Voaavotra ireo ankizy tsy ara-pianarana ihany fa finoana koa

1. niryna ( 28/10/2008 17:40)
Maro ny toerana izay ny reny ihany no mitaiza ny ankizy.Raha ny toerana iray resahiko ity dia 75% ny ankizy no tsy manan-dray dia ahitana ditran'ankizy maro tokoa izany toerana izany sy ny fahantrana etsy an-daniny ary ny firenireniavana etsy an-kilany.Amin'ny maraina ny tanora manao basketball ary amin'ny alina izy mangalatra sy manimba zanak'olona izay tratra alina avy nianatra na niasa.
Efa miezaka mirotsaka any an-toerana ny mpitondra fivavahana manampy ara-bola, ara tsakafo ary ara-pianarana.Nisy mpanankarena iray tonga nirotsaka tany am-pianarana nanome morale ireo ankizy mpianatra ary dia niafara tamin'ny fanaovana tsangatanana ilay izy : iza aminareo no mbola te hianatra ? samy nanangatanana avokoa ireo ankizy .
Noraisin'ity rangahy ity ny fianaran'ireo ankizy ary dia niantohany avokoa ny fianarany,ny sakafony ary ny toeram-pianarana.Nirotsaka teny koa izy nampianatra ny ankizy ahalala an'Atra ary hianatra ametraka ny fiainany ho tantanan'Atra amin'izay.
Afaka ny tebitebin'ireo ankizy mahantra,tsy mahafoana ny tsy fananany ray akory izany kanefa kosa mahafantatra izy ireo fa na dia tsy hitany aza ny rainy dia manana Ray izay any an-danitra koa izy ireo .Dia Atra izay nahafoy ny Zanany ho antsika ka nanafaka antsika tamin'ny eloka rehetra izany raha manaiky Azy ho dioviny isika .
Toa ireo zaza marobe izay mbola mijaly tsy manan-dray,mangetaheta mitady izany fitiavan-dray izany,mety ho tonga ary mety tsy ho tonga mihitsy izany ray izany eo amin'ny fiainany.Soa ihany fa manana Ray any an-danitra isika ka afaka hitaraina Aminy ny fahoriana rehetra mahazo antsika.Andramo anie e !

Saika navita fianarana avokoa ireo ankizy rehetra izay nangetaheta fianarana ka nanohy ary afaka ny tebitebintsain'izy ireo nandritra izany fianarana izany,ny ho aviny sisa no miandry azy hitady toerana hiasana.Andriamanitra dia tsy amela ny zanany ho irery satria ny teniny dia manome antsika fampaherezana Tsy andao anao Aho na amela anao ho irery

Voninahitra anie ho Azy irery ihany .Amen !

(l) niryna
2. rabilabila ( 28/10/2008 18:11)
Ilay mpitondra fivavahana lasa père putatif
Ary ny fivavahana =consolation
sans plus !!!!

Betsaka koa ny ohatra toa ireo nataon'ny mpitondra fivavahana silamo ary tafita ny ankizy , sambatra koa izany ny Silamo manana ny andriamaniny .
voir les traités psychanalytiques , psychologiques ...........................................

Sa mifaninana koa ny andriamanitra rehetra ? Allah ,Dieu ,Vishnou ,........

En contrepartie anefa , rehefa jerena ny statistiquen-'ny olona migadra ( pénale) dia 70-80% mpino aby ( na i jehovah sy jesus ,na allah sy mahometa)

Ka inona izany ry Niryna no conclusion ?

mba mieritrereta uhany hoy aho!!!
3. ikaretsaka ( 28/10/2008 19:12)
izay mihitsy ..hoe raha hindou no nanao le hetsika na baha'i na boudhiuste de ny fivavahany nyo voiziny ao de mazava ho azy da dera ho an'izay inoany no mandeha eo
4. bobone ( 29/10/2008 12:37)
Niryna: tena marina fa marobe ny mpitondra fivavahana manao asa soa tahaka ny voalazanao! ny katolika ny protestanta , ny silamo ! fa izao misy manararaotra ny ankizy sasany mody miditra @ sehatra aram-pivavahana izy mba ahazoana tombotsoa ! rehefa azony izay ilainy dia miala izy !! tena maro io an!
koa izay mahay manararaotra ny hatsaran'ny sasany !mikatsaka fahendrena mba ho tafita no tena tafita e!
5. ikaretsaka ( 29/10/2008 12:47)
izay le hoe manao tohatra fiakarana e :-D :-D
6. niryna ( 29/10/2008 17:36)
rabilabila:

Ilay mpitondra fivavahana lasa père putatif
Ary ny fivavahana =consolation
sans plus !!!!

Betsaka koa ny ohatra toa ireo nataon'ny mpitondra fivavahana silamo ary tafita ny ankizy , sambatra koa izany ny Silamo manana ny andriamaniny .
voir les traités psychanalytiques , psychologiques ...........................................

Sa mifaninana koa ny andriamanitra rehetra ? Allah ,Dieu ,Vishnou ,........

En contrepartie anefa , rehefa jerena ny statistiquen-'ny olona migadra ( pénale) dia 70-80% mpino aby ( na i jehovah sy jesus ,na allah sy mahometa)

Ka inona izany ry Niryna no conclusion ?

mba mieritrereta uhany hoy aho!!!




ny conclusion-ko .Mizara ny zava-misy aho ary na manana na tsy manana rehefa ao aminy Atra dia mizara izay fahasoavana omen'Atra azy izy na dia kely fotsiny ihany aza.
7. niryna ( 29/10/2008 17:38)
ikaretsaka:

izay mihitsy ..hoe raha hindou no nanao le hetsika na baha'i na boudhiuste de ny fivavahany nyo voiziny ao de mazava ho azy da dera ho an'izay inoany no mandeha eo

dia afaka mizara izany koa ika ka,tsy hoe ny kristiana ihany.Aleo azava tsara fa tsy olona nino an'Atra aloha ity resahiko ity,taty aoriana izy vao nino an'Atra.Nahafoy ny areny ho an'ny mahantra

^:^ =D>
8. niryna ( 29/10/2008 17:39)
bobone:

Niryna: tena marina fa marobe ny mpitondra fivavahana manao asa soa tahaka ny voalazanao! ny katolika ny protestanta , ny silamo ! fa izao misy manararaotra ny ankizy sasany mody miditra @ sehatra aram-pivavahana izy mba ahazoana tombotsoa ! rehefa azony izay ilainy dia miala izy !! tena maro io an!
koa izay mahay manararaotra ny hatsaran'ny sasany !mikatsaka fahendrena mba ho tafita no tena tafita e!


mety mitombona izany ary tsy izay rehetra manao soa dia ho hisy tombotsoa avokoa.Aza atao fantatry ny tananao havia akory ny soa ataon'ny tananao havanana.
:D
9. niryna ( 29/10/2008 17:41)
ikaretsaka:

izay le hoe manao tohatra fiakarana e :-D :-D


lafitsara foana ry ika mba jerena a.Olona iray nao nangalatra akoho ka ny alasora rehetra no mahazo loza. Tonga any amin'ny fanolanan-jaza andry ....indray ity marina a
:D
10. ikaretsaka ( 29/10/2008 18:10)
za miaraka @ amboalambo de amboalambo e
11. bobone ( 30/10/2008 04:37)
eny tokoa ! adidinao ny manampy olona ary ny tena zava-dehibe dia ny famonjena fanahy ! io mantsy no antoky ny fiainana ho avy! ety an-tany anie mandalo e! asakasak'izay manararaotra mitady tombotsoa @ rendrarenda sy ny voninahitra sy ny laza @ famitahana olona sns fa izao hoy ny tenin'Atra hoe "na azonao daholo aza izao rehetra izao nefa very ny fanahinao dia zava-poana izany! tsy misy mahavita tena ny olona fa tsy maintsy mifampiankina tsy amim-bola ihany fa na aran-kevitra indrindra fa ny fifampitondrana am-bavaka ny zavatra rehetra!!!
12. niryna ( 30/10/2008 12:00)
bobone:

eny tokoa ! adidinao ny manampy olona
marina tokoa aky izany a.Ary rehefa manao fanampiana ny oiona na ara-bola io na ara-pahaizana sy fahalalana eny na nomen'Atra fahasoavana izy mizara ny tenin'Atra raha vokatra fony no anaovany an'izany dia tena mahafaly azy tokoa ary tsy mila tambiny fa manao ny asan'ATra . izay no hevitro fa maro ny an'ny hafa ihany koa mahatonga azy hizara ny tenin'Atra.
Io fanampiana io dia tsy ho voatery ho mpino an'Atra ihany fa na olona tsy mpino koa aza.
ny kristiana dia tsy mitsahatra mizara ny famonjena azontsika avy amin'i kristy ary mizara ireo talenta na fahasoavana nomeny azy tsi11 .
nomena maimaim-poana izy dia mizara izany maimaim-poana tsy mila tambiny toy ny rehetra mizara ny tenin'Atra eto izany na ireo mizara izay mahasoa ny hafa ihany koa ary efa fantatr'Atra avokoa ny mangetaheta sy ny mitsipaka ny teniNy

ary ny tena zava-dehibe dia ny famonjena fanahy !io
mantsy no antoky ny fiainana ho avy! ety an-tany anie mandalo e!

=D izany tokoa no nampianariNy ny mpianaNy ary mbola zarain'ireo rehetra mpanara-dia Azy ankehitriny mandehana amin'izao tontolo izao, mitoria ny filazantsara ary ataovy ho mpianatro ny firenena rehetra.Ary Izay rehetra mino sy atao batisa no ho vonjena fa izay rehetra tsy mino ny anaraNy kosa dia efa voaheloka sahady


asakasak'izay manararaotra mitady tombotsoa @ rendrarenda sy ny voninahitra sy ny laza @ famitahana olona sns
samy mbola andalo fitsarana avokoa isika rehetra ka izay hafafy ihany tokoa aky no ho jinjaina ary izay mamafy rivotra mbola hijinja tadio ...oops

isika koa mbola ho samy ho tsarain'Atra avokoa e ary mbola anontaniana ihany koa aza hoe Inona no nataonao tamin'ireo fahasoavana sy talenta nomeko anao ireo ?
Nataoko tao anaty paosy fotsiny Tompoko fa rehefa tonga Hianao vao itako eo ny ataoko e ! :D
hoy ny tenin'Atra hoe "na azonao daholo aza izao rehetra izao nefa very ny fanahinao dia zava-poana izany!
misaotra fa tena tiako io scripture nomen'i bobone io :D
tsy misy mahavita tena ny olona fa tsy maintsy mifampiankina tsy amim-bola ihany fa na aran-kevitra indrindra fa ny fifampitondrana am-bavaka ny zavatra rehetra!!!

^:^ =D
izay no hizarako antsika ity millionaire nanampy ny fianarana ity.Ny fianarana iray manontolo no niaraka nandray anjara tamin'izany ...tsy naheno tantara hatramin'izao aloha hoe nananao izao ny mpianatra ity lehilahy nanova ny fiainan'ireo ankizy kamboty velondray sy mahantra e.

misaotra aky a :-*
13. bobone ( 30/10/2008 13:57)
Niryna: misaotra e! fa izao akia an! ny tokony hatao fotsiny dia ny manao ny tsara! tsy manilikilika! maneho fitiavana ny namana ! ary manampy azy na inona zavatra mitranga aminy na fahoriana na fifaliana! "mahafaly ny Tompo anie mahita fa mifankatia ny mpianany e! "Fitiavana no lehibe indrindra e! rehefa baikon'ny fitiavana ny olona rehetra dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra
14. ikaretsaka ( 30/10/2008 15:57)
bobone:

eny tokoa ! adidinao ny manampy olona ary ny tena zava-dehibe dia ny famonjena fanahy ! io mantsy no antoky ny fiainana ho avy! ety an-tany anie mandalo e! asakasak'izay manararaotra mitady tombotsoa @ rendrarenda sy ny voninahitra sy ny laza @ famitahana olona sns fa izao hoy ny tenin'Atra hoe "na azonao daholo aza izao rehetra izao nefa very ny fanahinao dia zava-poana izany! tsy misy mahavita tena ny olona fa tsy maintsy mifampiankina tsy amim-bola ihany fa na aran-kevitra indrindra fa ny fifampitondrana am-bavaka ny zavatra rehetra!!!



io anie ry bobone tsy hoe ny kristianina fotsiny no mino an'io fa na tsy kristianina aza mino an'io tokoa e..
jereo ireo hindous ohatra izay mino ny reincarnation, ny antony tsy hanaovany ratsy anie dia ny hoe sao hono lasa kadradraka na lasa moka aorianan'ity fiainana iray lalovantsika ity e.

ny tiako lazaina @ io "famonjena fanahy" dradradradrainao io de tsotra fotsiny. amiko ny hoe "mamonjt fanahy" dia tsy ny fanerena olona hitovy aminao akory sy ny fanozonana heo tsy avotra ianao rehefa tsy ohatranay , fa ny fifampizarana sy ny fifankafantarana hoe ary sy atsy koa kay misy an 'izao, dia izy no misafidy arakarak'izay.
safisy sy sitrapo ny finoana fa tsy fanerena na fivozonana


15. niryna ( 01/11/2008 02:30)
bobone:

Niryna: tena marina fa marobe ny mpitondra fivavahana manao asa soa tahaka ny voalazanao! ny katolika ny protestanta , ny silamo !

:D :-D
izay mantsy,jerena ny lafintsarany aloha


fa izao misy manararaotra ny ankizy sasany mody miditra @ sehatra aram-pivavahana izy mba ahazoana tombotsoa ! rehefa azony izay ilainy dia miala izy !! tena maro io an!
ka ity indray dia ny fototra mihitsy no manodikodina ny ankizy. Ny zavatra nitranga aloha dia hoy ity tovovavy hoe isaky ny Zoma izahay dia mianatra chorale dia omen'......divay ary izy koa mamobe amin'izany dia miteny ratsy ,dia teo no nahalalako hoe tsy any mihitsy izany fiangonana izany ,dia niala tsy ho ao amin'ny fiangonana intsony izy fa nivadika ka izao va o mianatra ny tenin'Atra satria tsy nahazo namaky baiboly hono ry zareo ary tsy misy fampianarana anizany hoe kristy irery ihany no ahazoana famonjena

Fianarana iray manontolo ito resahiko ito ary ahoana no andehan'ny mpianatry Rasalama efa misy kilasy dimy ohatra no anala Bacc ho any an-tranon'ity rangahy ? Tsy omena vola ireo ankizy fa ny fianarana no miantoka nymankany an-tranon'ity rangahy ity ny ankizy e,ny vola no nomena ny sekoly dia izy ireo no nitantana ny vola ,rehefa nivoaka ny sakafo sy fitaovam-pianarana ?
Nivoaka ny college ireo ankizy dia tonga nanotrona teo koa ilay rangahy mpanan-karena miaraka ny vady aman-janany,,teo no nahenoana ny tantara .

_firifiry koa aza ireo olona nilaza ho toa izao dia mianatra aty an-dafy dia rehefa vita ilay fianarana dia miala tsy ho ....intsony izy . Samy mahalala izany tantara izany avy isika rehetra fa tsy misy azo atao satria izay no safidiny.
Zavatra mitranga koa izany

koa izay mahay manararaotra ny hatsaran'ny sasany !mikatsaka fahendrena mba ho tafita no tena tafita e!

marina izany ary anjaran'izay miezaka manao ny marina io ary lozan'izay hiavian'ny fanafitionana hoy ny fitenanana ,lozan'izay mahavita ratsy,mety mihevitra izy hoe tsy misy mahita fa Atra mahita antsika tsi11 avy e
Ahoana hoy Atra tamin'i Adama sy Eva ?
Aiza hianao ry Adama ? Ity aho Tompoko
Aiza izy ? miafina amin'Atra 'Fa naninona satria nahafantatra fa nanota dia niery .
Dia hoy hoy Atra hoe ahoana no ahalalanao anao fa mitanjaka hianao ?
hmm ! samy mahalala avokoa isika rehetra amin'izay zavatra atao rehetra ary samy tompon'andraikitra avokoa e.

Amiko izany dia mizara fotsiny aho ka na inona tenenin'ny olona hoe sao izao izany olona izany dia azy ho azy ny hitsara ilay olona
Vita aloha ny fizarana izay fahasoavana nomen'Atra ireo ankizy marobe
Voazara ny vaovao mahasoa ho anizay mandray
sa ahoana ?
16. niryna ( 01/11/2008 02:32)
bobone:

Niryna: misaotra e! fa izao akia an! ny tokony hatao fotsiny dia ny manao ny tsara! tsy manilikilika! maneho fitiavana ny namana ! ary manampy azy na inona zavatra mitranga aminy na fahoriana na fifaliana! "mahafaly ny Tompo anie mahita fa mifankatia ny mpianany e! "Fitiavana no lehibe indrindra e! rehefa baikon'ny fitiavana ny olona rehetra dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra




^:^ ^:^ =D misaotra razandry a
17. niryna ( 01/11/2008 02:51)
ikaretsaka:

jereo ireo hindous ohatra izay mino ny reincarnation, ny antony tsy hanaovany ratsy anie dia ny hoe sao hono lasa kadradraka na lasa moka aorianan'ity fiainana iray lalovantsika ity e.
hanky va re e,misaotra anao nizara izany

ny tiako lazaina @ io "famonjena fanahy" dradradradrainao io de tsotra fotsiny. amiko ny hoe "mamonjt fanahy" dia tsy ny fanerena olona hitovy aminao akory sy ny fanozonana heo tsy avotra ianao rehefa tsy ohatranay ,

angaha nisy namorina teo ry ika ,izay izany ny fieritreretanao azy dia izay izy aminao .Efa hoe aza mivaky loha raha tsy mitady famonjena woa .Marobe ny olona manokatra ity sera ity ,mijery fotsiny izy fa tsy voatery hamaly,ho azy ireny io raha tsy mila famonjena dia aza manao na inona na inona ,tsy mila manao na inona na inona koa moa raha mila famonjena fa tsotra fotsiny hoy ny soratra masina Izay mino sy atao batisa no ho vonjena,fa izay tsy mino kosa dia efa nohelohina avy hatrany dia anova ny tenin'Atra indray izany isika kou

fa ny fifampizarana sy ny fifankafantarana hoe ary sy atsy koa kay misy an 'izao, dia izy no misafidy arakarak'izay.
marina izany aza manaiky terena ,misy feo mibitsika anao angaha miteny hoe manery anao anie i ranona e ?
ny feon'ny fieritreretana ihany tokoa no mahalala hoe mety ve izao ataoko izao sa tsia,saingy moa ve aho anaraka ny nofiko sa hihaino ny fanahy ?

safisy sy sitrapo ny finoana fa tsy fanerena na fivozonana
d'accord 100% aho sady tadidio fa tsy isika no nihevitra hoe andeha aho hanatona an'Atra ,Izy no nifidy ireo izay fantany fa hanaraka azy ary fantany koa ireo tsy anaraka azy fa mbola omeny chance foana foana .

^:^
18. ikaretsaka ( 01/11/2008 23:16)
ka raha any @ tsy finoana no nandaharan'andriamanitra ny lalan'ny olona 1..de ahoana?
19. prime ( 03/11/2008 10:57)
Mba lazao hoe iza izany andriamanitra izany ra-ika... :lol:
20. ikaretsaka ( 03/11/2008 16:18)
ra prime ve mino fa raha olona iray no maty tsy nino an'Andriamanitra dia aminao tsy Andriamanitra izany no nandahatra ny androm-piainany sy lahatra sns niainany sy nahary azy?? :wink:
Arosoy ny hevitrao hoe?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0567