Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.

1. niryna ( 29/03/2008 17:10)
Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.Salamo 119:105.
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.Gen 1:1
Misy fiandohany daholo ny zavatra rehetra-ny fiainana,ny fianakaviana,ny asa aman-draharaha,ny fifandraisana amin''ny olona sy ny mpiara-belona amintsika,eny fa ny taonantsika aza.Na inona zavatra manodidina antsika dia nisy fiandohany avokoa ary tafiditra amin'izany ny lanitra sy ny tany,izay efa namboarin'Atra taloha elabe.
Ny taona vaovao ,izay fiatrehena ny fiaianam-baovao,ary ny fianarana zava-baovao isan'andro izay miandry antsika.Ahoana no fiantrehantsika an'izany? Olom-baovao amin'ny tompo? mila miezaka ny hanatsara ny toetra,ny fomba ,ny fifandraisana ny mpiara-belona,ary moa ve isika hiatrika an'izany amin'ny tahotra sy fahangovitana sa hiatrika izany amin'ny fahasahina fa sahy hiatrika na inona mahazo ary hametraka izany eo amin'ATra?
Raha miaraka amin'Atra isika izay avy amin'ny zanany malalany Kristy dia tsy atahotra ny zava-baovao miatrika ny fiainantsika,misaotra azy aza no ataony fa mbola nomeny fiainam-baovao indray hiatrika ny zava-baovao isan'andro.
Fanilo ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao koa afaka hiatrika izany fiainam-baovao isan'andro izany isika raha mino sy manana fanantenana miaraka amin'Atra isan'andro.
Rainay izay any an-danitra,ho hamasinina anie ny anaranao ,ho tonga anie ny fanjakanao ,ary ho tanteraka anie ny sitraponao,ampio izahay hiatrika ny fiainam-baovao ary omeo hery isan'andro izahay ny hanompo anao ampisehoy ireo hafa izany fiainam-baovao miaraka amin'i kristy izany Amena.

Amin''ny fijerin'ATra,isan'andro dia nomeny hery isika hiatrika zava-baovao,mangataha aminy mba hiatrika izany fiainana vaovao ao amin'ny tompo izany
niryna

novalian'i niryna ny 14/04/2008 03:43
2. tess ( 29/03/2008 17:53)
nyrina: ka na inona itranga ninona hidona ny fianana andavan'andro tsy maitsy hatrehina, izay mitranga rehetra anio , ampitso....
kanefa na izany aza misy koa ny miraviravy tanana, manantena ny omem-potsiny.....misy ny mamoy fo dia lasa manaonao foana....DE AHOANA INDRAY NY FIPETRANY AMZAY????? sa izay koa dia aontsoina hoe sitrapon'Andrimatira?
3. tess ( 29/03/2008 17:54)
sa izay koa dia antsoina hoe sitrapon'Andrimanitra io fa diso tsipelina!
4. ratonga ( 29/03/2008 18:54)
sitrapon'Andrimanitra ko vé ny nahatongavan'i tess ato :-D :-D :-D
5. tess ( 29/03/2008 21:24)
ratonga: :°) tô sitrapoko ihany ka! :-P :-D
6. niryna ( 30/03/2008 05:36)
tess a,ka izany no mahatonga antsika hampihatra ny soratra masina isan'andro,izay ilay izy,nanome toky izy fa tsy andao na amela antsika irery,ny dikany raha misy mahazo amin'ny fiainantsika dia mitodika mivavaka ary mangataka aminy mba omeny hery isika.
Ireo miraviravy tanana miandry tolorana indray dia hakamoana no fijerika an'izany,samy nomeny tanana avokoa isika ka tokony hiezaka anao ny asa amin'ny fo manontolo,mitia an'izany ary manao an'izany ho an'ny tompo,eny fa na dia tsy mijery aza ny mpampiasa ohatra dia mahafantatra isika fa Atra no miaraka amintsika amin'izany.
Ilay famoizam-po indray dia izany no hianarana ny tenin'Atra satria na inona na inona olana mahazo antsika dia hita ao anatin'izany tenin'Atra izany avokoa ny teny fampaherezana ka ny mibanjina an'izany dia mahatonga tsy anaonao foana.Izany ihany koa no mahatonga antsika hianatra ny tenin'Atra satria ny fhafantarana fa manazava ny lalantsika ny teniny dia hery iray lehibe ahatonga antsika hino hatrany.
Atra dia niteny nivantana tamin'ireo olona maro toy Abrahama,Noa ,Mosesy ary tamin'i Mosesy aza dia tao anatin'ny afo izy no niantso an'i Mosesy kanefa rehefa nojerena ilay afo toa tsy may akory ny manodidina :roll: endrika iray izay nisintomany an'i Mosesy izany,ary taty aoriana indray izy dia mbola niresaka ihany koa ho antsika izay avy amin'ny alalan'ny zanany lahitokana.
7. niryna ( 30/03/2008 05:47)
tess > ny fiainantsika rehetra dia efa voalahatra avokoa,ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia efa fantatr'Atra avokoa.Isika tonga ety an-tany dia samy manana ny antony ihany koa.Ny hidera sy ankalaza ary ny hizara ny tenin'ATra.Mbola maro anefa ireo olona izay tsy mahalala an'i kristy,ny fahagagany nataony sy mbola nataony hatramin'izao.Izy no Atra velona tety an-tany ary nampianatra ny olona ny tenin'Atra,izy no nanavotra ny rehetra ho afaka amin'ny ziogan'ny satana,saingy mbola maro no tsy mahalala fa tena zava-dehibe teo amin'ny fiainantsika ny hazofijaliana ,ny namonjeny ny olona ,ny nitsanganany tamin'ny maty ary ny mbola hiverenany..Raha resaka hoe sitrapon'Atra indray dia tiany hiverina any aminy avokoa isika rehetra,tiany ho voavonjy avokoa ny fanahintsika rehetra,noporofony ny fitiavany antsika dia ny nanomezany ny zanany hamonjy antsika amin'ny fahotana,ny fahafatesana,ary mbola omeny chance ihany aza isika ny hibebaka.Mbola maro no tsy mahalala izany fahasoavana izany na hoe inona moa no soa azoko amin'izany kristy izany? Anjarantsika no manaiky izay zavatra mitranga amin'ny fiainana ary ny mametraka izany raha misy olana eo amin'ny fiainantsika,mandalo an'izany avokoa isika fa ny fipoitrany no tsy mitovy ary ny antony koa dia mety samy hafa,ao ny fahoriana izay napetrak'Atra tamin'ny olona iray ohatra ka nahatonga azy nitady izany Atra velona izany ary rehefa nahita izy dia nisaotra ,nidera ary nizara ny fahasoavany tamin'ny rehetra.Izaho izay miteny aminao izao no anisany.Ao ny fahoriana na zavatra mahazo antsika dia mahatonga antsika hitodidoha anantona azy ihany koa.
Io moa safidy ary efa fantany ny olona izay mangetaheta ny teniny ary dia omeny azy izany ary ampitomboiny avo heny aza,koa anjarantsika no mizara izany fahasoavana izany hoa an'ireo izay mbola ao anatin'ny maizina na tsy mbola mahalala an'i kristy.
8. niryna ( 30/03/2008 05:56)
ratonga a>vao tany ambohaka isika tsirairay avy dia efa fantany.ny dikany sitrapon'Atra no nahatongako,hianao ,ny rehetra ety an-tany ,ary tiany daholo isika na dia misy aza ny tsy mino Azy.Izany tsy finoany izany akory dia tsy midika hoe tsy misy izy. Notendreko hianao mba ho fiderana ny voninahitro
http://fathersloveletter.com/fllpreviewmalagasy.htm
9. niryna ( 30/03/2008 05:58)
tena sitrapon ry tess a jereo io video io fa mbola tany ambohoka isika dia efa fantany :D
10. Kwasi ( 31/03/2008 00:44)
niryna:
tess > ny fiainantsika rehetra dia efa voalahatra avokoa,ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia efa fantatr'Atra avokoa

Fa maninona ilay izy ry niryna no tsy mba ampahalalainy antsika mialoha?
11. niryna ( 31/03/2008 16:59)
Kwasi:

niryna:
tess > ny fiainantsika rehetra dia efa voalahatra avokoa,ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia efa fantatr'Atra avokoa

Fa maninona ilay izy ry niryna no tsy mba ampahalalainy antsika mialoha?
nitranga ny tantaran'i Abrahama,ny an'i Noa,ny an'i Mosesy,ny an'i Maria ,sy ireo rehetra ao anaty baiboly ka,ary dia mbola misy ihany izany hatramin'izao ka avy amin'ny alalan'ny mpaminany izany.Mpaminany firy moa no efa nosehoan'Atra ny fahaterahan'ilay kristy izay atao hoe Emanoely na Atra miaraka amintsika = God with us ?
maro ny zavatra efa nampahalalany antsika ka ary mbola miteny izy na ao anaty nofy izany ,ary io no betsaka hiainako aloha ka io no azoko omena anao,ny fanahy masina izay miresaka aminao ,io koa dia ohatra iray,ary miresaka amintsika ihany izy ao anaty baiboly saingy misy moa tsy tia mamaky baiboly dia mety ho lazainy fa tsy miresaka aminy Atra.Misy ny olona toa antsika no iresahany,ireo izay atao hoe endrika anjely,na olona mivantana na anjelin'Atra izay miaro antsika ,miresaka amintsika.
Telo no azo ilazaina fa mbola miresaka amintsika Atra
ny revolution
ny inspiration
ny illumination.
tohizako io amin'ny manaraka
Ary mbola miresaka amintsika ihany koa izy avy amin'ny alalan'i kristy ka nandefasany ny fanahy masina miaraka amin'ireo kristiana rehetra mandrakizay
Io Fanahy masina io no manampy antsika,manavotra antsika,miaro antsika,mitantana ny diantsika ary mampahatsiahy antsika ny andeha amin'ny fahamarinana mandrakariva,io fanahy masina io ihany koa no faly raha misy olona voavonjy iray ary miara mifaly miaraka ny anjely any an-danitra,io fanahy io ihany koa no miady amintsika amin'i satana ary malahelo sy mitomany,toy ny toetran'olombelona izay miaiana ao anatin'ny kristiana io fanahy masina io ary tsy mipetraka ao amin'ny olona tsy mino an'i kristy satria fanahin'i kristy io.

12. Veloo ( 31/03/2008 20:23)
Fa maninona ilay izy ry niryna no tsy mba ampahalalainy antsika mialoha?


amiko dia satria isika nomena'Antra safidy
13. naritsimba ( 01/04/2008 04:54)
Miarhaba antsika rehetra!

Hoy i Kwasi:

[quote=niryna]tess > ny fiainantsika rehetra dia efa voalahatra avokoa,ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia efa fantatr'Atra avokoa


Marina io voalaza io, ary efa imbetsaka no niresahantsika teto momba ny fiainantsika zanak'olombelona. Noharian'Andriamanitra ho tahaka Azy isika, izany hoe endrik'Andrimanitra noho izany dia tokony hitoetra ao anatintsika ny fanahin'Andriamanitra. Raha nohariany ho tahaka ny biby isika dia nanao fanahim-biby.
Koa dia anjarantsika no miezaka mahalala ny lalana hizorantsika sy ny iraka ampanaovin'Andriamanitra antsika tsirairay avy ety ambonin'ny tany, tsy misy afaka miala amin'izany na iza na iza.
14. majesty ( 01/04/2008 05:30)
sitrapon'Andrimanitra ko vé ny nahatongavan'i tess ato


Raha narary tess d mety tsy afaka nankato knou,donc sao d mba sitrapony ihany :D
15. niryna ( 01/04/2008 17:37)
majesty:

sitrapon'Andrimanitra ko vé ny nahatongavan'i tess ato


Raha narary tess d mety tsy afaka nankato knou,donc sao d mba sitrapony ihany :D


hi,hi,raha marary indrindra izy vao maika afaka ka,mipetraka ao an-trano dia miditra eto.
16. naritsimba ( 02/04/2008 05:00)
Hoy i majesty:
Voalaza teo :
sitrapon'Andrimanitra ko vé ny nahatongavan'i tess ato


Raha narary tess d mety tsy afaka nankato knou,donc sao d mba sitrapony ihany


Ny zavatra rehetra dia avy amin'Andriamanitra na tsara fiheverantsika azy na ratsy, ary efa im-piry moa oizany no noresahintsika tato.
Raha ratsy moa ny fiheverantsika azy dia izay no ampisehoan'Andriamanitra ny voninahiny tahaka ny nanekeny ny hahafatesan'i Zanany Lahitokana, nefa dia natsagany afaka hateloana.
Ahoana hoy ny : I Korintiana 15:14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo
Heverintsika fa ratsy ny fahafatesana nefa ny zavatra izay omen'ANdriamanitra antsika raha tena mino sy marina isika dia fahavelomana miaraka aminy mandrakizay.
Noho izany dia na ny nahatongavantsika ato @ ity Site ity na ny namoronan'ny olona an'ity site ity dia natao ho an'ny rehetra ary natao ho amin'ny tsara fa tsy natao @ zavatra hafa akory araky ny fiheveran'ny sasany.

Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany! AMEN
17. Rasiligaoma ( 02/04/2008 05:19)
I Korintiana 15:14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo


"Nitsangana" tokoa io sa "natsangana" e

samihafa be manko ny olona nitsangana sy ny olona natsangana
18. naritsimba ( 02/04/2008 07:08)
Hoy ny fanontanian'i Rasiligaoma
"Nitsangana" tokoa io sa "natsangana" e

samihafa be manko ny olona nitsangana sy ny olona natsangana


NATSANGANA no izy satria Andriamanitra no nanagana an'i Jesoa t@ maty.

Ary rehefa ao anatintsika Jesoa dia ao ho azy Andriamanitra, ary dia ataony tanteraka izay irin'ny fontsika. Jeremia 29:13 Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra
Mino ny fitsanganana @ maty ve rasiligaoma?? ary mino fa natsangana Kristy??
19. Rasiligaoma ( 02/04/2008 08:01)
NATSANGANA no izy satria Andriamanitra no nanagana an'i Jesoa t@ maty.

angaha moa i Jesoa tsy Andriamanitra ihany? :?:
20. Rasiligaoma ( 02/04/2008 08:10)
Izaho mino fa NItsangana i Jesoa fa tsy NAtsangana.
satria anisan'ny maha Andriamanitra Azy rahateo izany!
amin'ny teny Malagasy fototra tsotsotra fia

Ny teny misy tovona MA- dia nila fanampiana (intervention an'olona na zavatra hafa)
fa ny teny misy tovona MI- dia mahaleo tena
(ohatra: Nitraka sy natraka, Nisaraka sy Nasaraka )
amiko dia NI(tsangana) izy amin'ny maha Andriamanitra azy.
Raha NA(tsangana izy) dia tsy Andriamanitra intsony satria nila zavatra hafa

Fananganana amin'ny maty koa no fiteny fa tsy fitsanganana amin'ny maty! satria HAtsangana aho amin'izay fa tsy Hitsangana irery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1953