tsy mety mody ny Malagasy any an-dafy fa menatra noho ny fia

1. badboy ( 04/04/2008 06:23)
Menatra ny hody ve ny Malagasy any an-dafy ?
Lasa resaka indray tato ho ato ny hoe tsy mety mitodi-doha an-tanindrazana ny Malagasy any an-dafy fa menatra noho ny fiainany any :
tsy manana anton’asa, tsy manan-trano fa mikilandy any aman’olona, tsy mahavita fianarana fa ilaozana mikirimba etsy sy eroa fotsiny.


Tsy mety miseho amin’ny mpiray tanindrazana aminy fa sao dia hoe hitarazoka any aminy rehefa sendra mandalo any an-dafy, tsy sahy mifanena amin’ny mpiray tanindrazana aminy satria hono menatra amin’ny fitafiana tsizarizary anaovany nefa mba hoe any an-dafy.
Aleo angaha atao hoe mahatsikaiky ny fiheverana toy izany. Tena mahalala marina ny fomba fiainan’ ny tsirairay any an-dafy va re ny olona mitompo teny fatratra amin’izany ê ? Tena nandinika tsara ny zava-hitany va re izay milaza fa izany no tena marina ?
Tiana angamba aloha ny hanazavana ny sain’ny mpamaky fa isika Malagasy rehefa miteny hoe any an-dafy dia mazàna i Lafrantsa no tonga ao antsain’ny tsirairay voalohany. Izany no miseho dia satria nolovantsika tamin’ny fananjanahan-tany ny hoe : Lafrantsa dia any an-dafy, hoany an-dafy dia i Lafrantsa izay, hoany am-pita dia i Lafrantsa izany, hoany amin’ny Tsotsoka.
Fa amin’izao fotoana raha miteny hoe hoany Zamerika dia hoany amin’i Bekintana, raha ho any Allemagne dia hoe ho any amin’i Rainiboto, raha ho any Angeletera dia hoe ho any amin’i Ranglisy, raha ho any Chine dia ho any amin-dry Kelimaso…sy ny sisa sy ny sisa hafa.
Tsy misy afaka ilaza fa tena marina tanteraka ny hoe menatra ny hody. Tsy misy mahalala izay tena any an-tokatranon’ny tsirairay any na dia samy Malagasy any am-pitandranomasina aza. Marina aloha fa ikohizana mihitsy ny Malagasy mifampiolonolona ao an-drenivohitr’i Lafrantsa ao, ny any an-kafà toa tsy dia mbola tonga amin’izany samy maka ho azy izany, raha araky ny resaka haino sy ny hita maso.
Aleo angaha hafohezina ny tafa fa raha ity resaka Gasy any an-dafy ity no dinihana dia na gazety iray manontolo na fandaharana adiny telo ao amin’ny fahita-lavitra aza tsy ho ampy. Noho izany dia izao re no izy, tompoko : tsy menatra ny hody an-tanindrazana ny Malagasy any am-pita fa sarotra ny fiainana ka izay kely azo tsitsina avokoa mba hitsinjovana ny vodiandro ho merika.
Tsy menatra ny hody ny Malagasy any am-pita satria na sahirana toy ny inona aza izy dia misy ny azo ifidianana eo amin’ izay ilaina. Tsy menatra ny hody izy fa mba manararaotra ny fitsaboana izay ikoizan’ny firenen-kafa amin’ ny fikarakarana ireo tsy manan-katao amin’ny lafiny fiarovana sy fitandrovana ny fahasalaman’ny tsirairay (sécurité sociale).

Rakotobe Jean François


Date : 04-04-2008

http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=16322
novalian'i Jeankely ny 27/04/2008 07:29
2. fasaly ( 04/04/2008 06:46)
raha izaho manokana, tsy hoe menattra ny hody any an-tanindrazana aho fa ny fiainana ho vantaniko any angamba no mampatahotra ahy....
efa nandao ny fiainana tany, nanapa-kevitra ny hanao ny fiainana aty ivelany...ka raha mety ny fiainanao aty ivelany maninona no ho sombaina hivezivezena eo ny fiainana???? ny any atanàna tsy hay na ho sur hoe hande na tsia....tsy manao avantioram-piainana aho fa izay maha mety ny fiainako ihany io...
raha miresaka ny hafa indray aho dia aty ivelany mora ahitàna vola kokoa angamba noho ny any antanàana.....dia izay no antony tsy hodiana any fa tsy hoe menatra kosa angamba ô!
3. Gie ( 04/04/2008 07:00)
tsy marina velively kosa io hoe menatra io eh ! asaivo mihaina aty ivelany aloha ny mpanotra ao @ gazety dia ho hitany eo hoe ahoana marina ny fiainana aty ivelany.

4. zoky ( 04/04/2008 07:32)
ts iz rhtr kosa ngamba e, ko ra mbola mitafy sy mihina ve mo any @ zany andafy zany ka ts mbl voaroka, ka ts aleo any iany alo, inn no mahamay2 hody eo
5. vahiny2004 ( 04/04/2008 07:40)
Marina io voalaza io , valin'ny lahatsoratra iray nivoaka t@ gazety andro maromaro no fahitako azy. Nanao safobemantsina fotsiny mantsiny io lahatsoratra teo aloha io hoe "ny gasy any an-dafy dia sahirana" , izany hoe ny gasy rehetra no nahazoako azy aloha fa asa izay nahazoan'ny hafa azy

Dia nihomehy irery aho t@ izay hoe mba nanao fanadihadiana tokoa ve ilay mpanao gazety dia nandeha nijery tany Frantsa sa faly namaky forum t@ site sasantsatsany fotsiny ka nahatonga azy namoaka ilay tsoa-kevitra t@ lahatsorany?
6. nmrkyo ( 04/04/2008 08:08)
mety hisy ihany ngamba ,ny @ firenena rehetra na aiza aleha anie ts maintsy misy ny lafiny tsara sy ny ratsy,fa ts oe,refa any an-dafy de tonga lafatra zay,ts maintsy misy fona aloha ny fiezahana zay vao tafakatra ts kely2,na iza io na aiza,fa ny mpanao gazety mo zay no asany de zara aza misy aseho,amiko ts mampaninona ahy zay lazainy ,fa tiako aza hanazavana kokoa ny olona ts de mahalala firy ny fianana zay oe an-dafy izany
Ny hamintinako kely ny fiainana an-dafy dia marina mora kokoa ny ahitana vola,ary izay fahazarana no mampanahy refa tena hody tanteraka any an-tanindrazana fa "mamy ny mody" samy manaiky zany daolo angamba ny mpiavy rehetra ,ny eo @ lafiny fitadiavana no matetika mapisitaka
7. tafita ( 04/04/2008 08:12)
RIDICULE SA RADICAL hoy ny sasany izany ..
Olona mbola mianatra manao fanadihadiana ve sa tena matihanina ..... ??????
Iza moa no olona tsy hahalala hody any an-tanindrazana izany ... Tsy Malagasy angamba ...... he hehe
8. rajoelina ( 04/04/2008 08:31)
le2
Menatra ny hody ve ny Malagasy any an-dafy ?

Non,

Tamana zahay aty an-dafy satry aty no milay, hahitana zavatra bdb, ny malalanay avy aty, ny tranonay aty, ny taninay aty, ny fianakavianay aty, antimalgache daholo, ny sainay mivelatra tsara, mbola mivelona tsara noho ny vazaha ny gasy aty an-dafy, mahay miteny firenena hafa maromaro, be sôsisôsy sns, mampirevy vahiny, mandende manala azy, mahita lanezy:-p...

De jereo kely ange ny toe-tsainy politika gasy e, oh: FIFA?

Tsy oe menatra izahay ny hody fa aty daholo ny hananay, de rehefa te hande ho any Mscar vakanse ihany leisy e...


;-)
9. ainaheri ( 04/04/2008 11:00)
rajou>>hihi

Zao ary ny izy ee,andé hody ny gasy aty andafy an'in any alou ny tena marina ?? Ny mirakaraka @ diplome aza ao mitari-posy fa tsy misy asa !!!
D tsy menatra v ilay mpanao gazety mamoaka zay hvtr zay ..;mpanao gazety marina ...mba fantany mou we firy isan-jato ny gasy tsy an'asa sy sahirana ao dago?? Politikan-dra8 io tsy tia vazà io ...efa ela zany nodradradradraina fa tsy tafa... ny bizina aza idin'elà kou inn ny andé eo,Omeo asa alou ny ao antoerana d ampandrosoy i Gasikara ,fa sao manasa oul hisakafo nefa ny atokona akoriny tsy misy!!!

Raha mikasika le we mipetraka etsy sy eroa @ oul ndray angamba safidin'ny tsi11 iny ..... matoa mazaka ny oul ipetrahany ataoko tsy itako ny olana, ary le tsy fananan'asa; tsy we akory tadiavina etsy d ita fa mandé miandalana eny io,fa bon courage ho an'zay eo andalam-pitadiavana fa fiainana doli zany ...ouzy le hira zay we Tsy moramora mitady vola....!!

10. ni81 ( 04/04/2008 11:18)
Fa inona moa no mahamaika hody raha toa ka manana zavatra atao ihany aty andafy ? Angamba ny tian'ilay mpanao gazety ho resahina dia ireo olona manana olana ara-taratasy ka efa tsy mahita hevitra intsony hijanonana ve? Raha izaho kosa aza aloha no teo @ toerany dia tsy mody aho fa mijanona aty ihany ary indrindra raha misy olona mbola afaka hipetrahana, mandra-pahatongan'izay ho tonga e! Ny frais mbola ho tadiavina, rehefa tonga any tsy misy antenaina...
11. tess ( 04/04/2008 11:19)
rajou: :wink: :-D :-D :-D manana droit hilaza ny hevitry toi zandry ah! lazao dool hihihihih ié amzao aloha dia vacance ihany.... :-P
12. nerveux ( 04/04/2008 11:50)
badboy > aleoko lesy bainn aty ivelany aloha a!

aty aho afaka manampy ny havako any dago ,
tsy mivaky saina aho aty hoe ahazo karama ve @ faran'ny volana ? efa SURRR !!!
ny fitsaboana mba ahitana fanafody , raha vao very asa iray , ny ampitso d efa afaka mikandra ,
Ny vola azoko ref mikandra betsaka lavitra noho ny an'ny deba beuu ao dago na d ratsy titre aza . Ka aiza ny olana ? Tsy miady titre aho , izay mahavelona no ataoko .
Ahoana no hody aho , ny fihainana any dago efa iarahamahalala , raha vao tsy ao anatin'ny bizina miaraka @ ry lerony d vita matavy .
Mba tongava aty d ahita ny patiny élah e!
Manahy aho fa tsy hody intsony élah io . hahahaha!!!
Rehefa vacances ihany aloha h@ izao , ary asiana fodiana ref misotro ronono . :-D :°)
13. tess ( 04/04/2008 11:59)
nerveux: tsy i badboy anie no niteny anlay izy fa laha-tsoratra nalaza tato ho ato tany ho any hono e!

marina ny anao.....any dago raha tsy miaraka am afera bizina enjana ihany ny fiainana.....
14. nerveux ( 04/04/2008 12:11)
tess > tena marina izany , fa ny bandy any @ tanàna koa anie tsy haiko izany e! Ory hava-manana angamba no azoko ilazana azy , satria ref mba tonga manao vacances any iny ianao ka mba manipy resaka d zero manatody no valiny .
Mbola ao foana ilay hoe MAFANINDRY ;
:evil:
Ny gasy aty ivelany mifanampy kokoa , eny fa na d ol tsy dia fantany aza .
( ny eto aminay aloha d izany e! )
15. ratonga ( 04/04/2008 12:30)
tsy aiko aloa fa raha izaho no eo @ny plasin'ireo tsy manana paps ary raha tena hita fa ho sarotra (aman-taonany) vo mety ahazo raha ahazo ary dé tena aleoko mody, misy ankizy fantatro no mahatonga ahy hiteny an'io, mitaintaina lava zao vo mivoka kely so tratran'ny prà, fa réfa stable kosa vé ny situation tsy hitako zé odina any, anisan'ny antony nandéhanana aty ko ngé ny hitadiavana fari-piainana tsaratsara koko nohon'ny niainana tany ka ra sanatria ka tsy tojo amin'izany na tsara nohon'ny eto ny any dago dé aleo mody :°)
16. abcdefg ( 04/04/2008 13:08)
adala amiko io mpanao gazety io,mpanao gazety marina hoy ny namana ery ambony, tsy maintsy mitady ho lazaina fa tsisy mividy ny gazety,sahirana tokoa madagasikara fa be loatra ny mponina ary andalam-pandrosoana azo aloha, mbola ho avy ny maraina re!@ fiainana tsy ary mety jiaby ny atao, ra tsy vita fianara,ino blme? miasa aloha,mangataka ttsy refa milamina ,be vava re! :evil: :evil: :evil:
17. tess ( 04/04/2008 13:10)
ratonga: ka io ilay hoe tsy antany tsy amparafara.....hoy enao zéro manatody, inona no mety hiandry anao any! mbola kestion be izany , raha mora mahita asa indray tsy manin fa lay mitango lalitra fotsiny tsy misy hatao no tena loza ....hijanona enao tsy en ordre am paps! fa kosa izy ireny afaka manao asa maizina à gauche kely sy à droite, fantako tsara mitsy misy tsy manana paps fa miasa mandray vola ara-dalàna ny mois , manana logement, mahavelo-tena sns..... de aleonjareo mijanona eto ihany, afaka mandefa vola kely ho an'ny fianakams ny izy....
fa matetika ny fianakams any antanàna no tsy micomprendre ny zavatra iainan''ilay havany aty...enana vao mahazo vola, kanefa ry zareo handefasana vola dia tena otran'ny nisyvola latsaka avy any andanitra dia tena manararaotra tokou! lanina am tsy tokony ho izy ny vola alefa satria hoe misy foana ny alefa isambolana...izay no olana...
18. melody ( 04/04/2008 13:21)
ka izao ange re olona, bdb ny ankizy vao navita université ao dago ary manana diploma mlay be nefa tsy mahita asa ary na ry zareo aza mitady lalana hivoahana @ tsy fisiany asa ao dago, dia ny aty an-dafy indray ve no hiverina any, dia hanao in rhefa tonga any? Ny mpanasa vilia aty an-dafy aza be karama kokoa nohony mpiasa birao ao dago..... marina fa lafo koa ny fiainana aty fa rehefa mahay miara-monina, tsy mitsaingitsaingita ry zareo ka mizara trano hipetrahana dia mora tokoa.

Raha toa ka misy asa mendrika ny fahaizany sy ny diplomany aby ny ts1 1 avy avy aty andafy dia ie, tsara ny miverina any, fa hatramin'izo toa tena tsisy fika mihintsy momba io.
:)
19. bozyboleta ( 04/04/2008 13:29)
I ratonga ihany zao no tena mamaky sy mba maharaka le resaka.

Resaka t@ gazety io nalefan'i badboy io. Le soratra matavy io no foto-dresaka fa ny sisa hevitry le hoe Rakotobe namaliany an'io lohahevitra io.
Ny gasy tsisy paps fa mi-klandy no resahina hoe maninn no tsy mody.
Raha milamina ve ny fiainanao any, hisy haninn anao fa tsy arahaba soa arahaba tsara, satria hitady sy hila ravin'ahitra no aleha any!

Fa raha tsisy paps ary tsy afaka hanao n'inn n'inn fa hivelombelom-potsiny sy hitaintaina lava eny, tsy aleo mody!
Matetika ireny mi-klandy ireny no manimba ny lazan'ny gasy any ivelany ary manohintohina ny gasy hafa na dia ny ara-dalàna aza.
20. ratonga ( 04/04/2008 14:15)
ouuffff so ihany fa nisy an'i bozyboleta nahazo ny tiko holazaina, lé oul tsisy paps ary tsy afaka hanao n'inn n'inn fa hivelombelom-potsiny no tena tiko resaina hoe aleo mody, misy tokoa araka ny tenin'i tess wé tsisy paps dé manao asa maizina, mety tsy mampiseo ny manodidina azy izy fa gidraka b ngé lé fitaintainana lava tsy ay akory izay avokan'ny ampitso, ny tiko lazaina dé tsy aleo vé ny herim-po nao anaovana izany rehetra izany any @ tanana no lanina sy ampiasaina to izay any an-tanin'oul enao mety ho voroka tsy ay wé rovina sady izao efa mé masika mintsy ny fanjakana
lé resaka wé tsy misy asa any dago dia faux pbl amiko fa izay mahay mitsakara rehetra dia mba tavavoka daholo ihany, mazava wazy ra ihandry kosa enao wé ny asa no anantona anao dé afaka miandry eo fa dé andraso eo i paoly, ary itovizana io na aiza na aiza misy anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5515