Tsy kopy

21. fahamarinana ( 12/09/2008 16:46)
ni:
manao hata-piso ka mandreraka beuuuuuu.

:arrow:iny koa iray fa ny fahasahiranana no mahatonga izay...satry hanome foana fa ny tena koa mila mivelona :( (l)
22. tsiambaratelo ( 12/09/2008 17:27)
Mandefitra:
1M ar (5M fmg). Fianakaviana iray manana zanaka 2 mianatra Hofantrano = 750.000 fmg Jiro sy rano = 250.000 fmg Ecolage = 120.000 fmg * 2 = 240.000 fmg Sakafo = 50.000 fmg * 30 = 1.500.000 fmg Frais = (1500 * 2) * 4 * 30 = 360.000 fmg Adidy = 250.000 fmg (famangiana isan-karazany) Fitafy = 250.000 fmg (en moyenne io, tsy mahavidy kiraro iray akory) Divers = 500.000 fmg (gouter, fanafody kely, surplus, rakitra) Fitambarany = 4.100.000 fmg ... 900.000 fmg sisa tavela hitsinjovana ny vodiandro merika.
Misy fianakaviana mandray 400.000fmg/mois lay rangahy.Manofa trano ry zareo tsy misy jiro mividy rano.Manan-janaka 5 ramatoa miompy sy mamboly.Sakafo tsy zarizary.Ny karama farany ambany anié tokony mba 500.000fmg farafaharatsiny é.Aty aminay teo aloha 200$ ny karama farany ambany fa nahakatry ny fanjakana t@ty herinandro ity dia lasa 330$(500.000LL)ny karama farany ambany.
23. masisokely ( 12/09/2008 23:39)
Mandefitra:

Ny tranona 500.000 fmg zany arakaraky ny quartier misy anao koa.
T@ 2003 za no nanofa trano tao anjanahary : efitra fandriana kely + lakozia + salon iray no 350.000 fmg. Ny douche sy ny wc ikambanana @ tompon-trano. Misy rano saingy refa handro ianao dia mitondra sceau, manovo rano. Ny WC mbola 101 @ io an.
De eritrereto hoe 2008 isika zao.

hoatrinona indray ary ny karaman'ny olona tsy ambany loatra tsy ambony loatra fa karaman'ny olona miasa normale???

dia hoatrinona ihany koa ny karaman'ny Directeur ohatra na ingenieur????

24. Herimiafina ( 13/09/2008 02:20)
Tsy ampy ireo parotsa ireo raha ampiana revy bebeks isan'andro. :-D :^)
25. rastafarai ( 13/09/2008 02:29)
Sarotra ny fandidiana... :?
26. masisokely ( 13/09/2008 07:30)
Herimiafina:

Tsy ampy ireo parotsa ireo raha ampiana revy bebeks isan'andro. :-D :^)

arakaraka ny vola miditra ny hivoahany fa raha tsy mahay mitantana dia mitsetsitra ankibe

:D
27. mmmhh ( 13/09/2008 10:42)
Fa na ohatrinona na ohatrinona karama raisina dia tsy ampy foana satria toa faran'izay ory indrindra raha raha tsy manana credit, tsy misy internet, tsy manana CANALSAT, etsetra

za zao tsy manana Canal Sat, tsy manana net (aty am-piasana no mi-surf), fa tsy de hoe faran'izay ory zany kosa angamba e,
miaina normal za na de tsy manana an'ireo aza, le credit iny no mba hananako amin'ireo voalazanao ireo
28. Noue ( 13/09/2008 10:53)
ktsif:

satria toa faran'izay ory indrindra raha raha tsy manana credit, tsy misy internet, tsy manana CANALSAT, etsetra

aiza kosa eeeee ! fa firy , firy isan-jaton'ny olona no tsy manana an'ireo voatsanisanao ireo dia lazaina ve hoe faran'izay ory ?

fa inona aloha no atao hoe faran'izay ory @ nao eee ? ary ny 4 mi zany inona no filaza azy ? faran'izay inona raha ny tsy fanana canalsat , internet no atao hoe faran'izay ory ?

:^) :^) :^) :^)
29. ni81 ( 13/09/2008 12:04)
Arakaraka izay fahaiza-mitantan'ny olona tsirairay koa no mahatonga ny hoe ampy sy tsy ampy e! Marina fa misy ny tena kely fidiram-bola ary tsy ampy, fa kosa amin'ireo olona sasany dia hitako hoe te hanana zavatra hafa maro ambonin'izay tena ilain'ny olona tsotra. Ohatra fotsiny izao ny hoe fananana canalsat, ny internet. Mbola azo ajanona izany raha ho an'ny olona tsotra. Ny télé mba efa misy azo isafidianana ihany ny hita sy mandeha ao dago.
30. ni81 ( 13/09/2008 12:06)

31. tsiambaratelo ( 13/09/2008 13:49)
Ka aiza ary ny marimarika iraisana.Hasondrotra ve ny karama farany ambany?Tsy tonga de hiakatra avy ndray ny vidiny entana.Fa zao wa no tena tsy arako.Misy vhv manan-janaka any Suisse 50Euro isaky ny 3volana no vola alefany hoany Rar-ny,misy vhv iray manan-janaka aty mipetraka ao Tana 200dollars/mois ny alefany zanany vavy.Mitovy ny vola miditra isam-bolana eo @reo fianakaviana 2ireo,lay reny faha2 zany mahazo 600dollars/3volana nefa mbola bokany trosanolona,lay reny voalohany 50Euro fotsiny nefa milamin-tsaina ary nilaza fa sahaza azy tsara ny vola alefany zanany.Tena tsy kopy mintsy zah:-P
32. patrick2002 ( 13/09/2008 14:41)
Ka io arakarak'ilay olona eh! misy olona miainga @ vola eo ampelatanany ny filany ,misy olona ny mifamadika amin'izay ny filany aloha no ambony dia mitady vola sahaza an'iny izy avy eo.
Jereo fotsiny hoe misy olona tsy mety hipetraka @ trano tsy misy wc fosse eptique izany nefa ny karamany 750 000 fmg ,dia aleony manofa trano lafo fa misoloky topo-trano avy eo .Misy olona tsy mety mitafy friperie izany .
Ao indray ny sasany tsy maintsy manaraka ny fivoarany toetr'andro, manana portable ny olona dia tsy maintsy manana koa izy , :lol: :lol:
33. masisokely ( 13/09/2008 15:47)
ka raha maharaka ny vola tsy maninona daholo izany.
34. Herimiafina ( 13/09/2008 19:01)
Ny ahy klou ny bebeks tous les jours tsy atao ambaninjavatra mihintsy e! :-D :^)
35. masisokely ( 13/09/2008 21:13)
ka tsy efa ngodabe ve zany ny kibon'i herimaifina ao??? :^) :-D
36. tsiambaratelo ( 23/09/2008 03:28)
patrick2002:

Ka io arakarak'ilay olona eh! misy olona miainga @ vola eo ampelatanany ny filany ,misy olona ny mifamadika amin'izay ny filany aloha no ambony dia mitady vola sahaza an'iny izy avy eo.
Jereo fotsiny hoe misy olona tsy mety hipetraka @ trano tsy misy wc fosse eptique izany nefa ny karamany 750 000 fmg ,dia aleony manofa trano lafo fa misoloky topo-trano avy eo .Misy olona tsy mety mitafy friperie izany .
Ao indray ny sasany tsy maintsy manaraka ny fivoarany toetr'andro, manana portable ny olona dia tsy maintsy manana koa izy , :lol: :lol:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2334