i kanto wa tsssssss

1. fijo ( 24/04/2008 20:21)
vao niditra tany mada i kanto,dia nenjehiny mafy ny fomba gasy momba ny famadihan afa ,fomba tsy mendrika,sy milalao faty.fombany tsy mpino sns.ary dia maro mihintsy aza ny mpino kanto no tsy mety mamadika fa tsy kristianina hono.
hanky vare,vao itako tamin'ny vaovao "TF1" teo fa misy pretra kanto ny"hexume"na" ary dia narenty ao amin afiangonana ,fa pretra tena tian'ny olona any italia hono io rangahy io.toa matory moa ilay rangahy raha naseo ny sariny .ka sao dia hoe rehefa ny taolan akosa no fongarin'ny gasy dia tsy mendrika,fa raha vatana voakajy no "exhume"na dia kanto????
novalian'i zoupi ny 06/08/2008 12:51
2. rabilabila ( 24/04/2008 21:03)
Fijo 'ty koa mampihomey mihitsy !! Ka ny azy Saint fa ny antsika Précieux fotsiny ko!! :)
3. pissoa ( 24/04/2008 21:05)
Fa iza njay ity Kanto ? :roll:

Fa raha tsy diso aho ry Fijo dia tsy mandrara ny famadihana ny fiangonana Katolika any Dago a ! Ny fanompoan-tsampy no rarany, fa tsy ny famadihana amin'ny ankapobeny hoe misy faty sy taonala sns ! Raha tsy diso aho hoy aho ! :-D :-D :-D :-D :-D
4. fijo ( 24/04/2008 21:18)
kay kay kay,asa raha tena efa niangona tany mada i pissoa,fa nisy famadihan anatao izahay tamin'ny herintaona,dia ny mopera mihintsy no niteny tamin'ny vadin'ny zokiko hoe" dia mbola mino izany ihany ve ianareo???"ka asa io na mandrara indray na ahoana.
5. pissoa ( 24/04/2008 21:21)
:-D :-D :-D

Dia mbola mino ihany ve ianareo

Dia mbola mino inona io ? :-D
6. fijo ( 24/04/2008 21:22)
io fa manao fanontanian'i fody koa ity le
7. rabilabila ( 24/04/2008 21:24)
Ohatran'ny hoe kato misy tsofoka "n" io Pissoa a!!! :-D :-D :-D
8. fijo ( 24/04/2008 21:27)
efa hainy izany fa nianikazo kely izy de hodiany tsy tsaroana toy ny mahazatra e.
saka anie io e,ny zavatra hain'ny saka dia ny "meo meo foana."na dia efa mazava aza dia meo meo fanazavana ihany.
9. pissoa ( 24/04/2008 21:27)
fijo:

io fa manao fanontanian'i fody koa ity le


Valio fotsiny ny fanontaniana dia ampy izay ! Ny fanamarihana tahaka izao dia mampidina ny lentan'ny ady hevitra fotsiny ! :-D :-D :-D :-D :-D
10. fijo ( 24/04/2008 21:30)
ary ny fanontaniana dala toa io,mampakatra ve?

hoavy eo rabingo hanintsy vao gaga
11. rabilabila ( 24/04/2008 21:31)
Marina ny lazain'i Pissoa fa tolérant kokoa ny Kato raha resaka famadihana ; fa indraindray à la tête du client ihany ilay izy ( na ilay piretra , na ny importance au niveau social an'ilay fianakaviana hamadika ).
My piretra any ambanivolo matetika manaiky satria fantany fa mitsoaka ny ondry raha vao mandà eo izy dia tsy maotsy mi-compose.
Ny piretra an-drenivohitra matetika manao io refléxion lazain'i Fijo io ;na koa manaiky tsy sazoka satria lohandohan'ny mpisorona ilay mpamadika , ohatra .
12. pissoa ( 24/04/2008 21:33)
fijo:

efa hainy izany fa nianikazo kely izy de hodiany tsy tsaroana toy ny mahazatra e.
saka anie io e,ny zavatra hain'ny saka dia ny "meo meo foana."na dia efa mazava aza dia meo meo fanazavana ihany.


Fijo ! :-D :-D :-D :-D :-D

Raha tsy hitanao ny soratro tatsy ambadika dia averiko eto Say what you mean and mean what you say. Raha in-1 mandeha ianao no nanoratra hoe Kanto dia nomeko anao ny benefice du doute fa nanao diso tsipelina ianao ! Fa rehefa Kanto hatrany no soratanao dia miala tsiny fa tsy izaho no nihanin-kazo fa ianao angamba no donto sy coward ka tsy mahay sahy milaza mivantana fa ny Katolika no tianao lazaina !

:-D :-D :-D
13. fijo ( 24/04/2008 21:34)
ka eo iavoloha anie io ry rabila e.fa lery toa ao tanjombato ao no mitory.eny e,efa azo atao hoe an tanandehibe ngaha ka izay.
14. pissoa ( 24/04/2008 21:34)
fijo:

ary ny fanontaniana dala toa io,mampakatra ve?

hoavy eo rabingo hanintsy vao gaga


Adala ve ny fanontaniako rehefa ny lazainao no tsy mazava ? Rehefa miteny ianao hoe Mbola mino ihany ve ianareo dia zavatra roa no mety ho lazain'izany amiko :

1 - Mbola mino ny karazana sampy ao amin'ny famadihana ihany ve ianareo ?
2 - Mbola mino an'i Kristy ihany ve ianareo amin'izao ataonareo izao ?

Ka mila izay info izay aho alohan'ny hanehoako ny tohin'ny hevitro !
:-D :-D :-D :-D :-D
15. pissoa ( 24/04/2008 21:38)
rabilabila:

Marina ny lazain'i Pissoa fa tolérant kokoa ny Kato raha resaka famadihana ; fa indraindray à la tête du client ihany ilay izy ( na ilay piretra , na ny importance au niveau social an'ilay fianakaviana hamadika ).
My piretra any ambanivolo matetika manaiky satria fantany fa mitsoaka ny ondry raha vao mandà eo izy dia tsy maotsy mi-compose.
Ny piretra an-drenivohitra matetika manao io refléxion lazain'i Fijo io ;na koa manaiky tsy sazoka satria lohandohan'ny mpisorona ilay mpamadika , ohatra .


Raha tsy diso aho dia efa nisy karazana famadihana mihitsy nahakasika ny diosezin'i Tana ka (izany hoe tsy tena ambanivohitra loatra) ! Izay no nahatonga ahy niteny an'io hoe raha tsy diso aho dia toa tsy mandrara ny fiangonana Katolika.
16. fijo ( 24/04/2008 21:41)
jereo tsara fa tsy "ihany "no nosoratako fa "izany",izay dia manova ilay hevitra ngamba.

"dia mbola mino izany ihany ve ianareo???""izay le zatra mitsatsaingoka fotsiny de izao no vokany
17. pissoa ( 24/04/2008 21:42)
:-D :-D :-D :-D :-D

Ah - OK ! Miala tsiny fa nisy teny iray latsaka tamin'izaho namaky ! Izany ihany hay ilay izy :-D :-D :-D
18. rabilabila ( 24/04/2008 21:46)
Ny olona mamadika amin'izao fotoana izao dia vitsy sisa no mino hoe mitahy ny Razana ; ny antony marobe ( acculturation sns...................) , fa ny sens-n'ny famadihana mbola tafita amin'ny genérations taty aoriana dia resaka fanajàna ny nentipaharazana ,na resaka sosialy ( mandravina fihavanana ohatra ).Ireo no anisan'ny antony hi-tolérer-n'ny Kato azy satria efa vitany ny asa fanovana ho kristianina izay efa lasa raikitapisaka.
19. ikaretsaka ( 24/04/2008 21:52)
asa raha tafifin'i fijo fa nisy article lava be nataon'i ppiste momban'ny kanto sy ny famadihana..
t@ ireny resaka terezikely ireny...
matoa manao ireny ny " kanto" dia efa hita fa tsy nitombina le lojikan'i "fainjo"
20. hery ( 24/04/2008 21:57)
fijo> Hatramin'izao ve dia mbola tsy tena azon'i fijo ihany ny atao hoe Fiangonana katolika.

Raha misy pretra 1 na 2 na frera 1 na 2 na Papa aza, miteny @ anaran'ny tenany, dia tsy midika mihitsy hoe milaza ny fampianaran'ny Fiangonana izy izay.

Koa raha vao tenina mompera 1 na frera naman'i fijo taloha dia heviny fotsiny izany. Raha mila ny hevitry ny Fiangonana momba ny famadihana i fijo dia hafa indray izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0874