Ny ankohonany ihany no fahavalony,ho halan'ny 'ny olona koa

1. niryna ( 22/08/2008 21:12)
Voalaza ao amin'ny soratra masina fa ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony ary ho halan'ny olona koa isika noho ny anaran'i JK
.. Ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony.(Mik 7.6)

21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.22 Ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.


=D=D teny fampaherezana ho antsika rehetra ireo koa noho izany :

14 Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo,
raha miala amin'izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo.

16 Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala. 20 Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.26 Koa amin'izany aza matahotra azy hianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.

27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano. Matio 10:14,21,22,27


Izany ary no tenin'ny Tompo ho antsika tsirairay avy koa anjarantsika no mandray izay tandrifiny avy e
:-* :-*
(l) niryna
novalian'i niryna ny 15/09/2008 17:44
2. badboy ( 22/08/2008 22:53)
Tsy dia voako loatra ilay mitsindroka etsy eroa no sady tsy dia mila mitoriteny loatra aho fa mahay mamaky baiboly ary mpamaky baiboly daholo ny rehetra!! Voatery aho mampiseho ity lahatsoratra avy ao @ baiboly ity satria tafahoatra loatra ilay fanaovana tsinotsinona ilay tena hoe ASA ANGATAHAN'A/TRA!!

Aoka izay ilay toriteny tsisy farany fa raha tena hampahery ny hafa sy tena tia ireo lazainao ho namanao ianao ianao dia ity no ataovy ohatra :

LIOKA 10 : 25 Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26 Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy? 27 Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). 28 Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao. 29 Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Iza ary no namako? 30 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema hankany Jeriko ka azon'ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty.31 Ary sendra nisy mpisorona anankiray nidina tamin'izany lalana izany32 Ary toy izany koa ny Levita anankiray, izay tonga teo, dia nahita azy, nefa nandalo koa.; ary raha nahita an-dralehilahy izy, dia nandalo azy. 33 Fa nisy kosa Samaritana anankiray nandeha tamin'ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena. 34 Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny, sady nasiany diloilo sy divay; dia nampitaingeniny tamin'ny bibiny izy, ka nentiny ho any amin'ny tranom-bahiny, dia notsaboiny. 35 Ary nony ampitson'iny, dia naka denaria roa izy, ka nomeny ny tompon'ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy; ary na hoatrinona na hoatrinona no laninao mihoatra noho ireto dia honerako, rehefa miverina aho. 36 Iza moa amin'izy telo lahy no ataonao ho naman'ilay azon'ny jiolahy? 37 Ary hoy izy: Ilay niantra azy. Dia hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa.

DIA MIANDRY ANAO TSY FE HITORY FOTSINY FA MBA TENA HANAMPY ARABATANA, SATRIA MORA NY MITSINDROKA DIA MAMPIAMPITA NOHO NY TANA MANAO ILAY ASA ANGATAHAN'ILAY LAZAINAO LALANDAVA FA HIASANAO SY ARAHANAO!!!! ^^ ^^ ^^ ^^
3. niryna ( 23/08/2008 02:21)
badboy:

Tsy dia voako loatra ilay mitsindroka etsy eroa no sady tsy dia mila mitoriteny loatra aho fa mahay mamaky baiboly ary mpamaky baiboly daholo ny rehetra!! Voatery aho mampiseho ity lahatsoratra avy ao @ baiboly ity satria tafahoatra loatra ilay fanaovana tsinotsinona ilay tena hoe ASA ANGATAHAN'A/TRA!!
hianao ity anie hoy aho dia tena mampitoma e,tsy voanao kanefa ahoana no nitsimpona ihany ,izany ve tsy hafahafa be.
badboy:


Aoka izay ilay toriteny tsisy farany fa raha tena hampahery ny hafa sy tena tia ireo lazainao ho namanao ianao ianao dia ity no ataovy ohatra :
dia rehefa tsy tianao dia dingano fotsiny ny hafatro hoy aho mantsy anao fa tena mampalahelo tokoa hianao
,aleo aloha omena holy kiss =))

badboy:

LIOKA 10 : Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5); ary, .
ary manamafy izany koa ny Matio 22:37-39 Inona no tadiavin'Atra amin'ireo izay rehetra mino Azy? tsy inona izany fa ny famonjena ,fitiavana no nasehony antsika ary fitiavana koa no tokony ho setrin'izany ho antsika sy ho an'ireo namana hafa,kao raha mino an'Atra hianao dia tsy anohitra ny mpitory ny teniNy velively,tsy hiantso ireo olona ho satana....aoka woa e
Fitiavana no resahiny ka tokony ampihatra izany koa izay mpino Azy,miainga ato izany f,mizara ny fahasoavana nomeny,manambara izany fitiavany izany. Ny tena atao hoe fitiavana an'Atra ? Deot 6:5,Rom13:9-10,1 Cor 13.
Jaona 3:16
mila manaja Azy ka tsy anao tsinotsinona ireo izay voatendriny hizara amintsika izany teniNy izany.Satria raha Atra tsy hitantsika aza lazaintsika fa tiantsika kanefa ireo olona mitovy amintsika ho halantsika dia mandainga amin'Atra isika raha milaza fa mitia Azy..Aoka samy andinintena fa tsy mora ny mametraka ny fiainantsika amin'Atra satria mila fitiavana ny manodidina antsika tokoa isika aloha ..
4. niryna ( 23/08/2008 02:26)
.
badboy:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.....Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa

toa laza tsy tia kanefa toa maka teny indray i badboy .e ..ary dia miandry anao koa ny firenena malagasy e .Mizara ,mijoro vavolombelona fitiavany nomeny anao ny ,tsy amin'ny teny ihany izany fa zarao ny fitiavan'ilay Atra anao ,nahatonga anao toa izao,manontania tena foana ,inona no tombotsoa azoko manda ny tenin'Atra sy miantso ireo nirahina ho satana,sao mba izaho no lasa blasphemy amin'ny farany raha mitohy izaho,ny teny izay nomena dia tsy maintsy tonga foana ny hafatra na rahoviana na rahoviana .Na iza no manda izany,safidy io, fa tsy hoe tsy ho tonga any am-pototsofin'ireo mangetahetra akory ny hafatra raha manda hianao sy manipaka ny fahamarinana lava,maro no mamaky ny sera ato ary tsy ho voatery hamaly ,tsy any koa no tena tanjona,nozaraina ilay teny,nandray ve aho ,,,,sa dia laviko sy tsy tiako fotsiny ...? safidy io tompoko oops,

Atra manana hery tsy takatry ny saintsika ary hoan'ireo izay nandray izany sy nanaiky nandray ilay fahasoavaNy dia tsy ho reraka raha tsy tonga indray ny antso any an-kafa ,fa satana kosa manana hery saingy misy fetrany ny azy ry sy tafa-petraka ela eo e ,firifiry izay sady isika tsy miady amin'ny olona fa miady ireo hery ao ambadika manakana ny fitiavan'ilay ATra ho antsika rooops...dia aoka samy andinintena isika rehetra,nomena ahy ve ny teny? nandray ve aho ? ary izaho ity mba ahoana ?
5. niryna ( 23/08/2008 02:46)
badboy:

Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). 28 Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao
Mila mankatoa ny teniNy koa izay mino Azy,
marina tanteraka ny tenin'Atra izany izay notsongoinao tao anaty baiboly kanefa hianao milaza fa aza omena ny teny ao anaty baiboly ny olona ....ooooopppppss ,tsss aiza re toi izany e ..dia ny tena no menatra hoy ny fitenenana izay..

tiava ny namanao tahaka ny tenanao hoy JK ao anatin'ny baiboly izay tsy avelanao omena ny olona ?
ny fahalalako azy ?
Ny zanak'Atra rehetra dia tokony ho tia ny olona rehetra Gal 6:10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
tafiditra amin'izany ireo fahavalo ,tsy vitan'izany ihany koa ...Jaona 13:34,, 1 Jaona 3:11...
Ny fitiavana an'Atra no didy lehibe indrindra ary ny manaraka dia ny fitiavana ireo namana,fahavalo,mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin'i J.K tompo.ka tafiditra amin'izany ireo namana rehetra ato amin'ny serasera ..
badboy:

DIA MIANDRY ANAO TSY FE HITORY FOTSINY FA MBA TENA HANAMPY ARABATANA, SATRIA MORA NY MITSINDROKA DIA MAMPIAMPITA NOHO NY TANA MANAO ILAY ASA ANGATAHAN'ILAY LAZAINAO LALANDAVA FA HIASANAO SY ARAHANAO!!!! ^^ ^^ ^^ ^^

hi,hi =))=)) maty aho ikaky o oops ka toy ny olona miakatra ery ambony ery io dia izay tafakatra dia misy misintona hoe miverena e,samia mizara izay fahasoavana nomeny avy fa na izaho na hianao na iza na iza rehefa nomen'Atra an'ilay olona ilay fahasoavana dia tsy misy afaka hanala izany ary vao maika aza ny fanahin'Atra no manendry ny tanany hizara .
mahereza ry badboy a..
Ohabolana 3:5-6
5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;

6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao,



:-*
6. rijadolly ( 23/08/2008 05:22)
Matio 10:27 Izay lazaiKO aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano.
7. badboy ( 23/08/2008 09:07)
Tena izay vao tsapako, tsy milamina ny sain'i niryna fa voadona mafy!! Sady ovainao hatr@ teny voasoratra, ary raha izao no mitohy dia hanao tahaky ny morman ianao ka hanoratra baiboly vao²!!! Dia rahoviana no hasokatra ilay fiangonana vao² mitondra ny anaran'i niryna, io rijadolly f'efa vonona ny hanaraka anao!! :-D :-D :-D :-D :-D :-D :twisted:
8. rijadolly ( 23/08/2008 14:21)
badboy a! za tsy anaraka an'Niryna ra izay hevitry se zay satria misy fandrika.Tsy mahazo manarakara-poana zany,mila mi-test ny Fanahy rehetra,ary sur koa aho fa tsy hitaona ahy hiaraka aminy ny tanjon'Niryna fa mitaona ahy hitodika bebekokoa amin'ilay inoako.Niryna manana ny Fiangonany,za manana ny Fiangonako.Ary tsy asan'Niryna irery anie no ato fa samy mandray anjara daholo tsika e!Sa zay ny tanjony badboy mba hanaraka an'se za dia mamorina Fiangonana vao² se? Tsia angamba ny valiny ô!Dia tadidi koa fa tsy ho voataonan'se za.Hevitra(ra tsara sy sitrapon'Andriamnitra) no atsipy eto fa ny toetry ny tany no mahatsara ny vokatra.
9. ikaretsaka ( 24/08/2008 15:24)
badboy:

Tena izay vao tsapako, tsy milamina ny sain'i niryna fa voadona mafy!! Sady ovainao hatr@ teny voasoratra, ary raha izao no mitohy dia hanao tahaky ny morman ianao ka hanoratra baiboly vao²!!! Dia rahoviana no hasokatra ilay fiangonana vao² mitondra ny anaran'i niryna, io rijadolly f'efa vonona ny hanaraka anao!! :-D :-D :-D :-D :-D :-D :twisted:

saika tsy hiteny aho fa tafasento ihany ny farany
hay ve nahamarika an'izany ihany koa i badboy e.
Aoka handinin-tena ary
:wink:
efa Fizarana sy fandinihin-tena ihany moa ka de
Efa naveriko entoana fa ny hoe mitory teny dia tsy midika hoe ny fitsindrohana sy ny famerenana izay andalan-teny kely tiatiana etsy sy eroa @ io Soratra masina io dia atambatra ohatran'ny piozila sy ampiana sy anesorana eo araka izay tianao mba hi persuader-na olona. Ny devoly no mpanao izany t@ naka fanahy an'i Jesoa tany an'efitra sy i Eva tany Edena!

Raha niteny i Jesoa hoe mandehana dia zarao ny vaovao mahafaly! tsy midika akory hoe "avereno tsianjery maimbo amin'ny olona hafa ny lesona nolazainy"
fa hoe ampiharo sy developpeo amin'ny fiainanao sy ny tontolo manodidina anao ny natao'i Jesoa anao sy hoe aoka ho ohatra ho an'ny olona ny tenanao!
10. rijadolly ( 24/08/2008 16:40)
fa hoe ampiharo sy developpeo amin'ny fiainanao sy ny tontolo manodidina anao ny natao'i Jesoa anao sy hoe aoka ho ohatra ho an'ny olona ny tenanao!
Marina tokoa zany ry ika,dia ataovy eto ary fa aza toriana fotsiny hoe manaova asa e!ary aza averina ny teniNY fa ataovy ilay asa eto.
11. ikaretsaka ( 24/08/2008 16:58)
izay anie e.. tsy mila mitsimpona izany na mi wawawa be mamerin-desona izany
ny fanampiana ny namana na hoe mizara fotsinyt ze mahafalifaly azy sy manaiky izarany izany olany sy mizara astuces kely bedebe .. raha eto @ serasera dia efa fitorian-teny goavana
nohon'ny mitsimpona andininy sy manao 30 lignes @ resaka aller retour eto
efa fantatra fa maty ho antsika i kristy ho an'ny kristianina! sns...
dia izany foana no averina eo..

manoatra noho ilay mpivarotra argile verte eny analakely marina e!
12. fahamarinana ( 25/08/2008 13:31)
:arrow: miala any ndray ika sy ilay fanoharana hafakely... :-D (l)
13. ikaretsaka ( 25/08/2008 13:56)
ko hite fa zany ko..efa fantatra fa argile verte no amidy ..mbola argile verte manala ny tasy rehetra no averimberina eo!
14. niryna ( 25/08/2008 17:09)
rijadolly:

Matio 10:27 Izay lazaiKO aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano.

izay indrindira dia mbola miampy hoe ahitsano ny vovoka eo amin'ny kapanareo raha tsy mihaino anareo izy ....vita ny adidy,raha manaiky ny hiala amin'ny maizina izy na mbola anaraka azy io ihany,anjarantsika hatrany no mivavaka azy ireo rija a
Fa fahasoavan'Atra no nahatoa izao antsika,tsy avy amintsika anefa izany fa avy amin'ilay Atra mahery izay nitahy sy niaro ary nampianatra sy naniraka antsika mba hitory ny famonjena ho an'ireo izay mbola tsy nandray izany. :-* :-*
15. ikaretsaka ( 25/08/2008 20:04)
niryna:


Matio 10:27 Izay lazaiKO aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano.

izay indrindira dia mbola miampy hoe ahitsano ny vovoka eo amin'ny kapanareo raha tsy mihaino anareo izy ....vita ny adidy,raha manaiky ny hiala amin'ny maizina izy na mbola anaraka azy io ihany,anjarantsika hatrany no mivavaka azy ireo rija a
Fa fahasoavan'Atra no nahatoa izao antsika,tsy avy amintsika anefa izany fa avy amin'ilay Atra mahery izay nitahy sy niaro ary nampianatra sy naniraka antsika mba hitory ny famonjena ho an'ireo izay mbola tsy nandray izany. :-* :-*


ka le hoe iza no maizina de iza no mazavambola olana be koa..
samy mifamely eo heo nareo no maizina de zay ny mazava na vice versa
:-D :-D :-D
16. rijadolly ( 25/08/2008 21:02)
Miandry ilay asa anie za ry ika fa aza varina mi -wawawa eo a!
17. ikaretsaka ( 25/08/2008 22:26)
jereo ao ambadika ao e
18. prime ( 26/08/2008 11:47)
Misaotra niryna a... mahereza hatrany...
19. niryna ( 26/08/2008 16:45)
ikaretsaka:


ka le hoe iza no maizina de iza no mazavambola olana be koa..
samy mifamely eo heo nareo no maizina de zay ny mazava na vice versa
:-D :-D :-D
mbola averiko indray fa efa noresahiko foana io ka tsy reraka aho no manazava .
Ny atao hoe maizina dia toerana izay tsy misy masoandro mihiratra ny jiro na hazavana.Ka ireop olona izay mbola mipetraka amin'ny fiainana izay izy ihany dia efa mahalala fa saingy tsy mety miala tao dia azo atao hoe mbola ao anatin'ny maizina ihany koa ...(JC is the light) olona tsy miaina ao anatin'ny tenin'Atra ...maro no azo andikana io ry ika ,hianao ihany koa dia mety mahafantantra izany ka ..
-ireo olona mbola tsy mahafantatra dia azo antsoina hoe ao anatin'ny maizina ary rehefa tonga kosa ireo nirahina'Atra hanome azy ireo izany fahazavana izany (hampianatra na hizarana na hijoro vavolombelona ao amin'izy ireo )dia fantan'ireo olona ireo fa misy hazavana ao amin'ireo olona nirahina ireo (kristy no ao anatin'ireo ) ary rehefa mino ny fizarana izany tenin'Atra izany izy dia mahita fahazavana tsikelikely ary Kristy no fahazavana ,tsy misy hazavana hafa omena azy ireo na ho torina amin'izy ireo fa manjary lasa mpijorovavalombelon'ny mpandainga ilay mpizara raha izany ,mino aho fa efa fantatrao tsara io fahazavana teneniko io raha tsy fantatrao moa dia izay no fahazoako azy .

- ireo olona izay mbola tia manao ny toetra ratsy ka tsy mety miala amin'izany satria mbola confortable tsara izy ao ka na fantany aza fa tsy mety ilay izy dia tsy mety manohitra izany izy fa aleony mijanona eo ihany :arrow: kanefa mety hivoaka ao anaty maizina izy raha miantso an'i kristy hamonjy azy sy hanampy azy satria tsy ho vitany irery ny hivoaka ao ary ahita fahazavana raha manaiky izany jiro mirehitra izany dia i kristy ihany io.
mazava ve ?
(l) niryna
20. ikaretsaka ( 27/08/2008 04:00)
ho an'ny olona ohatra hoe miniers na miasa undergounds ry niryna tsy ny masoandro sy ny jiro be akory no mazava a aminy an... mainka izy aza jambena!

toy iznay koa ny olona miasa amin'ireny mpanao soudure na fonderie ireny ka zatra taratra mazava ny masony dia mitady zavatra aza izy manamaizina azy
donc relatif be le maizina sy mazava araka ny fanazavanao eto


tsy ny fanarahana tenin'Andriamanitra fotsiny no filamatra fa Andriamanitra mihitsy.. tsy feno ianao raha mi limit @ izay fotsiny!

ohatran'ny hoe tsy ny fanarahan'i niryna ny tenim-badin 'i niryna sy ny fizaran'i niryna izany @ ankohonan'i niryna fotsiny akory no hoe maha mpivady anareo, fa ny fikambananareo ho iray mihitsy (fa tsy ara teny sy fizarana teny fotsiny) mainka izany fa @ Atra!!

aza ferana @ Teniny fotsiny, fa Raiso koa ny Tenany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0702