ny androbe na epilepsie

21. heidi ( 19/12/2008 16:33)
ka ny doc nanao hoe crise d'epilepsie ny ahy fa tena horera ange ky zany e! mivadika ny lela ny maso miakatra minjitsinjitra be dia tsy maahatsiaro tena, possible tam vlou ni urine.... :? ELALEA VAO MAHATSIARO tena fa crise foana dia mifoha avy ao tsy nahatsiaro nin nin afa tsy ny debut ihany ilay lela mivadika iny, dia ilay efa hifoha ny dokotera nikapoka ny tarehiko de iny no nampa voa ny angoisse ahy, otran'ny hoe nisy namono aho de iny no mijanona ao andohako hoe nisy namono aho...FA CRISE D4EPILEPSIE ka! TEGRETOL io oà no fanafody nohaniko....fa tsara ho an'ny epilepsie io....
NY TSAROAKO nahavoa ahy dia nihinana salady miaraka am nem eny am mpivarotra sisindalana eny, tsy mpihinana n'inreny fa tena bedy vao mihinana sakafo antsisindalana fa ramaka be tamzay zaho sy ny cousine-ko dia samy nihinana dia samy voa, systi MOA IZANY no iantsoana azy any dago.... fa zà lasa taty dia voatsabo haingana fa lay cousine tena nanao crise be mitsy fa nanaraka tsara ny fihinana fanafody dia samy sitrana zahay izao, efa aty koa izy zao dia mbola tsy nanin mitsy.
22. diamondra27 ( 19/12/2008 18:49)
heidi : de miarahaba soa akia izany a fa aza manao reraka be fotsiny an
23. heidi ( 19/12/2008 18:56)
ié ! hitako oe rehefa manao vizana be dia ny angoisse alou no mihetsika de otran'ny ilay niseho tam voaloha iny no henonao....Zaho am folo dia efa mande dodo ka! :wink:
24. ikaretsaka ( 19/12/2008 22:36)
Ny torimaso sy ny tsy manao vizaka aloha no fanafody mahomby indrindra e... ny ordi indray ataovy @ projecteur raha tena te hiasa maharitra na hijery film. Tsy mividy ecran fa projecteur raha mampiasa mac mini ohatra ;-)
25. soafara15 ( 22/12/2008 06:51)
Mbola miverina misaotra anareo aho ry reto an,
T@ tany @ dokotera t@ zoma, dia nomeny diazepam miaraka @ ilay dépakine ny vadiko, lasa roa indray aloha izany ny fanafody ao anatin'ny 10 andro, asa na ahoana indray rehefa mijanona io diazepam io na ahoana,
Tsy ahiko intsony na hety ve ny zavatra atao aminy sa tsia, izany hoe tsy maintsy mahatoky ilay dr raha tsy izany tsy mety, ianao tsinona tsy mahay.
Mivavaka sisa no taoko ry reto â!
26. ikaretsaka ( 22/12/2008 22:18)
fa tadidio fa epiklepsie io fa tsy hoe nidiran'ny devoly an...
za manko efa nahita olona nihetrika androbe de ... nampalahelo indray andro zay fa nisy mpiandry de4 devoly miala hono!.. avy eo bedin'ilay dokotera hoe vao mainka nampikorotana ilay marary ireny natao taminy ireny
27. soafara15 ( 23/12/2008 07:14)
Tsy hoe mivavaka manala devoly aho ry Ikaretsaka â!, amiko ny atao hoe finoana dia ny fahafantarana tsara ny zavamisy, dia izaho tsy mino hoe devoly izany. tsy mila mpiandry aho. Aretina no mahazo azy, izaho tsy minomino foana izany.
Mivavaka aho hoe, anjara nomen'Andriamanitra ahy izaho, na dia resy aza aho, miezaka ny hitraka tsy ho resy be.
28. ikaretsaka ( 23/12/2008 18:05)
Mitovy fijery isika eto
29. ikaretsaka ( 23/12/2008 18:54)
Mitovy fijery isika eto
30. heidi ( 23/12/2008 21:25)
25. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 22-12-2008 23:18:31
Lohateny : Re : ny androbe na epilepsie
fa tadidio fa epiklepsie io fa tsy hoe nidiran\'ny devoly an...
:-D
31. kotobekibo ( 23/12/2008 22:27)
heidi:

25. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 22-12-2008 23:18:31
Lohateny : Re : ny androbe na epilepsie
fa tadidio fa epiklepsie io fa tsy hoe nidiran\'ny devoly an...
:-D


Ny ankabeazan'ny ol manko tato ho ato d hoe devoly doly ny zvt mitranga .
Na aretina na alatra na bikina tampoka .... devoly hono , na koa hoe nasian'ny sasany ody gasy e! :-D
32. ikaretsaka ( 26/12/2008 20:14)
ka izay mihitsy no hampitandremako azy
33. niryna ( 30/12/2008 15:20)
heidi:

25. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 22-12-2008 23:18:31
Lohateny : Re : ny androbe na epilepsie
fa tadidio fa epiklepsie io fa tsy hoe nidiran'ny devoly an...
:-D
kotobekibo:


Ny ankabeazan'ny ol manko tato ho ato d hoe devoly doly ny zvt mitranga .
Na aretina na alatra na bikina tampoka .... devoly hono , na koa hoe nasian'ny sasany ody gasy e! :-D



:D :D
satria mety tsy mahay manavaka ny androbe sy ny hidiran'ny herin'ny devoly ilay olona dia miteny izany e.
Ny fantatro aloha dia misy ny aretina ary tena misy tokoa io hidiran'ny devoly io,mandoa be ilay olona ary tonga dia efa misy drap lehibe sy bounty towel na taratasy famafana ilay loha fa tena mando zavatra izay ohaniny ilay olona ary dia tena mampandoha tokoa anie ny mijery izany e,tsy mahazaka ny herin'ny hazavana hoy ny fanazavana ary dia mandoa,mipipipy,mihinjintsindritra mitsipatsipaka eo ,rehefa mahatsiaro sy miala kosa ilay herin'ny maizina avy tao anatiny dia tsy nahatsiaro izay zavatra nitranga taminy ilay olona.Ity farany resahiko ity dia tsy mila fanafody fa fanasitranana avy amin'ny herin'Atra fotsiny dia mahasitrana azy.Izay miaraka amin'ny finoany ary toy ny mihinana fanafody ihany koa io ,tsy tonga dia hoe sitrana eo noho eo fa miankina izay antony avy amin'Atra irery ihany no mahalala izany. Ny fantatro fotsiny aloha dia rehefa anjarantsika noho sitraniny na inona na inona izany dia sitrana tokoa isika raha toa ka mino azy tokoa,mety ho ela mety ho vetivety ary mety iny aretina iny koa aza no hanavotany ny fanahintsika ka mety hoentintsika hiatrika ny fianana ho mandrakizay.Izy ihany no mahalala izay antony.

Ilay olona voan'ny epilepsie indray dia marina tokoa fa mila dokotera,mila fanafody ary mila ilay tena lehiben'ny dokotera sy mpanao ny fanafody dia Atra izany.Manampy tokoa ny fanafody ary mbola manampy ihany koa ny fiarahana amin'ny fivavahana ilay olona (moa misy zavatra tsy vitako va hoy Atra?)
Dia mahereza daholo ary fa Atra no nanome antsika ny dokotera izay manana ny fahaizana manokana mitsabo ny aretina koa tsy vitan'ny hoe mivavaka fotsiny fa miaraka koa ny fanafody amin'ny zavatra rehetra sy aretina samy hafa io no tiako asiana teny an .
:-* :-*
34. nikah ( 30/12/2008 18:48)
Ny tena mampalahelo @ olona voan'io dia lasa ohatry ny menamenatra zany ,ilay zandriko dia tena mampalahelo ahy mihitsy fa raha vao mba manarakaraka vevavy lery de atositosiky ny sipa fa hoe misy devoly.Ho an'izay tsy mahay manavaka ny aretina sy ny devoly de zay ny mba kely haindry zareo fa hoe voan'ny devoly hono.
Hany ka mihafihafy zany lay olona voan'io aretina io.Menamenatra na matahotra foana sao mihetsika lay crise.
35. ikaretsaka ( 31/12/2008 17:02)
Niryna> misy epileptique tsy mahatanty mazava koa ka mi trigger ny neurones any @ hoza masony ny hazavana...

Toy izany koa ny sakafo sasany...

Amikp ny hoe idiran ny demony dia raha anontaniana izy ka manaiky de izay no izy...noho ilay tsy inontsinona de devoly io...zao io io!
36. mibalika ( 27/03/2009 16:57)
miarahaba,
nampiditra resaka aho tery ambony ny momban'ny aretina neurologique fa tsy nisy namaly,marina ny betsaka eto am firenena d ny epilepsie,nisy olompatatro mantsy voan'ny parkinson,saika hody izy fa nohon'ny toedraharaha eto an-toerana d matahotra izy sao tapaka ny fanafody fa ny aretina rehetra indrindra am atidoha d tsy maitsy raisina mandrapahafaty ny fanafody,hajaina na ny ora hinanan'azy,ny épilepsie indray d henoko fa tsy tia jiro labozia na ny éclairage miovaova e ,namako no niteny io d izay no mapietsika azy eo anoloan'ny tv na ecran,mahereza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2416