LAHATRA SA ANJARA SA SAFIDY NY FANAMBADIANA?

1. vololomanitra91 ( 15/03/2008 08:13)
slt daholy! aona ny valin-teny nareo amin'io?
zay fa mazotoa mamaly e!!!!
a+
2. tess ( 15/03/2008 08:37)
amiko aloha ny fanambadiana dia safidin'ny tsirairay!
3. apache ( 15/03/2008 08:40)
dinika efa nadeha io! sady lahatra no safidy ny fanambadiana.
4. Bita ( 15/03/2008 08:42)
Valiako araka ny hevito fotsiny fa isika Malagasy moa mino ny baiboly ka toa tsy nisy safidy ho an'i Addama teo fa natolotra azy ny vadiny ka na tiany iny natsy tiany dia nekeny foana. Ary hoy Atra t@ izay tsy tsara raha irery ralehilahy.......Ka asa na lahatra no handraisanareo izany na safidy fa toa tsy nisy safidy ary ohatry ny hoe tsy baiko koa fa toa hoe: eritreritr'Atra teo fa toa tsy tsara raha nirery ny Lehilahy ka NOMENY vady sahaza ho azy izy......Tohizo azafady fa ny hevitrareo koa tsatratsara kokoa
5. yonikafopl ( 15/03/2008 09:15)
za kou mitovy hevitra am apache,

Raha amiko ilay izy manko,efa misy ny lahatra sy ny anjara, dia avy eo anjaranao ny miSAFIDY na hanaiky io na tsia.:wink:
6. ainaheri ( 15/03/2008 09:32)
Mifankaiza mou ny lahatra sy ny anjara?...Io na isafidy otran'in aza refa tsy anjaranao to tsy tafa iany angamba,amiko mifameno izy rou reo
7. milaibe ( 15/03/2008 09:55)
Le t@ adama sy eva alou de tsy mitombina ny safidy e! Fa @zao misy vhvavy bdbe d misy hisafidianana,nefa misy kouh lay hasard d circonstance (sendra nifankahita avy nanao bôlina i karembeu haka avion sy i adriana hotesy de raikitra ny tantara) io coup d foudre io ve mety ilay hoe anjara na hoe concours de circontance.hasard??? Toa mifameno ao dôly
8. booboo ( 15/03/2008 10:40)
mitovy hevitra @ Apache sy Yonika

Yonika > zà saika hanao bla bla beee kay efa voalazanao mazava tsara sady fohy kely lay raha hihihihihihihihihihihi
9. yonikafopl ( 15/03/2008 11:39)
booboo :wink:
10. Veloo ( 16/03/2008 01:39)
ainaheri [ Valio ] 15-03-2008 10:32:36
Lohateny : Re : LAHATRA SA ANJARA SA SAFIDY NY FANAMBADIANA?
Mifankaiza mou ny lahatra sy ny anjara?...Io na isafidy otran'in aza refa tsy anjaranao to tsy tafa iany angamba,amiko mifameno izy rou reo


Yep!
11. tsiambaratelo ( 16/03/2008 11:58)
Amiko manokana dia sady tsy mino ny anjara aho na safidy na lahatra,fa refa TOJO anao aho dia zay hi hi hi hi.:-D:-D:-D:-D
12. Mio21 ( 16/03/2008 15:55)
zay le tenenin'ny tsiambaratelo hoe TOJO zay indrindra ilay hatao hoa "Lahatra".
13. Mio21 ( 16/03/2008 16:14)
Amiko dia azo raisiny tsara hoe "Lahatra" ny fanambadiana, marina fa afaka misafidy ny olona tsirairay nefa moa ve tena araka ny safidiny talohan'ny nahazahoany ilay vady ny olona iray? Ny mba nofinofiny t@ voalohany ohatra dia mety hoe za tsy hanambady raha tsy olona bogosy be, manampahaizana, nandova be, lava na bory volo, lavabe, azoko baikoana hoe mangina dia mikombona ny vavany, ... Dia tena ohatran zay mihitsy ve ny vady azony avy eo? Mety nisy ihany aloha hoe tena tojo izay araka ny faniriany fa mety vitsy kanefa efa zay no Lahatra (tsy iadian-kevitra ny hoe lahatra avy aiza d iza lay mandahatra), fa ny ankabetsahany aza dia matetika ny mifanohitra @ faniriana no azony, ohatra hoe nitady lava volo izy d lasa bory volo no lasa vadiny, tsy tia olona mifoka sigara izy nefa mpifoka no lasa vadiny, olona fotsy fihodirana no mba niriany kanjo tojo zarazara... , zany hoe tsy tena araka ilay safidiny, raha tsy hoe iteny amiko nareo hoe "ka mety niova indray izany ilay safidiny" d zay anga.
14. niryna ( 16/03/2008 18:54)
Samy manana ny heviny ny olona fa raha amiko aloha dia miankina amin'Atra ny fanambadiana ho an'i kristiana io,ka raha alohany hanambady hianao dia mila mivavaka amin'Atra ka raha mahasoa anao ilay olona dia izay.
15. kala ( 17/03/2008 05:29)
MISAFIDY izay ho ANJARA, manaiky izay LAHATRA (avy any ambony)

Zà tsy mahay fanambadiana fa manatrika fotsiny. ea antitra dia tsy misy anjara tsony, famisafidy izay olontiana de ampy.

:oops: hay moa diso adiresy zà fa tsy hatsikana ty.

Posy rey ol ê!
16. lilbon ( 17/03/2008 06:59)
fanontaniana re izany e?
lahatra sy anjara ve sa safidy,?
Izay safidinao no lahatra sy anjara ho anao ,fa eto dia safidy natao ho an'olondroa maka safidy tokana .
Mety hampiova ny safidy , ny interets, ny toetran ny tsi11, ny halalin ny fitiavana ,...
FA INONA NO LEHIBE INDRINDRA AMIN IREO ?
fa na ny anjara aza de mety mbola misy 2 na 3 arak ilay olona ,sa?
17. reve ( 17/03/2008 07:00)
amiko safidy io fa saingy safidy mety tsy hitondra soa ra toa ka tsy nankinina amin'Andriamanitra zany hoe namasinina teo anatrehany ! satria ra ny hevitro dia ninoninona ataon-tsika olombelona na lazaina hoe safidy na ho anjarara na koa hoe lahatra dia fikasana sy "reve" daholo ihany zany satria Jehovah irery ihany no tompon'ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainantsika: ary na ny ratsy na ny tsra dia mety ho raisina avy @ Andriamanitra avokoa!
18. tsiafoi1 ( 17/03/2008 09:19)
1-LAHATRA
2-SAFIDY
3-ANJARA

LAHATRA: Izany we Andriamanitra no nandahatra sy nandrindra an'ilay toe-javatra na circonstance nampifanena ireo olona roa.
SAFIDY: De rehefa nifankahita na nifanojo dia nisafidy ny hiaraka izy roa.
ANJARA: Rehefa avy nisafidy, dia nifanaiky hivady, ka lasa anjaranao izy.

Noho izany ny fanambadiana dia avy @'ATRA.
19. ari.malala ( 17/03/2008 09:40)
de refa misaraka ndray zany le olona 2 d ts anjara tampoka ndray zany le fanambadiana? sa aona?
20. yonikafopl ( 17/03/2008 10:05)
fanontaniana kou iny an'i ari iny:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077