Makasitraka an-dRa8 Jeankely dia nesorina

1. tsoraka ( 18/06/2008 11:40)
Efa narahako hatramin'ny naha-mpiserasera ahy fa izay manenjika an-dRa8 dia palan'i Jeankely. Misy ny tezitra ary mifamaly aminy. Hitako koa fa toerana tiana mba hanomezana vahana izay mpanimbazimba Fanjakana sy Vahoaka Malagasy ity serasera ity ka mety ny hanalana azy. Manaporofo izany ireo maniratsira mpitondra Fanjakana, manakilasy azy toy ny biby sy vendrana, mpanao ody sy ny ratsy rehetra dokafana sy tehafana. Mazava izany ka afaka manohy ny tiana atao ny tarika izany.
novalian'i kanota ny 24/06/2008 06:58
2. lingwa ( 18/06/2008 12:46)
fa iza le jeankely fa ts maharaka zay e
3. badboy ( 18/06/2008 13:38)
Koa maninoa ronaldo09 no tsy voatsoka, na koa kanota, na koa rahiratra......
Aza mirediredy! :evil: :evil:
4. tsoraka ( 18/06/2008 15:12)
tsy rediredy izany fa samy manana ny fomba fanadihadiany. I JK raha vao misy mahery vaika dia avy izy dia mahery noho iny no asetriny azy. Ohatra: Misy milaza hoe tsy nianatra ny Filoha avy dia mba anontaniany koa hoe f'angaha ianao nianatra hatraiza ary mba omeo ny PhD-nao. Kenda sy marary loha dia mamoaka ny mombamomba azy ary vao mainka miakatra ihany dia izy dia mamely mafimafy. Dia io fa mitory daholo satria toeran'ny ahafahana manompa mpitondra ato. Tsy mamaky angaha ianao. Jereo ny tahiry ary misy akaiky ireo fa tsy mamorona akory.
5. hery ( 18/06/2008 15:15)
Angamba kosa tsy mitovy ny miteny hoe tsy nianatra sy ny manompa amin'ny teny ratsy :-)

Fa na nianatra anie i Ravalo na tsia tsy koi zany e. Fa tsy izany akory no anompana ny olona.

Fa i Ravalo tokoa ve aloha nianatra e? :-p
6. tsoraka ( 18/06/2008 15:23)
Ohatra iray ny nianatra ary ny valiny izay nahatezitra ny hafa ary namoahan'ny sasany ny mombamomba azy toa tsy resahinao fa ilay vokany ihany no teneninao ? rehefa felahan'ny olona ary mamely totohondry ilay mamelaka ve dia ilay totohondry ihany no jerena fa tsy ny fiandohany. Hisaino ihany fa sao diso ianao.
7. notron ( 18/06/2008 15:31)
tsoraka> raha izaho manokana dia tsy nianatra ka izany no tsy nilatsahako ho fidiana ho Filoham-pirenena.
8. tsoraka ( 18/06/2008 15:37)
Dia maninona ? Ny mpifidy no nasesika tao andohany hoe ny olona mahazaka orin'asa no mety mahazaka fitondrana fanjakana ary izay no hitan'ny olona fa tsy ny baoritra isakarazany koa ahoana ? Ny mitady asa mila diplaoma fa izay sahy mirotsaka dia ny mpifidy no omenao ny felaka raha toa ka diso ny safidiny fa tsy ilay voafidy.
9. notron ( 18/06/2008 15:45)
tsoraka> hihihi! marina tsara io voalazanao io ka. Ary hanatra ho an'ny sisa hoe mba izay olona manampahaizana ary mahazaka fitondrana @zay fidiana @manaraka e!
10. penguin ( 18/06/2008 15:48)
Ary mizara bdb lay Jeankely fa ao anatiny ao daholo olona marobe an? Io tsisy hitarina fa mafiloha miaro ra8 izy dia tiana sakanana. Efa nandefa taratasy nitaraina angaha izy izay sa ahoana ? Izay dila lasa any fa ny iray lalana tsy tapitra. Ny mpifidy koa tsy nianatra no dikany. Tsisy mahagaga.
11. kidoropamba ( 18/06/2008 18:44)
Tohizo ny Lalantsika!
God save Ravalomanana. ^:^
12. penguin ( 19/06/2008 00:55)
Ok, mitohy tokoa any izany hoy ny miasa. Lazaina daholo izao rehetra izao nefa tsy voazera ilay olona. Olona tsy miaramila lazaina manao didi-jadona fa ahoana ity didi-jadona tany na any amin'ny firenena nisy izany ? Na sehatra ahafahana mamiravira firenena aza dia mila hisainana izay resahina.
Manontany ny sefon'ny serasera etsy ambony etsy hoe: "Fa i Ravalo tokoa ve aloha nianatra e?" izay mbola mitory ny fironan'ny sefon'ny serasera. Ny faniratsirana ataon'ny andafy tsy afaka atao ho an'ny Malagasy aminay satria tsy mitovy ny ahavon'ny fahaizan'ny vahoaka amin'ny tany mandroso sy ny vahoaka amin'ny tany sahirana.
13. kidoropamba ( 19/06/2008 08:30)
penguin:

Ok, mitohy tokoa any izany hoy ny miasa. Lazaina daholo izao rehetra izao nefa tsy voazera ilay olona. Olona tsy miaramila lazaina manao didi-jadona fa ahoana ity didi-jadona tany na any amin'ny firenena nisy izany ? Na sehatra ahafahana mamiravira firenena aza dia mila hisainana izay resahina.
Manontany ny sefon'ny serasera etsy ambony etsy hoe: "Fa i Ravalo tokoa ve aloha nianatra e?" izay mbola mitory ny fironan'ny sefon'ny serasera. Ny faniratsirana ataon'ny andafy tsy afaka atao ho an'ny Malagasy aminay satria tsy mitovy ny ahavon'ny fahaizan'ny vahoaka amin'ny tany mandroso sy ny vahoaka amin'ny tany sahirana.


Madagasikara dia tsy mivoatra mihitsy raha tsy atao didy jadona. Isaorana ny filoha hajaina amin'io mba ialAna amin'ny akamoan-dRamalagasy.
Izay tsy faly mibotsina, fa ny lalana dia mitohy ihany.

Tohizo ny lalantsika.
God save Ravalomanana.

^:^
14. penguin ( 19/06/2008 11:16)
Ianao koa aloha dia tsy maintsy lazain'ny mpanenjika ho Jeankely vaovao indray. Satria mety nomendreo vola angamba Jeankely dia mahavita mivadika ho olona marobe ary tsy niala raha tsy voahidy ny sehatra hanoratany. Ny saina hiasa maro fa mody nangiana ny namana hafa noho izany miseho ny hafa maneho fa miasa ary tsisy vita raha tsy miasa. :-D :-D
15. kidoropamba ( 19/06/2008 11:28)
kamo loatra ny malagasy. Nozarina ho kamo ary miandry toloram-potsiny. Ny zanak'Iarivo ihany no miavaka amin'izany satria nahitana orinasa maro, indostria maro. Tsy mba niandry mihitsy ny toloram-potsiny fa nahavita tena irery hatrizay.
Ny Filoha hajaina Marc Ravalomanana, zanak'Iarivo, ary reharehan'ny malagasy, dia tsy manaiky an'io akamoana io. ny kobay ihany no fitaovana ahafahana manala amin'ny torimaso ny kamo be tenda.
Na mitomany ny kamo be tenda, avelao hitomany any , fa tsy maintsy kapohina izy satria kamo.

Ravalomanana ihany, Ravalomanana Hatrany.
God save Ravalomanana
^:^
16. penguin ( 19/06/2008 11:34)
Tsy ny Malagasy no kamo fa ny ohatra hitany no mitady lalana hanimbana sain'olona. Ny tsy vita dradradraina ary ny amboarina lazaina tsy laharam-pahamehana. Tandremo aloha mampidikizo fa tsy mety.
17. kidoropamba ( 19/06/2008 12:08)
Marina loatra ny an'i Filoha hajaina Ravalomanana: Aleo omena ireo vahiny efa matianina amin'ny fitantanana orinasa ny fitantanana ny firenena, ary ny fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany satria tsy manana fotoana isika hiandry an'ireo injeniera gasy (miady te handeha any ivelany fotsiny fa tsy tia karokaroka) hanao an'izany amin'ny fotoana fohy.
Ny harena dia natao ho trandrahana.
Miaina ao anatin'ny fitontoloana isika izao ka tsy ilaina intsony izany resaka tanindrazana tsy mahavoky vahoaka izany sy tsy mampandroso firenena. ASA, miasa, manarina, manorina, mampivoatra, izay ihany!
Ny vahiny dia manana ny vola, ny traikefa ary ny know how (tsy adikako amin'ny teny malagasy io fa anjaran'izay te halala mikaroka ny dikany - efa teny anglisy ny teny ofisialy izao) ahafahany mampivoatra ity madagasikara ity. Tsapan'i Filoha hajaina Marc Ravalomanana izany. Tsy nihambahamba izy nametraka ny planin'ny fampandrosoana. Madagasikara Amperin'asa fa tsy matoritory i Madagasikara miaraka amin'i filoham-pirenena hajaina ary mamim-bahoaka Ravalomanana. Ho ela velona ange ny namana vahiny mitsinjo ny fivoaran'ny madagasikara ary manampy betsaka an'i filoha hajaina amin'izany asa sarotra izany toy ny sherit, qmm, madagascr oil, sy ny sisa tsy voatanisa. Ary velezo kobay ireo kamo be tenda.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
18. kanota ( 19/06/2008 12:59)
Fomba ambadika izany no hanampemponao ny olona ry sesikidoro ve ? :-D :-D :-D :-P
19. kidoropamba ( 19/06/2008 13:48)
Miasa fa tsy manapempo. Izay no tarigetra napetraky ny filoha hajaina, ary mamim-bahoaka Marc Ravalomanana.
Mazava io. Tsy misy anampiana tsy misy analAna.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
20. notron ( 19/06/2008 13:52)
Un jeankely peut en cacher un autre. :-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5204