Tsy kopy

1. rastafarai ( 12/09/2008 02:40)
:roll: Aminareo,otrinn kay no tokony karama ampy any Dago ra miaina normal? (manofa trano,mandou fré,mampiana-janaka,mihinana ara-dalana,mitafy...)
2. Mandefitra ( 12/09/2008 04:59)
1M ar (5M fmg). Fianakaviana iray manana zanaka 2 mianatra
Hofantrano = 750.000 fmg
Jiro sy rano = 250.000 fmg
Ecolage = 120.000 fmg * 2 = 240.000 fmg
Sakafo = 50.000 fmg * 30 = 1.500.000 fmg
Frais = (1500 * 2) * 4 * 30 = 360.000 fmg
Adidy = 250.000 fmg (famangiana isan-karazany)
Fitafy = 250.000 fmg (en moyenne io, tsy mahavidy kiraro iray akory)
Divers = 500.000 fmg (gouter, fanafody kely, surplus, rakitra)

Fitambarany = 4.100.000 fmg ... 900.000 fmg sisa tavela hitsinjovana ny vodiandro merika.
3. fahamarinana ( 12/09/2008 05:26)
:arrow: koa raha tsy mpiasan'ny ong zany vao ho velona amin'ny io lazain'ny mandefitra io,henjana be zany....efa miakatra ny vidim-piainana any na dia ilay hofa-trano monja aza no tiliana d'efa mampihemotra be. :( (l)
4. ni81 ( 12/09/2008 05:51)
koa raha tsy mpiasan'ny ong zany vao ho velona amin'ny io lazain'ny mandefitra io,henjana be zany....efa miakatra ny vidim-piainana any na dia ilay hofa-trano monja aza no tiliana d'efa mampihemotra be.
ka raha tsy afaka ny hisafidy ilay olona dia tsy maintsy atao izany izay ahazoana ireo koa! Ary ohatrinona anefa moa izao ny karama farany ambany any?
5. Mandefitra ( 12/09/2008 06:06)
Ka miaina normal hozy rastafarai nge.
Fa misy olona mandray 1.500.000 fmg/mois velona ihany ka.
Fa mifintina arak zay koa ny fandaniana :
- miala ny hofantrano ohatra fa mipetraka @ dada sy neny ihany na efa manambady aza.
- ampianarina @ sekoly tsotsotra ny zaza, na any @ EPP
- raha mbola vita tongotra ny lalana dia hatao fa tsy mandeha bus
etc ...
Fa ny hofantrano koa anie no tena henjana.
Raha 500.000 fmg zany zao efitra 2 kely, mety tsisy rano akory aza.
Io 120.000 fmg / mois io zao st antoine, mbola mety mora noho ny sekoly sasany aza.
50.000 fmg / jour sakafon 'olona efatra ange tsy , maraina antoandro hariva zany.
Ny gasy aza anefa refa week end mba hoe atao tsaratsara ny laoka, raha misy vahiny moa manginy fotsiny ny fandaniana.
Ny frais io frais bus allez retour fotsiny, fa raha mody antoandro mbola *2, raha miova bus in-2 mbola toy izay koa. Tsisy resaka mande taxi akory raha sendra mody hariva na avy orana. etc ...
6. Mandefitra ( 12/09/2008 06:17)
Ndao nge asiana kajy anakiray
Hofantrano = 500.000 fmg
Jiro sy rano = 250.000 fmg
Ecolage = 120.000 fmg * 2 = 240.000 fmg
Sakafo = 30.000 fmg * 30 = 900.000 fmg
Frais = (1500 * 2) * 4 * 30 = 360.000 fmg
Adidy = 250.000 fmg (famangiana isan-karazany : fiokontany,fianakams)
Divers = 500.000 fmg (gouter, fanafody kely, surplus, rakitra, akanjo)

Fitambarany = 3.000.000 fmg

Tena minimum io raha hivelomana ao iarivo. Tsisy ambimbava.
7. ktsif ( 12/09/2008 07:03)
Miankina amin'ilay hoe miaina normal ihany io:
raha ireo voalazanareo ireo izao dia anisan'ny olona miadana raha aty dago. Fa na ohatrinona na ohatrinona karama raisina dia tsy ampy foana satria toa faran'izay ory indrindra raha raha tsy manana credit, tsy misy internet, tsy manana CANALSAT, etsetra
na 600 000fmg na 23 000 000 fmg tsy ampy foana io
8. masisokely ( 12/09/2008 07:18)
Mandefitra:

1M ar (5M fmg). Fianakaviana iray manana zanaka 2 mianatra
Hofantrano = 750.000 fmg
Jiro sy rano = 250.000 fmg
Ecolage = 120.000 fmg * 2 = 240.000 fmg
Sakafo = 50.000 fmg * 30 = 1.500.000 fmg
Frais = (1500 * 2) * 4 * 30 = 360.000 fmg
Adidy = 250.000 fmg (famangiana isan-karazany)
Fitafy = 250.000 fmg (en moyenne io, tsy mahavidy kiraro iray akory)
Divers = 500.000 fmg (gouter, fanafody kely, surplus, rakitra)

Fitambarany = 4.100.000 fmg ... 900.000 fmg sisa tavela hitsinjovana ny vodiandro merika.



dia misy olon-tsotra mikarama io vola 5Mfmg io ve????
na 1M ariary, tsy exageré ve io chiffres io
ny chiffres n'ny olona amin'ny sarangan'ny be isa hoe omena azafady....
ny sarangan'ny be isa tiako ho lazaina dia hita fa olon-tsotra sy tsy dia manana hatoraka otran'io no betsaka any madagasikara.


9. masisokely ( 12/09/2008 07:20)
4. Mpandefa : Mandefitra [ Valio ] 12-09-2008 08:06:23
Lohateny : Re : Tsy kopy
Ka miaina normal hozy rastafarai nge.

io karama vola 5M fmg io ve ny hoe miaina normal any! ????
efa aningitraingitra be io any amintsika raha ny fahitako ny fiain'ny olona any.
10. masisokely ( 12/09/2008 07:23)
Fa ny hofantrano koa anie no tena henjana.
Raha 500.000 fmg zany zao efitra 2 kely, mety tsisy rano akory aza

dia mifankaiza amin'ilay hofantrano lazainao hoe miaina normale "750.000 fmg
io hofantrano 500.000fmg io kay????
izany hoe inona avy no ao anatin'ilay hofantrano 750.000fmf
efitra firy dia misy rano sy jiro dia lmisy tokotoany sy zaridaina izany sns????
11. masisokely ( 12/09/2008 07:24)
Mandefitra:

Ndao nge asiana kajy anakiray
Hofantrano = 500.000 fmg
Jiro sy rano = 250.000 fmg
Ecolage = 120.000 fmg * 2 = 240.000 fmg
Sakafo = 30.000 fmg * 30 = 900.000 fmg
Frais = (1500 * 2) * 4 * 30 = 360.000 fmg
Adidy = 250.000 fmg (famangiana isan-karazany : fiokontany,fianakams)
Divers = 500.000 fmg (gouter, fanafody kely, surplus, rakitra, akanjo)

Fitambarany = 3.000.000 fmg

Tena minimum io raha hivelomana ao iarivo. Tsisy ambimbava.


misaotra aloha tamin'ny chiffres fa mba misy hieritreretana ho amin'ny fanampiana omena andry zareo any...ary raha manana trano kely izany hoe tsy landoha hofan-trano izany dia ilay 500.000fmg io azo hatao hoe ambimbava.


12. Mandefitra ( 12/09/2008 07:31)
Ny tranona 500.000 fmg zany arakaraky ny quartier misy anao koa.
T@ 2003 za no nanofa trano tao anjanahary : efitra fandriana kely + lakozia + salon iray no 350.000 fmg. Ny douche sy ny wc ikambanana @ tompon-trano. Misy rano saingy refa handro ianao dia mitondra sceau, manovo rano. Ny WC mbola 101 @ io an.
De eritrereto hoe 2008 isika zao.
13. ni81 ( 12/09/2008 07:57)
Miala tsiny fa tsy hitako raha toa ka mba efa nisy namaly ilay fanontaniako hoe: ohatrinona moa izao ny karama farany ambany any dago.
14. fahamarinana ( 12/09/2008 08:07)
:arrow: naika mba hamaly aho ry ni fa zà koa tsy mahalala loatra.Ohatran'ny somary ambanimbany ihany an.
Fa koa io hofatrano io no tena hitako mozatra be any dago.Nisy olom-pantatra izay nanofa ireny ao 67ha ireny fa tonga hatramin'ny 1million hono :zany hoe misy jiro sy rano sy wc (101) dia ireny efitra ireny. :( (l)
15. volana1 ( 12/09/2008 08:27)
Ny karama farany ambany izao dia 342 000 Fmg eo ho eo izy izay. ny karama 5 000 000 Fmg voalaza tery ambony dia tsy ampy marina aloha raha hiaina tsotra tsy hoe be problème, tsy ampy foana, satrai ny vidim-piainana efa miakatra, matoa ianao mikarama ohatr'izany dia efa ambonimbony koa no tokony ho fari-piainanao fa tsy hipetraka amin'ny trano 750 000 Fmg noteneninareo (tsy miaingitraingitra io fa ny trano 750 000 Fmg tompoko dia betsaka no 101 ny WC, ny douche zara raha misy), raha olona mikarama 5 000 000 Fmg mety mba manana fiara izy, tsy handeha amin'ny fiarany izany izy fa dia handeha bus foana.

Ny tsara atao ohatra dia ny sarambabe izay en moyenne mikarama 900 000 Fmg ohatra, ka ampy ve izany hozy nareo ? raha ireo dépense voalaza ireo? ny olona manao canal sat sy ny karazany anie azo atao hoe olona efa aisé e ! ka anjaranareo any ivelany no mieritrerritra hoe omena fanampiana sa tsia, io koa resaka fitiavana io, mba te hanana izy raha afaka manome fa tsy an-tery.

Fa ny nakabeazany dia mandeha amin'io voalazako teo ambony io, ary tsy ampy mihitsy, tena marina, raha tsy manao gymnastique be sy zavatra hafa, nefa ny harerahana mamely sns...
16. fahamarinana ( 12/09/2008 08:38)
:arrow: misaotra any volana1 tamin'ny info.
Tena tsy ampy marina na dia hoe hiafy faran'izay mafy.Maro ny havana hitako sy fantatro any dia miara-miaina amin'ny rar ny mpiray tampo satria miala amin'ny hofatrano nefa tsy ny rehetra koa no manana trano ka afaka handray ny zanany rehetra zany...Ary raha atao hoe ao antananarivo no sahala ireo ny fiainana,ny any amin'ny province koa ve midangana be ny hofatrano ??...
volana1:
ka anjaranareo any ivelany no mieritrerritra hoe omena fanampiana sa tsia

:arrow: raha afaka manome ve moa ny aty ivelany tsy hanome raha mbola manana rar any dago foana,normal be ary adidy rahateo.Fa koa mety tsy ho tratra rahatoa ka ny havana rehetra no ho ampiana na dia te hanao aza raha tsy hoe tena lafatra amin'ny karama ihany koa angaha... :) (l)
17. Mandefitra ( 12/09/2008 08:48)
Raha tahiny manana fiara ianao, ka hampiasa azy isan 'andro, dia miomana ny 50.000 fmg / j lasantsy fotsiny.
Fa velona foana ihany anie ny gasy, fa mihafy fotsiny.
Tsaroako zany fahiny hoe rom-patsa an ariary efatra ny laoka antoandro. :)
18. volana1 ( 12/09/2008 08:50)
fahamarinana : ny mahatonga miteny an'io hoe raha hanome fanampiana mantsy tsy hoe mangataka ho an'ny aty fa, misy ny any ivelany mimenomenome be rehefa manampy nefa fitiavana ho'aho izay io, tsy dia voatery fa rehefa afaka, ary raha tsy dia vokatry ny fo aleo tsy manao.

Ny aty dago mantsy anie aloha efa zatra an'io manao gymnastique lava amin'ny fiainana io, tafita ihany ny iray volana fa miangona ny trosa no iafarany, satria lasa mihoatra ilay izy rehefa ela ny ela, nefa tsy maintsy manao izay koa fa tsy tafita mihitsy. Eritrereto hoe 5100 Fmg ny 1 kg amin'ny vary dia raha 2 Kg par jour fotsiny (raha olona vitsy), dia hihafy tsisy laoka foana ve , sns...misy zavatra madinidinika rehefa mitambatra dia volabe, nefa raha tsy atao koa tena mampalahelo be ny ankizy.

Misy zavatra ataon'ny ankizy any ivelany izay mba ataon'ny ankizy aty, tsy hoe voatery hoy aho ny hanao azy ny ankizy, nefa fantatrareo ihany fa ilainy ihany izany, tsy azonao ferana tsy hivoaka ny trano ny ankizy, sarotra be, ny fianana mihitsy no manery ny rehetra hanao ireny pitsopitsony ireny.
19. ni81 ( 12/09/2008 08:50)
Misaotra an'i volana1 fa mazava e!
hoy i fahama
raha afaka manome ve moa ny aty ivelany tsy hanome raha mbola manana rar any dago foana,normal be ary adidy rahateo.Fa koa mety tsy ho tratra rahatoa ka ny havana rehetra no ho ampiana na dia te hanao aza raha tsy hoe tena lafatra amin'ny karama ihany koa angaha...
Tsy ny havana rehetra kosa aloha no afaka omena e! koa angaha dia BNP no ahavita izany rehetra izany! fa izay tena tokony ho ampiana ihany. Matetika koa ny havana (sasany) manao hata-piso ka mandreraka beuuuuuu.
20. fahamarinana ( 12/09/2008 08:56)
mandefitra:
Tsaroako zany fahiny hoe rom-patsa an ariary efatra ny laoka antoandro

:arrow: tena efa ela zany ranadahy an...:)
mandefitra:
Fa velona foana ihany anie ny gasy, fa mihafy fotsiny.

:arrow: zà manokana dia tena midera izay toe-tsaina izay,mahita fianakaviana aho dia tsy ahenoana taraina fa dia mandeha hatrany ny fiainany,ny fianaran'ny ankizy vita fa samy mikaroka eny daholo.. :(
mandefitra:
Raha tahiny manana fiara ianao, ka hampiasa azy isan 'andro, dia miomana ny 50.000 fmg / j lasantsy fotsiny.

:arrow: iny koa dia mba hitako,tsy ambaka ny vidin'ny lasantsy aty ivelany,raha dinihana aza dia mitovitovy ihany. :( (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2372