Ny fiangonana

1. todisoa2 ( 23/08/2008 08:28)
Ny tsi-fahaizana ny tantaran’ny fiangonana matetika dia tena mampivaona ny resaka ataontsika, ary toa mampihomehy ny mamaky ny dinika rehefa mivoaky ny tenin’Andriamanitra, ny context nisy tamin’izany fotoana…. ny fampianarana ataontsika.


Tantara nisy vao herinandro vitsivitsy izay tao Arika Atsimo. Tafaresaka tamin’ny afrikana tatsimo iray izahay. Raha nanontany azy ny amin’ny finoany, dia namely izy avy hatrany fa: “tsy mba manana finoana aho. Tamin’ny andron’ny apparted, no tena nahatsapako fa fitaovana nentin’ny mpanjanaka handemena ny sainay fotsiny ny fivavahana kristiana… Ary misy azy fiangonana aty, rehefa manao sarin’I Jesosy Kristy ao am-piangonana, dia nataon’izy ireo mainty hoditra izany? Jesosy mainty hoditra mba hoenti-maneho fa an’I rehetra Jesosy, ary an’ny mainty hoditra koa. Jesosy Zulu!!!”. Volana vitsivitsy koa izaho tany @ raiko, dia nitafatafa sy nifandahatra mahakasika ny finoana izahay tao an-trano. Nisy rahalahy iray nandray ny resaka: “Izaho taloha nino. Fa rehefa namaky ny tantaran’I Madagasikara, dia nahita hoe hay fitoavana nenin’ireo mpanjanaka haharesena antsika izany. Lasa politika ratsy amiko ny fivavahana.”

Mampalahelo rehefa ny tsi-fahalalana, na ny hafanam-po diso tafahoatra no mibahana an-tsaina, dia miteniteny foana isika. Tsi-fahalalana hoy aho, satria tsy mandinika hoa oviana teo @ tantara no nipoiran’ny fivavahana kristiana. Fa tsy ireo mpanjanaka no loharano nipoiran’ny fivavahana kristiana , satria tany amin’ny taona faha 33 tany hoany, no nisian’ny fiangonana voalohany, izay vao niparitaka hoany Roma (Antokia..), ary tamin’ny tany manodidina…..Fantantsika tsara angamba ny asan’ny apostoly, fa ireo apostoly aloha, ny lalany nizoran’izy ireo vao izay no nahatonga ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra tao Roma. Hoe iza no nitondra izany? Teo amin’ny Jiosy aloha (satria tao Jerosalema no niatombohany, vao hoan’ny jentilisa). Io ilay ao amin’ny asan’ny apostoly 1.8 (Jerosalema→Jodia→Samaria→faran’ny tany). Tsy azo raisina mihintsy fa ny fiangonana katolika romana (izay nizara indray roa ny taona 1054) no loharano nipoiran’ny fivavahana kristiana, fa mbola anisan’ireo nizaraina, nitenenana ny tenin’Andriamanitra koa. Tao Roma no anisan’ny niasan’ny Fanahy Masina voalohandohany. Ny olona tamin’izany fotoana anefa no niasan’ny Fanahy Masina fa tsy ny Tanana akory, na koa ny fiangonana katolika romana(izay misy manindrahindra ny sasany) . Isika aloha ny tempolin’Andriamanitra voalohany indrindra, vao izay no resahina ny fiangonana misy antsika. Isika aloha, sy ny famonjena ny fanahintsika no imasoan’ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra, fa tsy ny karazam-pivavahana arahintsika velively.
Ary raha nanao ny reformasiona I Martin Lotera, ny volana Oktobra taona 1517 dia tsy noho ny tsy fanekeny ny fomba na ireo fahamarinana nananan’ny fiangonana katolika tamin’izany andro izany, fa kosa mba ho fanitsiana ny tsy nety tao amin’ny fiangonana (toy ny fivarotana ireo indulgences,ireo zavatra izay heverina ho masina mba hampisy fiadanana sy hitahy….), izay tsy miorina amin’ny tenin’Andriamanitra akory. Asa raha fantatsika fa ireo mpitondra fivavahana ihany no nanana accès tamin’ny tenin’Andriamanitra, ny famakiana azy tamin’izany fotoana izany…. Ary koa tsy I Lotera sy I Calvin, na ireo mpanaraka azy no niala tamin’ny fiangonana, fa ny Fiangonana no nanaisotra azy ireo tamin’ny Fiangonana. Tsy nety ny niala tamin’ny fiangonana, satria ao no lalana, na fomba itoriana sy izarana ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’ Andriamanitra izay mitondra finoana.Io no toerana efa nametrahan’I Jesosy, hifanabeazantsika sy hifanitsiana amin’izay zavatra tsy mety. Io ilay didy vaovao, nomen’ny Tompontsika dia ny mba hifankatiavantsika(didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Aoka ho tahaky ny nitiavako anareo, no mba hifankatiavanareo koa) Ahoana moa izany hoe fitiavan’I Jesosy izany? Fananarana izany, fitenenana mafy ny zavatra tsy nety nataon’ireo mpianatra, fanitsiana….. Ny fifankatiavana dia manarona zavatra maro: fifanajana, fifananarana, fifampibeazana, fifandeferana, fifampifonana, fahatsoram-po….. Fitiavana no iheverana an’ireto reformateurs ireto, raha nametraka ny Thèse 95 ny volana oktobra 1517, tao am-baravaran’ny fiangonana Wittenberg. Fitiavana mba tsy hampanan-tsiny ny fiangonana eo imason’Andriamanitra, mba tsy hoenti-manandevo olona ny fivavahana, mba hahazoan’ny Mpitondra manatanteraka ny fikasany (ny fananganana ny Eglise St Pierre izany). Ary mbola maro ny zavatra tsy mety ataon’ny fiangonana tsirairay ankehitriny, izay ilaina ny fijoroantsika, mba hanambara ny marina miorina @ tenin’Andriamanitra. Fitiavana ny fiangonana, mba tsy hanao fampianaran-diso, mba tsy hivaona amin’ny tenin’Andriamanitra.

Eto izany dia ny Jiosy no fototry iorenan’ny fivavahana kristiana. Ary ny Filazantsara no loharano nipoirany. Ny filazantsara mahakasika an’I Jesosy Kristy Tompontsika, io no torinteny velona.Io ilay fahatanterahan’ny faminaniana izay ambaran’i Jaona 1. Jesosy no ilay teny tonga nofo (...ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra). Teny arak’ilay ao @ Genesisy 1, no tanteraka eto. Izay taty aoriana dia nandova izany tamin’ireo apostoly, tamin’ireo Jiosy lasa nibebaka. Ny apostoly eto dia tsy ireo 12 lahy izay niara-niaina tamin’ny Tompontsika ihany, fa ireo izay nibebaka sy nanao ny asa fitoriana lehibe,( izay mihoatra noho ny vitan’I Jesosy aza) koa tamin’izany fotoan’ny fiangonana voalohany izany. Ohatra I Paoly (izay Saoly teo aloha….. Tsy ny fiangonana katolika, ny mpanjanan-tany no nipoiran’ny fiangonana kristiana, fa ireo izay nanara-dia an’I Jesosy, izay hita ao amin’ny asan’ny apostoly 2, izay nilatsahan’ny Fanahy Masina. Eo mantsy no iatombohan’ny asa fitoriana. Io no lohan’ny fivavahana kristiana.

Ary indrindra Jesosy ho hotoriana. Io no ijoroana vavolombelona. Izany dia mba hahatonga an’ireo izay mbola tsy nahare, na koa mbola tsy nahita, na koa mbola tsy nino; fa Jesosy ilay nohomboana iny anie ka efa nitsangana tamin’ny maty, efa naharesy ny fahafatesany; mba hino ka hibebaka amin’izay (Jaona 3.16). Io no torin-teny, tena torin-teny. Fa ivelan’izany dia, tsy torin-teny, fa lahateny.
Ny finoana izany, no miteraka fibebahana (fiekena ny heloka vitako sy vitanao). Ary ny fibebahana dia midika ho fialana tanteraka @ ratsy atao ka tsy iverenana intsony. Tena fanapahan-kevitra izany. Mifanohitra amin’ny fifonana izay mijanona ho fieken-keloka ihany.
“Fa ny finoana dia avy amin’ny torinteny, ary ny torinteny dia avy amin’ny tenin’I Kristy”. Jesosy no fototry ny torinteny. Ary tsy maintsy hita taratra anatin’ny tena torin-teny marina Jesosy, ny fijaliany, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty mba ho famonjena izay rehetra mino Azy. Ny finoana no lakile voalohany hialantsika amin’ny ratsy, amin’ny fahafatesana, amin’ny devoly sy forongony; ka hananantsika ny fiainana mandrakizay. Ny finoana izay tsy azo raha tsy amin’ny torinteny. Ny teny no iasan’ny Fanahy Masina, izay persona fahatelo sady farany eto amintsika.
Tsy misy formes (na ivelany na anatiny ny torinteny). Na dia mihira hianao, ka hiram-pivavahana izany, enti-midera Azy Tompontsika dia efa torin-teny. Na dia verset biblique iray aza no vakianao dia efa torinteny izany. Rehefa mampibebaka anao sy ny manodidina anao ilay teny dia efa torinteny marina. Tsy misy hoe fipetrahan’ny mpitory ambony toerana… koa ny torin-teny. Diso ny ilazana fa Jesosy dia nipetraka amin’ny toerana ambony foana rehefa mitory teny. Na dia ny fanasan’I jesosy kristy ny tongon’reo mpianany dia efa fitoriana teny amin’izy ireo izany. Fitoriana satria niteraka fibebahana hoazy ireo avy hatrany. Jesosy koa nitory teny, ary rehefa teny amoron-drano dia niditra tanaty sambokely. Midika izany, fa ny olona ety ambonin’ny tany dia avoavo kokoa ny toerany noho ny Tompontsika. Ny fomba itoeran’ny mpitory, dia tsy azo ferana ho ambony kokoa noho ny mpihaino izany. Diso dia diso izany fihevitra izany. Ny toerana ipetrahan’ny Mpitory dia arakaraky ny tanjona izay tiany tratrarina. Tanjona iray dia ny mba hahitan’ny olona rehetra izay mihaino ilay mpiteny, mba hahatonga azy ireo hifantoka bebe kokoa.

Mila mianatra izaho sy anao, mila koa ny mianatra Baiboly tsara, ary tsy mampiditra ny jugements personnelles avy any amintsika izany. Ny baiboly no ijoroantsika vavolombelona fa tsy ny tenantsika, n any hevintsika. Amena!!!!






2. badboy ( 23/08/2008 09:34)
Mbola fitaka koa ny fampirisihina fijoroana ho vavolombelona!! Nahoana no terena hoe izao tranga izao teo @ fiainanao dia avy @ A/tra? Moa tsy mametraka Azy ho mpanomponao mpanatateraka ny tanjonao fotsiny ve izany??

Asa fa tsy kabary ... ny asa vitanao mivaingana, tahaka ny ataon'i père pedro, no hitsarana anao fa tsy ilay lahateny asesikao lalandava!! Ka miasà arabatana fa tsy arabava fotsiny satria mahay izany daholo i bodo sy bada rehetra eto!! ;-) ;-) ;-)

Ps : raha misy manana hetaheta hanangana fiangonana kely virtoaly dia mangataha fanokafana dinika manokana @ izany @ tomponandraikitra!! Mino aho fa ho ekeny io raha izay no tena hetahetanao ka maro mpanaraka araky ny tanjonao ianao tia hanokatra!!! :twisted: :twisted: :twisted:
3. naughtyboy ( 23/08/2008 12:10)
ny ahy de torohevitra kely fotsiny,tsy ny fahalalana ny tantarany fiangonana na dia tsara aza izany no ahavonjy ny fanahiny hafa ,tsy fahaizanao itoriteny fa tsotra ampahafantaro @ fomba tsotra sy mazava ny hevitra tinao ampitaina fa ra lava loatra toa an'io very eny andalana ny hafatra,tsy afeniko fa za manokana de tsy nanana fotoana amakina ireo voalazanao reo satria lava loatra de tsy tafita zay ny hafatrao... :wink:
4. todisoa2 ( 23/08/2008 14:38)
badboy:

Mbola fitaka koa ny fampirisihina fijoroana ho vavolombelona!! Nahoana no terena hoe izao tranga izao teo @ fiainanao dia avy @ A/tra? Moa tsy mametraka Azy ho mpanomponao mpanatateraka ny tanjonao fotsiny ve izany??

Asa fa tsy kabary ... ny asa vitanao mivaingana, tahaka ny ataon'i père pedro, no hitsarana anao fa tsy ilay lahateny asesikao lalandava!! Ka miasà arabatana fa tsy arabava fotsiny satria mahay izany daholo i bodo sy bada rehetra eto!! ;-) ;-) ;-)

Ps : raha misy manana hetaheta hanangana fiangonana kely virtoaly dia mangataha fanokafana dinika manokana @ izany @ tomponandraikitra!! Mino aho fa ho ekeny io raha izay no tena hetahetanao ka maro mpanaraka araky ny tanjonao ianao tia hanokatra!!! :twisted: :twisted: :twisted:


Ny fanaovana asa soa tokoa dia efa isan’ny torinteny izany, raha mampibebaka olona. Ary tsy ilan-tsitraka ny fanaovana izany. Amin’ny fandeferana arahina asa no antanterahana izany. Satria raha manao asa Izay naniraka antsika dia tsy hotompo velively, fa ho mpanompo. Ka mainka fa isika?. Asa fanompoana izany. (Marka 10.45). Misy koa ohatra ny torohevitry ny Tompontsika ho amin’ny hanovana asa soa (Jaona 18).

Mila mitandrina koa anefa isika.Mampalahelo satria ilay wawa teneninao iny, tena tsy voavidinao vola mihintsy. (Io ilay fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitana na fantany fa hianareo mahafantatra Azy).Ny fanaovana soa eto an-tany, samy mahavita izany ny rehetra. Ny Tompo aza dia nilaza fa na dia ny olona ratsy indrindra aza, dia mahay manao soa ny zanany.
Ny mpitoriteny, tsy misy hoe goavana na ngeza izany, fa mitovy imason’Andriamanitra daholo. Isika dia samy mpanota ihany imason’Andriamanitra. Asa raha fantantsika, fa raha tonga ny Fitsarana, tsy ny 99% n’ny soa vitantsika no hijeren’ny Tompontsika antsika, fa ny 1%-n’ny fahotana nibebahantsika. Maro ny fanoharana azontsika ijerena izany; ao amin’ny baiboly. Ohatra ilay fanoharana mahakasika ny olona iray, izay very ny ondriny iray, ka namela ny 99 ambiny fa kosa lasa nitady ilay iray very. Fantantsika tsara ny niafarany ny tantara, fa hita ihany ilay ondry iray very. Toy izany koa Andriamanitsika. Isika tsirairay dia jereny, avadibadiny ambony ambany ny dossier-ntsika, ny zava-bitantsika, ary tsy avelany isika raha tsy mibebaka amin’ny otantsika rehetra isika. Eny fa na dia iray aza sisa ny fahotana tsy nibebahantsika, dia tsy avelany raha tsy hadio tanteraka isika. Tsy ny lafy tsara amintsika tokoa no jereny amintsika fa ilay ratsy vitantsika, ka tsy iekentsika ny mahaota azy iny. Ary na Jesosy aza dia nampianatra antsika, ny hoe: “mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra”. Asa raha azontsika ny tiako hotenenina. Tsotra dia tsotra. Tsy ny zavatra hita maso, ny fombafomba ety ivelany no ankasitrahan’ny Tompontsika amintsika, izay entintsika manao soa… ilay filazantsika, fa mihoatra lavitra noho izany ilay ambadika, dia ny fo manome azy. Madio ve ny fonao manao izany? Tena misy fitiavana ahitam-pamindram-po ve? Sa fomba hilan-tombotsoa hoanao manokana ilay izy? Raha asa soa mampibebaka olona no ataonao, ary tena nataonao tamin’ny fitiavana ombam-pibebahana koa ilay izy, dia torinteny velona ilay izy. Fa kosa raha itadiavanao tombontsoa, toy ny 4x4 hitaingenanao sy ny trano tsara honenanao; izany hoe ilay asa soa lasa ataonao loharanom-bola fotsiny ihany, dia tena tsy torinteny izany.


5. todisoa2 ( 23/08/2008 14:50)
badboy:

Ps : raha misy manana hetaheta hanangana fiangonana kely virtoaly dia mangataha fanokafana dinika manokana @ izany @ tomponandraikitra!! Mino aho fa ho ekeny io raha izay no tena hetahetanao ka maro mpanaraka araky ny tanjonao ianao tia hanokatra!!! :twisted: :twisted: :twisted:


Dinika ny ato dada, raha tsy fantarao!!! Samy mizara izay fanomezam-pahasoavana nomen'ny Tompo antsika isika!!!! Aoka hianao tsy handray an-tendrony fa kosa hamaky tsara
6. rijadolly ( 23/08/2008 15:30)
Tody a! marinitra ny Sabatra roa lela,ary tsy zakako ny Marina.Aiza ny teny mba hialako izany ary dia karoako mafy ny hevitra toa marina ialako izany satria sarotra amiko ny hiala @ nofo
7. ikaretsaka ( 23/08/2008 15:44)
badboy:

Mbola fitaka koa ny fampirisihina fijoroana ho vavolombelona!! Nahoana no terena hoe izao tranga izao teo @ fiainanao dia avy @ A/tra? Moa tsy mametraka Azy ho mpanomponao mpanatateraka ny tanjonao fotsiny ve izany??

iraisako hevitra tanteraka..dia ambola ampiako koa hoe ny olombelona tsirairay avy dia unique ary na ianao sy ny dadanao sy ny rahalahinao aza dia tsy mitovy...
ka ny nety taminao akory de tsy voatery lalandava hiety @ dadanao na i Bozy na i Koto na i Pasy


bad:
Asa fa tsy kabary ... ny asa vitanao mivaingana, tahaka ny ataon'i père pedro, no hitsarana anao fa tsy ilay lahateny asesikao lalandava!! Ka miasà arabatana fa tsy arabava fotsiny satria mahay izany daholo i bodo sy bada rehetra eto!! ;-) ;-) ;-)


izay koa iray

Ps : raha misy manana hetaheta hanangana fiangonana kely virtoaly dia mangataha fanokafana dinika manokana @ izany @ tomponandraikitra!! Mino aho fa ho ekeny io raha izay no tena hetahetanao ka maro mpanaraka araky ny tanjonao ianao tia hanokatra!!! :twisted: :twisted: :twisted:

hevitra tena tsara... raha tsy izany dia aza sorena na aza ampangaina ho mpanenjika anao ny tsy mitovy hevitra aminao sy ny hi critique anao ambony ambany eto @ public eto fa zo-ny tsara izany


8. badboy ( 23/08/2008 15:51)
rijadolly+todisoa2 >> Bon courage nareo mitsam zany dia tohizo ilay fomba fanaonareo, izaho tsy ho voafitkareo @ zany tsony!! Ny aza adino fotsiny ho anareo mpitompo teny fatratra hoe ny toriteny no tena zavadehibe, dia ho averiny @nareo izany rehefa tonga ilay andro 1 andrasanareo!! Ka tandremo ary sao diso fanantenana na diso paika tahak'ilay nanao arizato ampandriana, ka ny faniriana azy mafy no natao zavadehibe fa tsy ilay asa fikarohana azy!! ;-) ;-) ;-)
9. rijadolly ( 23/08/2008 17:17)
badboy>>>> Tsy zava-dehibe an'se zany ny Toriteny. :cry:
Efa ela aho no nandresy lahatra anareo hoe tsy afaka tsaraina eto ny asa ataon'tsirairay,Ny azo atao eto dia mitory ny ten'Andriamanitra sy hanazava izay voarahiko mikasika izany ka mila fanampiana nyhafa sao diso lalana,fa tsy hitatara ny vitan'tanako ilany aho ka hofantatry ny tanan'ilako,tsia,tsia.
Aoka ry badboy mba tsy Mpamaky ny seraserantsika no hanadinanatsika ka tsy nahareha ny teniNY sy ny FahamarinaNY,ka hiteny hoe ndray andro any :nahoana no tsy nampifantarinao ahy ny Marina.
10. ikaretsaka ( 23/08/2008 17:43)
rijadolly>
1)samy manana ny talentany nomen'atra azy ny olona 1 fa aza hibitabitahana ny zavatra tsy hay sy tsy nianarana (raha tsy mpiroriteny aza mitory teny ohatra)
sy aza terena ny olona rehefa tsy te hihaino

2) samy manana ny fomba fandrenesany sy fahafantarany ny asan'Atra eo aminy ny tsirairay, raha hafa nohon'ny anao ny an'i badboy ohatra dia tsy nidika izany fa tsy izy ny azy fa ny anao no izy.... @ njavatra hafa, tsy mitovy amin'ny fi se manifesteny aminao i Atra no mi se manifeste aminy!


11. rijadolly ( 23/08/2008 19:06)
1)samy manana ny talentany nomen\\\'atra azy ny olona 1 fa aza hibitabitahana ny zavatra tsy hay sy tsy nianarana (raha tsy mpiroriteny aza mitory teny ohatra)
sy aza terena ny olona rehefa tsy te hihaino
Marina tena marina,samy manana ny tanlentany nomen\\\'Andriamanitra azy ny olona iray.tsy misy kianina ary tsy azonao sakanana izany talenta izany rehefa tian\\\'Andriamanitra hiseo amin\\\'fotoanaNY.ary dia mbola manaiky koa aho fa tsy azo hibitabitahana ny zavatra tsy hay.Nefa kosa tsy maintsy ambarako an\\\'Ika ny hevitro mba ahitsin\\\'se aho raha diso.
oh:Misy manentana ahy hitory ity tenin\\\'Tompo ity,ary dia toriko tsy amina ahiahy satria teniny.Matio 10:27 Izay lazaiKO aminareo ao amin\\\'ny maizina, dia ambarao eo amin\\\'ny mazava, ary izay ren\\\'ny sofinareo, dia torio eo ambonin\\\'ny tampon-trano.
Manazava ny voarahiko aho noho io teniNy io,dia hoy aho hoe:Isika Kristianina mpanaradia an\\\'Kristy dia tokony hanambara hatrany ny teny soa mahafaly ho an\\\'namatsika mba hampahery sy ampitombo ny finoany.
Mahazo miteny amin\\\'izay ireo namana avy eo hoe tsy araka ny sitrapon\\\'Andriamanitra izany fa avy amin\\\'ilay ratsy.Nefa kosa avy nitest an\\\'ilay toriteny(Fanahy) izy vao afaka manambara izany mba tsy hamita-tena sy ny namana.
aza terena ny olona rehefa tsy te hihaino
Ataoko kosa angamba fa tsy manery an\\\'izay tsy te hiaino ny Toriteny e!Afaka mivandravandra fotsiny izay tsy te ampiditra am-po.Za efa voan\\\'io an!izay ny antony hitenenako hoy tsy misy no terena akory.Afaka dinganinao rehefa tsy azoazonao,nefa mangataka ihany aho mba vakio sao mba diso ny hevitro dia mba ahitsy e!
2) samy manana ny fomba fandrenesany sy fahafantarany ny asan\\\'Atra eo aminy ny tsirairay, raha hafa nohon\\\'ny anao ny an\\\'i badboy ohatra dia tsy nidika izany fa tsy izy ny azy fa ny anao no izy.... @ njavatra hafa, tsy mitovy amin\\\'ny fi se manifesteny aminao i Atra no mi se manifeste aminy!
Tsy nandiso an\\\'badboy anie za ry ika e!
12. ikaretsaka ( 23/08/2008 19:34)
reaha tena mpitory teny koa tsy ny fitanisana hoe jereo ao @ zao tokoa faha zao no hinoan'olona anao fa ny originaliten'ny ambaranao
i Jesoa sy i paoly tsy naka mihitsy hoe jereo ny nolazaiko ho an'ny Romanina ao @ toko faha zao raha hilaza zavatra ho an'ny Philipianina izy ohatra an ... na i Jesoa hanao hoe ny nolazaiko ho an'ny samaritanina araka ny nanoratan'i Joany azy tao @ toko faha zao...
fa tonga de ze misy eo arakaraka ny audience
13. badboy ( 23/08/2008 20:39)
rijadolly:
mbola manaiky koa aho fa tsy azo hibitabitahana ny zavatra tsy hay.Nefa kosa tsy maintsy ambarako an\'Ika ny hevitro mba ahitsin\'se aho raha diso.
oh:Misy manentana ahy hitory ity tenin\'Tompo ity,ary dia toriko tsy amina ahiahy satria teniny.Matio 10:27 Izay lazaiKO aminareo ao amin\'ny maizina, dia ambarao eo amin\'ny mazava, ary izay ren\'ny sofinareo, dia torio eo ambonin\'ny tampon-trano.
Manazava ny voarahiko aho noho io teniNy io,dia hoy aho hoe:Isika Kristianina mpanaradia an\'Kristy dia tokony hanambara hatrany ny teny soa mahafaly ho an\'namatsika mba hampahery sy ampitombo ny finoany.
Mahazo miteny amin\'izay ireo namana avy eo hoe tsy araka ny sitrapon\'Andriamanitra izany fa avy amin\'ilay ratsy.Nefa kosa avy nitest an\'ilay toriteny(Fanahy) izy vao afaka manambara izany mba tsy hamita-tena sy ny namana.


Ireo voafaritro rehetra ireo dia manambara zavatra tokana : ilay mpitory teny mitantara ny fiainany ary izay nitranga tao dia apetrany avy hatrany hoe avy @ A/tra ka raha manao tahaka izao ianareo dia hisy tranga tahaka izao koa!! Diso be satria ny mitranga aminao tsy voatery ho avy @ A/tra fa ianao no nanery ho toy izany ary ny fomba fisehony @ iray tsy hitovy @ fisehony @ hafa nefa dia ilay niseho taminao izay noterenao avy @ A/tra no ataonao kankana hisarihana ireo hafa!! Manamafy izany ity hevitr'ikaretsaka ity :

ikaretsaka:
dia ambola ampiako koa hoe ny olombelona tsirairay avy dia unique ary na ianao sy ny dadanao sy ny rahalahinao aza dia tsy mitovy...
ka ny nety taminao akory de tsy voatery lalandava hiety @ dadanao na i Bozy na i Koto na i Pasy


Faharoa, vao mametrak hoe mila mitest dia satria apetraka hatrany amboalohany hoe ny lazainao no marina!! Ka aiza intsony izany no hisian'ny toeran'ny fanoherana?? Ary izay no mitranga satria tsy manaiky lazaina hoe manano foana ilay milaza fa mitoriteny, izay lahateny no tena azo iantsoana azy!!! Sady ahoana moa izany mitest toriteny izany?? Omena question à choix multiple ve ilay mpitest??? 8O 8O

rijadolly:
Ny mpitoriteny, tsy misy hoe goavana na ngeza izany, fa mitovy imason’Andriamanitra daholo

Eny, mitovy ireo izay tena nianatra sy nandinika izanyteo @ fiainany rehetra dia ireo azo lazaina ho mahafehy ny taranjany, ary mitovy koa ireo izay misandoka ho nomlena izany nefa manao lahateny tsisy farany fotsiny!! Ary na ny rôle aza tsy manao bemiray lahateny notongaina tao @ testamenta taloha rehefa nitoriteny fa ilay tena hevitr'A/tra no tonga dia lazainy!!

Mbola manamafy izany koa ity :
ikaretsaka:
i Jesoa sy i paoly tsy naka mihitsy hoe jereo ny nolazaiko ho an'ny Romanina ao @ toko faha zao raha hilaza zavatra ho an'ny Philipianina izy ohatra an ... na i Jesoa hanao hoe ny nolazaiko ho an'ny samaritanina araka ny nanoratan'i Joany azy tao @ toko faha zao...
fa tonga de ze misy eo arakaraka ny audience
14. rijadolly ( 24/08/2008 03:26)
Misaotra Badboy a!
Ny Toriteny dia zavatra hafafy toy ny vary ka mifidy ny tany haniriany.
Anjaranao no manongo ny tenanao,oh ihany io Toriteniko eo ambony io,za ve voatonina @ zany,tsindromy ataovy marary ny tenanao aloha,ary aza avela handalo fotsiny ilay toriteny mandrampaha ahazonao ilay Fanamarinana(Fanadiovana).Tsy azotsika atao ny manamaritena hoe tsy za zany :roll: .
Raha misy toriteny mandeha dia zoanao ny manontany an\'Mopera eny fa na dia ao am-piangonana aza rehafa misy tsy azo na tsy araka ny sitrapon\'Andriamanitra(ao anatin\'fanajana ny hafa)na Mivavaka ianao mangataka fanazavana avy amin\'Fanahimasina hanaza anao an\'ilay toriteny na ok! na tsy.
Ny mpitoriteny, tsy misy hoe goavana na ngeza izany, fa mitovy imason’Andriamanitra daholo
Voalohany aloha ry badboy dia tsy za no niteny an\'io fa i todisoa ao amin\'laharana faha 3 ao.
oh koa zao io dia mahatsapa ny tenako fa misy fahamarinany satria samy tenin\'Andriamanitra no torina fa tsy hoe niryna no nitory dia nidina ny valeuran\'ilay toriteny.na i rijadolly no nitory an\'ilay Tenin\'Andriamanitra na ny sitrapon\'Andriamanita dia 5/5 ilay toriteny,izany hoe ra niryna no miteny dia zero na iny ihany aza ilay toriko dia tsy zero fa 5/5 ihany ny naotiko eo aminao.Fa kosa ra mitory ny tenako aho na takonako Andriamanitra na aholako hanaraka ny sitrapoko ilay toroteny na tiako hanaraka ny atokom-pivavahako satria ilay tenin\'Andriamanitra izay toriako dia manindrona ahy na ny atokom-pivavahako,eo no misy tsy hitovizan\'Mpitory eo imason\'Andriamanitra.:-* .tsy azo takotakkonana ihany koa anefa ny fitondratenanao eo imason\'olona izay torianao na fitoriana ny tenin\'Andriamanitra izany na fitoriana avy amin\'alalan\'asa atao ho voninahitr\'Andriamanitra.
:arrow: Aza mijery ny Mpitory fa ilay hafatra raisina izay tsara.Teneno kosa anefa izay tsy araka ny sitrapon\'Andriamanitra
15. Veloo ( 24/08/2008 21:03)
zao fotsiny lesy no tena atao oe fiangonana:

Jesosy no lohan'ny fiangonana ka izay fiangonana rehetra tsy manaraka ny teniny :arrow: :arrow: izay nolazainy dia tsy fiangonany zany.
Dia antsika tsirairay ny mieritreritra sy mandalina ary mitady ny tena fiangonana izay manana an'i Jesosy ho lohana.
16. ikaretsaka ( 24/08/2008 22:51)
aoka aloha....
tsy ny fanarahana teniny akory ny maha fiangonana
fa IZY!
tsy hoe AO (anaty teny fotsiny izy) fa IO (@ fiangonany io)

tsy mpitory teny ny fiangonana tompoko fa ratsambatan'i kristy!


17. xxx ( 25/08/2008 03:03)
badboy:

Mbola fitaka koa ny fampirisihina fijoroana ho vavolombelona!!

ikaretsaka no mpiteny io tokoa
badboy=ikaretsaka:

Nahoana no terena hoe izao tranga izao teo @ fiainanao dia avy @ A/tra?
aza terene ny olona
ikaretsaka =badboy:

Asa fa tsy kabary ... ny asa vitanao mivaingana, tahaka ny ataon'i père pedro,
io ihany no ohatra fantany ary ny azy asa fa tsy finoana
ikaretsaka=badboy:

Ps : raha misy manana hetaheta hanangana fiangonana kely virtoaly dia mangataha fanokafana dinika manokana @ izany @ tomponandraikitra!! Mino aho fa ho ekeny io raha izay no tena hetahetanao ka maro mpanaraka araky ny tanjonao ianao tia hanokatra!!! :twisted: :twisted: :twisted:
ny olona mitory ny tenin'Atra indray no lazainy fa devoly,raha toa izao fampiasan'i :twisted: izao angamba no ampiasain'Atra azy a,dia mahatsangana fiangonana ngezabe tokoa izy.

BADBOY=IKARETSAKA
AHIRATO NY MASONAREO FA TAFIDITRA NY MPANOHITRA AN'ILAY JESOSY KRISTY
18. badboy ( 25/08/2008 04:13)
xxx >> :-D :-D :-D Io angamba ilay mahitahita kozindrahey, fa lavitra beeeeeeeeeee mihintsy no hitany, ary tena nidify ilay hitany aza izy!! :-D :-D :-D

Ary aza atsoina jesosy kristy izany fa diso zany : JESOA KRISTY no izy!! ;-) ;-) ;-)

ikaretsaka >> ahoana elah @ ty hevitr'i raxxx ty??? :°) :°)
19. ikaretsaka ( 25/08/2008 13:55)
badboy> misy an'izay ao amin'ny didin'Atra faha 8 heo aza manao vavolombelona tsy marina sy aza mamitak'olona :-D :-D :-D
dia aoka izy handinin-tena
20. niryna ( 25/08/2008 17:05)
todisoa2:

Ny tsi-fahaizana ny tantaran’ny fiangonana matetika dia tena mampivaona ny resaka ataontsika, ary toa mampihomehy ny mamaky ny dinika rehefa mivoaky ny tenin’Andriamanitra, ny context nisy tamin’izany fotoana…. ny fampianarana ataontsika.
marina tokoa izany
todisoa2:

Ary misy azy fiangonana aty, rehefa manao sarin’I Jesosy Kristy ao am-piangonana, dia nataon’izy ireo mainty hoditra izany? Jesosy mainty hoditra mba hoenti-maneho fa an’I rehetra Jesosy, ary an’ny mainty hoditra koa. Jesosy Zulu!!!”.

ahoana izany ry tody ?
todisoa2:

Mampalahelo rehefa ny tsi-fahalalana, na ny hafanam-po diso tafahoatra no mibahana an-tsaina, dia miteniteny foana isika. Tsi-fahalalana hoy aho, satria tsy mandinika hoa oviana teo @ tantara no nipoiran’ny fivavahana kristiana. Fa tsy ireo mpanjanaka no loharano nipoiran’ny fivavahana kristiana , satria tany amin’ny taona faha 33 tany hoany, no nisian’ny fiangonana voalohany, izay vao niparitaka hoany Roma (Antokia..), ary tamin’ny tany manodidina…..
=D=D
misaotra betsaka ,mazava tsara

todisoa2:

Fantantsika tsara angamba ny asan’ny apostoly, fa ireo apostoly aloha, ny lalany nizoran’izy ireo vao izay no nahatonga ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra tao Roma. Hoe iza no nitondra izany? Teo amin’ny Jiosy aloha (satria tao Jerosalema no niatombohany, vao hoan’ny jentilisa). Io ilay ao amin’ny asan’ny apostoly 1.8 (Jerosalema→Jodia→Samaria→faran’ny tany).
dia nanaraka koa isika izao ry tody,mandehana torio ny filazarantsara any amin'ny firenena rehetra .

todisoa2:
Tsy azo raisina mihintsy fa ny fiangonana katolika romana (izay nizara indray roa ny taona 1054) no loharano nipoiran’ny fivavahana kristiana, fa mbola anisan’ireo nizaraina, nitenenana ny tenin’Andriamanitra koa. Tao Roma no anisan’ny niasan’ny Fanahy Masina voalohandohany. Ny olona tamin’izany fotoana anefa no niasan’ny Fanahy Masina fa tsy ny Tanana akory, na koa ny fiangonana katolika romana(izay misy manindrahindra ny sasany) . Isika aloha ny tempolin’Andriamanitra voalohany indrindra, vao izay no resahina ny fiangonana misy antsika. Isika aloha, sy ny famonjena ny fanahintsika no imasoan’ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra, fa tsy ny karazam-pivavahana arahintsika velively.
Ary raha nanao ny reformasiona I Martin Lotera, ny volana Oktobra taona 1517 dia tsy noho ny tsy fanekeny ny fomba na ireo fahamarinana nananan’ny fiangonana katolika tamin’izany andro izany, fa kosa mba ho fanitsiana ny tsy nety tao amin’ny fiangonana (toy ny fivarotana ireo indulgences,ireo zavatra izay heverina ho masina mba hampisy fiadanana sy hitahy….), izay tsy miorina amin’ny tenin’Andriamanitra akory. Asa raha fantatsika fa ireo mpitondra fivavahana ihany no nanana accès tamin’ny tenin’Andriamanitra, ny famakiana azy tamin’izany fotoana izany….
mazavabe toy ny masoandro be lohataona
todisoa2:
Ary koa tsy I Lotera sy I Calvin, na ireo mpanaraka azy no niala tamin’ny fiangonana, fa ny Fiangonana no nanaisotra azy ireo tamin’ny Fiangonana.Tsy nety ny niala tamin’ny fiangonana, satria ao no lalana, na fomba itoriana sy izarana ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’ Andriamanitra izay mitondra finoana.Io no toerana efa nametrahan’I Jesosy, hifanabeazantsika sy hifanitsiana amin’izay zavatra tsy mety.
hay ve tsy izy ireo no niala e,kanefa ireo olona milaza amintsika fa hoe tokony tsy niala izy ireo .Hay ve ka ny fiangonana no nanala azy e,izay vao manomboka mazava,misaotra ry tody a





© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2537