Ny fahantran ny gasy ve no mampivarotena ny ankizivavy sa..?

1. lemenakely ( 05/12/2008 10:52)
Ny fahantran ny gasy ve no mampivaro-tena ny ankizivavy sa ny fivarota-tena no mampahantra ?
Fanontaniana lehibe mipetraka izy ity nandritra ny journée mondiale contre la lutte du SIDA

Marina fa tsy misy firenena tsy ahitàna ity raharaha manga ity manerana an izao tontolo izao ,c'est le plus vieux métier du monde hoy ny vazaha.

Kanefa raha mijery ny eto amitsika dia roboka manomboka @ zazavavy 12 taona eny @ CEG no miakatra .Raha misy moa ny tolotra dia misy koa ny tinady, isan izany ireo vahiny izay manararaotra toy ny banga mihomehy alina satria sady mora no tsara ny entana!ary fantatry ry zareo fa mbola ambany ny taux de séropositivité eto .

Raha jerena koa anefa toa mampahantra ihany ilay fivarotatena satria ny ankabeazany dia ny azo anio lany ny azo rahampitso lany ,noho izany voatery hanohy ilay asa ny ampitso

Lalina ity fahatrana ity !

:?:
2. sitlo ( 05/12/2008 11:09)
Zity sy tsy fahalalana ary hakamoana ilay izy raha tena nodinihiko. Zity satria tia honina an-tanàn-dehibe. Hakamoana satria tia hiasa tahaka ny olona rehetra fa tia hahazo vola amin'ny fomba tsotra.
3. xxx ( 05/12/2008 11:09)
tena marina mihintsy izany ry Mr Lemenakely fa atao aona ary e? izany ary no fomba fivelomany ka atao ahoana hitady asa izy tsy aita tsy anao ninoninona toa mamono tena

ady evitra tena mafinaritra mitsy io hevitrao io fa saingy tsy manana argument mihintsy aho
4. caprio ( 05/12/2008 12:33)
mba hafa koa zany fanontanian'i lemenakely we ny fahantrana ve no mahatonga hivarotena; ny valinio dia we eny tsotra izao,fa olona manan-karena ve ry lemenakely de handeha hivaro-tena raha tsy efa we olom-boaozona angamba,eny mety misy hiany aloha ny manakarena mivarotra fa tsy mivaro-tena fa mivaro-kena :lol: :lol:
5. ni81 ( 05/12/2008 12:52)
Misy olona mivaro-tena fa te hahazo vola haingana kokoa noho ny asa am-bolana. Misy olona mivaro-tena fa te hihaingo be ka tsy maharaka izany ny vola miditra aminy.
Misy olona mivaro-tena satria tsy mahita fidiram-bola hafa.
Misy olona mivaro-tena satria fahafinaretany ny manao an'izay (ny vola miditra koa etsy andaniny). Eto izany dia tsy olona mahantra toa ilay voalazan'i caprio izy ireo.
6. xxx ( 05/12/2008 14:35)
ny FOZA ORANA ndray alou d efa ela no nisy e fa zao vo tena nirongatra izy ty kou :lol: :lol:
7. heidi ( 05/12/2008 14:53)
jereo fotsiny any thailande, betsaka ny olona tsy manan-janaka no mande mi adopter zazakely any satria sady tsy lafo loatra mihoatra ny firenena hafa no vola aloha, ary tsy dia sarotra loatra ny fanomanana ny antota-taratasy, fa ny lahy kely no tena alefandreo adopténa amin'ny mpanataka izany fa ny zazavavikely tazomindreo hanao io asa fivarota-tena io hono rehefa à paritr ny 13- 14ans ny mihoatra, dia jereo amizany.....
ny fahantràna no mahatonga azy ireo hivaro-tena
jereo kou ny firenena tantsinana, rosia izao tena malaza be mitsy koa amin'io resaka io.... na dia efa somary miarina azy ny krizy njareo dia mitohy ihany ny fanaovana ilay asa satria ny kil mpividy vehivavy koa ilay tena milionéra be ireny dool ny mande any, fandaharana hitako tam tv io.
Ny ani'lay sipa any ndray dia te hanankarena tampoka
8. fijo ( 05/12/2008 22:11)
isany mitarika ny fivarotantena ny fahantrana.
samy mba te hojejo sy mba hanana ny tsara mantsy,nefa sarotra izany,ka misynymanamora zavatra,ka diaizay ahazoana haingana ny tiany no mahamaika azy.dia io le mitarika ny fijorojoroana etsy sy eroa
9. kotobekibo ( 06/12/2008 00:24)
Tsy manome tsiny azy ireo zà . Marina aloha fa ny fahantrana no manosika , ny kandra tsy misy , raha misy aza mbola manindry patrô hoe @ anona njy mandeha kely any amiko ...na tena karama vary masaka .
Iza amin-tsika no hamelona azy ireo maimai-poana ? ny tanindrazana aza efa @ hamidy @ firenena hafa mba hisian'ny vola . Koa maninn raha manao izay mahamety ny fihainany ry zareo ?
Ny fiarovana no tokony hampianarina azy tsara ,
Raha tena ratsy ny mivaro-tena , maninn no nisy hatrizay ary mbola misy foana ?
'Ty sy nday io ka mifameno , samy afa-po avy eo .
10. lemenakely ( 06/12/2008 07:07)
fijo:

isany mitarika ny fivarotantena ny fahantrana.
samy mba te hojejo sy mba hanana ny tsara mantsy,nefa sarotra izany,ka misynymanamora zavatra,ka diaizay ahazoana haingana ny tiany no mahamaika azy.dia io le mitarika ny fijorojoroana etsy sy eroa



Raha ny zava- misy eto @ tanana aloha dia misy ilay mijorojoro eny @ Indra , Tsaralalana,Behoririka,Andravoahangy,Antanimena...sy any anaty night club isankarazany.

Misy koa any @ ireo salles de massages isankarazany

Misy koa ilay luxe be izay mikendry ireo olona ambony VIP ka any @ salle des jeux sy hôtel any no misy azy ireo

Ary ity fahatelo ity dia raisiko ho anisany ihany koa satria @ izao dia betsaka ny sipakely mpangalabadin olona , ao koa ny manana sipa be dia be ..amiko
dia mpivarotena koa ireny fa @ fomba hafa sy tsy mijorojoro fotsiny!
11. ni81 ( 06/12/2008 07:44)
Raha tena ratsy ny mivaro-tena , maninn no nisy hatrizay ary mbola misy foana ? 'Ty sy nday io ka mifameno , samy afa-po avy eo
:roll: dia ny fihevitrao zany dia tsara matoa maharitra? Maro ny zavatra tsara fa tsy maharitra, ary maro koa ny zavatra ratsy nefa dia tena maharitra sy misy foana n'aiza n'aiza, ary anisan'izany ny fivarotan-tena izay hita fa tena miha miroborobo fatratra na amin'ny lafiny mivantana na an-kolaka koa aza
12. xxx ( 07/12/2008 03:56)
aza simbana less le marser fa io mba finan ny sipa a! zay ko ne mbo te oany andafy refa mahita fozogo e.
13. xxx ( 07/12/2008 04:46)
Io klaoha d hakamoana..kamo te hiasa..kanefany te ahazo vola mora hanefany ny fahafampony...d tsotra:ny vola azo, ny filana vita q demande le peuple hoy ny vazaha...ka iotsy d resaka fahantrana fa fahakamoana ihany no tena marina....ary ny tia sy nday koa misy d mifameno eo...
14. lemenakely ( 07/12/2008 08:01)
ary @ izao na andro atoandro aza dia misy mpivarotena mijoro manodidina iny Tsaralalana iny !
15. heidi ( 07/12/2008 08:55)
lemenakely:

ary @ izao na andro atoandro aza dia misy mpivarotena mijoro manodidina iny Tsaralalana iny !


ary izy maharaka mitsy ary mazoto mi rôde rôde mitazana mahita an!


:°)

xxx: anisan'ny fantràna no mahatonga ny vevavy hanao izany ary tsy ny vevavy ohany no manao an'io anie fa misy lahy koa e! aty ivelany betsaka ny lahy fa e fa adalàna fotsiny ndray ny azy
16. ni81 ( 07/12/2008 09:08)
aza simbana less le marser fa io mba finan ny sipa a! zay ko ne mbo te oany andafy refa mahita fozogo e.
fa angaha raha mivaro-tena dia sûr fa tsy maintsy ho tonga aty andafy? :)
ary izy maharaka mitsy ary mazoto mi rôde rôde mitazana mahita an!

:-D :-D Mandehandeha mahita raha e!
17. lemenakely ( 07/12/2008 10:58)
Na dia jamba aza ve dia tsy ahita ireo koaitra @ andro atoandro ?
18. Koditra ( 07/12/2008 11:36)
"moi content, toi content, pourquoi moi payé" ozizy lé blague zay.
:-D :-D

ao reo tratran'ny tsy fidiny nohon'ny tsy fisiana (ho an'ny mamelonjaka), mantsy fitadiavam-bola tsy mila fonds sady tsy mety matiantoka,
ny sisa, akamoana sy rendrarendra.
19. lemenakely ( 07/12/2008 13:03)
Koditra:

"moi content, toi content, pourquoi moi payé" ozizy lé blague zay.
:-D :-D

ao reo tratran'ny tsy fidiny nohon'ny tsy fisiana (ho an'ny mamelonjaka), mantsy fitadiavam-bola tsy mila fonds sady tsy mety matiantoka,
ny sisa, akamoana sy rendrarendra.


Koditra ?....
Mampatsiahy ilay BD gasy fahiny :Bobel,Pr Mahiratra....
20. heidi ( 07/12/2008 13:52)
lemenakely:

Na dia jamba aza ve dia tsy ahita ireo koaitra @ andro atoandro ?

izaho alou rehefa mandalo eny tsy manana ritreritra hitopy maso eny....Tsy ao antsaina angamba


:-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2055