O ry filoha hajaina: Mba jerevo ihany akama...

1. kidoropamba ( 30/06/2008 11:51)
Nampihomehy ahy mihitsy ny mahita ireo akama izay mba nanaosika mafy ny filoha hajaina kanefa mbola tsy nahazo toerana politika foana hatra'minizao. Ao izany ry satrobory sy ry manandafy rakotonirina ary ry Pierre raharijaona avy @ AREMA matotra. Ry Moxe mantsy dia efa lasa senatera sahala tami'ni Rabetsitonta izay tena midhaka mihitsy amin'izao isaky ny gazety fa lasa senatera. Siora namA.

Tokony jeren'i filoha hajaina ity reverend satrobory ity sao dia mba azo atao ambasadera any repoblika conko any @ kibangista any; ary i Manadafy Rakotonirina indray mba alefa mambran'ny HCC na ao amin'ny Haute cour de justiuce izay atsangana atsy ho atsy. Ingahy Pierre Raharijaona amin'izay dia mba tokony atao sefo de rézion ao analamanga.

Efa marary ny foko mahita an'izy telo lahy ireto toa "présent" foana isaky ny fety ka omena sezam-pety (fa tsy seza politika) ary mivoaka angazty sy sary foana. Kanefa hita amin'ny hendrindry zalahy fa tena "tsy faly" mihitsy ry zalahy satria tsy mbola mahazo seza politika foana. Ry reverend satrobory izany ange miaraka amin'ny vady amanjanaka mihitsy teny mahamasina ohatra fa tsy hita tabilao raha amin'ny andraikitra politika.

Ka io no mba hanaovako antso @ filoha hajaina Ravalomanana sao dia mba misy seza politika any ho any na dia mitery rononn'omby fotsiny aza.
Misaotra ary mankatelina.

Tohizo ny Lalantsika
God bless Ravalomanana^:^
novalian'i tsimati ny 06/07/2008 06:33
2. Bazily ( 30/06/2008 12:09)
Ho ampidiriko namana.serasera izy de mahita reo hetahetamponao reo f'aza matahotra. Ary kidoropamba hono mba mety hataony inn? Sa hatao lafika fatoriana fotsiny de aveo tohatra fiakarana? :-D :-D :-D :-D :-D
3. tsimati ( 30/06/2008 15:56)
Diso ianao tsy tohatra io fa hoditr'akondro. aza alefa alavitra ny saina fa tsy izy io
4. kidoropamba ( 30/06/2008 16:10)
O ry tsimati à, mba avelao izay te hiditra TIM miditra fa aza sakAna ny olona.
mba sahin'ny tsimati lazaina eto ve ny mba saosy azondrangahy tao ka dia manohitra mafy ny hidiran'ny sasany ao ingahy?

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika ^:^
5. niny ( 30/06/2008 16:25)
O ry bandy akama inona no maparary fo ani lahisany mahita ry Reverand ,Manadafy sns teny @ mahamsina, fa angaha raha manohana de tsy maintsy mahazo toerana ry lerony, zany ihany tsy mampandroso an'inty firenena, fitiavana tanindazana tsy mila tambiny fa rehefa hita fa mankany @ fampandrosoana ny tetik'ady ho entin'ilay nampetraka de efa ampy zay sady ampiana ilay olona na @ alalan'ny toro hevitra na fanakianana mapandroso
Zay fa @ manaraka e! sure!
6. kidoropamba ( 30/06/2008 16:34)
Tsy mba malahelo ve nareo, tsy marary ve ny fonareo mahita an'i reverend satrobory miketrona foana isaky ny sary misy azy? Mampaninona moa raha mba omena sefompokotany ao ambohimanarina ka afaka miompy kisoa ao nedala dia amin'izay mba falifaly?
Zaho kosa aloha tsy manaiky raha tsy misy tambiny ny ezaka atao: ny filoha hajaina mihitsy ange no nampianatra an'izany. Jerevo ny air force one, ny vitrine d'iavoloha, ny detaxation, ny amnistie fiscale, subvention, saf fjkm, sy ny sisa, tambin'ny hezaka ataony @ fampandrosoana an'i Madagasikara daholo ireny.
Tout travail mérite salaire hoy ny teny baiko ka tokony, ary fotoanany izao, mba omena andraikitra i reverend, mandanfy sy i pierre raharijaona fa toa lasa mpitazana eny @ pelouse ry zalahy ka mankarary fo. Marina e.
Mivoaka sary foana ange ry zalahy e (tany iavoloha, tany @ 13mai sy ny lapan'ny ben'ny tanAna, tany @ congres TIM, tany Mahamasina sy ny sisa, dia KETRONA FOANA ka manimba sary e. Farafaharatsiny mba aza alaina sary intsony ry zalahy fa mampitehitomany.

Tafita Isika Malagasy
God bless Ravalomanana ^:^
7. ronaldo09 ( 30/06/2008 19:15)
Fa ileity ve mitapy sa ondranondranana ? Filoha hajaina hono nefa manakiana ary fanakianana tsy mandeha amin'ny laoniny !Rehefa tsy mahita hatao leity mangina fa tsy manakiana be fahatany tahak'izao ataon'ilahay zao ah!!!!
8. tsimati ( 01/07/2008 01:44)
Tsy dia hoe mitapy io ry akama fa mitetika hanao fomba fiady ankolaka a. mody mitafy hoe TIM izy ary manao teny manakary fanahy ny vahoaka satria tsy nahomby intsony ilay avy dia manankiana. tsisy mpihaino ka mody hoe manohana anjambany indray no atao. jereo fa voambolana tranainy toy ny baikompitolomana sy ny filoha hajaina no ampiasany.
9. kidoropamba ( 01/07/2008 08:32)
ronaldo09:

Fa ileity ve mitapy sa ondranondranana ? Filoha hajaina hono nefa manakiana ary fanakianana tsy mandeha amin'ny laoniny !Rehefa tsy mahita hatao leity mangina fa tsy manakiana be fahatany tahak'izao ataon'ilahay zao ah!!!!

Moramora ny vava tsy ambina sy ny fo mitraotratraotra fa na dia efa bebetaona dia tsy matahotra zaza ho babena ny aty.
Raha tsy faly @ filazAko ny filoha hajaina teneno hoe filoha tsy hajaina fa aza mitady hanome lesona eto.
zO-ko ny milaza izay tiako lazaina raha tsy faly dia ndAna matoritory fa aza misera eto.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy ^:^
10. tsimati ( 01/07/2008 09:05)
Inona no ilain'ny TIM olona hafahafa tsy mivoatra toy itony kidoropamba itony ? Ny tanana lehibe ve tokony hasiana kisoa any andafiny any ? Fa inona no anisany manahirana sy tsy mampandroso ary mitana ilay fahantrana fa tsy ny saina. vao amboarina ohatra ny "By pass" saritaka sy olana bediabe ary ny sasany mifangalatra ny vola tokony ho an'ny tompon-tany fa lasan'ny mpiasan'ny domaine sy sefom-poko-tany miaraka @'ny fianakaviana ratsy saina. Avy eo noho'ny vita ilay izy asiana soratra mazava izao hoe tsy afaka hitondrana omby. inona fa omby isankariva sy maraina iny Alasora sy ny namany iny. Dia raha voadoana eo ny omby dia lazaina indray koa fa manana fiarabe nareo ka mamono ny ombin'ny mahantra.
resaka tsisy fivoarana sahala izany ary ny hiompy kisoa antanana no resahin'ny kidoropamba milaza andafy.Inona no ilain'ny TIM anao ? miverena any amin'ny dadataoanao any manao ny filoha ajaina sy baikompitolomana.
11. kidoropamba ( 01/07/2008 09:25)
Raha te hiresaka TIM amiko dia aloAvy aloha ny kotizasion. Raha manana karatra tsy mandoa kotizasion dia tsy afaka mibaikobaiko aho eto.

Tohizo ny lalantsika (by pass)
God bless the boss Ravalomanana ^:^
12. patrick2002 ( 01/07/2008 14:09)
Kidoropamba ry akama isany jeankely ihany ah.
nieritreritra izy fa @ mpanohana an'i ra-8 azy no nanasorana azy teto ,nefa noho izy be teniratsy ,manao fanahina sauvage mahazo ordinateur ,dia io izy manandratra an'i ra-8 ohatry ny Andriamanitra io,
Tanjony handrangitra fotsiny ho an'izay tsy tia an'i ra-8.
Izany no toe-tsaina olona baribarianina, rehefa tezitra ianao izy mifaly ,rehefa mitsiky ianao izy mototra ,manana ianao hataony izay hanalana ny any aminao .
Ka izay no tsy mahataitra ahy @ razanety be kanota :-D :-D :-D
13. tsimati ( 01/07/2008 15:20)
aza be lazao ra-patrickroaambiroarivo fa tssssss. ianao izao aza no mety manakaiky an'io kidoropamba io. :-D :-D :-D
14. kidoropamba ( 01/07/2008 15:49)
Tsy misy aloha hatramin'izao raha malagasy ihany ka tsy tia an'i filoha hajaina Ravalomanana. Ny tezitra satria tsy nahazo saosy no misy fa ny "tsy tia" ka mivonona hanAla azy eo dia mbola tsy teraka (hoy ny fiten'ny ankizy).
Sahiko ny milaza fa tsy jeankely akory aho fa kosa mahafantatra tsara an'i jeankely.

Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
15. tsimati ( 02/07/2008 01:10)
Azaadino ra-kidoro fa tsy mila anao ny TIM hono e. Antsisiny hono ny mirakorako e :-D :-D :-D
16. nanas ( 02/07/2008 02:19)
patrick2002:

Kidoropamba ry akama isany jeankely ihany ah.
nieritreritra izy fa @ mpanohana an'i ra-8 azy no nanasorana azy teto ,nefa noho izy be teniratsy ,manao fanahina sauvage mahazo ordinateur ,dia io izy manandratra an'i ra-8 ohatry ny Andriamanitra io,
Tanjony handrangitra fotsiny ho an'izay tsy tia an'i ra-8.
Izany no toe-tsaina olona baribarianina, rehefa tezitra ianao izy mifaly ,rehefa mitsiky ianao izy mototra ,manana ianao hataony izay hanalana ny any aminao .
Ka izay no tsy mahataitra ahy @ razanety be kanota :-D :-D :-D


non tsimaty no razanety ka! efa koboko hatrany amboalohany

17. patrick2002 ( 02/07/2008 02:35)
nanas: izy aby io tsimati=jeankely=kidoropamba=penguin=kanota
efa ataon'i serasera lasa adala fa miteny rery
heveriny fa adala moa ra-hery tsy mahita hoe IP iray ihany no hanoratanireo olona rehetra reo .
Zarany tompon'andraikitra aza anie ianao manana PS maro amin'izay misy hanaovany pub hoe ,maro ny mpikambana ato aminay eh! :-D :-D :-D
18. tsimati ( 02/07/2008 04:35)
Ianao patrickroaambiroarivo no mila mandinintena. Tsy fidiko tsimati no ampiasan'izay kidoropambanao ary tsisy hilaiko azy. Raha midoika ianao fa izaho no io olona hafahafa io dia tano sahalan'ny fanoratana hoe mpivarotra mangindy io fa tsy olana.
19. kidoropamba ( 02/07/2008 12:39)
Hisaorana erampo sy erantsaina ny filoha hajaina Ravalomanana @ ity fandroahana an'i Rajemison izay nitetika ny hanongampanjakAna (miaraka @ Matsilo) any zeneva.
Ny hany mampalahelo fotsiny dia nihena iray indray ny be vola sy ny mpanana ao Madagasikara ao.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy ^:^
20. tsimati ( 02/07/2008 23:19)
Fa lasa tsy manambola sa maty ny olona lasa andafy ? ny rehetra lasa andafy aza mitady lalana hitokona tsy hiverina hoy nareo koa ho terena indray angaha ? Marary saina milaza. hahaha :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0451