Konfesy online

1. soanja ( 06/02/2009 16:37)
Azafady indrindra fa mba misy zavatra manitikitika ahy mafy momban'ny konfesy. Avantako amin'ny Katolika ny fanontaniako ary azafady tsy hanimbazimba velively ny antony hanintaniako an'io fa mba liana aho, hoe, efa misy ve ny konfesy online azafady sa mbola tsy maintsy miditra fiangonana toy ny mahazatra ihany ny Mpino? Ny antony anontaniako an'io dia efa betsaka ny fanampiana ara-panahy ho an'ny Mpino azo aompana amin'ny alalan'ny solosaina sy ny fidiarana tranonkala ka sao mba efa misy io? Misaotra mialoha.
Sa raha tsy misy dia inona avy no efa azo atao online amin'ny resaka servisy ho an'ny laika azafady?
2. ikaretsaka ( 06/02/2009 17:20)
Aza adino aloha fa ny kaonfesy dia sakramenta

misy fa tsy konfesy hono no fiantsoana azy fa karazana couseling!
satria tsy administrable online ny sakramenta

(ivereno vakiana ny boky katesizy kelinao manazava ny hoe inona ny sakramenta... famanarana hita sy re ary heno ...)

za matetika mi feel confortable kokoa raha ry zalahy mompera zezoita gasy namako izay efa misy nody any M/kara ny ankamaroany na lasa any Kenya no mifampizara amiko, noho ry zalahy Amerikanina, indrindra rehefa le rehefa avy manao exercice spirituelle iny
za manokana de efa hatr@ ela no miantso an-dry zalahy de milaza "fahotana sy ny tsy mety natao" eo...
fa tsy raisiko ho konfesy izay fa filan-kevitra...
rehefa mila ilay sakramenta aho dia mandeha confessional ihany!

Betsaka kao ireo rahalahy sy anabavy hafa finoana no miditra confessional de mifampizara io @ mompera ao .. fa miteny fotsiny hoe izao sy izao nytsy mety nataony dia mifampidinika sy ampiana @ ny tsy mba hanaovana izany tsony ... fa tsy mi administrer ilay part 2 (ilay maha sakramenta azy) fotsiny ny pretra

3. mathla ( 06/02/2009 17:55)
Azo rasina na azo ampitahaina amin'ny fitsaboana ihany ny konfesy (fampitahana no atao satria tsy mitovy velively amin'ny fitsaboana ny Sakramenta satria tsy magie izy io fa miankina amin'ny finoana). Ka na ny fitsaboana ataon'ny dokotera izay nandalina manokana ny antsipirian'ny aretina sns aza toa tsy afaka manao fitsaboana online. Torohevitra no azony omena sy atolotra, fa raha mila fanasitranana araka ny tena izy dia ny mifanatrika ihany.
Mitovitovy amin'izany ny konfesy. Tsy fanasitranana ara-panahy ihany no azo avy ao fa fanomezam-pahasoavana manokana avy amin'Andriamanitra. Ary ny fanomezan'Andriamanitra dia voatokana ho an'ny tsirairay (personalisé) ka tsy azo atao online (tsy standard ny fanomezan'Andriamanitra).
Isan'ny zavatra mampiavaka ny konfesy ihany koa ny tsiambaratelo. Zava-dehibe io ka raha mivoaka online dia efa tsy mitombina intsony ny maha-tsiambaratelo azy.
Izany akory tsy midika fa tsy mamela heloka Andriamanitra raha tsy mandalo konfesy ny olona. Lehibe ny fahasoavan'Andriamanitra ka afaka mitsinjo ny rehetra izy. Azonao vakiana ilay ao amin'ny Evanjely (Marka 5, 25-34) milaza ny nahasitranan'ilay vehivavy nitsi-drà nanaraka an'i Jesoa ary niezaka nikasika ny morotongotr'akanjony avy aoriana fotsiny mba hahazo fahasitranana. Efa sitra izy kanefa mbola tian'i Jesoa hofantarina hoe iza ary nanambara taminy ny zavatra nahazo azy ary teo vao tena feno ilay famelan-keloka.
4. rdmy ( 06/02/2009 21:01)
ty ny définition an ny sakramenta tam zay nianatra katesizy: FAMANTARANA HITA MASO, RENESIN NY VATANTSIKA, MANAMBARA SY MAMPAHAZO NY FAHASOAVANA... ka ny kofesy dia iray amin ireo sakramenta fito ao amin ny fiangonana
mety hahavaly ny sombitsombin ny amin ny le adihevitra angamba io :D
5. ikaretsaka ( 06/02/2009 21:26)
Izay manko
6. fijo ( 06/02/2009 21:39)
ary rah amandinitena fotsiny de mihezaka manova ny tsy nety???tsy tsara kokoa ve izay,satria ianao ihany no manao ny hezaka amin'ny fanovana
7. marindra ( 06/02/2009 21:42)
le kofensy online kosa alou toa tsy mety fa be ihany mpanararaotra @ internet e. lol
8. fijo ( 06/02/2009 21:44)
mahazo mikofesy amiko ndry ka>.aza misalasala mihintsy
9. marindra ( 06/02/2009 21:47)
ka efa we online zany na @ fijo aza sao de hanararaotra eo lol
10. ikaretsaka ( 06/02/2009 21:55)
fijo:

mahazo mikofesy amiko ndry ka>.aza misalasala mihintsy



11. fijo ( 06/02/2009 21:57)
inona no hoararaotiko eo,ny elanelantany aza manahirana
12. marindra ( 06/02/2009 22:02)
de le elanelantany no tsy mampety an'le kofensy :-D
13. fijo ( 06/02/2009 22:07)
ka izay no anaovana azy on line ko.
14. marindra ( 06/02/2009 22:09)
za tsy manana ota hikofesena alou @ zao lol
15. fijo ( 06/02/2009 22:10)
de izay vita lazaina ary e
16. marindra ( 06/02/2009 22:12)
efa adino le vita koa tsy tadidy tsony :-D
17. fijo ( 06/02/2009 22:14)
izay hoatao ary bitsiana e,sao mba azo hiarahana ihany ka mahasoa
18. marindra ( 06/02/2009 22:16)
nga zany mbola hay lol
19. fijo ( 06/02/2009 22:18)
fa ahoana?za izao haiko hoe hatory rehefa avy eo.
20. marindra ( 06/02/2009 22:23)
hay ve e
heveriko fa le ota atao :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0549