Inona marina moa ny tena atao hoe KRISTIANA?

1. bradley7 ( 15/02/2009 21:39)
Aminao manokana, inona marina izany atao hoe Kristiana izany? toa milaza azy ho kristiana daholy ny olona... misy milaza fa ireny kristiana be, mpivavaka tsotra...etc. fa inona marina moa ny tena hoe kristiana? ary inona no handrefesana izany? ....
novalian'i rakaroka ny 25/02/2009 22:51
2. soanja ( 15/02/2009 22:24)
Valiny tsotsotra ny ahy:

Ny Xna dia ireo olona nanapa-kevitra fa hanaradia an'i Jesoa Kristy amin'ny fomba fiainany- araka ny finoana nomeny dia ny fitiavana tsy mety ritra ho antsika/eo anivontsika sy ny fanavotana ary hitory ny hafatra nentiny ho an'ny olona rehetra eto an-tany- ka manatanteraka izany.
Ny fandrefesana dia tsy misy amiko fa ny fitiavana hanao ezaka hiroso amin'io fiainana io ampitiavana kosa dia refy goavana tsy voavidim-bola sy tsy manam-petra ny fivoitrany.

Mahereza mikatsaka an'i Kristy eo am-povoantsika!
3. zamanoro ( 15/02/2009 22:25)
ny kristianina dia izay manara-dia ny manaraka ny filozofian'i Krist.
4. Ilo ( 16/02/2009 05:26)
Amiko manokana :
Ny kristianina dia izay manaiky an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy eo @ fiainany.
Ho Tompo : izany hoe Izy no manjaka ao anatintsika, tsy ny sitrapontsika intsony no atao fa ny Azy.
Ho mpamonjy : manaiky fa mpanota ary mila famonjena ka manaiky fa Izy irery ihany no afaka hamonjy antsika ho afaka @ ota rehetra.
5. Fody ( 16/02/2009 07:00)
bradley7:
Aminao manokana, inona marina izany atao hoe Kristiana izany?

Ny fipetrak'ilay fanontaniana aloha dia efa diso, ka azafady indrindra. Ny Kristiana dia olombelona fa tsy zavatra na "ideoligie" akory. Noho izany ny fanontaniana tokony hipetraka dia hoe: "IZA IREO ANTSOINA HOE KRISTIANA" na hoe: "IZA NO KRISTIANA".

Ny valin'io dia tsotra: ireo mpanara-dia an'i Kristy, ireo sakaizany, ireo rahalahany sy anabaviny, izany hoe ireo miaina sy mivelona amin'ny TENINY isan'andro.

bradley7:
toa milaza azy ho kristiana daholy ny olona... misy milaza fa ireny kristiana be, mpivavaka tsotra...etc. fa inona marina moa ny tena hoe kristiana? ary inona no handrefesana izany? ....

Ny zavatra no mety refesina. Ny maha kristiana anefa tsy zavatra noho izany tsy azo refesina. Ny maha kristiana kosa dia mitaky ny fifandraisana manokana amin'i Kristy. Io dia ny tsirairay no mahalala azy.

Am-pitiavana be.
6. ikaretsaka ( 16/02/2009 17:59)
mitovy fijery @ fody aho @ le hoe "tsy hoe inona no atao hoe Xtiana no fiteny fa iza no Xtianina"
saingy le hoe "miaina sy mivelona amin'ny teniny" amiko tsy io ihany.. IZY mihitsy fa tsy ny teniny fotsiny!
tsy ny teny ihany no mahavelona fa Izay rehetra nomena hivelomana!

Ankoatran'izay le hoe iza no tena Kristianina dia iombonako hevitra ilay hoe tsy azo refesina izany
7. xxx ( 16/02/2009 18:21)
Aza mampitombo ry ka fa mamp :-D fanga izy nanao hoe tsy ny teny ihany no maha velona fa izay rehetra azo ivelomana , de ahoana moa izany hoe mivelona @ tenin'Atra izany e, io zao baiboly tonga de haniko io fa an'Atra sa oe ahona e !?
8. ikaretsaka ( 17/02/2009 00:26)
le teny no no emphasizevany koa
izany hoe ireo miaina sy mivelona amin'ny TENINY isan'andro
9. tidegrow ( 18/02/2009 07:48)
ny olona kristianina
- 1 natao batisa. ho piaray lova @ tompo eto dia adidin'ny ray aman-dreny ny manabe any zaza ho kristianina mivavaka hoazy
-2 rehefa lehibe izy dia manolotena amzay amin'ny alalan'ny kofermasiona
ato ndray dia mahafoy ny fanao ny zao totolo izao ary tsy mandeha @ filany nofo fa ny filany fanahy.mila velomina ny fanahy @ alalan'ny famakiana ny baiboly sy makatoa ny voalazany.ny atao @ zany dia izao vao maraina dia maka vatsy panahy zany hoe mivavaka ianao dia efa eo antananao ny boky dia mangataka teny ho entina mandeha @ fiainana aminio andro io dia sokafanao ny boky dia izay voatondro ny tananao no vakiana.
andramo dia ho itanao fa maharikoriko anao automatique ny fiainan'izao tontolo izao
10. Mirananirina ( 18/02/2009 13:08)
Ny fiheverantsika mihitsy anie no diso e:Izay tsy Kristianina dia tsy misy ilaivana azy.Hoatra ny Juif sy ny musulman dia hejehina hoatra .
Nefa ireo taloha i Kristy dia inona ny olona????????????????
Diso ve ireo izay tsy Kristianina.
Taiza no nisy Kristianina nanao didipoitra raha tsy ny gasy.
11. tidegrow ( 18/02/2009 14:03)
mirana an! firy taona ianao mbola tsy nianatra sekoly alahady angaha ianao.
i Abraham anie no nanao famorana voalohany e! izay nodidian'Andriaminitra azy mba amantarana fa olon'izy .ary tandindony batisa io .azonao .ary ao@ testameta vaovao dia miteny mihintsy fa na voafora na tsy voafora ianao dia tsy misy dikany raha mino fa i jesosy dia nalefa tety hovonoina hisolo ny fahotantsika.hatreto dia nanteraka indray isika .ary ny testameta taloha anie dia tsy miresaka afa tsy israely e! izay oe voafidin'Andriamanitra .
12. Mirananirina ( 18/02/2009 14:53)
36 taona aho.Ary nandritry ny 30 taona niainako dia natokako ho any ny fiangonana ny fanahiko,vatako sns............(tanora,scout,sns...........)Nampianatra katesizy ary aho an.
tao aorinan'io dia tsy niditra ampiangonana intsony aho,raha tsy in1,mariazy ny zandriko.Aoka ho ahy ny antony fa tsy hambarako eto.
13. ikaretsaka ( 18/02/2009 15:25)
Ka @ tidegrow ve ny fanarahana ny fomba no zava dehibe...hoe vita an zao sy zao de zay no andrefesana anazy?
14. rakaroka ( 19/02/2009 00:28)
Samihafa arakaraka ny "fiheverana" ny antsoina ho "Christ" ny valin-teny, ary mitombina ny eritreritr'i Mirananirina satria ireo fivavahana hafa "rafisin'ny" mpino an'i Jesoa anie ka manana ny antsoiny ho "Christ" aby, ary raha zohina
ary ny fivavahan-drizareo Hindou izay efa nisy EEeeelaaaa be talohan'ny nahaterahan'i Jesoa dia efa nisy "Krishna" izay "Christ" amin-drizareo, Heu....
ny marina tafaseho ara-pomba ivelany ny "mpivavaka maro"... fa dia
efa maro t@ izy ireny no mihevitra tokoa ho "vrai Chrétien" fa tsy ireo miseho!
'zaho io aza efa notsidihana antokom-pivavahana isan-karazany, ary dia milaza aby rizareo fa rizareo no tena "Xtiana" fa tsy izy ny hafa, anefa tsy i Jesoa izany no "Christ" ; Ohatra iray ny "Mormone" ; "Eglise du Christ du dernièr jour" fa i Joseph Smith no Kristy amindrizareo, anefa dia tena mihevitra ho
X tiana indrindra koa 'zareo.
Ny Christ raha zohina @ fototra dia "hazavana". Ka ho ahy ny olona itoeran'ny hazavana eo imason'ny mpiara-belona aminy, ary mahazava ny manodidina azy
izay no heveriko fa Xtiana!
:idea: :idea: :idea:
15. rahery08 ( 19/02/2009 04:54)
16. ikaretsaka ( 19/02/2009 07:09)
[quote=rahery08]
17. tidegrow ( 19/02/2009 08:12)
Mirananirina:

36 taona aho.Ary nandritry ny 30 taona niainako dia natokako ho any ny fiangonana ny fanahiko,vatako sns............(tanora,scout,sns...........)Nampianatra katesizy ary aho an.
tao aorinan'io dia tsy niditra ampiangonana intsony aho,raha tsy in1,mariazy ny zandriko.Aoka ho ahy ny antony fa tsy hambarako eto.



ny olanao dia tsy hidirako fa fampeherezana no ataoko anao
kolosiana 3: 1-11
jakoba
5:13-15
tsy ainao angaha fa efa voasoratra hoe avy aty amiko izay mangetaheta sy miasa fatratra fa izaho anome fitsaharana
18. coopsal ( 19/02/2009 12:14)
Fody:
Ny valin\'io dia tsotra: ireo mpanara-dia an\'i Kristy, ireo sakaizany, ireo rahalahany sy anabaviny, izany hoe ireo miaina sy mivelona amin\'ny TENINY isan\'andro.

==> Na ny voasoratra ao amin\'ny baiboly na mandraka ankehitrio dia ireo foana koa no hitako hoe kristiana.
1- Mpanara-dia : Amin\'arivony ny nanara-dia an\'i KRISTY tamin\'ny naha nofo Azy teto an-tany. Ankehitriny izy aman\'hetsiny.
2- sakaizany : Tamin\'ireo mpanara-dia Azy dia, dia nifidy olona vitsivitsy izy ary ireo angamba no sakaizany \"Sakaizako ianareo raha manao izay andidiako anareo ... Tsy ianareo no nifidy ahy fa izaho no nifidy anareo\" [Joany 15]. I Jodasy izay fantany fa hamadika azy koa dia nantsoiny hoe : \"ry sakaiza!\", sady nofidiany rahateo.
3- Ny rahalahiny sy anabaviny ary reniny : i KRISTY mihitsy no niteny hoe \"ireto no rahalahiko sy anabaviko ary reniko, dia ireo izay manao ny sitrapon\'ny raiko izay any an-danitra\"\'
4- ireo miaina sy mivelona amin\'ny teniny isanandro : Ireo ambony ireo ihany izany angamba satria hoy ihany KRISTY hoe \"ny rahalahiko sy anabaviko ary reniko dia ireto, ireo izay mandre ny tenin\' Andriamanitra ka mankato izany \"

bradley7:
ary inona no handrefesana izany

==> Ny fomba andrefesana ny maha Kristiana tsy haiko.
Fa ny fomba ahafantarana ny mpianatr\'i KRISTY marina dia voalazan\'i KRISTY :
- \"Izay tsy mandà ny tenany ka milanja ny hazo fijaliany dia tsy mendrika ny atao hoe mpianatro\".
- \"Nahoana ianareo no manao ahy hoe Tompoko, Tompoko kanefa tsy manao izay lazaiko anareo ?\" --> fankatoavana izay lazaiNy.
Ary heveriko fa io azo itarafana hoe hatraiza ny maha an\'i KRISTY ny olona : ny finoana izay lazainy. Ny finoana tsy hita na azo tsapain-tanana, fa ny fankatoavana ilay teny inoana kosa dia porofon\'ny finoana. Ohatra iray,
ilay lehilahy teraka jamba tao Jerosalema [Jaona 9], tsy niteny hoe \"mino aho\", fa rehefa niteny Jesoa hoe : \"mankanesa ary @ farihin\'i Siloama misasa\", dia avy hatrany izy dia nandeha.
Somary tsy tena tao amin\'ilay fanontaniana fa mifanindran-dalana aminy ihany ka nataoko teto.
Farany, plus on a la foi, moins on pose de question!
19. coopsal ( 19/02/2009 12:20)
Fody:
Ny valin'io dia tsotra: ireo mpanara-dia an'i Kristy, ireo sakaizany, ireo rahalahany sy anabaviny, izany hoe ireo miaina sy mivelona amin'ny TENINY isan'andro.

==> Na ny voasoratra ao amin'ny baiboly na mandraka ankehitrio dia ireo foana koa no hitako hoe kristiana.
1- Mpanara-dia : Amin'arivony ny nanara-dia an'i KRISTY tamin'ny naha nofo Azy teto an-tany. Ankehitriny izy aman'hetsiny.
2- sakaizany : Tamin'ireo mpanara-dia Azy dia, dia nifidy olona vitsivitsy izy ary ireo angamba no sakaizany "Sakaizako ianareo raha manao izay andidiako anareo ... Tsy ianareo no nifidy ahy fa izaho no nifidy anareo" [Joany 15]. I Jodasy izay fantany fa hamadika azy koa dia nantsoiny hoe : "ry sakaiza!", sady nofidiany rahateo.
3- Ny rahalahiny sy anabaviny ary reniny : i KRISTY mihitsy no niteny hoe "ireto no rahalahiko sy anabaviko ary reniko, dia ireo izay manao ny sitrapon'ny raiko izay any an-danitra"'
4- ireo miaina sy mivelona amin'ny teniny isanandro : Ireo ambony ireo ihany izany angamba satria hoy ihany KRISTY hoe "ny rahalahiko sy anabaviko ary reniko dia ireto, ireo izay mandre ny tenin' Andriamanitra ka mankato izany "

bradley7:
ary inona no handrefesana izany

==> Ny fomba andrefesana ny maha Kristiana tsy haiko.
Fa ny fomba ahafantarana ny mpianatr'i KRISTY marina dia voalazan'i KRISTY :
- "Izay tsy mandà ny tenany ka milanja ny hazo fijaliany dia tsy mendrika ny atao hoe mpianatro".
- "Nahoana ianareo no manao ahy hoe Tompoko, Tompoko kanefa tsy manao izay lazaiko anareo ?" --> fankatoavana izay lazaiNy.
Ary heveriko fa io azo itarafana hoe hatraiza ny maha an'i KRISTY ny olona : ny finoana izay lazainy. Ny finoana tsy hita na azo tsapain-tanana, fa ny fankatoavana ilay teny inoana kosa dia porofon'ny finoana. Ohatra iray,
ilay lehilahy teraka jamba tao Jerosalema [Jaona 9], tsy niteny hoe "mino aho", fa rehefa niteny Jesoa hoe : "mankanesa ary @ farihin'i Siloama misasa", dia avy hatrany izy dia nandeha.
Somary tsy tena tao amin'ilay fanontaniana fa mifanindran-dalana aminy ihany ka nataoko teto.
Farany, plus on a la foi, moins on pose de question!
20. coopsal ( 19/02/2009 13:04)
Ikaretsaka:
tsy ny teny ihany no mahavelona fa Izay rehetra nomena hivelomana!

==> Izaho efa nahare teny otraotran zay fa mifamadika fotsiny : \"Tsy ny mofo ihany no iveloman\'ny olona fa ny teny rehetra mivoaka ny vavan\' Andriamanitra\"[Matio 4:4]

tidegrow:
... andramo dia ho itanao fa maharikoriko anao automatique ny fiainan\'izao tontolo izao

==> Izaho koa manao tahaka an\'ilay tenin\'i tidegrow eo ambony.
Saingy tsy tonga maharikoriko ahy automatiquement ny fiainan\'izao tontolo izao. Conscient ny maharatsy ny fomban\'izao tontolo izao sy ny filàny aho, saingy ny nofoko, ny maha izaho ahy dia mijanona ho mankafy ny ratsy! Fahoriana ho an\'ny fanahiko izay te hanam-pahamasinana izany zavatra izany. Nivavaka aho mba ho afaka, ary tsaroako ny teny hoe : \"Izay rehetra nandray azy dia nomena hery ho tonga zanak\' Andriamanitra\". Tsy tonga zanak\' Andriamanitra automatiquement aho izany, fa nomena hery izay tsy maintsy ampiasaiko mba hahatonga ahy ho zanak\' Andriamanitra ... Ary isanandro isanandro izany dia combat spirituel ato anatiko. Fa hoy ny Apostoly Paoly hoe \"Mifalia raha zahan-toetra ianareo, fa rehefa tafavoaka amin\'izany dia lasa mahery kokoa\".

Mirananirina:
36 taona aho.Ary nandritry ny 30 taona niainako dia natokako ho any ny fiangonana ny fanahiko,vatako sns............(tanora,scout,sns...........)Nampianatra katesizy ary aho an.

==> Mino aho fa be lavitra noho ireo no nataonao ary mety mbola manao betsaka noho ireo aza ianao na dia tsy miditra am-piangonana intsony aza. Fanontaniana iray no tiako apetraka aminao : efa nateraka indray ve ianao ? Araka ny tenin\'i KRISTY hoe : \"raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy afaka hahita ny fanjakàn\'ny lanitra\"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081