAR-ko dia mifete ny ani zokiko izahay (tsy hoe fety be fa gato sy ny fiarahana mahafinaritra e). Izy mantsy somary hafahafa fisainana ka aleo ho eo

inona kay no asan'ny rano mena? fa misy anaty sac-ny;
izy koa mantsy malaza be fa hitan'olona nivoaka avy nijery mpanao fanafody, (ilay olona hiditra fa izy nivoaka), nefa izy mpiandry; gaga moa aho naheno an'izany, dia nojereko ny sac-ny dia io nahitako ranomena io.
Ny zanako zaotsy mety matory miaraka aminy tsony, rhf misy havako tonga ao dia miara-matory @zareo izy fa tsy mety miaraka @ rafozako, nanontaniako moa izy, fa tsy nilaza inona.

Dia ilay olona confidenteny any dago, milaza @ cousine-ko hoe"manevateva rafozako hono aho, fa maninona?", ka tsy izany mantsy fa nasehony rafozako azy ny email rht nalefako t@ny ny @ vola lava angatahiny aty sy ny fanararaotany sy lainga ampieleziny any.

dia rhf ato an-trano dia milaza amiko foana izy hoe antsoy lay ramatoa io ahalalako ny marina (ny vadiny mampirafy azy sy ny ratsy ataonle ranga azy..)
olona efa fantatro ve hoe fifosany ahy dia mbola hanontaniako inona koa e!

mitantara ny fianinay any izy, zavatra fantatro ny toetrany fa mpampitombo be sady be zesta v dia inona no inoako azy?


novalian'i Ratoa ny 01/05/2009 21:59
2. Koditra ( 26/02/2009 15:08)
Tandremo kalou sao dé adinonao ny anjara gateau-ko fa manjary marary any Anatiko any. :lol:

Lé ranomena alo misy karazany 3, ny voalohany dia ny rà menamena ny lokony, ny faharoa dia rano notapohana zvtra afa mampiova ny lokony ho menamena, ny fahatelo dia ilay ranonjavatra azo avy @ taolana izay manome loko somary mainty aza angamba sy maheihery fofona izay iany. Ilay fahatelo io no ananako hvtra, misy manao fanafody andoha sy sery izy io, trohina @ orona ny fofony; misy manao fanafody tenda iany koa izay hatao bain de bouche ngamba lé filaza azy zay.

Hevitra : amarino ny fofony fa tsy tokony ho manitra.
Mapamangy any @ rafozanao.
3. xxx ( 26/02/2009 15:35)
Inona kay no tian'i anatiko hahatongavana @ ity resaka ity ?

Ohatran'ny mampalahelo be ianao satria lanin'ny tsy fitiavanao an-drafozanao ny fiainanao sy ny énergie-nao raha izao no fandehany . Hitako efa be ny resaka t@ dinika teo aloha , tsy aleonao ve miezaka mitia azy , tsy maintsy hiara-mipetraka eo ihany nareo? Fa tsy mitady izao zavatra kely rehetra izao hotsongolohana aminy , dia tantarainao eto daholo ny fiananareo. Marina fa misy namana azo izaràna izany eto fa tokatrano koa anie tsy ahahaka e. Mijery sy mihaino fotsiny no ataon'ny eto fa tsy misy afaka misolo anao eo @ toeranao ny namana eto

Miezaha maka positive attitude fa mety hampety kokoa anareo izany

Mirary soa
4. miarina ( 26/02/2009 15:40)
Marary azy ny manjo azy dia izay no izarany azy amintsika. Tsy hainareo marina izany hoa miady saina izany.

Nitantara izao izy dia mba nanalefaka ny marary ao anatiny .. izao le hoe aleo havoaka zao mipoaka any anaty
5. vale ( 26/02/2009 15:45)
I xxx kosa e! izany oul be caprice izany kosa tsy lasa kah! ny zanaky ry zareo indray kosa ve no handefitra noho ny lehibe e? ny zaza aza tsy nanaovana fety de ny azy hono tsy maintsy atao, sady amzay tsy maintsy fety be!! marina fa 50ème anniv fa na izany aza, ny zaza indray zany no ampamndeferana?! tsy tiko koa alou izany oul izany raha za ny teo am toeran'i Anatiko e!! be caprice tssss.. :?
Ts'hitako ze azo atondro anao ry Anatiko fa de mahereza ary ezaho ampahafantarina azy dol ny fahasahirananareo, lazaivo anazy dol mba misy hisainany fa tsy izy lehibe indray no ande hanampatra @ caprice-ny eo.Hmmm..
6. vale ( 26/02/2009 15:50)
...ny ranomena ve tsy fanafody ee? izany resaka odigasy izany indray alou de esory tao anaty sainao mihintsy e, tsy mino ny fiasan'ireny alou raha izaho manonkana, fa asa? objet anie ireny e! de am fomba ahoana moa no hananan'ireny pouvoir??? :roll: ny poison ihany ny ahy no atahorako raha oe miahiahy oul aho, fa ny odigasy sns ireny zvt tsy atahorako raha izaho manonkana!! objets toy ny objets rehetra ihany ny fiheverako an'reny de izay fa aminao no asa ka mba manondro anao fotsiny aho oe inn no atahoranao an'reny?? lol.... :wink:
7. xxx ( 26/02/2009 16:15)
vale, miarina >>> marina fa mi soulager ny fitantarana, fa indraindray koa mampiitatra ny fery ao anaty, mamendrofendro tena irery , dia lasa mi cultiver haine ao anaty ao

Tsy haratsia-toetra no itenenako an'izany a

Ny taona no nampianatra ahy fa na vakiana ny fery na maka io positive attitude io aho . Tsy misy franchise ao @ izy mianaka. Ohatra io resaka ranomena io izao, efa négatif be ny fandraisany azy , nefa betsaka ny gasy mampiasa ranomena atao ody sery ... Ka izay no mahatonga ahy hoe tsy aleo ve resahina izy na ahitsy ny saina fa mamizana anie ny ohatran'io e (physiquement mihintsy) ... vizana @ antsoin'ny ankizy mihintsy

Mba hevitra atsipy iny ny ahy e
8. ni81 ( 26/02/2009 16:51)
Marary azy ny manjo azy dia izay no izarany azy amintsika. Tsy hainareo marina izany hoa miady saina izany.
Nitantara izao izy dia mba nanalefaka ny marary ao anatiny .. izao le hoe aleo havoaka zao mipoaka any anaty
zà koa dia mitovy hevitra amin'i miarina satria misy namako iray izay koa dia tena mijaly @ resaka rafozam-bavy toy izao ary efa nisy dinika nentiko teto koa momba ny olana mahazo ilay namako io fa mafy ka! Indrindra izy tsy mba manana havana aty ivelany fa any dago daholo dia amiko namany no mba tena fitarainany sy filany hevitra. Ka rehefa tsy mahita toro-lalana aho dia nentiko teto ny resaka.
Io mantsy tonga amin'ilay ataon'ilay lehilahy namana eto izay matetika hoe " ny aza voa e" .
9. soanja ( 26/02/2009 17:32)
anatiko:

tonga soa aman-tsara rafozako, asehonay azy ny fiananay fa tsy mila mizesta fa mandeha tsy moramora, sady atao izay tsy andaniana vola fahatany.
ho 50 taona izy @ diany aty zao, ka milaza fa hanao fety be, fa tsy atao mora hono izany 50 ans izany, marina izany fa ny vola tsy misy, ny nniversaire-janakay aza vao haingana tsy mbola nisy inona koa ny azy mila atao fety be hono!
ividianako gato izy (d asiako labozy 50 fa zay mantsy no tiany)ka ny fety aloha tsy afaka hanofa salle sy hoe invité olona be, ny zanako aloha tsy ataoko ambaniny mihitsy azafady, ny ahy aloha, sady soa ihany fa tsy misy ny vola.
dia ny @ fetiny zao no manahirana azy, sady tsy tiako ny toetrany fa

mitovy aniversaire @zokiko izy mantsy, dia ny azy hono tsy tiany atambatra @ ny any zokiko fa izy hono 50 taona, ka tokony anaovana fety manokana
dia izao no ataoko: ividianako gato izy rapitso, dia hohaninay dia vita
dia @ herinandro aho ho any @RAR-ko dia mifete ny ani zokiko izahay (tsy hoe fety be fa gato sy ny fiarahana mahafinaritra e). Izy mantsy somary hafahafa fisainana ka aleo ho eo

inona kay no asan'ny rano mena? fa misy anaty sac-ny;
izy koa mantsy malaza be fa hitan'olona nivoaka avy nijery mpanao fanafody, (ilay olona hiditra fa izy nivoaka), nefa izy mpiandry; gaga moa aho naheno an'izany, dia nojereko ny sac-ny dia io nahitako ranomena io.
Ny zanako zaotsy mety matory miaraka aminy tsony, rhf misy havako tonga ao dia miara-matory @zareo izy fa tsy mety miaraka @ rafozako, nanontaniako moa izy, fa tsy nilaza inona.

Dia ilay olona confidenteny any dago, milaza @ cousine-ko hoe"manevateva rafozako hono aho, fa maninona?", ka tsy izany mantsy fa nasehony rafozako azy ny email rht nalefako t@ny ny @ vola lava angatahiny aty sy ny fanararaotany sy lainga ampieleziny any.

dia rhf ato an-trano dia milaza amiko foana izy hoe antsoy lay ramatoa io ahalalako ny marina (ny vadiny mampirafy azy sy ny ratsy ataonle ranga azy..)
olona efa fantatro ve hoe fifosany ahy dia mbola hanontaniako inona koa e!

mitantara ny fianinay any izy, zavatra fantatro ny toetrany fa mpampitombo be sady be zesta v dia inona no inoako azy?





Afaka manoro hevitra tsotsotra an'i Anatiko ve zah?

Raisiko ny ohatra hoe nanambady Japoney aho. Tsy mahalala izay Rafozako aho fa tonga teo amin'ny fiainako izy satria nanambady ny zanany aho. Tsy mahalala n'iza n'iza any Japon aho. Tsy miteny ny teniny aho. Izahay mivady kosa miteny Anglisy no ifandraisanay. Dia ny vadiko daholo no mampiditra ny fahalalana rehetra tiako fantatra momba ny reniny. Ny reniny miara-mahandro, mikarakara zaza eo, miara mitsangatsanga aminay sns... isaky ny mahita ny rafozako aho dia itsikiako izy. Izay dia ampy hilazako aminy fa tsy mahay ny teniny aho fa tiako izy satria rafozako.

Tokony izay no ijerevantsika ny fiainana. Tsy mihaino izay resak'olona any Mada any; izay milaza fa tsy tia ahy ny rafozako. Ialao lavitra ny fosafosa sns fa manimba tanteraka io. Ny zavatra ataoko dia izay ifampiresahanay eo. Izy milaza fa tiany ny hanaovana fety ny anniversaire-ny dia resahinay milamina rehetra (vady , zanaka raha lehibe ny zanaka) eo ny fahafahana hanao izany. Raha tsy manam-bola dia inona no tsara, tsotra... tsy asiana hoe ny zanako, ny zokiko sns... raisina tsiraidray ny fitiavana ny olona ary tsy ampitahaina velively.
Tsara ny hevitrao hanaovana gateau izy saingy ataovy AMPITIAVANA ny zava-drehetra. Ny tsara indrindra aza raha tena tsy mahalonilony anao ny manao zavatra ho azy dia aleo tsy manao. Teneno tsotra fotsiny ny vadinao izay tsy vitanao tsy vitanao. Raha lehilahy mandinika izy dia manohana ny fifampiresahanareo ary ny tokatranonareo no lohalaharana amin'ny rehetra.

Tsy ao anaty kiraronao aho saingy kosa mahalala fa raha NY FITIAVANA dia atomboka lalandava amin'ny modely avy aminao. Tsinjovy ny fanabeazana ny zanakao. Jereo tsara ny fihetsikao. Ny fomba fisainana dia lovain-janaka matetika. Mampianatra/mpanabe/ mpitsabo aho milaza aminao io. Toneo izay maharary. Zarao amin'ilay vady. Resaho ilay rafozana. Indraindray azonao tonga dia eritreretina hoe marary saina ilay rafozanao dia noho izany mila ny fanampianao izy. Tiavo izy amin'ny aretiny. Tsy hahaova azy ny fihetsika mandratra fo!

Ny odigasy dia misy fa ny mino azy ihany no andairany.



:-* :-* :-* :-*
10. fahamarinana ( 26/02/2009 17:39)
koditra:
Ilay fahatelo io no ananako hvtra, misy manao fanafody andoha sy sery izy io, trohina @ orona ny fofony; misy manao fanafody tenda iany koa izay hatao bain de bouche ngamba lé filaza azy zay.

:arrow:Hamafisiko ihany koa,ny tena ranomena aminy tsy misy resaka fanafody fa ampiasaina atao ho ody aretin'andoha,sns...eny e ,any aminay any anindratany any aloha izay an !...araka io lazain'ny koditra io.
------Izy ilay mivoaka ny mpanao fanafody indray tsy dia hidirako loatra,iza no afaka mamaritra fa mpanao io na honohono n'olona ihany satria mbola laza re etsy sy eroa...
------mikasika ny rafozana indray dia mahereza fa raha tiana vady dia ny rafozana tsinjovi-mandeha hono( sa tsy izay ilay filaza moa ? ).Misy tokoa tena manahirana nefa moa tsy misy azo atao afatsy ny mifandamina aminy : izay no hitako solution...eny na tena mandreraka be.
xxx2 sy 6:
Mijery sy mihaino fotsiny no ataon'ny eto fa tsy misy afaka misolo anao eo @ toeranao ny namana eto

:arrow:misy fahamarinany tokoa ,na izany aza raha mitondra soulagement ho azy dia tsa manahy...hoy aho ,rehefa tsy mihitatra ilay sosokevitra e.!,sa ahoana ?
anatiko :mahereza fa tena ny marina dia tsy haiko ny solution ankoatr'izay !:-* (l)
11. ninimalala ( 27/02/2009 07:54)
Anatiko : Hitanao fantatro fa mafy lay izy fa ity misy hevitra kely hatoroko anao, Tsy ny tsara ihany no hitiavana ny olona iray fa ny ratsy ao aminy ko tiavo de metimetyny fiainana, manaova ezaka lehibe de zao ny zaza aza ampidirina amin'ilay izy fa avelao izy hitia ny bebeany @ maha izy azy, zara aza anie niaona eh, tsy efa taona maro ve zay tsy nifankahitana izay eh, raha sanatria anie ka maty rapitso na rahafakampitso tsy maintsy halaelo ihany e
Mirary soa
12. fahamarinana ( 27/02/2009 08:19)
:arrow: marina ihany koa ny voalazan'ny ninimalala,tsisy anampiana,tsisy analana... :) (l)
13. kelly13 ( 27/02/2009 09:02)
azafady kely oe, nosavainao zany ny poketrany nahitanao io ranomena io?
14. vale ( 27/02/2009 11:02)
ninimalala:

Anatiko : Hitanao fantatro fa mafy lay izy fa ity misy hevitra kely hatoroko anao, Tsy ny tsara ihany no hitiavana ny olona iray fa ny ratsy ao aminy ko tiavo de metimetyny fiainana, manaova ezaka lehibe de zao ny zaza aza ampidirina amin'ilay izy fa avelao izy hitia ny bebeany @ maha izy azy, zara aza anie niaona eh, tsy efa taona maro ve zay tsy nifankahitana izay eh, raha sanatria anie ka maty rapitso na rahafakampitso tsy maintsy halaelo ihany e
Mirary soa


izaho indray tsy dia miombon-kevitra be oatra @ ilay oe "TIAVO" izy eee, sns eee, SAROTRA ny hitia oul MANAFINTOHANA anao izany, SAROTRA manjary lasa FIATSARAMBELATSY fa tsy avy amin'ny fo, MANDEFITRA angaha no izy fa tsy hitia à fo eee, oul manafintohana anao ve de ho tinao?? fon'oulmbel iza koa ny hahavita an'izany?? aoka tsy hasiana fihatsarambelatsy e, TSY POSSIBLE izany, fa ny mandefitra amin'ny ataony no mety ho possible na koa MANGATAKA FIHAVANANA, FANAZAVANA aminy mialohan'ny HITIAVAN azy!! soyons logique! Mora ny miteny oe ataovy izao fa raha enao nyteo @ toerana?? VITANAO ve izany??
ny teniko an'i Anatiko dia oe MIRESAHA MAZAVA TSARA aminy dia azavao eo dol mihintsy ny tsy zakanao rehetra ataony.
(à propos, le misava poketran'oul kosa alou tsy mety e, na dia oe raisinao ohatry ny ennemie aza izy ka ahihinao, tena tsy mety!!).

15. xxx ( 27/02/2009 13:25)
vale a, tsy olona hafa ery anie ilay izy e, rafozana = renin'ny vady , havana tsy azo ialàna mihintsy !

hoy ny fitenenana hoe tsy misy fo vato ka tsy mitsonika eo anatrehan'ny fitiavana

tsy misy fitiavana fihatsaram-belatsihy izany, fa fitiavana hafa dia fihatsaram-belatsihy hafa

miala tsiny aloha fa ohatran'ny masiaka , mitovy ihany izy mianaka satria i anatiko koa anie izao izany mitantara aty ivelany e, ohatran'ny lazainy hoe rafozany be tantara any ivelany

hoy nareo hoe mi soulager azy ny mitantara, OK , fa mila mandin-tena kely ihany koa izy , sao misy azo atao avy any aminy fa tsy hiandry avy any an-kilany foana.

Izaho masiaka e :-)
16. fahamarinana ( 27/02/2009 14:22)
:arrow: vale :tsy hoe tiavo hatrany anie akia fa na toetra rstay na toetra tsara tokony ho tiavina amin'olona iray...eo aloha ! Raha hidirantsika indray hoe rafozana dia itovizako hvtr ny any xxx eo ambony hoe samy miezaka ny tsi11...fantatra fa sarotra rehefa samy mihenjana ny tady nefa kosa raha tiana vady dia atao izay na ho azy ihany aza aloha !...Amiko io fa za moa tsa manana rafozana intsony koa (efa maty tsy nisy haiko )ka mety ho mora amiko ny milaza azy. :? (l)
17. anatiko ( 27/02/2009 15:18)
za tompoko mbola tsy nifos azy partout izany, ny mifosa kosa aloha tsy dia tiako fa zvt henonilay olona foana anie iny indray andro any e;

ny ezaka angamba efa be ny nataoko, fa misaotra anareo namaly sy mampieritreritra, fa marina afa tsy mety lay nisava poketra, lay izy reko fa avy tany @mpimasy no nahatonga ahy nanao izao fa tsy hoe fanaoko akory.

ny @ ezaka efa vitako dia efa niresaka imbetsaka t@ ramoseako a ny @ tsy tiako ataony, @zay mety ho mora kokoa, sady efa halany raha teo moa za, ka raha ny zanany no miteny azy, zakany kokoa.

izy io anie ka be resaka be e, fa tsy oe za mpifosa mitovy @ koa, izao manokana aloha a, déjà tsy dia mifanerasera @gasy, na ny havako aza tsy ilazako ny blemko, eto a no mba mizara izany, satria mampisy fijery ratsy @reo olona ireo izany vis à vis anilay olona resahana, ny ahy dia ny mba ho ojectif no tanjona.

izy anie ka rhf antsoinay @tel taloha dia ny miresaka olona no ataony e, ny vinantony vavy iray izay koa mantsy tsy tiany, io no atao resaka, izany hoe @ko any ho any izy miresaka ahy koa, sady nanomboka izaho nimonimonina dia mivoaka daholo ny resaka.

ny olona no miresaka amiko hoe, izao indray no malaza,... anjarko ny mandinika, fa raha ny fahalalako azy sy ny niarahako t@ 3 taona tany dago aloha dia vitany izany e.

ms bon, misaotra anareo dia raha manana hvt hafa dia misokatra e


18. vale ( 27/02/2009 16:12)
anatiko: hafak'adidy enao efa nanao izay hitiavana azy sy ny fihavananareo izany eee, anjarany izy sy Andriamanitra sisa ny ambiny, rehefa misy zavatra tafahoatra angatahiny aza manaiky be fahatany fotsiny, izay ihany ny ahy ny mba teniko alou eee, jereo alou ny zanakao madinika, mahereza izany e, soa ihany nareo tsy miaraka mipetraka!!
19. fenouhy ( 27/02/2009 23:38)
Manao ahoana daholo!
Ny evitra kely avy amiko de zao: aza raharahina aky zay ataony a, henoy fotsiny de hadinoy rehefa avy eo , aza ampidirina lalina @ fo zay rehetra teneny @zay izy (rafozanao) mba tonga saina ko raha oatra ka itany fa tsy mahataitra anao ny zavatra rehetra ataony hanalana anao amin-janany (@ tokatranonao) ,satria ny rafozam-bavy otrizany de tsy tia zanaka manambady (tsy tiany ny zanany lahy manambady ) satria tiany ny volan-janany de ho azy irery fa tsy hamelomana zanak\'olona any( dia ianao izany )de izay no antony anaovany ny zavatra rehetra izao mba hatezitra anao na tena tsy hotantinao mints ka hialanao ny zanany avy eo, izay ny tanjony ,amin\'izay izy irery mihinana ny volan-janany avy eo raha tsy manambady ny zanany lahy. Ny olona otrizany ko tsy resy lahatra @ fampiresahana zany satria hainy tsara fa tsy tianao ny zvtr ataony de vao maika izy manao fa aleonao izy resena @ fietsika ndray
Mirary soa de mahereza!

20. ravonjison ( 05/03/2009 16:35)
Somary tara kely aho fa ampidiriko ihany ilay hevitra :
1- voalohany aloha dia tokony esorinao ao antsainao tanteraka ireo fankahalána sy fanaratsiana io rafozanao io. Mety tsy mitovy ny fomba fijerinareo ny zavatra sasany sy ny toetranareo, izany anefa tsy midika fa izy no ratsy, fomba fijerinao fotsiny izany. Ny zavatra tenen\' olona mikasika azy dia tokony tsy henoinao, maharatsy fomba fijery.

2- Tokony hiresaka aminy ianao ary holazainao aminy ireon toetra sy zavatra hitanao fa tsy mifanaraka @ hevitrao. Izay ihany no fomba hahafantaranao ny marina ( tandremo!!! mila fahaizana mireska eo , sao dia tafintohina na tezitra izy, kanefa tsy maintsy ataonao). Raha mazava fa tsy mitovy ny hevitrareo, dia respecter-o fotsiny ny heviny, fa kosa izay zavatra rehetra hatao ao antrano dia ny hevitrao ihany no tsy maintsy hampiharina ( tokantranonao io fa tsy azy).
Omeko ohatra ianao : anniversaire 50 ans. Tsy hitako izay maharatsy ny mankalaza anniversaire, amiko dia hevitra tsara izany, fa kosa tokony hiresahanao izy hoe ahoana no tiany hankalazána izany ary tokony ho asehonao ny zavamisy : anontanio izy, iza no hikarakara izany , ary iza no handoa ny vola lany ? satria tsy vitanao irery ny asa manodidina izany ary ianao koa tsy manambola. Roa no mety ho valiny :
- hanampy izy na ara-batana na ara-bola : noho izany tsy hitako izay olana, tanteraho fa mety ho lalana hifankazahoanareo izany
- tsy hanampy izy na ara-bola na @ fikarakarána, izany hoe miadry fotsiny izy fa ianareo no hanao ny zavatra rehetra. Aza miditra @ izay, aza atao ilay anniversaire, na ilay gateau dia aza atao mihitsy.

3- Izao aloha dia tsy afaka hitia olona olona nanafintohina ahy na olona efa mifamaly amiko foana, aleoko tsy miatsaravelatsihy. Fa raha tsy fitovian-kevitra kosa no nampitsinifankahazo anareo, dia henoy fotsiny ny heviny, respecter-o izy fa olon-dehibe, dia ny tianao hatao ihany no ataovy. Tsy midika velively anefa izany fa olon-dratsy izy, hafa fotsiny ny heviny.

Aza hadino fa mbola ho rafozam-bavy koa ianao any aoriana any.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2435