tsy mety mody ny Malagasy any an-dafy fa menatra noho ny fia
41. rajoelina
(
06/04/2008 22:28)
Rakotobe Jean François
http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=16322[/quote
Asaivo makaty aloha ledala mijery ahy de avy eo asaivo manoratra amin'ny gazety indray :)
42. rajoelina
(
06/04/2008 22:29)
Rakotobe Jean François
http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=16322[/quote
Asaivo makaty aloha ledala mijery ahy de avy eo asaivo manoratra amin'ny gazety indray :)
43. xxx
(
06/04/2008 22:37)
Tsy menatra ny hody ny Malagasy any am-pita satria na sahirana toy ny inona aza izy dia misy ny azo ifidianana eo amin’ izay ilaina.
ny zanaky ravalo mianatra aty andafy ve zany? sa ny fianakaviany ratsiraka? sa ireo mpiasany ambassade de Mada any frantsa sy italy sy ny tariny?
44. badboy
(
07/04/2008 09:16)
rajoelina:
Rakotobe Jean François
http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=16322[/quote
Asaivo makaty aloha ledala mijery ahy de avy eo asaivo manoratra amin'ny gazety indray :)
Fa misy jerena anga any??????
:roll: :roll: :roll: :roll: :roll:
45. xxx
(
07/04/2008 12:19)
ikaretsaka:
raha ohatra hoe mbola hiasa aman'olona no eritreritrao rehefa tonga any ianao dia vrai probleme io, fa raha hoe hamorona ny anao manokana ianao avy amin'ny tahiry kely mba voahangonao tany ivelany dia tena faux probleme tokao io!
betsaka tokao ary ny opportunite rehefa hainao ny mijery io mitsikaraka io ara-bakiteny
Tsy ny olona rehetra no manana profil "ikaretsaka" ==> mi arranger ny olona sasany ny mijanona ho employé stable
Ankoatr'izay , somary mazana ihany ilay hanao zavatra tsy misy iankinana @ mpanao politika any M/car, tout est politisé , mila lava tanana etsy sy eroa ==> tsy ny rehetra koa no manana io profil io
46. hira
(
08/04/2008 23:35)
ny menatra aloha tsy haiko e. fa araka ny voalazan'ny besinimaro dia ilay qualité de vie any mihntsy no tena mampatahotra. rehefa niala tany ianao vao tena mahita fa tena ça craint any aloha @ izao fotoana izao, ny ho avy no antenaina ho tsaratsara kokoa. na dia zavatra kely tsisy dikany anie ry ireto dia manimba ny fiainana andavanandro e: mody mandeha tongotra @ 6hariva ajedakin'ny mpanendaka, on peut se faire tuer pour une paire de baskets, ny trano vaky isam-bolana, ny vidin'ny fiainana 10 fois plus élevé que ny karama, vao avy ny orana ao tana dia tondraka partout, tapaka ny jiro sy rano, misy peste any ambanivohitra etc etc.... lany rondoha sy lany vola nianatra tany ampita nefa mandray karama vary masaka, tsy amorti mihintsy ny investissements personnel, financier. raha tsy hoe mahitahita sy mpanao afera angamba là c'est une autre question.
47. Jeankely
(
12/04/2008 09:15)
Dia aza mampiresaka avy andafy rehefa vazaha no manao ny rehetra satria sahala anao ihany io ka mijanona amin'izay ahitana soa.
48. tsikih
(
18/04/2008 21:21)
tena tsy voalohany io resaka io !! na ny havanay aza dia manome tsiny anay mianadahy avy hoe tsy ita mihitsy ANY dAGO hono etc... zà zao efa dimy taona niala tany, ary mbola tsy niverina tany hatramin'izao !!! ny fo sy ny saina nefa tsy manadino fa isaky ny alina tsy maintsy mijery sites gasy ami'ny internet na manaraka vaovao gazety etc..., misy fiangonana gasy koa aty, ka dia ohatry ny tsy very izany e, eto Paris no tiako lazaina an, nefa tsy hoe manadino ny tanindrazana akory, ary tsy resaka henatra mihitsy ny tsy fitodiana mankany dago etc... iny indray no tena lalina e, lazaiko anareo fa misy aza ireo havana miangavy mihitsy mba andefasana ny sarin'ny trano misy anao, asa nahoana, hisy critiquer-na angamba sa ijerena hoe manao ahoana ny fiainanay aty ??? Zahay aloha dia mandry ny sainay satria ny mamanay tsy mihafy izany,afaka mandefa vola ho azy tsara izahay mianadahy avy, tsy mpanankarena izahay no tsy mahatra koa, fa "classe moyenne" araky ny fitenenana!!Zà AZA tany dago taloha lazaina hoe "cadre", titre mipoaka be ery, nefa rehefa mody mandeha tongotra fa na taxi aza tsy laitra... ka par rapport amin'ny eto aloha dia itako fa tsy io hoe menatra io mihitsy no tsy andehanana any fa ny zavatra atao no bedia be, ny fotoana koa mandeha be!! aiza kosa no misy hoe tsy mankany fa menatra ??? tsy de azoko loatra....NY Ankamaroan'ny olona tia sehoseho aza mody any de mi geste ery miaraka amin'ny euro, fa nahoana no ho menatra ???Vavan'ny tsy teto Frantsa angamba izany,fa tongava aty de sao de tsy te hody eo koa....hihi, ny anay aleonay ny mamanay no manao vacances aty, fa mbola kely anaka koa moa ny sasany dia matahotra ny mandeha any e !!! ka io arakaraky ny tian'ny tsirairay ihany e, zatra ireny be sehoseho ireny angamba ka raha tsy manao toy ireny de heverin'ny sasany hoe menatra ianao!!!
49. Jeankely
(
23/04/2008 11:54)
Ny tena marina dia ny Malagasy andafy ao Pararantsa no ambony indrindra amin'ny vahiny eo amin'ny toerana misy azy. Nafarana manokana satria favy ary ny Malagasy no be indrindra miparitaka eran'izao tontolo izao. Ny adalan'izay manatsatso. Patron daholo ny rehetra any ary tezitra satria misy miteniteny foana.
50. xxx
(
23/04/2008 12:28)
hoy tsikih:
tena hainao ve ny dikany oe "classe moyenne"?
ny classe moyenne zany aty andafy de ny cadre superieur sy ny dokotera sy ny avocat!efa tena ambony be zany!de raha anisan'ireo ve enao de tsy manana fotoana hodiana any madagascar?
tsy mpanankarena izahay no tsy mahatra koa, fa "classe moyenne" araky ny fitenenana!
tena hainao ve ny dikany oe "classe moyenne"?
ny classe moyenne zany aty andafy de ny cadre superieur sy ny dokotera sy ny avocat!efa tena ambony be zany!de raha anisan'ireo ve enao de tsy manana fotoana hodiana any madagascar?
51. Jeankely
(
23/04/2008 22:14)
Tsy misy Malagasy mihevitra olona andafy ho mijaly izany fa ny avy andafy no mampiresaka izay mba hitany. Amin'ny gazety ohatra misy vehivavy mananatra ny tanora hoe tandremo ny manambady vazaha fa izao sy izao no nahazo ahy. Dia izay ve midika fa ny nanambady vazaha rehetra sahala io? Tsy mahalala izay miseho andafy mihintsy ny olona. Nisy mpiasan'ny MATV nitondra vaovao avy andafy nanazava fa maro ny Malagasy tsy manaiky halaina sary toy ny mpivarotra vonikazo sy ny hafa koa inona no hidiran'ny vahoaka amin'ny hoe "cadre superieur sy dokotera ary Avocat" daholo no Malagasy ao Frantsa ?
Ny Sinoa na Indian izay maro miparitaka eran-tany nohon'ny Malagasy rehefa lasa dia misy ny miverina mitondra orin'asa na fahalalana any aminy ny taranany aty aoriana ary heverina ho vahiny ireo satria efa mitondra ny maha-vazaha azy ara-taratasy.
NY VIZANA AVY ANDAFY NO MITENITENY FOANA FA TSY NY MALAGASY AKORY

52. penguin
(
24/04/2008 06:14)
Raha mpivarotra ilay ao ambany aloha aleo mijanona andafy fa tsy maharaka vidin'entana ny lehilahy Malagasy.
54. xxx
(
24/04/2008 11:35)
aza miteniteny foana ry xxx49, fa tsy hainao akory ny dikany oe "classe moyenne"? hatramin'ny oviana indray ny cadre sup sy dokotera sy avocat no classe moyenne, ireo tanisainao ireo dia mandry +3000eur, ny classe moyenne entre 1500/3000eur, ny latsak'izay na smic na défavorisé
55. Jeankely
(
25/04/2008 09:53)
Ka marina ve fa raha 100 ny Malagasy ao Frantsa dia 99 no cadre sup sy dokotera ary avocat lazainareo ?
56. jennifer2
(
26/04/2008 13:29)
Hoy: abcdefg [ Valio ] 04-04-2008 15:08:07
adala amiko io mpanao gazety io
de hoy koa
Rakotobe Jean François
Asaivo makaty aloha ledala mijery ahy de avy eo asaivo manoratra amin\'ny gazety indray
tsy adala zany io mpana gazety io, ary mipetraka any frantsa miitsy, mandefa ny vaovao @ namany aty Mada, ary za koa mahalala olona any fa sahirana ny ankamaroan\'ny gasy mipetraka any Frantsa, sady mbola tratry ny fanavakavaham-bolo-koditra koa aza.
misy aza dokotera miitsy saingy ny frantsay mbola manana esprit colonnial dia milaza miitsy oe aleoko maty toy zay tsabon\'io.
za aloha raha samy ahantra ihany, de aleoko mahantra an-tanindrazana toy zay an-tanin\'olona. raha sanatria ka maty any, de zay le hoe tena very faty. ny tavela tsy nahy aza efa tsy fidiny koa. marina moa!!!
zava-dehibe @ malagasy mantsy zany hoe miray fasana zany. asa nareo any angamba efa tsy manana an\'izany toe-tsaina zany tsony, de efa 10% sisa ny maha-malagasy. Maka tahaka be fotsiny ny fisainan\'ny any. Zany ihany no anavaon\'ny frantsay hoe: \"les malgaches sont des immitateurs\".
Nefa raha mody aty mada @ foanao tokoa, sy ny saina maha-malagasy anao ianao dia hainao hoa azy mampadroso an\'i madagasikara, ary ho foana ho azy le tsy fisian\'ny asa sns le lazainareo fa mahatonga anareo hijanona any.
Jereo ny japoney, samy zanatany ihany isika saingy ny azy ireo, nalainy ny traikefa avy any @ firenena hafa hampandrosoany ny fireneny saingy ny toe-tsainy de japoney ihany, ary dia tena mandroso tokoa ry zareo kanefa ary ry zareo efa ianjadian\'ny horohorontany isaky ny 5 minitra. Raha makany ianao tsy raharahany hoe gasy ity na frantsay ity ka lasa karakarainy toy ny aty mada ihany na toy ny any frantsa ihany. ohatra iray, any japon raha mivahiny any ianao, ny sakafo de sakafo japoney 100% no arosony anao fa rehefa tsy ihinana ianao de ianao ihany no ho naona eo.
Sao be resaka aho fa mba eritrereto ihany ny nosintsika sy ny kolo-tsainy sy ny toe-tsainy e!
Le toe-tsaina tena malagasy, talohan\'ny fanjanahan-tany io fatsy le toe-tsaina efa safiotra taorian\'ny fanjanahan-tany an!

57. Jeankely
(
27/04/2008 04:13)
Tsy azo atao safobe mantsina io ry "Jennifer2" fa mandiso ilay mpanao gazety ihany koa aho raha izay. Efa miova ny fomba fijery raha amin'izao andron'ny "globalization" izao. Izany very faty izany dia tsy mitombona satria rehefa feno ny fasana mamorona fasana miala ny razambe ihany ary na maty aiza na maty aiza finoana ny miray fasana fa ny an'ny sasany aza dorana dia atsipy any anaty rano. Aza adino fa na ny Malagasy amin'ny faritany aza maro no tsy manao io fasana mifangarobe io. Ao ny manipy ary mihazakazaka any anaty ala ao ny any @ rano sns sao manahirana. Tsy avy amin'ny faritra iray ihany no Malagasy miparitaka ka aza atao faobe fa samy manana ny fisainany.
Raha ny toerana ahitana fivelomana indray dia tsy heloka mihintsy ny mitady eran'izao tonolo izao. Porofon'izany tonga any Madagasikara ny Sinoa, Karana mahantra ary 5 taona lasa mpanankarena satria hitany ny hevitra. Ny Malagasy mitady ivelany koa na tsy mpanakarena sahala an-dreo ao Frantsa aza dia fitadiavana io fa tsy fitsoahana satria mila avoavo kokoa.
Tsy tokony hiady ny Malagasy ivelany sy mijanona antanana fa tandremo tsara. Na Sinoa na Karana misy mahantra antanin'olona ihany koa.

58. ni81
(
27/04/2008 06:53)
hoy jennifer2
tsy adala zany io mpana gazety io, ary mipetraka any frantsa miitsy, mandefa ny vaovao @ namany aty Mada, ary za koa mahalala olona any fa sahirana ny ankamaroan'ny gasy mipetraka any Frantsa, sady mbola tratry ny fanavakavaham-bolo-koditra koa aza.Mety ho sahirana ilay gasy fantatrao, raha tsy manana izay tena fidiram-bolany, dia aleony mihafy aty ivelany aty ihany satria izy angamba tsy manana zavatra vonona hivantanana koa any dago! Ilay resaka fahafatesana indray dia samy manana ny fijeriny azy io, ao ny hoe zà raha maty dia tsy maintsy alefaso mody any an-tanindrazako (raha misy ny moyen?) ao koa ny hoe: zà raha maty dia aty aho no hilevina, ao ny hoe zà raha maty dia ataovy lavenona dia avalano rano sns...
misy aza dokotera miitsy saingy ny frantsay mbola manana esprit colonnial dia milaza miitsy oe aleoko maty toy zay tsabon'io.
59. Jeankely
(
27/04/2008 07:29)
Averiko ihany fa diso io mpanao gazetinao io ary tsy ny fipetrahany andafy no milaza fa marina izy. Raha milaza izay ianao dia mbola manaporofo ihany fa milay ny andafy. Sahala ny mijanona antanana ihany io. Misy ny makorel izay tsy azo afenina, misy ny Chauffeur taxi, misy mpivaro-bonikazo, misy mpampianatra @ University, misy dokotera malaza, mety hisy koa mpangaropaosy hahaha. Vao herintaona iny nisy nilaza fa nisy namoy ny ainy t@'ny fiara satria nitatitra hadinoko izy izay na voatavo na inona nefa mpanankato malaza mianatra frantsa. Misy ny rehtra fa tsy azo atao faobe hoe mpanana daholo na sahirana daholo. Sahala izay koa ny ao Madagasikara na mahantra aza ny firenena misy olona farany mpanana ary mandehandeha eran'izao ntontolo izao avy eo miverina mipetraka any. Dia ireo mpanana ireo ve no hilazana fa mpanana ny Malagasy? tandremo