Ilay sary hosodoko tsy nisy vidiny

1. niryna ( 27/05/2008 04:30)
Mpanankarena mpanangona sary hosodoka ity rangahy ary indray andro krismasy dia tonga nanatitra sary hosodoko teo ambaravany ity miaramila.Fanomezana izay mba vitan'ny tanako ity hoy izy ary sarin'ny zanakao izay namonjy ahy teo an-tratrany.Raha tsy nisy azy aho dia efa maty.Maty teo am-pitrotroana ahy izy.
Ohatrinona hoy rangahy ity fa vidiko izay vidiny omenao ahy.Tsy amidiko fa omeko anao ho fahatsiarovana azy.Tsy ho voavidiko vola ny famonjeny ahy.

Tonga ny fotoana nahafatesan-drangahy ary vory ny lafin'ny valo rehetra hividy ny sary hosodoko nangoniny.Ilay sarin-janany no namidy voalohany ary tsy nisy niraharaha fa ilay sary hosodoko sarobidy ihany no notadiavin'ny olona.
Farany nananga-tanana ity mpikarakara zaridainan'izy mianaka,rangahy mahantra ary dia nanome izay mba volany hividianana ilay sary.$10 hoy izy ary io ihany no mba volako....iray,roa,telo,vita ny lavanty.

Omeo azy any fotsiny hoy ny sasany,avoahy amin'izay ny tena izy hoy ny iray.
Vita hoy ilay mampanao lavanty,izay nividy ilay sarin-janany no mahazo an'ireo sary hosodoko rehetra ireo ary iza no hafatra izay vao nomena ahy izao
Tohizany koa isika,izay manana an'i kristy no handova ny fanjakan'ny lanitra.
Apetraho eo ampelantanaNy amin'izay aza ny fiainanao,andramo ka zahao fa tsara Izy ,ary ny teny izay nomeNy dia tsy mbola nisy fitaka na iray aza.
Voninahitra anie ho Azy ary ny fiadanana ho antsika tsirairay avy.
Antsoy Izy,ataovy ny fanandramana raha mbola tsy niantso na nivavaka mivantana tamin'i kristy hianao.

(l) niryna
novalian'i niryna ny 14/06/2008 19:43
2. ikaretsaka ( 27/05/2008 16:47)
dein... nandika toritenini St Ambroise indray i niryna :-D
3. rijadolly ( 27/05/2008 17:36)
Misaotra nyrina.

Na izany aza ny marina ry ika dia tsara ilay izy an!Soa fianatra ô!Sao dia misy toriteny hafa any ry ika alefaso,sao de mbola tsy enonay.
4. niryna ( 27/05/2008 17:39)
ikaretsaka:

dein... nandika toritenini St Ambroise indray i niryna :-D

izay ilay hoe zarao izay henonao,ampahafantaro ny olona ny fahasoavana nomen'i tompo anao.
5. niryna ( 27/05/2008 17:40)
rijadolly:

Misaotra nyrina.
tsy misy fisaorana rija

Na izany aza ny marina ry ika dia tsara ilay izy an!Soa fianatra ô!Sao dia misy toriteny hafa any ry ika alefaso,sao de mbola tsy enonay.



:D
6. niryna ( 27/05/2008 17:41)
ikaretsaka:

dein...



:roll: 8O =)) =)) =)) =))
7. ikaretsaka ( 27/05/2008 17:59)
soa ihany fa tsy paper tany @ univ ity raha tsy izany efa niakatra dean ianao fa nanao plagiarism! :wink:
8. niryna ( 29/05/2008 05:10)
ikaretsaka:

soa ihany fa tsy paper tany @ univ ity raha tsy izany efa niakatra dean ianao fa nanao plagiarism! :wink:



:D :D mampalahelo ,
aleo ho teneniko ny pasiteranay fa izy no nizara anay an'io,tamin'ny alahady ary efa nozaraiko ihany koa io :D
9. naritsimba ( 29/05/2008 05:52)
Hoy ikaretsaka:
dein... nandika toritenini St Ambroise indray i niryna


Baiboly koa ange no nakana ny andalan-tsoratra masina izay soratana eto e, dia atao hoe dein... koa ve izany???
10. prime ( 29/05/2008 12:54)
Misaotra niryna a...

Hoy ny tenin'Andriamanitra :

"Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy." Salamo 34:8

"...Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be." Jaona 10:10

Andriamanitra mihitsy no miangavy mba hananana fiainana be dia be, fahasambarana...
11. ikaretsaka ( 29/05/2008 12:59)
naritsimba:

Hoy ikaretsaka:
dein... nandika toritenini St Ambroise indray i niryna


Baiboly koa ange no nakana ny andalan-tsoratra masina izay soratana eto e, dia atao hoe dein... koa ve izany???


raha tenenina hoe tao anaty Baiboly le izy no nalaina dia tsy maninona..
na hoe i Masindahy izao na i Mompera izao na Mpanoratra izao na i pasitera izao..
fa le mizara nefa tsy milaza ny fototra no tsy mety...
ohatran'ny heo ity ny ranonao: sotroy... kanjo ranon'Anosy! na samy rano izao aza!


12. rijadolly ( 29/05/2008 16:06)
ohatran'ny heo ity ny ranonao: sotroy... kanjo ranon'Anosy! na samy rano izao aza!
Tsy azoko,zany hoe nihanaloto ve ilay toroteny na ny tenin'Andriamanitra raha olona tsy .....n'ika no mitondra azy.Sa diso ny fandraisako azy?
13. ikaretsaka ( 29/05/2008 23:57)
raha tsy nolazaina hoe taiza ity no nalaina nefa hafahana olona dia zaraina...
izay no tsy mety!
voaray?
14. naritsimba ( 30/05/2008 11:34)
ikaretsaka> dia ahoana izany raha miditra hôtely ka rosoana ranon'apango? dia hanontany ve hoe rano avy aiza io????
15. ikaretsaka ( 30/05/2008 17:09)
naritsimba:

ikaretsaka> dia ahoana izany raha miditra hôtely ka rosoana ranon'apango? dia hanontany ve hoe rano avy aiza io????

ko he izany izy heo ranon'apango sy hotely koa
fa raha ary amin'ny dezaka be aho no mampitady an'i naritsimba rano na hoe hitan'i naritsimba hoe mangetaheta ka toloranao rano, tsy maintsy mandeha ho azy ny fanontaniana hoe "rano taia ity na ranon'inona ity " indrindra raha tsy hita ilay rano fa somaro matroka ny gourde nasianao azy ohatra!

16. niryna ( 30/05/2008 23:28)
naritsimba:

Hoy ikaretsaka:
dein... nandika toritenini St Ambroise indray i niryna


Baiboly koa ange no nakana ny andalan-tsoratra masina izay soratana eto e, dia atao hoe dein... koa ve izany???

koa izany anie no mahatonga ahy hiteny hoe mampalahelo e.Fanoharana no nomen'i kristy antsika ary afaka mizara izay hitany sy fantany ny rehe tra,io olona lazainy io koa izao naheno dia nizara .

:D :D
17. niryna ( 30/05/2008 23:29)
prime:

Misaotra niryna a...

Hoy ny tenin'Andriamanitra :

"Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy." Salamo 34:8

"...Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be." Jaona 10:10

Andriamanitra mihitsy no miangavy mba hananana fiainana be dia be, fahasambarana...
tsy misy fisaorana,misaotra tamin'ny teny fampaherezana


:-*
18. niryna ( 30/05/2008 23:33)
ikaretsaka:

naritsimba:

Hoy ikaretsaka:
dein... nandika toritenini St Ambroise indray i niryna


Baiboly koa ange no nakana ny andalan-tsoratra masina izay soratana eto e, dia atao hoe dein... koa ve izany???


raha tenenina hoe tao anaty Baiboly le izy no nalaina dia tsy maninona..
na hoe i Masindahy izao na i Mompera izao na Mpanoratra izao na i pasitera izao..
fa le mizara nefa tsy milaza ny fototra no tsy mety...
ohatran'ny heo ity ny ranonao: sotroy... kanjo ranon'Anosy! na samy rano izao aza!





inona a,HS be indray ny anao lahy
:D dia izay foana ,kapakapao fa manimba ny tany ,aleo ho hitan'ny olona eny ...
19. niryna ( 30/05/2008 23:34)
rijadolly:

ohatran'ny heo ity ny ranonao: sotroy... kanjo ranon'Anosy! na samy rano izao aza!
Tsy azoko,zany hoe nihanaloto ve ilay toroteny na ny tenin'Andriamanitra raha olona tsy .....n'ika no mitondra azy.Sa diso ny fandraisako azy?



:D
20. niryna ( 30/05/2008 23:36)
ikaretsaka:

dein... nandika toritenini St Ambroise indray i niryna :-D


anontanio ary Ambroise hoe taiza io no nalainao hi,hi,
=)) =)) dia ho fantatrao hoe avy aiza ny tantara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0588