fivavahana sy kolikoly

1. todisoa2 ( 14/01/2008 12:35)
Ahoana ny hevitrao raha ilazaiko fa mbola tena anjakan'ny kolikoly ny Fiangonana Lehibe?

Ialako tsiny etoana raha tezitra hianao ka ilazaiko ny nanjo ahy. 3 volana lasa izay dia nisy test nampanaovin'ny Norveziana mahakasika ilay Friedskorp Projekt, izay andefasa olona 1 handeha hanao ''Cultural Exchange'' any. Rehefa vita ny test dia tapaka ary fa ny tenanay no halefa. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia nosoloin'ilay tompon'andraikitra ambony anivon'ilay fiangonana misy ahy ny anarako, ka ny an'ny zanany no nalefany any. Mba mapalahelo ihany raha izany no mety hanjo.

Teraka ny fanontaniana hoe kolikoly ve izany sa zon'ilay tompon'andraikitra?
2. fetrakens ( 14/01/2008 13:14)
Izany no atao hoe:" kolikolim-pivavahana " koa maherèza e!
3. xxx ( 14/01/2008 13:29)
todisoa2:

Ahoana ny hevitrao raha ilazaiko fa mbola tena anjakan'ny kolikoly ny Fiangonana Lehibe?

Ialako tsiny etoana raha tezitra hianao ka ilazaiko ny nanjo ahy. 3 volana lasa izay dia nisy test nampanaovin'ny Norveziana mahakasika ilay Friedskorp Projekt, izay andefasa olona 1 handeha hanao ''Cultural Exchange'' any. Rehefa vita ny test dia tapaka ary fa ny tenanay no halefa. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia nosoloin'ilay tompon'andraikitra ambony anivon'ilay fiangonana misy ahy ny anarako, ka ny an'ny zanany no nalefany any. Mba mapalahelo ihany raha izany no mety hanjo.

Teraka ny fanontaniana hoe kolikoly ve izany sa zon'ilay tompon'andraikitra?

Fivavahana no nandraisanao anjara dia izay koa no tianao ampitaina eto.
Ny zava-misy anefa dia tsy ny fivavahana ihany no ahitana an'io fa ireo mangataka bourse rehetra dia efa anisany voa daholo koa,tafiditra amin'izany ny tenako.Mety mahantra angamba ny tena ka izay nanambola no tafiditra.Ny zokiko andeha ho any Algeria,,olona tao amin'ny fitondrana no nanova ny baolina ary tsy nisy lasa ireo ankizy niaraka taminy.Tanindrana daholo no lasa.Tsy nasiako nenina aloha ny ahy fa izay ilay fiainana ary izay koa no fitondran'Atra.Ka hoy aho hoe,tsy avy ao amin'ny fiangonana ihany fa hatraiza hatraiza.(tsolotra io e,izay manana ihany no lasa)
Eny maro ireo ambony ao am-piangonana , fitondrana, fiaraha-monina no ny zanak'izy ireo ihany no alefany.Izay ilay fitiavantena.Rehefa tsy lasa hianao dia misaora an'Atra fa mbola misy zavatra hafa tiany sy tsaratsara ampanaoviny anao aza malahelo na asiana nenina izay mitranga .
4. hery ( 14/01/2008 13:48)
Izay no anisan'ny mahatonga ny mpitondra fiangonana sasany tsy manambady :-p
5. xxx ( 14/01/2008 14:00)
Mpitondra fiangonana izy, mahafantatra an'Andriamanitra. Raha nisy ratsy nataony tokoa tao dia midi-kizo izy izany, satria tsara ho azy kokoa ny tsy nahalala.

hery:

Izay no anisan'ny mahatonga ny mpitondra fiangonana sasany tsy manambady :-p

Saika hamaly aho kanefa, ... ohatra ny tsinjoko mampiditra troll masina izy zany :P
6. rabilabila ( 14/01/2008 14:47)
hery:

Izay no anisan'ny mahatonga ny mpitondra fiangonana sasany tsy manambady :-p


Tssleee!!! Izao valinteny 'zao kosa ve dia mba rariny ?8O


7. pissoa ( 14/01/2008 17:10)
vive hery :@:@:@
:-D:-D:-D
8. hertix ( 15/01/2008 00:04)
Santionany fotsiny izany fa mbola aiza izany rehefa hitanao fa ny mpitondra fiangonana mihitsy no maka commission @ izay zavatra amoaham-bola ao am-piangonana, amboariny sy ovaovainy araka izay mampilamina azy ny fitsipiky ny fiangonana, ataony izay handakàna ny tsy mitovy firehana aminy ao am-piangonana sy maro loatra tsy voatanisa e! Saingy izao, aza mijery an'izany fa ilay Andriamanitra ivavahanao banjinina fa Izy mahafantatra izay mahatsara ny ondriny
9. soanja ( 15/01/2008 01:45)
todisoa2:

Ahoana ny hevitrao raha ilazaiko fa mbola tena anjakan'ny kolikoly ny Fiangonana Lehibe?

Ialako tsiny etoana raha tezitra hianao ka ilazaiko ny nanjo ahy. 3 volana lasa izay dia nisy test nampanaovin'ny Norveziana mahakasika ilay Friedskorp Projekt, izay andefasa olona 1 handeha hanao ''Cultural Exchange'' any. Rehefa vita ny test dia tapaka ary fa ny tenanay no halefa. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia nosoloin'ilay tompon'andraikitra ambony anivon'ilay fiangonana misy ahy ny anarako, ka ny an'ny zanany no nalefany any. Mba mapalahelo ihany raha izany no mety hanjo.

Teraka ny fanontaniana hoe kolikoly ve izany sa zon'ilay tompon'andraikitra?


Mampalahelo tokoa izany fa marina ny teninao satria betsaka tokoa amin'io fiangonana na lamina natao ho an'ny fiangonana na finoan'olona io no feno izany zava-mampalahelo izany. Fametsefetsena sy fiangarana.

Izaho manokana dia mahita izany aty ary vavolombelona tokoa . Firifiry moa ny zana-dry zareo mpitarika ny fiangonana no lasa mankaty nefa samy mifanintsana eo. Ny mampalahelo dia mody asiana fifaninanana izany.
Amiko tokony tonga de milaza hoe ny zanak'i Pasitera iann sy iann sy iann mandeh amin'ity ary amin'ny manaraka ny zanaka pasitera hafa na izay ambonimbony ao amin'ny fiangonana ao.
Tamin'ny farany dia nanontaniako ilay pasitera zavaha taty hoe fantatrao ve fa zanak'iann sy iann no aty nefa samy pasitera ireo, de ahoana izany ny zanaky ny tsy pasitera? Dia namaly moramora tamiko izy filoha ambony tao hoe tokony omena vatsim-pianarana foana ary atao laharampahamehana ny zanaky ny pasitera satria ireo no miahy ny rehatra eo ka mba valisoa ho azy ireo izany. Ny zanany no tokony handeha vao ny hafa.
Raha izay hoy aho dia tsy tokony hisy intsony ny fifaninana satria lasa mirotsaka daholo ny ankizy nefa efa fantatra mialoha izay alefa. Menatra be ilay pasitera tsy nahita havaly intsony.

Mandehana amin'ny fahamarinana foana raha mbola miasa ao aminao Andriamanitra. Modely ho an'izay Mpino ny fisianao mizotra amin'izany.




10. patrick2002 ( 15/01/2008 02:25)
Ka atao ahoana fa ny olombelona tsy maina fa lena kou :D ,dia mankahery anao izaho amin'izany fahavoazana izany .:(
11. HESHA ( 15/01/2008 05:38)
zay mihits le mahakivy ahy mande mivavaka ndraindray.
ny ahy ndray le mis manilaka ny rakitra mba mahasorena mihitsy, na te hanao le fahafolo-karena na raki-pisaorana reny aza ny tena miahotra satria toa hanjakazakan oul le iZ fa ts mande amzay asa fanasoavana eritreretin ny tena eny anivon ny Fiangonana
12. niryna ( 15/01/2008 06:58)
hery:

Izay no anisan'ny mahatonga ny mpitondra fiangonana sasany tsy manambady :-p



1 Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia,

2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,

3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana.

4 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana,

5 satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.1 Tim 4:1-5

Toa tsy mandra ny tsy hanambady ny teny ato amin'ny soratra masina ry hery
13. LazaDaddy ( 15/01/2008 07:39)
todisoa2:
Ahoana ny hevitrao raha ilazaiko fa mbola tena anjakan'ny kolikoly ny Fiangonana Lehibe?
Tsy mahagaga izany fa "rehefa nivory ny zanak'Andriamanitra dia mba tao koa i Satana"

Ao amin'ny fiangonana ny kolikoly no tena ampiasain'i Satana mafy dia mafy...azahoany fitondram-panjakana...azahoany vola toy ny mividy famelan-keloka...sns...
14. rabilabila ( 15/01/2008 08:03)
Dia ny an-dry LD dia mahafinaritra azy daholo ny resaka rehefa azo ampidirana ny resaka satana sy ny akolitany.

Tsssleeeee!!!

Dia ny an-dry niryna rehefa azo amoahana toko sy andininy.

Tsleeeee!!

:-D:-D:-D
15. fijo ( 15/01/2008 22:12)
hery,le tsy manambady indray anie loza fa manimba ny zanaky ny sasany e.

io tranga io dia misy satria tsy tena hoe mino anie le gasy kristianina e.tsy tena finoany io fa nindraminy ka tsy hatahorany.raha ten afinoany io natahorany ny nandika azy
16. todisoa2 ( 16/01/2008 07:26)
fijo:

hery,le tsy manambady indray anie loza fa manimba ny zanaky ny sasany e.

io tranga io dia misy satria tsy tena hoe mino anie le gasy kristianina e.tsy tena finoany io fa nindraminy ka tsy hatahorany.raha ten afinoany io natahorany ny nandika azy


Otrni tena mtombona alou n angah:lol::lol:
17. fijo ( 16/01/2008 21:43)
ah mety ho tena marina an.hummm
18. ikaretsaka ( 16/01/2008 22:37)
rabilabila:

Dia ny an-dry LD dia mahafinaritra azy daholo ny resaka rehefa azo ampidirana ny resaka satana sy ny akolitany.

Tsssleeeee!!!

Dia ny an-dry niryna rehefa azo amoahana toko sy andininy.

Tsleeeee!!

:-D:-D:-D


ka izay ilay mahalasa saina ahy heo iza marina no tena hinoan'i LD.. i satana sy ny akolitany sa iza.. fa toa ilay satana manko no mandeha betsaka @ resaka arosony
tssssleeeeeeeee!

ny an'i niryna indray efa tsy atao mahagaga fa ohatran'ny mivarotra kotileta @ mizilimanina e.. vavakisoa misy sira ...
tssssleeeeeeee
19. rakapy ( 16/01/2008 23:31)
Ka ireny ilay karazan'olona voafehin'ny baiboly nefa mametraka ny fikarohana ho asan'ny satana dia avy eo anie mampiasa sy miliba amin'ilay asan'ny satana ihany e!!!
20. ikaretsaka ( 17/01/2008 18:20)
de..tssssssssleeeeee indray izany raha izany ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0863