Konfesy online

21. ikaretsaka ( 06/02/2009 23:10)
Raha krispijo ianao dia mahazo mikonfesy @ fijo ka
22. soanja ( 07/02/2009 00:46)
Ika sy ny namana rehetra> Misaotra indrindra fa mazava tsara tokoa. Misaotra koa nanome ny atao hoe sakramenta fa somary efa hadiniko aby ireo lesona ireo fa mbola papozy kely aho tamin'ireny. Izao anefa dia mahatsapa fa ilaina ny mijery akaiky ireo izay nahabe sy nahabotrabotra.

Ampitiavana hatrany. Namaste. Soanja
23. ari.malala ( 09/02/2009 08:53)
Nisy namana iray izay tato, nanontaniako raha mety ny konfesy online fa ny navaliny dia tsy mety satria ilay tanana mitso-drano iny no tena zava-dehibe!
24. bor2lais ( 09/02/2009 09:53)
Ilay online resahina eto ve @ clavier sa an-telefona ?
25. tsikikely ( 09/02/2009 11:07)
Ny mahagaga ahy dia olona nofo aman-dra, mpanota hoatra ahy sy ianao no ilazanao ny helokao sy ny tsy mety ataonao.
Maninona raha Jesosy no iresahanao, tsy mila internet io, tsy mila téléphone na orinateur, tsy mila diplôma manokana, tsy mila exercice spirituelle, tsy mila jésuiste, tsy miandry heure de bureau, disponible et accessible 24 heure sur 24 week-end compris.
Jeremia 33:3
Misaotra Anao Andriamanitra mbola tia ahy. :lol:
26. ikaretsaka ( 09/02/2009 16:16)
Le izy ry tsikikely de sarotra be ho an'ny tsy katolika ny hahazo zavatra tsy katolika aloha voalohany indrindra.. azo atao ny manazavaraha manontany ianao hoe inona no antony hikonfesena, nefa mila manao madio eritreritra aloha ka manala ilay efa fihevitra efa maty paika nasitriky ny sektao ao an-dohanao

mombe ilay hoe "olona toa ahy sy olona mpanota" no tiako hotsipihina sy hodinihinao kely : maninona ianao rehefa misy zavatra tsy zakanao ka manitikitika ny conscience anao no miantso olona ianao hizaranao azy? nefa ilay olona koa mpanota ohatranao ary tsy inon-tsinona ?

Maninona rehefa mijoro vavolombelona ianao ka manao ilay hoe ohatran zao sy ohatran zao ny fiainako taloha ka lasa tahakan zao ... n mi wawawa ery.. tsy maninona? fa rehefa ary @ confessional de maninona?

Momban'ilay hoe jesosy irery: Ianao koa izany rehefa manambady de veloma zaobavy veloma rafozana veloma zaodahy sns.. fa azonao ny vadinao de bye bye aby ny sisa rehetra? :-D

Asio lojika ihany le izy ry namana indraindray!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1944