SUITE (TONGA RAFOZAKO itsy ambany itsy)

21. Ratoa ( 01/05/2009 21:59)
raha izaho indray ataoko toa ny tsy misy izay ataony fa raha heverina lalalndava eo manjary mandaira aminao.
Firy moa ny zanany aty an-dafy?
Miaraha mivory daholo ianareo dia miaraha mandinika izay tokony hatao sy izay mety ho vita. Dia eo samia milaza izay takany sy vitany.
Aza asiana resaka izay haratsiam-panahiny sy ny adi-piainanareo.
AZA MAMBORAKA HEVITRA MOMBA IZAY HATAO SY TSY HATAO IANAO. Ary aza be resaka. Izay tandrifina anao ihany lazaina amim-pahedrena.

Amin'izay, raha misy ny tsy mety: "Tsy misy haiko ny amin'ny izany", hoe, "izay niaraha-nanapaka ary ny hevitry Ranona sy Ranona no narahina".

Afaka adidy ianao ary tsy azony tanarahana.

Aza miseho ho mitsuvalana na misakana mihitsy. Ninonina tapaka eo "mety izany" hoe.

Tsy maintsy mahatsapa ny toeran'ny rariny sy hitsiny ihany vadinao.

Izay no atao hoe diplomatie: fahaizana mampandany ny hevitry ny tena am-pahendrena.

Tsy fiaretana izany na fandeferana diso tafahoatra.

Mahereza akia
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1931