Misy demony

1. Fody ( 07/05/2008 17:03)



Ny olona ipetrahan'ny demony ve manota sa tsia ?
novalian'i fijo ny 22/05/2008 21:19
2. ikaretsaka ( 07/05/2008 17:14)
Le famaritana ilay nanota aloha ato no tsara hitondrana ny resaka...nanota t@ Andriamanitra sa nanota t@ olombelona sa nanota t@ zavatra hafa (nanota fady ohatra)

amiko dia hoe tsy voatery:
Raha amin'Atra dia Atra ihany no mahalala izany

fa mety ho @ ilay entite (eto izy demony) izy no nanao toetra: na ni s'associer, na nanohitra ny zavatra notadiaviny dia nitoerany!
3. kiadi ( 07/05/2008 17:17)
anotanio sakaiza :-D :-D
4. Veloo ( 07/05/2008 17:48)
Ny olona ipetrahan'ny demony ve manota sa tsia ?


isika rehetra anie panota daholo e, ny maha samy hafa fotsiny dia izy (ilay olona hipetrahany demony ) efa nanao pacte miaraka @ satana...Ary hijalijaly izy voa tafavoka ao...
5. ikaretsaka ( 07/05/2008 17:56)
veloo>

1)ka nohon'ny fahotany ve no nahatonga ilay demony nipetraka tao aminy?
Raha mpanota daholo araka ny teninao, dia maninona ianoa tsisy fa izy misy?

2) le hoe pacte... misy koa ange le tsy nanao na inona na inona @ izany pacte izany kanefa nidirany e... le resaka tsy fantany hoe nanota fady tany ho any izy na le namosavian'ny olona na voodoo na tsy haiko aby! tsy ilay olona voa no nanao pacte fa olona hafa mihitsy!
6. pissoa ( 07/05/2008 18:23)
Fa ahoana izany olona hipetrahan'ny demony ?! (Za mbola tsy nahita na tsy nahafantra raha efa nahita lol). :-D :-D :-D

Fa raha tsy tompon'ny tenany intsony izy dia heveriko tsy mitovy amin'ny fahotana ataon'ny olona "tsotra" ny fahotana ataony.

7. ikaretsaka ( 07/05/2008 18:33)
tandremo pendipendina ka miditra @ kilaoty tsy antonona ary ka ..tsy ianao no miditra fa idirany
8. badboy ( 07/05/2008 18:56)
Fody >> Mba fantatrao ve hoe inona na ohatry ny ahoana ilay demony resahanao alohan'ny ilazanao fa "ipetrahan'ny demony ve ny olona nanota"???
9. Veloo ( 07/05/2008 19:18)
Raha mpanota daholo araka ny teninao, dia maninona ianoa tsisy fa izy misy?


ika, satria za tsy manao pacte @ ny devoly efa oe io no maha samy hafa azy @ tsika...

le hoe pacte... misy koa ange le tsy nanao na inona na inona @ izany pacte izany kanefa nidirany e... l

Tsy mino an'io ndray kosa za.

ilay pacte anie misy karazany samy hafa e? ohatra ny ahona? tsy fantatro satria za tsy manao

le resaka tsy fantany hoe nanota fady tany ho any izy na le namosavian'ny olona na voodoo na tsy haiko
itony zao dia efa santionany...
10. Veloo ( 07/05/2008 19:19)
badboy [ Valio ] 07-05-2008 20:56:36
Lohateny : Re : Misy demony
Fody >> Mba fantatrao ve hoe inona na ohatry ny ahoana ilay demony resahanao alohan'ny ilazanao fa "ipetrahan'ny demony ve ny olona nanota"???


zany ko question iray mila valony....
11. pissoa ( 07/05/2008 19:25)
:-D :-D :-D

Degany be koa zany fivadihan'ny resaka zany kle ! I Fody angaha nanontany hoe ipetrahan'ny devoly ve ny olona nanota ?
Fody:
Ny olona ipetrahan'ny demony ve manota sa tsia ?


Tsy haiko na zaho no tsy mahay mamaky teny fa mahita difference be mihitsy aho amin'ny zavatra nolazain'i Fody sy ny fahazoan'i Badboy azy.

:-D :-D :-D
12. Veloo ( 07/05/2008 19:33)
maty ela ry badboy lasa mi-degany ndray hono ela...
13. ikaretsaka ( 07/05/2008 19:39)
gravy marina ilay fivadihan-dresaka an... :-D

ika, satria za tsy manao pacte @ ny devoly efa oe io no maha samy hafa azy @ tsika...

ka nga izy voatgery hoe hanao pacte vao hidirany? io no fanontaniako: raha sanatria (sanatria hoy aho an) ka misy mamosavy ianao dia nidiran'ny demony (mbola sanatriaviko ihany an) dia ianao ve no nanao pacte taminy??

badboy> nga mila fantarina foana @ "ohatran'ny ahoana" tokoa moa izy ity vao azo atao ny mahalala hoe ity misy dia ity tsy misy?
Fanoharana kely:
Raha miteny ialahy ohatra hoe ity yoaourt misy vanille: angaha mila fantatra heo ohatran'izao izany vanille izany vao afaka miteny hoe misy vanille ilay yaourt??

:wink:
14. pissoa ( 07/05/2008 19:57)
Ika:
gravy marina ilay fivadihan-dresaka an...

:-D :-D :-D Dia jereo sahady njay koa fa ny fivadihan'ny resaka no nolazaiko hoe degany be dia ozy Veloo hoe
Veloo:
maty ela ry badboy lasa mi-degany ndray hono ela...

Manaiky aho :-D :-D :-D :-D :-D
15. ikaretsaka ( 07/05/2008 20:02)
io fandraisana antendrony io anie...
ary izay no mahavery an'ireo..
raha atao izany hoe
"i" no tena votoatin-dresaka dia lasa "teboka (.) " be no miala any satria iny no tendron'ny i ve sanatria?? aza hitako aza mahita ahy!
(kisangisangy iny)
16. badboy ( 07/05/2008 20:07)
pissoa:

:-D :-D :-D

Degany be koa zany fivadihan'ny resaka zany kle ! I Fody angaha nanontany hoe ipetrahan'ny devoly ve ny olona nanota ?

Fody:
Ny olona ipetrahan'ny demony ve manota sa tsia ?


Tsy haiko na zaho no tsy mahay mamaky teny fa mahita difference be mihitsy aho amin'ny zavatra nolazain'i Fody sy ny fahazoan'i Badboy azy.

:-D :-D :-D


Tsy hoe mila vaniny na mamadidresaka fa mazava ho azy ilay fiaingan'ilay : mody hahodin'i fody ilay resaka fa ny tena hevitra miafina dia io voalzaka io! De hilaza ndray ny sasany hoe miteniteny foana.

De ao fa azavaiko : ilay demony, raha vao miainga fotsiny ilay anarana dia tsy maintsy hoe mifanaraka @ ratsy na ny ota. Manarak'izay ilay hoe ny olona hipetrahan'ny demony ve.. d'efa te hilaza koa hoe olona efa tsy tompon'ny tenany satria "possédé par le démon" ka dia tsy maintsy hoe manota!! Noho izany ilay hoe "ve manota sa tsia" any @ farany dia fandrebirebena! Ka dia nahitsiko arak'izay ilay kôzy!

Ka rehefa nazava ilay izy dia averiko eto indray hoe "mba fantatrao ve aloha hoe inona na otrin'ny ahoana ilay demony resahanao"?? Satria mantsy ra milaza hoe fantatro A/tra fa tsy voafaritro, nefa avy eo milaza fa mahafaritra ny atao hoe demony dia hoy aho hoe "démagogue"!!

Nefa koa raha sady tsy mahafaritra ny 1 na ny 1 dia hoy aho hoe minomino foana (sady mety ho diso finoana mihintsy aza @ farany satria mety lasa ilay tsy izy no lasa inoana)!! Ka alalino tsara ihany!


:^) :^) :^)
17. ikaretsaka ( 07/05/2008 20:12)
averiko eto indray hoe "mba fantatrao ve aloha hoe inona na otrin'ny ahoana ilay demony resahanao"?? Satria mantsy ra milaza hoe fantatro A/tra fa tsy voafaritro, nefa avy eo milaza fa mahafaritra ny atao hoe demony dia hoy aho hoe "démagogue"!!
dia averiko ilay fanontaniako tary ambony tary..

raha miteny ianao hoe Yaourt misy vanille ve hoa dia mila fantatrao ve aloha inona na ohatran'ny inona iznay "vanille" vao afaka mteny ianao hoe misy vanille ny yaourt? hmmm?
18. badboy ( 07/05/2008 20:24)
ikaretsaka >> zany ve ka anotaniana!! Raha miteny koa aho hoe yaourt @ henakisoa (na @ poizina), dia tsy mila ho fantatra ve hoe inona ilay kisoa (na izany atao hoe poizina) fa de hoanina aloha de aveo hita eo ny vokany??? Zay ilay hoe minakinapoana!!

Dia tahak'izay koa ilay finoana an'A/tra!!

Ary mino aho fa tsy ho faly izy raha toa ka olona tsy mahafantatra ny tena momba azy akory no andeha hitatitra vavaka any aminy! Fanaovana tsinotsinona ny maha A/trazy izany!
19. pissoa ( 07/05/2008 20:29)
Badboy > Raha izaho ianao anontaniana aloha i Fody sao tsy io nolazainao io no tena tiany hahatongavana ! (Mety ho io, fa hatreto aloha dia tsy mbola afaka milaza kosa fa tena io e) :-D :-D :-D

Badboy:
De ao fa azavaiko : ilay demony, raha vao miainga fotsiny ilay anarana dia tsy maintsy hoe mifanaraka @ ratsy na ny ota. Manarak'izay ilay hoe ny olona hipetrahan'ny demony ve.. d'efa te hilaza koa hoe olona efa tsy tompon'ny tenany satria "possédé par le démon" ka dia tsy maintsy hoe manota!! Noho izany ilay hoe "ve manota sa tsia" any @ farany dia fandrebirebena! Ka dia nahitsiko arak'izay ilay kôzy!

Ny valin'ny fanontanian'i Fody izany, araka ny hevitrao dia hoe manota ny olona ipetrahan'ny demony, na dia efa tsy tompon'ny tenany intsony aza fa possede ? :-D :-D :-D
20. ikaretsaka ( 07/05/2008 20:36)
raha hain'ialahy ny manazava olona hoe yaourt @ henakisoa ka dramany ka tsara sy mahasoa azy ..dia minoa marimarina mandeha ny bizna an'ialahy fa tsy misy olona mihitsy handeha hanontany hoe kisoa avy aiza sy yaourt avy aiza, fa ny idee an'ialahy nahay nanambatra bny henakisoa sy yaoyrt nanome kaly tiany no importany aminy

raha poizina no ataon'ialahy ao.. tsy handeha hanontany mihitsy nysarambaben' olona heo inona ilay poizina, fa ny hisambotra an'ialahy ho mpamosavy no ataony voalohany 8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0706