Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.

21. niryna ( 02/04/2008 15:37)
naritsimba:

Miarhaba antsika rehetra!

Hoy i Kwasi:

[quote=niryna]tess > ny fiainantsika rehetra dia efa voalahatra avokoa,ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia efa fantatr'Atra avokoa


Marina io voalaza io, ary efa imbetsaka no niresahantsika teto momba ny fiainantsika zanak'olombelona. Noharian'Andriamanitra ho tahaka Azy isika, izany hoe endrik'Andrimanitra noho izany dia tokony hitoetra ao anatintsika ny fanahin'Andriamanitra. Raha nohariany ho tahaka ny biby isika dia nanao fanahim-biby.
Koa dia anjarantsika no miezaka mahalala ny lalana hizorantsika sy ny iraka ampanaovin'Andriamanitra antsika tsirairay avy ety ambonin'ny tany, tsy misy afaka miala amin'izany na iza na iza.

--------------------------------------------------------
marina izany ,misaotra naritsimba a
:-*
22. niryna ( 02/04/2008 15:43)
Rasiligaoma:

Izaho mino fa NItsangana i Jesoa fa tsy NAtsangana.
satria anisan'ny maha Andriamanitra Azy rahateo izany!
amin'ny teny Malagasy fototra tsotsotra fia

Ny teny misy tovona MA- dia nila fanampiana (intervention an'olona na zavatra hafa)
fa ny teny misy tovona MI- dia mahaleo tena
(ohatra: Nitraka sy natraka, Nisaraka sy Nasaraka )
amiko dia NI(tsangana) izy amin'ny maha Andriamanitra azy.
Raha NA(tsangana izy) dia tsy Andriamanitra intsony satria nila zavatra hafa

Fananganana amin'ny maty koa no fiteny fa tsy fitsanganana amin'ny maty! satria HAtsangana aho amin'izay fa tsy Hitsangana irery


dia araho arak'izay ilay izy izay fahafantaranao azy fa ny fantatra fotsiny dia jiro izay mirehitra manazava ny manodidina ny kristiana na miakatra io na midina na mitsanga na nantsangana hianao no mahalala ny teny tiana ho tenenina.
Raha jiro izy dia anjaranao no manazava ny manodidina anao,ny mampiseho azy ireo ny tenin'Atra ,ny fahamarinana ,ny finoana ny didy folo,fitiavana Atra koa ny zavatra ataontsika rehetra dia miseho fo fitiavana avokoa eny fa na ny fahavalontsika izay tsy zakan'ny saintsika aza ny mijery azy isan'andro ohatra,dia anjarantsika no mivavaka azy,izay ilay jiro sy fanilo.Izay dianjoky no arahinjandry hoy ny fiteny koa raha mandeha amin'ny fahamarinana hianao dia mety hanaranaka anao ny zandrinao ,any aoriana any izy na dia mandehandeha eny rehetra eny aza dia hiverina satria fantany ny lalana nitondrana azy tamin'ny voalohany.Toy izany koa ny kristiana,na dia maro aza ny fakampanahy mety ho tsy voatohitra rehefa miaiky ka mivavaka aminy ka mangataka ny famelana dia mino fa hamela tokoa izy.
23. ikaretsaka ( 02/04/2008 19:28)
Rasiligaoma:

Izaho mino fa NItsangana i Jesoa fa tsy NAtsangana.
satria anisan'ny maha Andriamanitra Azy rahateo izany!
amin'ny teny Malagasy fototra tsotsotra fia

Ny teny misy tovona MA- dia nila fanampiana (intervention an'olona na zavatra hafa)
fa ny teny misy tovona MI- dia mahaleo tena
(ohatra: Nitraka sy natraka, Nisaraka sy Nasaraka )
amiko dia NI(tsangana) izy amin'ny maha Andriamanitra azy.
Raha NA(tsangana izy) dia tsy Andriamanitra intsony satria nila zavatra hafa

Fananganana amin'ny maty koa no fiteny fa tsy fitsanganana amin'ny maty! satria HAtsangana aho amin'izay fa tsy Hitsangana irery


Theologika be ny an'ialahy... tsary takatry mamehy ny tenany izany

24. majesty ( 03/04/2008 05:32)
Raha misy table ronde ity dinika ity angamba a,humm aoka fotsiny :D
Tonga d ôtran'ny hitako ry zalahy namana mitondra dossier sy antotan-taratasy isan'karazany. :D
25. niryna ( 05/04/2008 04:41)
naritsimba:

Hoy ny fanontanian'i Rasiligaoma
"Nitsangana" tokoa io sa "natsangana" e

samihafa be manko ny olona nitsangana sy ny olona natsangana


NATSANGANA no izy satria Andriamanitra no nanagana an'i Jesoa t@ maty.

Ary rehefa ao anatintsika Jesoa dia ao ho azy Andriamanitra, ary dia ataony tanteraka izay irin'ny fontsika. Jeremia 29:13 Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra
Mino ny fitsanganana @ maty ve rasiligaoma?? ary mino fa natsangana Kristy??

misaotra naritsimba a ,ny an'i rasily dia ilay tsimpontsimpona iny no tiany ho kristikena foana fa tsy tena ilay dikanteny mihitsy,ilay fanoherana e,tsy aiko aloha fa asa na izany no nampianarana azy na ahoana fa tsy misy porofo azo omeny raha reference ao anaty baiboly,izay tokoa no atao hoe aza miantehatra amin'ny herin'ny sainao,fa amin'Atra foana foana ,dia tarihina amin'izay lalana tiany aleha hianao .

sa ahoana rasily

26. niryna ( 05/04/2008 04:48)
ikaretsaka:

Rasiligaoma:

Izaho mino fa NItsangana i Jesoa fa tsy NAtsangana.
satria anisan'ny maha Andriamanitra Azy rahateo izany!
amin'ny teny Malagasy fototra tsotsotra fia

Ny teny misy tovona MA- dia nila fanampiana (intervention an'olona na zavatra hafa)
fa ny teny misy tovona MI- dia mahaleo tena
(ohatra: Nitraka sy natraka, Nisaraka sy Nasaraka )
amiko dia NI(tsangana) izy amin'ny maha Andriamanitra azy.
Raha NA(tsangana izy) dia tsy Andriamanitra intsony satria nila zavatra hafa

Fananganana amin'ny maty koa no fiteny fa tsy fitsanganana amin'ny maty! satria HAtsangana aho amin'izay fa tsy Hitsangana irery


Theologika be ny an'ialahy... tsary takatry mamehy ny tenany izany




hi,hi ,iza no nanome saina,iza no nanome lela hitoriteny ? moa tsy Atra?
ka raha resaka fahalalana amin'ny maha -olombelona no resahina dia alina eo ny andro raha tsy manetritena mivavaka mangataka ny fanahy masina mba anampy an'izay te ahalala ny tenin'Atra.Raha manda foana kosa anefa dia ataony tsy mahalala na dia mazava toa ny masoandro be manjelanjelatra .

4 dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra hianareo. Deot 13:4

27. niryna ( 05/04/2008 04:55)
majesty:

Raha misy table ronde ity dinika ity angamba a,humm aoka fotsiny :D
Tonga d ôtran'ny hitako ry zalahy namana mitondra dossier sy antotan-taratasy isan'karazany. :D

tsy maninona na dossier tsy complet aza no entiny,ny tenany izay mahalala fa Atra fotsiny no miaraka aminy dia efa afaka mifampitana ,mandresy lahatra,saingy tsy anjarantsika ny mitsikera azy ireo fa dia anjarantsika kosa no mivavaka azy ireo fa mbola ao anatin'ny maizina ka izany no ilaina ilay fanilo hanazava sy hitsilo ny dian'izy ireo .

17 Efa nampiteny an'i Jehovah hianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin'ny làlany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny hianao ary hihaino ny feony.
Deot 26:17
Enga anie ka mba toy izany isika rehetra

28. Kwasi ( 05/04/2008 15:49)
ny fiainantsika rehetra dia efa voalahatra avokoa,ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia efa fantatr'Atra avokoa

Izany hoe vao niandoha izany dia efa misy izany ny voalahatra ho very sy ny voalahatra ho voavonjy ?
29. Rasiligaoma ( 07/04/2008 05:13)
ka mino ve ianareo hoe Andriamanitra i Jesosinareo sa tsia e?

dia raha Andriamanitra izy, maninonao no mila zavatra hafa Manangana azy?


hi,hi ,iza no nanome saina,iza no nanome lela hitoriteny ? moa tsy Atra?
manjelanjelatra
.
tsy misy lohany sy vodiny indray ny lojikan'i niryna, Raha nomena saina i niryna sy nomena finoana, dia nataoo ampiasaina hieritreretana izany indrindra no nanomenany azy

30. naritsimba ( 08/04/2008 04:57)
Ny voalaza ao @ Soratra MAsina dia Fanahy karazany roa no ao anatintsika, na Fanahy ratsy na Fanahy tsara hoy ny voalaza ao amin'ny :
IJaona 4:1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.
Isika no mahalala izay FAnahy mitoetra ao anatintsika tsirairay avy, ka izay no mitondra sy itondrantsika ny fiainantsika.
31. ikaretsaka ( 08/04/2008 15:49)
tsy hitako ny idiran'ny fanahy ratsy sy fanahy tsara @ hoe mitsangana sy natsangana...

inona no ifandraisan'ny vitsika @ petrole?
32. niryna ( 14/04/2008 03:30)
Kwasi:

ny fiainantsika rehetra dia efa voalahatra avokoa,ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika dia efa fantatr'Atra avokoa

Izany hoe vao niandoha izany dia efa misy izany ny voalahatra ho very sy ny voalahatra ho voavonjy ?

efa fantany ny olona tena minoa azy sy ny mpanohitra azy saingy mbola omeny chance ihany isika rehetra hibebaka ,misy na toriana eo aza vao maika mafy ny fony.Raha tsy ilay olona mihtisy no miaiky ny fahotany,mahafantatra fa mangetaheta ny tenin'Atra Izy,te hivoa amin'nzay dia tsy mivoa izy ka

33. niryna ( 14/04/2008 03:37)
Rasiligaoma:

ka mino ve ianareo hoe Andriamanitra i Jesosinareo sa tsia e?

dia raha Andriamanitra izy, maninonao no mila zavatra hafa Manangana azy?


hi,hi ,iza no nanome saina,iza no nanome lela hitoriteny ? moa tsy Atra?
manjelanjelatra
.
tsy misy lohany sy vodiny indray ny lojikan'i niryna, Raha nomena saina i niryna sy nomena finoana, dia nataoo ampiasaina hieritreretana izany indrindra no nanomenany azy



-----------------
naritsimba:

Isika no mahalala izay FAnahy mitoetra ao anatintsika tsirairay avy, ka izay no mitondra sy itondrantsika ny fiainantsika.

ny olona miaraka amin'ny fanahy masina dia mahalala ny teny izay tiany horesahina ataovy ahoana no ahazo ilay teny raha tsy miaraka amin'ilay fanahy izy

34. niryna ( 14/04/2008 03:43)
naritsimba:
Ny voalaza ao @ Soratra MAsina dia Fanahy karazany roa no ao anatintsika, na Fanahy ratsy na Fanahy tsara hoy ny voalaza ao amin'ny :
IJaona 4:1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.
Isika no mahalala izay FAnahy mitoetra ao anatintsika tsirairay avy, ka izay no mitondra sy itondrantsika ny fiainantsika[quote=ikaretsaka ]
tsy hitako ny idiran'ny fanahy ratsy sy fanahy tsara @ hoe mitsangana sy natsangana...

inona no ifandraisan'ny vitsika @ petrole?

dia mivavaha mangataha ny fanahy masina fa ny fanahy masina tsy mipetraka ao anatin'ny olona tsy mino an'i kristy,koa aza ho gaga raha tsy azonao ,lilay izy ,milala mandinintena aloha,mibebaka,miverina amin'Atra,mifona aminy fa manohitra ny tenin'ATra foana,tsy manome hery ny olona fa vao maika misitona izay mitory ny tenin'Atra,raha tsy m-humble mihitsy fa tsy mila pride dia tsy ahafantatra ary tsy omeny ataovy amin'izay ny fanandramana ,alaivo ny baiboly ary mangata ny fanahy masina hanazava aminao ny teniny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0493