i kanto wa tsssssss

41. Fody ( 26/04/2008 15:06)
rabilabila:
Tsy azoko hoe inona no anton'ilay fanontaniana ?

Angaha i rabilabila pretra sa efa pretra? Fanontaniana tsotra be izany e! Eny na tsia ny valiny. Ary raha ny anton'ilay fanontaniana dia tsy avy aiza fa avy amin'ny zavatra nolazainao no nahatonga azy.
rabilabila:
Any foana rehefa tonga ny fotoanan' ny famadihana , nanao "terrain " tany amin'ny alan'ny Mikea .Mifanerasera matetika amin'ireo mpitondra fivavahana isan-tsokajiny , ary miara-miasa aminy amin'ny fomba fanatsarana ny fahasalaman'ireo Malagasy ireo .Eny ! Mankany matetika aho na dia tsy any aza no mipetraka ( hatramin'izao aloha ,ary tsy ho ela dia any tanteraka ).
Ary ny tsy maha-any ahy ve no tsy ahafahako mandalina sociologiquement ,ohatra , ny zavatra mitranga ?

1 - Dia mahalala pretra firy hono rabilabila, no sahy milaza fa: Ny piretra any ambanivolo matetika manaiky satria fantany fa mitsoaka ny ondry raha vao mandà eo izy dia tsy maotsy mi-compose.
Ny piretra an-drenivohitra matetika manao io refléxion lazain'i Fijo io ;na koa manaiky tsy sazoka satria lohandohan'ny mpisorona ilay mpamadika , ohatra .
.

2 - Ny filazanao fa "matetika" dia milaza fa ny ankamaroan'ny Pretra dia toy io fomba fijerinao io no ataony. Dia mbola averiko indray hoe: mahalala pretra firy rabiabila, ary efa niresaka tamin'ny pretra firy?

3 - Inona kay no atao hoe: "mandalina sociologiquement ?" Raha ny fahalalako azy, ny fandalinana sociologique dia miainga avy amin'ny fanadihadihana. Ka nisy ve izany sa tsia, no sahinao milaza fa: Ny piretra any ambanivolo matetika manaiky satria fantany fa mitsoaka ny ondry raha vao mandà eo izy dia tsy maotsy mi-compose.
Ny piretra an-drenivohitra matetika manao io refléxion lazain'i Fijo io ;na koa manaiky tsy sazoka satria lohandohan'ny mpisorona ilay mpamadika , ohatra .
. Raha pretra roa sy telo no nanontanianao mba fandaliana socioligique ve izany?
rabilabila:
Misy milaza angaha io fehezan-teny io hoe " mahalàla ny ao an-tsainy ?"

aho: de iza no nilaza an'ity?:
Ny piretra any ambanivolo matetika manaiky satria fantany fa mitsoaka ny ondry raha vao mandà eo izy dia tsy maotsy mi-compose.

aho: dia zovy no nilaza an'ity?:
Ny piretra an-drenivohitra matetika manao io refléxion lazain'i Fijo io ;na koa manaiky tsy sazoka satria lohandohan'ny mpisorona ilay mpamadika , ohatra .

rabilabila:
Ary izaho ry Fody tsy nanao genéralisation mihitsy na kely aza a!, hoy aho hoe : " na ilay pretra " dikany " soit le prêtre ".

Ary ny filazanao dia tsy misy mihitsy milaza fa araka ny fomba fijerinao io. Izay niresaka tamin'ny pretra roa, na telo, na folo... angamba. Nefa misy firy moa ny pretra any Madagascar?
rabilabila:
Na i Hery aza nilaza hoe pretra 1 na 2 na 3 na Papa aza miteny amin'ny anarany ......Ary mbola nampiasa ny teny hoe " matetika " aho izay tsy milaza hoe "foana " akory ; d'autant plus fa izaho nilaza fa tolérants ny Kato .Aza dia omena ny intention tsy nananako loatra aho fa manjary mandreraka be !!

Ny filazana hoe: "matetika" dia midika, fa ny ankamaroany. fa mba mahalala pretra firy moa ianao ? Ary efa niara-niasa tamin'ny pretra firy ? No sahy milaza fa "matetika"... Mba valio!
rabilabila:
Sa i Fody mahalàla ny ato an-tsaiko ?

Raha mahatsapa ianao fa tsy afaka hahalala izay ao an-tsainao aho, dia tokony tsy hilaza izay ao an-tsain'ny hafa koa ianao.
rabilabila:
Ny tsy finoako ve no tsy hananako "objectivité " ? Ny tsy finoako ve no tsy mampitombona ny zavatra lazaiko ?

Mba objectif ve àry ny zavatra nolazainao?

Ary raha mba nandalina kely ny mikasika ny atao hoe: sociologie ianao, na ny sahala amin'izany dia hahalala fa mba hahalalana mikasika ny fiainan'ny olona ao amin'ny fiaraha-monina iray dia tsy maintsy miara-miaina amin'izy ireo, miaraka amin'izy ireo, ary manaiky ho toa an'izy ireo, mba hanana objectivité bebe kokoa. Ary efa maro ireo sociologues no nanana an'izany experience izany.
rabilabila:
Ataoko fa fantatr'i Fody fa misy ireo mpikaroka marobe ,na ireo exegèses tsy mpino ,satria ve izy tsy mpino dia tsy mitombona izay lazainy ?

Efa namaky aho ary efa nahita. Ary efa nisy tamin'ny hevitr'izy ireny efa nolazainao sy tsimiandravola teto. Saingy na izaho tsy mbola nandalina manokana momba ny Baiboly aza dia efa mahita sy mahatsapa ny raisonnement vilana amin'ny zavatra voalazany.
rabilabila:
Bitika dia bitika ,fa ny maha-bitika ahy akory tsy milaza ny tsy fananako saina mandanjalanja
.
Nefa aza adino fa ny fandanjalanjanao dia miainga avy amin'izay fantatrao ihany. Donc izay vokatry ny fandanjalanjanao dia araky ny hevitrao, tsy mpino ary mihevitra fa "bizina" daholo ny anton'ny zavatra rehetra.
rabilabila:
Diso hevitra ianao amin'ilay resaka "bizina " ; tsy afaka mandà ianao fa misy izany ary na aiza na aiza fa tsy Madagasikara fotsiny . Mino ve ianao fa tsy "bizina " no antony mbola hanenjehana ireo "théologiens de la libération " any Amerika atsimo ?

Tsy haiko aloha na izaho tsy maharaka na ianao no tsy mahalala. Ataoko efa betsaka ny taratasy nosoratan'i Pape Joany Paoly II miresaka an'io Théologie de la libération io. Nisy koa ny nosoratan'i Benoit XVI. Ary tsy resaka "bizina" velively araka ny heveranao azy, no mahatonga ny sakasakana.
rabilabila:
Manaiky aho fa misy ,ary soa ihany , fa misy ireo pretra tsy mi-bizina (ary lasa seculier aza ny farany ),ary izay no nahatonga ahy nilaza hoe " ilay "= "le"
:?: :?: :?:
rabilabila:
Tsia ! Eo koa ny mbola tsy voazava sy tsy takatra ? Dia izay ve no tsy mampitombona azy ? Satria ve aho tsy manaiky hoe asiana " Etre" ao amin'ilay lacunes ?

Aza adino fa ho anao: tsy mitombina ny fahamarinan'ny zavatra iray raha toa ka averina nefa tsy manome vokatra mitovy.
Sarotra aminao ohatra ny manaiky fa i Jesoa dia niforona tao an-kibon'ny Virjiny. Izany hoe, hary tsy nisy firaisan'ny lahy sy ny vavy. Hatreo ihany!

rabilabila:
Dia io ve no mampitombona ny anareo ?
Raha amiko ve ny lehibe mihoatra ny olombelona ,ny tontolo iankinan'ny fiainany ary miankina amin'ny fiainany dia ahoana ? Tsy mitombona koa ve ?

Raha milaza izay mikasika an'io heverinao ho lehibe indrindra io. Dia mitombina izay voalazanao. Fa ho anay dia mbola misy ny lehibe noho io. Ary izay aminay no iankinan'ny zavatra rehetra.
De jereo fa samihafa ny fototra zao, donc tsy hitombina mhitsy izay filazanao raha tafiditra sy mahakasika io voalazako io.
rabilabila:
Tena miala tsiny aho fa misy procès d'intention be ity resakao indray mitoraka ity
Tsy misy tsiny fa misaotra anao!
42. rabilabila ( 27/04/2008 21:09)
Ary raha mba nandalina kely ny mikasika ny atao hoe: sociologie ianao, na ny sahala amin\'izany dia hahalala fa mba hahalalana mikasika ny fiainan\'ny olona ao amin\'ny fiaraha-monina iray dia tsy maintsy miara-miaina amin\'izy ireo, miaraka amin\'izy ireo, ary manaiky ho toa an\'izy ireo, mba hanana objectivité bebe kokoa.


Ity fotsiny no manitikitika ahy fa ny hafa tsy misy interêt ho ahy ny mamaly azy satria n\'inon\'inona holazaiko eo dia tsy ahazo ny rariny aho nohon\'ny absolutisme efa mahazatra .Tsy maninona na ambaranao hoe tsy mana-kolazaina aho , na koa mitady zavatra hafa hanodinana resaka .

Fa izao:
Efa voan\'ny lagaly ianao satria nira-nihosona tamin\'ireo olona ampianao tao anaty trano falafa misy olona roa ambin\'ny folo ?

Efa voan\'ny \"angatra \" ianao satria ny telo ampahefan\'ny tanàna ,na vavy na lahy ,na antitra na tanora dia marary daholo ? Sahy nanantona ireo olona ireo ianao ? hiara-matory ao an\'efiny ? eo am-pandrianany ? miara-mirakotra aminy ? au risque hoe tratran\'ny aretina koa ?

Efa voan\'ny raboka ianao satria voatery mihinana sy misotro amin\'ny lovia sy kôpy iombonana ary zara raha voasasa nohon\'ny tsy fisian\'ny rano ?

Efa tsy nisasa nandritry ny andro maromaro satria raha manao izany ianao dia toa tsy miraharaha ny fahorian\'ny olona amin\'ny tsy fisian\'ny rano ?

Efa nahandro sakafo ho an\'ny lehilahy iray tanàna ianao satria vehivavy ? Io aloha siora fa tsy nahazo anao satria ianao anisan\'ny olona handrahoana sakafo.

Efa nihinana katsaka maraina atoandro hariva mandritry ny dimy volana ianao satria reha miakatra Toliary ianao dia toa finiavana hanao tsinontsinona ny tsy fananan\'ny olona ? Ary raha mba te-hihinana hena ianao dia mandeha mihaza trandraka , raha te- hihinana mamy dia mandeha mihaza tantely ?

Santionany fotsiny ireo ary tsoriko aminao fa saika tsy nahazo zanaka aho noho ireo aretina maro nifanindry .

Ka raha mbola tsy nahazo anao izany dia :aza mamaky ny any anatin\'ny lohako ka hihevitra ahy tsy hanana notion-na sociologie , sy ny tsy fahampian\'ny objectivité-ko.

Ary inona no nataon\'ireo pretra tafaraka taminay tao ? Na koa ireo Norvegiana teo an-toerana ? Eny fa na ny zanak\'anadahiko izay tonga handalina ny fianarany ? Aleoko ianao no haminavina azy ....................

Izay ihany .
Tapitra.


43. pissoa ( 27/04/2008 21:23)
Nareo mitsam (Fody sy Rabilabila) koa angaha mifampatara otranay sy Fijo ? :-P :-D :-D :-D :-D :-D
44. rabilabila ( 27/04/2008 21:27)
Pissoa 'ty koa tssss!!! :-D :-D :-D ; efa samy nanokana ny fiainany ka!!
45. ikaretsaka ( 27/04/2008 23:13)
ireo "fa izao an-drabila ireo"
mety ho voa mety tsy ho voa!, mety ho possible mety tsy ho possible..
[size=9px]teo koa aho manko no niala :wink:[/size]
46. Fody ( 28/04/2008 09:07)
rabilabila:
Ity fotsiny no manitikitika ahy fa ny hafa tsy misy interêt ho ahy ny mamaly azy satria n'inon'inona holazaiko eo dia tsy ahazo ny rariny aho nohon'ny absolutisme efa mahazatra .Tsy maninona na ambaranao hoe tsy mana-kolazaina aho , na koa mitady zavatra hafa hanodinana resaka .

Misaotra anao tsy namaly. Satria fantatrao fa TSY MITOMBINA ILAY VOALAZANAO.

Ary ny fanontaniana tena miverimberina ao, izay tena nankarary ny masonao, sy mifantoka amin'ny lohahevitra dia ny hoe: Fa mba nanontany pretra firy, na koa hoe mba nahalala pretra firy rabilabila no sahy nilaza an'io zavatra nolazainy io? Io valiana raha mbola sahy milaza ianao fa mba objectif ihany ny zavatra lazainao.



Ary raha resaka fiarahana tamin'ny vahoaka madinika sy mahantra dia samy manana ny azy isika fa tsy izany akory no hifampiderana eto.
Raha mpitsabo ianao, izaho efa nampianatra tany ambanivolo. Nitana kilasy dimy indray mandeha (T1, T3, T4 miaraka amin'ny tapak'andro iray; ary ny T2 sy T5 miaraka amin'ny tapak'andro iray) ary nampianatra 9h isan'andro, nefa tsy nandray karamana afatsy vary iray vata sy vola 10.000 Ar isan-taona. Nahita sy niaina ny fampijalian'ny dahalo sy ny zandary ny olona. Nihinana ravim-bizo isan'andro, ary matetika nilaoka sira fotsiny. Ny tazo mamely sns.... Hatreo ihany fa mbola betsaka ny zavatra hitako sy niainako, raha izay no mba tianao ho fantatra.
rabilabila:
Ka raha mbola tsy nahazo anao izany dia :aza mamaky ny any anatin'ny lohako ka hihevitra ahy tsy hanana notion-na sociologie , sy ny tsy fahampian'ny objectivité-ko.

- Ny zavatra nolazainao dia manafy fa tsy objectif intsony ny zavatra ambaranao satria zavatra iray no hany fatatrao dia tarafinao amin'iny aby ny zavatra rehetra.
- Tsy izaho no mamaky izay any an-dohanao, fa ianao no milaza izay any am-pon'ny hafa sy izay any an-tsainy.


Manaraka an'izay, inona no hifandraisan'ireo zavatra nambaranao ireo tamin'ny resaka famadihana, nefa ny any Toliary raha fahalalako azy toa tsy mamadika akory?
rabilabila:
Ary inona no nataon'ireo pretra tafaraka taminay tao ? Na koa ireo Norvegiana teo an-toerana ?

Taiza io ?



Misaotra!



47. rabilabila ( 28/04/2008 20:48)

Misaotra anao tsy namaly. Satria fantatrao fa TSY MITOMBINA ILAY VOALAZANAO.


Aza mamaky ny ao an-tsaiko ho 'aho !!!!!
48. ikaretsaka ( 28/04/2008 22:46)
somary mahagaga sy tsy takatray tokoa.. fa inona no antony tsy amaliana le izy raha tsary mahadiso ny manontany?
49. pissoa ( 30/04/2008 21:02)
:-D :-D :-D
50. fijo ( 30/04/2008 21:17)
ô ra fody an,tamin'ny voalohany dia tsy nanaiky ny fampiasana io fomba io ny kanto.fa taty aoriana dia nekeny ihany satria fantany fa raha tena manizingizina amin'ny hialnana io fomba io izy mety ho very mpino.

ekeko fa tsy ny pretra kanto no tonga voalohany tao mada,fa samy tsy nankasitraka io fomba io ry zareo tamin'izany.

ary jereo eo amnany eo,fa nomarihiko ,ny fahagagako,satria teny ambohimanga izahay namadika koa,dia nisy pretra niaraka taminay tao.efa nazavain'i hery io,ary azoko tsara,fa ny olana dia tsy hay intsony hoe rehefa inona le pretra no miteny amin'ny anarany ary rehefa inona no miteny amin'ny anaran'ny finoanay???eo no olana.
51. pissoa ( 30/04/2008 21:38)
Ny vahaolana izany dia ianaro ny mikasika ny Katolika - dia ho fantatrao hoe izao no ampianariny ! dia rehefa ahoana no atao hoe fampianaran'ny fiangonana, na foto-pinoana, na sns ny zavatra iray fa tsy tenin'olona niresaka taminao fotsiny. :-D :-D :-D
52. fijo ( 30/04/2008 21:40)
anjaran'izy pretra ngamba izany fa tsy anjarako.
53. pissoa ( 30/04/2008 21:57)
Ianao no tsy mahalala ka ho anjaran'ny pretra no hianatra ? :roll:
54. ikaretsaka ( 30/04/2008 22:32)
f'hita ho aho
55. pissoa ( 01/05/2008 22:02)
:-D :-D :-D :-D :-D
56. fijo ( 01/05/2008 22:23)
izy pretra no tokony hiana hoe eto aho pretra eto aho randria na rabe.
57. pissoa ( 02/05/2008 14:54)
Ny mahapretra azy dia tsy misaraka amin'ny maha randria na rabe azy ka. Fiainana io fa tsy asa hoe mpahay lalana fotsiny akory. Fa rehefa i Fijo no tsy mahay dia i Fijo no tokony mianatra ! :-D :-D :-D :-D :-D
58. fijo ( 02/05/2008 20:48)
za ngaha hanao pretra no mila mianatra izay fotoana hoe eto aho tokony hangina?
59. pissoa ( 03/05/2008 14:08)
Tsia - tsy hoe hanao pretra ianao no nilazako hoe ianaro fa misy zavatra tsy hainao fotsiny ! Toa mazava be hoa hoe rehefa ianao no tsy mahay dia ianao no mianatra fa tsy ny pretra (mila hazavaina ve izany ?)
:-D :-D :-D
60. fijo ( 06/05/2008 20:50)
ilay pretra no tsy mahalala ny fotoan atokony hanginanay ngamba ,ka izy no mil amianatra izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082