image du Christ!

1. rakaroka ( 22/02/2008 18:20)
Asa na miombonkevitra amiko ianareo fa isan'ny fototry ny olana eto an-tany angamba dia ny aizina amin'ny endriny isan-karazany: nisy "document" nanery ahy hikatsaka honnêteté:tsy dans le sens hoe marina loatra fa "aoka hazava" izay sainina, izay atrehina, izay inoana, izay atao sns=>
tokony ho fantatra mazava ny Atra inoana,ny isika sy ny tiantsika atao.
Donc miala eo ny resaka hoe:
Iza marina no inoantsika?Atra miangatra ve?...sns...
Ary iza isika?....
Kristy raha ny marina dia noharina amina hazavana.
Mifandraika ve izany?:roll::?::wink:
novalian'i rakaroka ny 07/03/2008 13:57
2. fijo ( 22/02/2008 20:26)
efa tsara raha manomboka manontany tena ianao.fantaro tokoa aloh aizay hinoana
3. rabingogilabanga ( 22/02/2008 20:35)
à l'aise mihintsy ise raha vao critique an.
lazao ny an'ise , na ny tsy finoana aza e(athée,evolutionniste, accidentaliste...)! ho critique-na koa
aza manao lacheté ohatr'io

la critique est aiseé tokoa, mais l'art est difficile
4. fijo ( 22/02/2008 20:38)
tsy critique io,fa aza diso fandraisana resaka
5. cutie ( 23/02/2008 01:13)
namaste :)
6. soanja ( 23/02/2008 02:28)
rakaroka:

Asa na miombonkevitra amiko ianareo fa isan'ny fototry ny olana eto an-tany angamba dia ny aizina amin'ny endriny isan-karazany: nisy "document" nanery ahy hikatsaka honnêteté:tsy dans le sens hoe marina loatra fa "aoka hazava" izay sainina, izay atrehina, izay inoana, izay atao sns=>
tokony ho fantatra mazava ny Atra inoana,ny isika sy ny tiantsika atao.
Donc miala eo ny resaka hoe:
Iza marina no inoantsika?Atra miangatra ve?...sns...
Ary iza isika?....
Kristy raha ny marina dia noharina amina hazavana.
Mifandraika ve izany?:roll::?::wink:


Marina dia marina ny voalazandry. Ilaina ny fampihiratana ny mason'ny Mpino satria izay ihany no ahitana fahazavan-tsaina handraisana ny Fitoniana sy ny Fahasamabarana eo anivon'Ilay Nahary.

Resaka Xtianina no resahiko, firifiry moa ireo izay mitoreo sy miferitraina ka mahatsapa fa nilaozan'Andriamanitra satria mihevitra ny tenany izy fa mpanota lalandava sy foana.

Tsia hoy aho, tadidio fa tsy mety lany ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Ezaka no tadiaviNy any amin'ny tsirairay hanakaiky sy hahalala ary handray azy am-pitoniana.




7. rakaroka ( 23/02/2008 09:27)
Aoka hazava ny resaka,tsy "critique fahatany no tiana ambara, sanatria koa ny hanozongozona ny hany mbô fianteheran'ny mpino eo amin'izay mbô ho sarangotina. Tsia!
Ny baiboly nilaza mazava; "aoka hazava eo imason'ny olona ianareo...fa avy amin'izany no ahitany ny Rainareo ka hanakalazany Azy koa".Ny tsy baiboly koa nanambara io hevitra io tamin'ny "endriny hafa" ohatra fony aho nifanerasera tamin-drizareo avy atsy
Inde dia ilain-drizareo fantarina ny "nature profond d'un être" ahazoany miaina sy miatrika ny fiainana miala amin'izay.
Ry Maitreya dia tia ny "honnêteté" satria ny fananana disposition "mazava an'eritreritra" , ny synchronisationn'izany amin'ny hetsika ny zava-misy sy ny atao no maniteraka "perfectionnement"bien sur sur la base loi d'amour de notre être des autres ary Atra koa tsy sarahiny izany.
Ary raha mitory isika.Ka ny torintenintsika tsy takatry ny saina, ny ataontsika "flou" amin'olona dia tsy ho to ny hoe "aoka hazava eo imason'ny olona ianareo!...Donc tsy hita akory izay hiheverana antsika avy eo8O:roll::?::?:....
8. prime ( 25/02/2008 11:26)
rakaroka> ny tena olana goavana eto an-tany ihany koa dia ny tsy finoana an'ilay "mazava"... izay no mampanjaka an'ilay haizina...:)
9. ikaretsaka ( 25/02/2008 14:19)
ka samy manan any definition an'ilay mazava..
de samy te hilaza aby hoe ny azy no mazava.. vokatr'ilay bornage
10. rakaroka ( 27/02/2008 10:22)
Ka ny hoe "aoka hazava eo imason'ny olona anie ianareo" tsy midika hoe:"Inoy ny mazava na ampinoy ny olona ny mazava e: Tokony halalinina tsara ny tenin'ny soratra masina fa tsy alaina amin'izay itiavana azy fotsiny
11. prime ( 27/02/2008 11:22)
rakaroka> tsy ny teneninao no tiako asiana tsindrimpeo fa izay voasoratra amin'ny anaran'i Kristy manao hoe : "Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy]" Jaona 1:5

sy ny hoe, "Tao ny tena Mazava* Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao**. [*Na: Izy no tena Mazava] [**Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga amin'izao tontolo izao]" Jaona 1:9

Ka ny "mazava" ambaran'ny Soratra Masina dia "identité" mihitsy ary misy tokony inoana fa sao diso ny fandraisanao ny tenin'Andriamanitra... tsy filôzôfia io, na fahalalàna, na fahendrena no "mazava" ambaran'ny Soratra Masina fa Jesosy Kristy... ary rehefa tsy monina amin'ny olona io fahazavàna io dia ho maizina ny aminy manontolo...

Ka ny ambaranao mikasika ny voasoratra manao hoe amin'ny anaran'i Kristy : "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra." Matio 5:16 dia manambara ny tokony ijoroan'ny "mpino sy mpanaradia an'i Kristy" amin'ny tena fahazavana marina... misy taratra mazava ao ary tena mazava miainga avy amin'ilay tena fahazavàna dia Kristy... fa tsy fahazavàna araka izay fandraisana azy mahaolombelona... aoka aloha hazava hatreo...(tenin'Andriamanitra mantsy ity tsongainao ity ka misy fototra iaingàny sy mazava fa tsy azo raisina araka izay fahazoana azy fotsiny)
12. rakaroka ( 27/02/2008 12:57)
[quote=prime]
rakaroka> tsy ny teneninao no tiako asiana tsindrimpeo fa izay voasoratra amin'ny anaran'i Kristy manao hoe : "Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy]" Jaona 1:5
Tsy azo ny heviteny tant que cf genesisy maizina no nandrakotra dia niteny Atra hoe misy ny mazava dia nisy ny mazava.'ngaha moa misy question de hoe mandray na inn izany fa juste Izy no ni-concevoir. Koa raha voasoratra ho amin'izany inn intsony no hitoriana?

sy ny hoe, "Tao ny tena Mazava* Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao**. [*Na: Izy no tena Mazava] [**Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga amin'izao tontolo izao]" Jaona 1:9

Ka ilay "vocable" ampiasaina eto tsy "Universelle" loatra . Raha nahazava ny olona rehetra toko angamba tsy nilam-panazavana intsony an:wink:

Ka ny "mazava" ambaran'ny Soratra Masina dia "identité" mihitsy ary misy tokony inoana fa sao diso ny fandraisanao ny tenin'Andriamanitra... tsy filôzôfia io, na fahalalàna, na fahendrena no "mazava" ambaran'ny Soratra Masina fa Jesosy Kristy... ary rehefa tsy monina amin'ny olona io fahazavàna io dia ho maizina ny aminy manontolo...

Fijery "subjectif" no filaza azy. Mety azo ekena hoe "lumière" I Jesoa fa dire que rehefa tsy monina amin'ny olona izy dia maizina aminy ny tontolo: beaucoup de personnes tsy mahalala an'i Jesoa fa
misosa sy mazava tsara amin'izy ireny ihany ny fiainany an

Ka ny ambaranao mikasika ny voasoratra manao hoe amin'ny anaran'i Kristy : "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra." Matio 5:16 dia manambara ny tokony ijoroan'ny "mpino sy mpanaradia an'i Kristy" amin'ny tena fahazavana marina... misy taratra mazava ao ary tena mazava miainga avy amin'ilay tena fahazavàna dia Kristy... fa tsy fahazavàna araka izay fandraisana azy mahaolombelona...

Ny "blem" tsy rôle éclaireur no fisehon'ny mpino fa vao miha manamatroka. Dia ilay olona hitoriana indray no heverina fa tsy ao mihitsy satria mi-raisonne de façon humain: bien sur tsy ilay Atra
concepteur heverin'ireo mpitory no toriana comment ils veulent hoe sady tsy ekeny ny fisainan'ny olona no écarté-na avy hatrany fa ny fihevitry ny olona tsy fihevitr'Atra dia ahoana izany no fomba hi-capté-na ny "mission"?....

aoka aloha hazava hatreo...(tenin'Andriamanitra mantsy ity tsongainao ity ka misy fototra iaingàny sy mazava fa tsy azo raisina araka izay fahazoana azy fotsiny
)
Fa raisina ohatra ny ahoana kay 8O:?::roll:8O:roll:


13. ikaretsaka ( 27/02/2008 14:05)

Voalaza teo :
aoka aloha hazava hatreo...(tenin'Andriamanitra mantsy ity tsongainao ity ka misy fototra iaingàny sy mazava fa tsy azo raisina araka izay fahazoana azy fotsiny
)
Fa raisina ohatra ny ahoana kay



fias ny "fahazoan'iza azy" no andraisana azy ary?:-D:-D:-D:-D

nareo rankizy:-D:-D:-D

14. fijo ( 27/02/2008 22:37)
marina be le hoe ;samy manana ny famaritany ilay mazava.
15. prime ( 28/02/2008 12:35)
rakaroka:
Ka ilay \"vocable\" ampiasaina eto tsy \"Universelle\" loatra . Raha nahazava ny olona rehetra toko angamba tsy nilam-panazavana intsony an
... tsotra, io teny notsongainao io tsy teny ho an\'ny olona rehetra (\"universalité\" tadiavinao)... fa nataon\'i Kristy ho an\'ny Apostoly sy ny mpianany... noho izany tsy azo raisina loatra ivelan\'izay \"contextes\" nisy azy, izay aloha...:) noho izany \"codé\" io nentiny nitondràna fanoharana ny amin\'ny fiainana ao amin\'Izy Kristy sy ny tsy ao aminy...
rakaroka:
Fijery \"subjectif\" no filaza azy. Mety azo ekena hoe \"lumière\" I Jesoa fa dire que rehefa tsy monina amin\'ny olona izy dia maizina aminy ny tontolo: beaucoup de personnes tsy mahalala an\'i Jesoa fa
misosa sy mazava tsara amin\'izy ireny ihany ny fiainany an
... Ny fiainana ao amin\'i Jesosy dia tsy io fiainana ambaranao io (izay araka an\'izao tontolo izao) fa ilay fiainana mandrakizay... ka ny tsy fandraisana an\'i Kristy dia fitoerana ao amin\'ilay fahamaizinana tsy manana ilay fiainana mandrakizay...

Ka tsy resaka \"subjectivité\" izany fa resaka \"foi\"...
rakaroka:
Ny \"blem\" tsy rôle éclaireur no fisehon\'ny mpino fa vao miha manamatroka. Dia ilay olona hitoriana indray no heverina fa tsy ao mihitsy satria mi-raisonne de façon humain: bien sur tsy ilay Atra
concepteur heverin\'ireo mpitory no toriana comment ils veulent hoe sady tsy ekeny ny fisainan\'ny olona no écarté-na avy hatrany fa ny fihevitry ny olona tsy fihevitr\'Atra dia ahoana izany no fomba hi-capté-na ny \"mission\"?....
... eo no mipetraka ilay asan\'ny fahazavàna, fa izay tena manana ilay fahazavàna ka manana an\'i Kristy ary iasan\'ny fanahy masina dia mizara izany... fa tsy izay rehetra milaza ho mpitory akory dia manana io fahazavàna io avokoa...

Io indrindra no manamafy ilay fanambarana mikasika ny vokatry ny fanahy sy manana ilay fahazavàna manao hoe amin\'ny anaran\'i Kristy :\"22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.\" Galatiana 5:22-23

Ka ny mpino dia tsy manana \"rôle éclaireur\" loatra araka ny tianao ambara raha ny tena zohina ny Soratra Masina fa \"reflet\" angaha no mahalaza azy kokoa. Tokana ny tena \"berger\", \"vraie lumière\", \"guide\", \"éclaireur\"... izay iantsoana Azy... dia Jesosy Kristy...
16. rakaroka ( 28/02/2008 22:57)
Dia tahaka ny tsy nahary antsika ihany izany Atra
raha simple refletn'i Jesoa fotsiny isika:wink:
17. ikaretsaka ( 29/02/2008 01:05)
fijo:

marina be le hoe ;samy manana ny famaritany ilay mazava.



izay anie ho' a e
18. prime ( 29/02/2008 10:37)
rakaroka> "nuances"... miresaka fahazavàna araka an'i Kristy isika eto sa miresaka faharian'Andriamanitra ny olona??? zavatra samihafa mantsy izany...

Amorony lohahevitra hafa indray ny hoe inona marina ny antony nahariana ny olona??? fa lasa mifangaro ilay resaka nefa teboka samihafa...

ikaretsaka,fijo> azo faritana araka izay fahafantarana azy ny fahazavàna raha izay no tianareo fa tsy misy olana... fa ny resaka fahazavàna araka ny nambaran'i Kristy (lohahevitra eto) dia misy tontolo sy famaritana tokana mazava tsara...:)
19. rakaroka ( 29/02/2008 15:18)
Prime: Ny hazavana, Tsy natao hoe i Jesoa irery no hitarafana izany/ matoa ny baiboly nilaza hoe "aoka hazava eo imason'ny olona ianareo"Aoka hazava fa ny fahazavantsika no takiana amin'izany;
Ny olana fototra rehefa misy versée aroson'ny hafa mba heverina dia tsy valianareo ilay versée fa "versé" hafa no asetrinareo ilay izy: mampatsiahy ahy ireo témoin de Jehovaha manipika ny versé maro dia vao tononin-drizareo ny fiandohany tonga dia tohizako ny tohiny; Tsy guerre de versé angamba no tokony hifanakalozana fa "FAHAZOANA IZAY VOASORATRA"
Ka ny anao ny natao hoe misia "mazava" ao @ genesisy sns;;;tsy hita izay heviny raha ianao satria tahaka ny tsy nisy dikany sy tsy tokony heverina avokoa ireny rehatra ireny. Amiko mbola endrik'Atra koa izany fa tsy réduisé-na @ jesoa ny zavatra rehetra ka§
20. prime ( 07/03/2008 09:21)
rakaroka> Asa raha raisinao araka izay fahitanao azy io teny io na tsy mandinika mialoha ianao ny antony sy ny tontolo ary ny niteny azy... Jesosy no niteny an'io, efa nomena anao io ambony io ny "textes" feno... ary Jesosy miteny sy mananatra ny mpianany no miteny hoe "aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo..."Matio 5:16

Rehefa mamaky baiboly ka mandray tsoa-kevitra dia jereo aloha ny "contextes" rehetra fa aza raisina araka izay fahazoanao azy fotsiny...

Eo dia Jesosy no mananatra... ary ny fananarany dia mampitodika ny mpianatra amina Mpampianatra, "ilay tena mazava" ka mamaritra manokana ilay voambara hoe "TOY IZANY"... sy ny fampitàna izany tara-pahazavàna izany indrindra... tsy iza io alaina taratra io fa ilay tena mazava, ary tokana ny tena mazava dia Izy, Jesosy Kristy...

Ny tsy fantatrao ihany koa dia ny fototra iorenan'ny fanambaràna rehetra ao amin'ny baiboly raha izany, fa na ny tenin'Andriamanitra namoronana izao tontolo izao ao amin'ny Genesisy aza dia mamaritra feno an'i Jesosy Kristy amin'ny maha "LOGOS" Azy... (mila mbola alalininao ny hoe LOGOS vao ho azonao indray ny momba izany)... ka na manomboka any amin'ny boky voalohany, ny Genesisy ka hatrany amin'ny boky farany, ny Fanambaràna dia Jesosy avokoa no ambara ao...:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0987