ny androbe na epilepsie

1. soafara15 ( 19/12/2008 07:15)
Sahirantsaina aho satria ny vadiko dia manao crise epileptique izao tato ato, efa elaela tany @ 1996 tany, mbola tsy nifankahalala izahay, dia nisy cysticercose izy, dia nitsabo tena izy.
dia nivady izahay t@ 2002 dia tsy nisy crise intsony, misy ihany indraindray fa ilay antsoin\'ny mpitsabo hoe crise partielle ireny, ny manodidina aza tsy mahalala hoe manao crise izy satria mandalo kely fotsiny, fa izaho mahalala no mahatsikaritra.
Dia teny teny ihany, tsy dia nisy olana firy ny fahasalamany satria nihinana fanafody foana izy isan\'andro ary nolazain\'ny dokotera hoe à vie ilay izy.
Dia niteraka izahay ny 2003, hisaorana Andriamanitra fa salama tsara ny zaza.

Dia hita moa fa rehefa mbola kely ny zaza dia maro ny fahasahiranana, lasa any @ zazakely ny ampahany be dia be @ fiainanao ankaotran\'ny asa sy ny routine @ fiainana isan\'andro. Dia tsy dia voarako intsony ilay fihinanay fanafody, izy koa tsy ilay hoe marary be, na malemy ka hoe tsy maintsy izaho no hanome fanafody azy, miasa ohatran\'ny olona salama rehetra izy. ilay crise kely mandalo no ilazana azy hoe misy troubles.

T@ heritaona ohatran\'izao, @ ilay manao sieste iny, dia tena nanao crise be izy, ilay atao hoe totale, in-droa mihintsy, nanao aloha t@ voalohany dia natory dia taitra kely dia nolazaiko hoe matoria ianao fa nanao crise ianao teo dia mangala aina aloha, dia niverina natory izy dia niverina nanao crise ihany, sady elaela kokoa.
Teo aho vao ohatran\'ny nanahy hoe mihinana fanafody aza ve izy io, nojereko tsy nisy fanafody intsony tao @ boîte à pharmacie, dia lasa aho nividy.
nanontaniako izy nony taitra, hay tena tsy nihinana mihintsy izy.
Isakin\'ny mahatisahy ahy dia manotany azy foana ny @ fanafodiny satria isakin\'ny @ 7 hariva izy no tokony hihinana, efa nihinana fanafody ve ianao? mamaly ahy ihany izy hoe eny.
Hay kay efa ho roa volana no nanajanonany ny fanafodiny satria leo ny traitement angambany izy na koa hoe mihevitra ny tenany fa efa sitrana ny aretiny.
Izaho anefa efa miteny azy foana hoe tsy azo ajanona mihintsy io fanafodinao io.

Nanomboka teo dia lasa matetika be ilay crise partielle sady miharatsy, elaela vao tongasaina izy, ny zanakay aza efa mahalala hoe manao crise indray i papa. satria manontany izy hoe aiza aho izany, na hoe @ firy izao, na hoe iza io olona io, tsy fantany izahay, dia misinda ihany rahavy eo, ary izy tsy mahatsapa akory hoe nanao izany rehefa tenenina.
Mampalahelo mipitrapitra ery ilay zanakay rehefa mahita izany, ary nametraka fanontaniana mihintsy aza izy hoe maninona kay i papa no manao crise foana, dia novaliako tsotra izy hoe marary izy indraindray, tsy hitako izay avaly azy.
dia efa ho telo volana izao, nosoloin\'ny dokotera ny fanafodiny, teo aloa dia Phenobarbital indray mandeha isan\'andro, fa izao lasa Dépakine iray maraina iray hariva isan\'andro, nefa toa tsy misy fiovana mihintsy,
Taloha izany indray mandeha ao anatin\'ny roa na telovolana ny crise fa izao saika ho indray mandeha isan-kerin\'andro fara fahakeliny.
Nasaina niverina nanao analyse na cysticercose izy, nefa négatif ny valiny.

Mijery ilay aretina @ internet foana aho mba ahafahako mahazo valiny @ fanontaniana manitikitika ahy, kanefa tsy hitako intsony izay azoko atao.

Ny tena fantatro aloha dia ilay izy nanajanona ny traitement no tena antony mampihombo ny aretiny.

mahatoky ilay dokotera aho @ fitsaboana azy satria tsy maintsy matoky raha tsy izany tsisy antenaina. \" c\'est l\'espoir qui fait vivre les imbéciles\" hoy ny fiteny izay.

Vao omaly anefa izy izao tany ampiasana no nanao crise totale indray, mampalahelo ahy izy, no mijaly koa izahay vady amanjanany @ fitaintainana isan\'andro.
mba ampio hevitra aho fa tsy hitako izay atao. inona kay no tena tokony ho ataoko?
Misaotra mialoha
Soafara
novalian'i mibalika ny 27/03/2009 16:57
2. ikaretsaka ( 19/12/2008 07:41)
Izaho dia miara miaina akaiky sy isaika isan'andro @ olona epileptique
Ary mihinana fanafody a vie toy io lazainao io ka hifampiozara kely izay fantatro aho
Ny erreur voalohany indrindra tsy tokony hatao amin'io de ny mijanona fanafody t@ zao fotsiny fa tsy nolazain'ny mpitsabo.... Marina fa mankaleo ny olona mpihinana ny mihinana fanafody a vie ary matetika adino..indrindra ny fanafodin'izy io le tena mila atao hoe isaky ny @ 6 de @ 6 .
Ilay olona tato aza manaraka traitements fa misy crises ihany rehefa isaky ny miova fanafody na nanadino ny daoziny ao anatin'ny 1 andro...
Ny vahaolana akaiky angamba dia ny miverina mijery ny neurologue indray dia manao ny tests rehetra (EEG. ct scan. IMR, spinal ,cognitive...) hijerena ny fihombon'ny aretina... dia tsy misangisangy @ io intsony
Vinany io
De aza adino ny manao le tests tsotra ireny aminy isanandro ...hoe mandeha sy voa controle-ny ve ny mouvements ny rehetra.... fa tsy vao isaky ny misy krizy ihany vao mikoropaka
Mahereza
3. soafara15 ( 19/12/2008 08:09)
Misaotra ry ikaretsaka â!
Ikaretsaka â! izany hoe mety ilay miova fanafody ve no mampisy crise azy matetika be tato ato fa mety hiverina ohatran'ny taloha ihany ny fisehon'ny aretina atsy ho atsy?
Dia rehef misy zavatra tsy voa contrôle-ny ve dia inona no atao, aorinan'ilay test madinidinika?
mankany @ dokotera?
Izahay mantsy aty dago dia mety tsy dia voaramaso tsara ny marary angamba, tsy misy filazana an'io manao contrôle kely isan'andro io.

4. ikaretsaka ( 19/12/2008 08:28)
Anisan ny antony io miova fanafody io..
momba ilay test tsotra dia ireny le hoe asaina akimpiny ny masony de velarina ny tanany dia manoratra chiffre eo ianao de asaina fantariny... asaina manaraka stylo mihetsika ny masony fotsiny fa tsy miaraka @ lohany... asaina mikendry zavatra izy... ohatra hoe manao lancer @ basket na ny fako asaina le atsipiny ohatran'ny manao basket ao anaty poubelle... asaina mampiseho nify, lela mi pi maso... anontaniana hoe andro inona androany...rehefa tsy en crise izy no asaina manao an ireo...ny tanjona de hoe fantany sy voa controlle ny ve ny tenany sy ny manodidina azy.

De ny EEG. Sy ny sisa ataovy ihany... dia ny zaza izao dia efa raisonnevo satria mety izy zy ny zanakareo ihany no mety tafaraka dia mba kopy izy rehefa sanatria mihetsika ny aretin drainy. Ny aty aza dia ny alika ko no dresseko hoe raha vao misy vinany dia efa mivovo be lery manakotaba ny mpiara monina rehefa tsy eo aho ka manao crise ilay olona

De anontanio hoe ny doko na ny pharmacy raha misy keppra any?
5. diamondra27 ( 19/12/2008 10:05)
misaotra anao nanazava tsara ny situation
ilay fanafody aloha dia tokony tsy hajanona intsony e satria a vie io tahaka ny olona ao aminay koa , raha vao tsy mihinana na reraka ry zareo dia mihetsika ny crise-ny, fa misy raison hafa ihany koa mampietsika azy.

efa natoron'ny dr anareo angamba ny fomba atao raha manao crise partielle izy , tandremana mba tsy hanaikitra ny lelany izy na mosoara ireny aza azo hanakanana ny vavany raha en cas de crise .
dia surveiller-na mba tsy haratra amin'ny objet manodidina azy.
Dia vahao daholo ny maneritery azy dia atao PLS izy position laterale de securite.
De anontaniana tahakaio ataonao io, dia surveiler-na tsara hoe adiny firy izy inconscient par rapport tamin'ilay crise voalohany raha miverina ilay crise. Nisy abscence ve, jerena raha simple sa complexe ilay crise partielle
Ny aty aminay dia io depakine io koa no omena azy fa rehefa tena grave vao tsindromina.

raha miova ny fanafody dia jerena hoe tantiny ve sa tsia satria misy effet secondaire ilay izy ka sao tsy mety aminy dia lazaina ny dokotera

misy rohy ity mba jereo kely sao mety hanampy anao
http://www.epilepsy.ca/fran/content/antiepiFR.html

6. diamondra27 ( 19/12/2008 10:20)
saika adino fa aza double-na mihintsy ny dose raha sendra nisy fanadinoina

mandritra ny crise tonico-clonique, afaka tandremana mba tsy hidona amin'ny zavatra mafy izy . Amin'ny fotoana sasany dia misy olona confuse sy désorientée aorian'ny crise, ary mila fanampiana. Na koa mila mi-s’étendre na maka aina kely mba hampiverina ny ainy. anontanio izy amin'ny zavatra tokony hanampiana azy

ho an'izay tsy mahalala ny EEG dia =l’électroencéphalogramme (EEG), .
7. Ralay ( 19/12/2008 10:39)
Marina daholo ireo voalazan'i Ika sy diams ireo fa ny fanafody notokony tsy ho tapahina mihintsy fa à vie io.
Mila manao EEG sy IRM izy.
Dépakine na Lyrica na Sabril dia anarana fanafody momba an'io avokoa ka ny neurologue ihany no afaka mahalala izay mety aminy sy ny dose tokony homena azy.
Mahereza e
8. nikah ( 19/12/2008 11:32)
Marina ny voalaza etsy ambony,a vie ny fanafody @ io fa raha tsy zany de miverina in-1 ny aretina.Nefa na izany aza tsy mionona fotsiny @ resaka fanafody fa mila mitandrina koa ilay olona @ activité ataon'ilay olona,satria manko izy io koa dia mihetsika raha vao vizana loatra ilay olona .Ny zandriko dia manana io aretina io fa manaraka traitement foana ary manao check-up any @ hopitaly isaky ny 6 mois.Ny tsy azony atao dia ny mampiasa ordi maharitra,mijery telé maharitra ny manao vizana be loatra .Satria remarkenay fa raha vao mijery ecran ela izy de manao crise .
Mampalahelo fa dia mahereza e!Ny mankany @ mpitsabo no ataovy fa tsy vitan'ny honohono io aretina io an!
9. soafara15 ( 19/12/2008 12:42)
Misaotra anareo rehetra mampahery ê, tsy misy mpamahery aza mahery fa maika fa misy mpampahery.
Omaly io izy izao teo anolonan'ny ordi no nihetsika, dia izy mihintsy aza no nilaza hoe sao tokony hanao solomaso aza aho hoy izy, mety ho marina ve ny teniny?
Izy koa anie somary mafy loha izay ê! raha tenenina tsy dia hijery télé satria efa vizana avy any ampiasana dia mbola eo iahany, inona ary hono no ataony.
Izao zao izy efa matory aloha be foana, @ 7 sy sasany dia efa matory, satria hoy ny Dr hoe tsy mahazo manao ratsy torimaso sy miary tory.
Izahay mivady aza izao efa misaraka fandriana, izy any @ chambre ny zanako dia izahay roa kely no miaraka.
Ny olona sasany mety tsy hicomprendre angambany, satria tsy azo atao ratsy torimaso izy.
Mafy fa misy ny an'ny olona aza mafy noho ny an'ny tena.
Soafara
10. diamondra27 ( 19/12/2008 12:58)
mila mitandrina amin'ny zavatra rehetra na inona na inona fa ny momba ilay epilepsie aloha dia aza manao reraka hoe, asiana limite le manao ordi na tv dia azo atao koa ny manao loisirs tsara noho ny devant ny ecran sady en famille , le mandende ireny , na miaraka manao activite am fianakaviana e

raha vao tsy ampy torimaso io an na koa reraka be izy dia facteur mampihetsika azy izay , ampahatsiahivo azy ny loza mety hiseho raha tratry ny crise complexe sy generale izy ary mety ho fiatraikany ihany koa ho azy dia ny mba ho avin'ny zaza sns mety hanao effort ihany izy @ farany


ny olona soit disant we normal aza ange we raha elabe loatra devant ecran mety ho tratry ny epilepsie koa e
11. heidi ( 19/12/2008 13:09)
tena mampalahelo be izany cas izany, izaho koa tratran'io tamin'izaho mbola tany madà tamlin'ny 1994, juste alohan'ny handehanako taty, dia tonga taty aho nihetsika be indroa nisesy, tadidiko tsara ny asabotsy avy nisakafo antoandro sy ny dimanche matin, fa tonga dia nangalàna ambulance dia netina tany am hopital, izaho tsy mbola nahalala hoe epilepsie no nahazo ahy fa après ny scaner sns rehetra no nahitàna point kley maintimainty tao am atidoha tao dia io no mi provok ny epilespisn nijanona 1mois tany am hopital aho nanao traitement, fa ny mauvais souvenir-ko tam lay crise nanjary nahatonga ny fiforon'ny angoisse aretina hafa ihany koa, nihinana fanafody roa aho izany ny iray ho an'ny epilepsie ny iray ho an'ny angoisse,
fa pendant 3 ans zà nihinana azy io tsy nihetsika mitsy dia nahena tsikelikely ilay fanafody ho an'ny epilepsie, farany tsy nihinana intsony, ny angoisse koa torakizay, fa rehefa mbola mitady ho tratra iny aho dia mbola mihinana fanafody kely hampi kalm ahy ndraindray fa tena mahalana be mitsy aloha amzao...tsy dia tratran'io intsony
ny fanafody traitement nohandiko dia tegretol 500g ilay mahery kokoa satria misy ny 250g ...DIA ITAKO tena nety tamiko aloha ilay izy e!è!
Ny ahy aloha vao tratra mitsy dia nanambitana aho tonga taty savy dia traitment manadàla tany am hopital tany miampy ny fanafody nohanina nandritra ny trois ans...
FA IZAO mbola tsapako hoe misy crise kely aho fa en fraction de secondes fotsiny sady tsy matetika fa mahalana be raha misy aza....
Ka ny fanafody tsy azo tapahina raha tsy ny doc no manao hoe tapaho amizay, sady ny fanafody ireny koa tsy azo ajanona tampoka fa ahena ny consomation , dia ahena hatrany hatranh mandra-paha tena tsara anao...
BONNE chance aky soafara fa tena ratsy be mitsy sady mamizana be ilay crise io fa tsapako mitsy izany aloha tamin'izaho voa....tandremo ny mi conduire voiture aminin'izany an! dia tsara foana hoe arahina izy fa tsy azo alefa mandeha irery loatra izy manao crise be izany sao mihetsika tampoka eny andalana eny ka sanatria tratran'ny accident.....KORAZY E!
12. heidi ( 19/12/2008 13:10)
hay ve androbe no antsoina hoe epilepsie e! izaho mantsy raha vao mahita olona voan'ny andro be taloha dia variana be mijery azy mihetsika ny crise mandra-piverin'ilay olona hay tratra aho izany.
13. heidi ( 19/12/2008 13:20)
. Mpandefa : nikah [ Valio ] 19-12-2008 12:32:20
Lohateny : Re : ny androbe na epilepsie
Marina ny voalaza etsy ambony,a vie ny fanafody @ io fa raha tsy zany de miverina in-1 ny aretina.
NY AHY TSY à vie ka! efa nijanona tsy nihinana tsony aho izao efa firy taona izao ary isaorko ny ao ambony...
F a misy nièce ko izay toa à vie ny azy, impiry kely ilay crise no mihetsika ao anaty ny ray andro fa kosa tsy maharitra fa matetika be...
tsy nahazo niteraka izy aloha fa sur hono fa ho sampona ny zaza noho ny fihinana fanafody mahery vaika loatra, fa ny fanafody hanina aloha tsy haiko an!
14. soafara15 ( 19/12/2008 13:23)
Misaotra diamondra27 t@ ilay rohy â! efa nojereko
ny mi raisonner-azy indray, indraindray izy tsy dia tonga saina @ izany satria tsy tsapany akory ilay crise, rehefa tena manao ilay crise be izy vao tsapany satria marary be ny lohany sy ny vatany.
Izany hoe tsy sasatry ny miteny aho.
15. heidi ( 19/12/2008 13:34)
hatao ahoana fa marary ny tena iny mila karakaraina e!
tohano ara-batana sy ara-panahy izy fa mafy io crise io ka!
16. soafara15 ( 19/12/2008 13:42)
hay ve zany betsaka ihany ny olona voan'io ê! eto zao izaho dia mahita olona telo, ilay ao @ i Ikaretska dia i heidi efa voa fa sitrana, dia ny olona ao @ ndry Diamondra 27, tsy hoe faly @ aretin'ny hafa aho sanatria, fa mba manana courage hitsabo ny vadiko satria tsy irery aho, ianareo aza tsy kivy dia mba tsy kivy koa aho.
Misaotra @ fanampiana rehetra
17. xxx ( 19/12/2008 13:46)
ny vadiko koa ohatran'ny an'i vadin'i Soafara izany, fa vita tsara ny traitement , ary angamba tsy be loatra ny ratra tao @ cerveau dia tsy naninona izy taty aoriana .

Azoko an-tsaina mihintsy ny mahazo anao, efa niantso urgence indray alina aza aho, fa nanontaniany hoe maninona dia nolazaiko hoe manao convulsion, dia hoy zareo hoe tsy mandeha any izahay raha izany fa omeo izay fanafody fanomen'ny Dr azy (Tégretol koa)

Fa fanafody efa t@ sobika koa no laniny a

Aza entina @ be olona aloha fa mampisy traumatisme hono ny manao crise imason'olona hoy i Dr : fiangonana, tsena ...

Ataovy tsara ny traitement (fanafody io) , aza diso mihintsy fa mety ho sitrana ihany izy. Ny vadiko tsy mihinana intsony izao . Fa raha vao mahita olona manao crise izy dia tena mifarirotra tanteraka

Bon courage e
18. heidi ( 19/12/2008 13:49)
FA misy olona tratran'io crise io lasa paralysé an! ka aleo eviter-na ilay cas otranzay fa tsy mahaleo-tena intsony ilay olona fa mila fikarakaràna be no tsy afaka mande miasa intsony..... araho akaiky ny fitsaboana azy ny fanafody hanina sns.... aza atao tandrevaka na izany aza ....MIRARY FAHASITRANANA IZANY e!
19. diamondra27 ( 19/12/2008 16:06)
heidi: tena mbola debut marina ny nahazo andry de voatsabo haingana fa rehefa grave akia le izy dia a vie le fanafody a, ny olona ao aminay aza mihinana fanafody hafa satria misy aretina hafa miaraka aminy .fa izao akia ry soafara a mba jerijereo ihany izy rehefa alina refa manao crise fa tsy hoe matory izy dia ca va fa mety mihetsika ihany koa pendant le sommeil io ,dia jerena raha manao tremblement izy sns > Cas efa goavana io lazaiko io fa tsy mbola ilay tsy misy atahorana ireny a.


heidi a sao de nanao crise vagale aza ty ndry tamin'izany

fa za wa indray mandeha efa elabe tam volou tsy nahalala fa haiko fotsiny hoe misy malaise le olona hay izy ity ka crise vagale, olona manana crise d'epilepsie ilay olona , efa 5 ans no nahafantarako azy tsy mbola nisy resaka an'io mihintsy fa rehefa niteny za we nisy an'izao niseho dia zay vao nisy nilaza ny namako hoe efa nanao an'izany izy indray mande. Ilay fisehony tamin'izany dia nitsangana handeha hipipi de narahina avy aty aoriana tonga dia nianjera nitsitra dia nasaina nitsangana , notolorana tanana dia nety nitsangana , dia napetraka teo am wc dia ni s'uriner ihany de iny andeha hitsangana iny indray izy nidaraboka tampoka dia tsy nety nitsangana fa hoe hijanona teo , dia nametrahana fanontaniana sns , ilay olona koa moa tsy miteny fa moana fa hay ihany izy hoe mamaly ny fanontanianao , dia farany nanaiky nitsangana fa notantanana dia nangovitra ny tongony rehefa namindra dia nasaina naka aina sy nanao ilay PLs sns dia niantso dokotera dia zay niverina amin'ny laoniny izy ny ampitso.

ka arakaraka ilay olona io fa tsy azo generalise-na ny epilepsie
20. diamondra27 ( 19/12/2008 16:08)
azafady fa diso tsipelina malaise vagal no tiako lazaina fa tsy vagale :oops: :oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4127