i kanto wa tsssssss

21. rabilabila ( 24/04/2008 21:59)
Tsy resaka lojika ilay izy Ika a!! Resaka appréciation ,sy resaka "marketing" koa aza indraindray .
Momba an'io Padre Pio io izao dia tsy nanaiky loatra ny "miracles" notanterina ny Vatican ,kanefa tratran'ny pression-n'ny vahoaka dia natao ihany ilay béatification tamin'ny 2002 . Eto indray izany dia ny vindict populaire no naha-masina an'Ingahy .
22. rabilabila ( 24/04/2008 22:10)
hery:

fijo> Hatramin'izao ve dia mbola tsy tena azon'i fijo ihany ny atao hoe Fiangonana katolika.

Raha misy pretra 1 na 2 na frera 1 na 2 na Papa aza, miteny @ anaran'ny tenany, dia tsy midika mihitsy hoe milaza ny fampianaran'ny Fiangonana izy izay.

Koa raha vao tenina mompera 1 na frera naman'i fijo taloha dia heviny fotsiny izany. Raha mila ny hevitry ny Fiangonana momba ny famadihana i fijo dia hafa indray izay.


Fa i Finijo dia en droit tanteraka hanao refléxion momba ny zavatra niseho ara-tantara teo amin'ny Malagasy tamin'ny andron'ny fanjanahana ( na tany na saina ) sy ny zavatra mitranga ankotrio .Satria tamin'izany tsy ilay fampianaran'ny Fiangonana no natao fa mbola misavika olona ampianarina aloha .
Raha mbola Malagasy mankatoa ny fombafombany ( mankatoa hoy aho fa tsy mino ),sy mijery todika ny tantarany dia mametraka io fanontaniana io daholo.Ary zony tanteraka izany!!


23. ikaretsaka ( 24/04/2008 22:17)
rabilabila:

Tsy resaka lojika ilay izy Ika a!! Resaka appréciation ,sy resaka "marketing" koa aza indraindray .
Momba an'io Padre Pio io izao dia tsy nanaiky loatra ny "miracles" notanterina ny Vatican ,kanefa tratran'ny pression-n'ny vahoaka dia natao ihany ilay béatification tamin'ny 2002 . Eto indray izany dia ny vindict populaire no naha-masina an'Ingahy .


tsy hoe tsy nanaiky i vatican... fa mieritreritra foana sy manadihady ny zavatra mitranga foana aloha hahazoany ny certainity an'ilay cas
io le tourner la langue 7 fois e...
processing be io resaka io fa ary sampana gravy be ao vatican no miandraikitra azyfa tsy kilalao...
afaka mi se documenter momba izany rabila
24. rabilabila ( 24/04/2008 22:29)
Efa fantatro ka !! Du moins efa nohadiadiako manokana .Fantatro ilay processus ,ary fantatro fa misy mpitsabo ( izay tsy nahita valiny ), misy mpikaroka isan-karazany ( izay tsy nahita valiny koa ) sns....
Ary tsy ohatran'ny académie siatifikan'ny Vatican ( izay misy mpino ,AT,agnostique ,simple sceptique ) akory no amin'ilay sampana .

fa mieritreritra foana sy manadihady ny zavatra mitranga foana aloha hahazoany

Ka io ange ilay lazaiko hoe "appréciation " e!!

hahazoany ny certainity an'ilay cas


Izay foana no mahatonga ahy miteny hoe rehefa tsy hita ve ny valiny dia atao hoe " miracle " ?
Donko appréciation ilay izy fa tsy misy valeur siantifika akory .
25. ikaretsaka ( 24/04/2008 22:51)
rehefa tsy hita par TOUS le moyens humanly possible ny valiny dia inona ary no hiantsoana azy hoy i rabila?
26. malalatinasoa ( 25/04/2008 06:04)
ikaretsaka:

rehefa tsy hita par TOUS le moyens humanly possible ny valiny dia inona ary no hiantsoana azy hoy i rabila?



Tranga-javatra, kisendrasendra.
27. ari.malala ( 25/04/2008 08:29)
tam 1998 namadika ny tao am fianakavian'i dadanay, niantso pretra izahay, ary nande tany soa amantsara ilay pretra nanao lamesa sy nitsodrano ny fasana, mbola nanao famadihana iany indray tam 2006, mbola niantso pretra iany indray fa nande ny pretra. T@ taona tsy tadidiko fa nanao famadihana an'i Victoire Rasoamanarivo teo Andohalo teo, ka aiza hoaiza ry fijo no ilazanao fa voararan'ny fiangonana katolika ny famadihana? ny sectes no tena mpivohy an'izany hoe milalao faty eh, manompo sampy eh sns sns izaho manokana tsy tia satria mamoha alahelo efa tokony nivalona amiko ny famongarana indray ny taolam-balon'ny havana efa lasana (HS iny fa azafady)
28. kiadi ( 25/04/2008 11:37)
fijo sy pissoa ve tena miady hvitra sa mpifakatia miady lava sa vazah mody miady sa in?????????
tô isaky ny manao dinika ny ray de ny ray fona no mamaly azy matetika ao! :^) :^) :^) :^) :^) :^) :^) :^)
29. pissoa ( 25/04/2008 14:43)
Kiadi : tara be amin'i Fijo za =)) =)) =)) =)) =))
30. ikaretsaka ( 25/04/2008 15:06)
malalatinasoa:



Tranga-javatra, kisendrasendra.



ataovy serieux..
raha miseho in 10 000 ve ohatra ilay cas dia misy relation mbola hoe "kisendrasendra" ihany no iantsoana azy?
31. kiadi ( 25/04/2008 16:02)
pissoa:

Kiadi : tara be amin'i Fijo za =)) =)) =)) =)) =))

zay tokoa anga ka tsy mifaka zah!

:-D :-D :-D :-D :-D
32. fijo ( 25/04/2008 19:48)
misaotra letsy kiady fa izay vao itako hoe kay za ity misy mpitia ihany an.

hery.ny olana anie dia tsy hay intsony hoe amin'ny fotoana inona le pretra no miteny amin'ny anarany e???

teny ambohimabnga ,izahay namadika(cote dada)fa nisy pretra tonga koa teo ary dia nifaly niaraka tamin'ny be lery,ka izay no tsy arako intsony.sady le tao iavoloha io,tena tsapa hoe manambany be le fitenin'i lery azy.

ika ,marina io voalazan'i rabila hoe noteren'ny vahoaka io ny vatican,momba le ao italie.

za koa tara be amin'i pissoa ka.
33. ikaretsaka ( 25/04/2008 20:47)
fijo> tsy noterena mihitsy ny momban'i parde pio ka, fa nisy fotoana bedebe ilay claim ana fahagagana azo t@ alalany, dia ireny no reporter-na any vatican .. fa hitan'ialahy moa ny mpanao gazety fa io no bizna-ny
fa nanaraka ny proces de canonization tsara sy ny investigation tsara mihitsy ny an'i padre pio
34. fijo ( 25/04/2008 20:53)
asa aloha,fa za moa tsy nahita izay tena ao,fa raha tsy izay no marin atokony nanda ny vatican.
fa io toa ilay lamba ao milano.efa mihaiky ny vatican,fa tsy tena ilay lamba nifonosan'i lery io,saingy noho ny fahitany fa efa niraikimpinoana tamin'ilay lamba ny pokona ,dia nevala ao ihany ilay izy
35. rabilabila ( 25/04/2008 22:49)
rehefa tsy hita par TOUS le moyens humanly possible ny valiny dia inona ary no hiantsoana azy hoy i rabila?


Ika a!! mbola betsaka ny zavatra tsy voazava , ny moyens humains tsy mbola ampy fa tsy hoe \"tsy possible \", ary mbola misy aza ny mety tsy hovoazava mihitsy .

Asa raha efa henon\'i Ika ireo chercheurs siantifika nanandrakandrana nanao \"soupe \" dia nisy molécules complexes nivoaka tao . Afaka nitsambikina tamin\'izay daholo ny sceptiques rehetra fa tsy nanao izany izy satria tsy vita ny nanao reproduction an\'ilay expérience , donko tsy misy valeur-na porofo akory ilay izy ( Andraso fa tadiaviko ny anaran\'ireo mpikaroka sy ny labo-ny dia omeko ).

Milaza 10 000 cas i Ika fa omeko cas telo fotsiny.

Voan\'ny sery i Ika ,Fijo ,Rabilabila : relation=sery
ny an\'i Ika vitan\'anamalaho
ny ahy namonoana vatotr\'akoho
ny an\'i Fijo afaka ho azy .
Ka fahagagana ary ve no nahasitrana an\'i Fijo ?
( mipetraka au niveau-n\'ny commun des mortels isika eto fa tsy ao anaty sampana investigation akory ).
Sa i Ika hanao hoe : misaotra ny anamalaho aho.
Dia Rabilabila hoe: misaotra ny vatotr\'akoho.
Dia i Fijo hoe : misaotra an\'andriamanitra .

Izaho aloha , na tamin\'ny andro nifaneraserako ( ara-\"pinoana\")tamin\'ireo pretra sy pasitera aza dia tsy nety nanaiky ny valintenin\'i Fijo mihitsy fa niezaka nitady fanazavàna e!!Ary bedin\'ny Dadanay aza ny farany fa tsy mety afapo , hono ,dia hoy i Dadabe Pasitera hoe :\" avelao izy hanontany , aza raràna izy fa an\'ny toa azy ny fanjakan\'ny fahalalàna \"(littéralement fa tsy vazivazy ).




36. Fody ( 25/04/2008 23:32)
fijo: Izao ilay mahatonga ahy hilaza foana hoe: Fantaro aloha izay lazaina vao milaza, fa aza maika ny hanenjika.
fijo:
vao niditra tany mada i kanto,dia nenjehiny mafy ny fomba gasy momba ny famadihan afa ,fomba tsy mendrika,sy milalao faty.fombany tsy mpino sns.ary dia maro mihintsy aza ny mpino kanto no tsy mety mamadika fa tsy kristianina hono.

1- Tsy ny misionera katolika no tonga voalohany tany Madagasikara aloha. Ary marina ny filazan'i pissoa hoe: tsy ny famadihana mihitsy no norarany fa ny fanompoan-tsampy.

2 - Ny mpino katolika malagasy dia mamadika tokoa, ary tsy misy mandrara an'izany ao amin'ny Fiangonana Katolika. Ry bebenay (teraka tamin'ny 1901) sy ry Dadabenay (teraka vers 1890) dia efa katolika hatramin'izay naha olona azy, ary ireo dia mamadika isaky ny 4 taona farafahakely.

3 - Tsy voalohany izao ny Fiangonana katolika any Mada no namadika fa efa imbetsaka. Ary efa maro be tsy tambo isaina ny boky voasoratra mikasika ny Famadihan-drazana sy ny Finoana kristiana. Hita ao anatin'izany ny resaka inculturation.
Mbola maro koa ireo mpikaroka malagasy manao fanadihadina manokana mikasika an'io fomba io. Raha mahaliana anao afaka mividy boky ianao ao amin'ny librery Saint Paul.

4 - Misy ancyclique nosoratan'ny Pape Benoit XV koa tamin'ny 30 Nov 1919, azonao vakina fa manamafy izay voalaza izay hoe: ny Fiangonana Katolika dia manaja ny fomban'ny olona. http://www.vatican.va/holy_father/benedict_xv/apost_letters/index_fr.htm


Misaotra!
37. Fody ( 25/04/2008 23:50)
rabilabila:
Marina ny lazain'i Pissoa fa tolérant kokoa ny Kato raha resaka famadihana ; fa indraindray à la tête du client ihany ilay izy ( na ilay piretra , na ny importance au niveau social an'ilay fianakaviana hamadika ).
My piretra any ambanivolo matetika manaiky satria fantany fa mitsoaka ny ondry raha vao mandà eo izy dia tsy maotsy mi-compose.
Ny piretra an-drenivohitra matetika manao io refléxion lazain'i Fijo io ;na koa manaiky tsy sazoka satria lohandohan'ny mpisorona ilay mpamadika , ohatra .

Fanontaniana:
1 - Angaha rabilabila Pretra, sa efa Pretra ?

2 - Angaha rabila any Madagascar ka mahita sy mahalala ny ataon'ny Pretra any Madagascar ? Ary tsy vitan'izay fa mahalala ny ao an-tsainy koa.



Fanamarihana:
Ianao rabila olona tsy mpino no miresaka dia araka ny fahitanao azy no ilazanao ny zavatra mikasika ny fiainan'ny mpino, donk tsy mitombina ny filazanao.

Tsy mitombina satria ho anao dia resaka "bizina" daholo ny zavatra rehetra. Ho anay mpino anefa dia tsy izany velively.

Tsy mitombina satria ho anao dia izay fantatra sy takatry ny sain'olombelona ihany no izy, ho anay anefa mbola misy ny lehibe noho ny olombelona. Ary misy ny fahalalana sy ny fahamarinana tsy avy amin'ny herin-tsain'olombelona ary sarotra amin'ny olombelona no manaiky azy.

hatreo aloha!

Misaotra.

38. rabilabila ( 26/04/2008 00:57)
1 - Angaha rabilabila Pretra, sa efa Pretra ?


Tsy azoko hoe inona no anton\'ilay fanontaniana ?

Angaha rabila any Madagascar ka mahita sy mahalala ny ataon\'ny Pretra any Madagascar ? Ary tsy vitan\'izay fa mahalala ny ao an-tsainy koa.


Any foana rehefa tonga ny fotoanan\' ny famadihana , nanao \"terrain \" tany amin\'ny alan\'ny Mikea .Mifanerasera matetika amin\'ireo mpitondra fivavahana isan-tsokajiny , ary miara-miasa aminy amin\'ny fomba fanatsarana ny fahasalaman\'ireo Malagasy ireo .Eny ! Mankany matetika aho na dia tsy any aza no mipetraka ( hatramin\'izao aloha ,ary tsy ho ela dia any tanteraka ).
Ary ny tsy maha-any ahy ve no tsy ahafahako mandalina sociologiquement ,ohatra , ny zavatra mitranga ?
Misy milaza angaha io fehezan-teny io hoe \" mahalàla ny ao an-tsainy ?\"
Ary izaho ry Fody tsy nanao genéralisation mihitsy na kely aza a!, hoy aho hoe : \" na ilay pretra \" dikany \" soit le prêtre \". Na i Hery aza nilaza hoe pretra 1 na 2 na 3 na Papa aza miteny amin\'ny anarany ......Ary mbola nampiasa ny teny hoe \" matetika \" aho izay tsy milaza hoe \"foana \" akory ; d\'autant plus fa izaho nilaza fa tolérants ny Kato .Aza dia omena ny intention tsy nananako loatra aho fa manjary mandreraka be !!Sa i Fody mahalàla ny ato an-tsaiko ?

Ianao rabila olona tsy mpino no miresaka dia araka ny fahitanao azy no ilazanao ny zavatra mikasika ny fiainan\'ny mpino, donk tsy mitombina ny filazanao.


Ny tsy finoako ve no tsy hananako \"objectivité \" ? Ny tsy finoako ve no tsy mampitombona ny zavatra lazaiko ?
Ataoko fa fantatr\'i Fody fa misy ireo mpikaroka marobe ,na ireo exegèses tsy mpino ,satria ve izy tsy mpino dia tsy mitombona izay lazainy ?
Sanatria akory aho tsy mametraka ny tenako hitovy amin\'izireo ,z\'inona moa izay izaho ? Bitika dia bitika ,fa ny maha-bitika ahy akory tsy milaza ny tsy fananako saina mandanjalanja .

Raha izay mantsy dia tokony \"attaque systématique\" no azoko eto , kanefa ankoatran\'ny olona vitsivitsy izay tsy tia ahy ary mampiseho izany ,dia misy ihany ny mba mangataka ny hevitro na ny fomba fijeriko .

Tsy mitombina satria ho anao dia resaka \"bizina\" daholo ny zavatra rehetra


Diso hevitra ianao amin\'ilay resaka \"bizina \" ; tsy afaka mandà ianao fa misy izany ary na aiza na aiza fa tsy Madagasikara fotsiny . Mino ve ianao fa tsy \"bizina \" no antony mbola hanenjehana ireo \"théologiens de la libération \" any Amerika atsimo ?
Manaiky aho fa misy ,ary soa ihany , fa misy ireo pretra tsy mi-bizina (ary lasa seculier aza ny farany ),ary izay no nahatonga ahy nilaza hoe \" ilay \"= \"le\"

Tsy mitombina satria ho anao dia izay fantatra sy takatry ny sain\'olombelona ihany no izy,


Tsia ! Eo koa ny mbola tsy voazava sy tsy takatra ? Dia izay ve no tsy mampitombona azy ? Satria ve aho tsy manaiky hoe asiana \" Etre\" ao amin\'ilay lacunes ?

ho anay anefa mbola misy ny lehibe noho ny olombelona. Ary misy ny fahalalana sy ny fahamarinana tsy avy amin\'ny herin-tsain\'olombelona ary sarotra amin\'ny olombelona no manaiky azy.


Dia io ve no mampitombona ny anareo ?
Raha amiko ve ny lehibe mihoatra ny olombelona ,ny tontolo iankinan\'ny fiainany ary miankina amin\'ny fiainany dia ahoana ? Tsy mitombona koa ve ?

Tena miala tsiny aho fa misy procès d\'intention be ity resakao indray mitoraka ity .
39. dadabe ( 26/04/2008 03:35)
zah kalou tsy pour famadihana e
40. pissoa ( 26/04/2008 13:52)
:-D :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083