Aza misy avela hisaraka mihitsy

1. lapino ( 11/12/2007 23:41)
Tena raha mba tia ny taranaka ihany dia aza mba misara-bady izany mihitsy ry zareo a. Dia mba aza manabosibosy olona hisaraka koa. :wink:

Voaporofo manko izao fa manimba tontolo iainana ny fisaraham-panambadiana. http://fr.news.yahoo.com/afp/20071205/tod-usa-divorce-climat-environnement-7f81b96_2.html

Ary ny tena loza dia tsy mitsahatra mitombo ilay izy, hoy ny statistika ! :cry::cry:
novalian'i reve ny 16/12/2007 14:01
2. Veloo ( 12/12/2007 01:20)
marina mihitsy ny any lapino. Raha mbola misy ihany azo atao dia tokony atao indrindra ny mandefitra, sy manetry tena mila jerena ny zanaka fa tena mampalahelo be koa any ariana any:):D:lol:
3. cutie ( 12/12/2007 01:33)
refa tsy mifanaraka tsy maintsy misaraka:-D
4. Veloo ( 12/12/2007 01:47)
hahahha misy solution foana aky fa ilay devoly no manimba ny rehetra a :-D
5. cutie ( 12/12/2007 01:50)
manimba ny tontolo iainana koa:-D
6. slym ( 12/12/2007 06:04)
marina zany ry choupinou lapino ah.za alo refa manambady de hiezaka ny handefitra eh.Fa refa tro kosa ve...:wink:
7. xxx ( 12/12/2007 06:39)
ny maivan-doha no misaraka fa tena manimba ny fiainana tanteraka mihitsy io, ny mpampisaraka koa mba ento mora ihany fa mitadiava olona celibat raha ohatra ka te hanambady:-D
8. slym ( 12/12/2007 06:44)
xxx ko masika.
9. lapino ( 12/12/2007 10:49)
Aleo somary asiana hira kely e ! http://www.youtube.com/watch?v=fpzDJFvmYwk&feature=related :wink:

ny tonony sy ny tondrom-peo http://www.ultimate-guitar.com/tabs/j/jackie_deshannon/what_the_world_needs_now_is_love_crd.htm

o^oo^o
10. meva2 ( 12/12/2007 11:00)

Ny "maivan-doha" no miteniteny foana sy manome tsiny ny sasany RY xxx. Ianareo angaha no teo amin'ny toeran'ireny olona ireny?
Misy ny olona natao hiaraka, misy ny tsy natao hiaraka.
Ny olona tsy mifanaraka, miady lava, tsy mifanaja, heverinareo fa tsy manimba zavatra angaha?
- Fijalian'ny saina
- Fijalian'ny fo
- Fijalian'ny zanaka
- Fahasorenana eo anivon'ny fiaraha-monina
- Miantraika amin'ny fiainana andavan'andro, asa, toetra....
ka aiza no tsy manimba ny tontolo iainana ?????
11. cutie ( 12/12/2007 13:14)
ka aiza no tsy manimba ny tontolo iainana ?????

mazava ho azy :)
12. sakaizakely ( 12/12/2007 13:34)
dakodak am meva2 pour une fois

ny maivandoha no miseho mitsaratsara ivelany tsy mahita izay any antranon'olona

iareto zay anareo dia avelao ny olona hanao izay fantany fa mety @ fiainany. Raha tsara ny ataonao dia efa ela ianao no nijoro ho modely fa tsy miafina ambadika xxx


13. Zina ( 12/12/2007 13:39)
xxx [ Valio ] 12-12-2007 07:39:05
Lohateny : Re : Aza misy avela hisaraka mihitsy
ny maivan-doha no misaraka fa tena manimba ny fiainana tanteraka mihitsy io


mety mbola andeha amin'io maivan-doha io ianao fa aza dia mi-assurer-tena be loatra...
Fiteny mahery izany fiteninao izany
14. xxx ( 12/12/2007 15:51)
meva2:


Ny "maivan-doha" no miteniteny foana sy manome tsiny ny sasany RY xxx. Ianareo angaha no teo amin'ny toeran'ireny olona ireny?
Misy ny olona natao hiaraka, misy ny tsy natao hiaraka.
Ny olona tsy mifanaraka, miady lava, tsy mifanaja, heverinareo fa tsy manimba zavatra angaha?
- Fijalian'ny saina
- Fijalian'ny fo
- Fijalian'ny zanaka
- Fahasorenana eo anivon'ny fiaraha-monina
- Miantraika amin'ny fiainana andavan'andro, asa, toetra....


ka aiza no tsy manimba ny tontolo iainana ?????


kay tena azafady fa tsy lasa tany amin'io blem tranga ireo ny saiko...
ny matetika itako mantsy dia miodina i kala na i ramose dia mendimendy hoe ndao hisaraka anefa avy eo tsy lasa alavitra akory ilay tokan-trano vaovao dia manenina an-dranomaso daholo avy eo nefa ny fiainana rehetra efa potika ny fananana efa voazara potipotika...
misy ny sasany manao hoe raha à refaire ny fiainako dia tsy nisaraka aho, tsy nandeha aho sns.....
ka izay no hataoko hoe maivan-doha......
:wink:




15. simplex ( 12/12/2007 21:47)
lapino:
Tena raha mba tia ny taranaka ihany dia aza mba misara-bady izany mihitsy ry zareo a.
lol
marina zany e.

lapino:
Dia mba aza manabosibosy olona hisaraka koa.:wink:
zany hoe matetika tsy dia fitiavana hisaraka loatra no antony hisarahan'ny ol fa misy antony ao. Ra ampirafesina eo imasony kosa ve dia mbola hisisika ihany :roll: Ra darohany sy vonoiny tsy hanany antra, mety hoe imason'ny ankizy mintsy aza, ve dia mbola hijanona ao ihany?
Miala tsiny fa ra ny anambaviko alou tsy avelako hiaritra an'zany e :):lol:
bon, cas extreme ireo fa te hi-;-) an'le :wink: fotsiny ah, fa en general tena en dernier ressort mintsy vao misaraka izany e ^:^^:^

lapino:
Voaporofo manko izao fa manimba tontolo iainana ny fisaraham-panambadiana. http://fr.news.yahoo.com/afp/20071205/tod-usa-divorce-climat-environnement-7f81b96_2.html
Mino aho fa publication en bonne et du forme t@ journal iray io ka aleo tsy hikihana be fahatany fa tsy maintsy nisy chiffre sy reference tao.
Kanefa kosa, raisonnement tsotsotra fotsiny,
* hatr@ zao alou, indrindra fa @ tany mandroso dia olona 2 ihany no mpivady ary manorona tokan-trano. Izany hoe ra tsy ilay bandy/sipa no teo dia olon-kafa no misolo toerana, tsy tokony ho anisan'ny cause majeure an'ny fananganana trano ny fisian'ny divorce.
Zany hoe ra manambady an'i x i y ka nisaraka ry zareo dia niaraka t@ z i x, dia nanao trano vaovao. Nitombo iray zany ny trano kanefa aza adino fa ra tsy nisaraka aza i x sy i y dia mbola nety nisy t ihany niaraka t@ z ary i t sy z nanorina trano ;-) zany hoe evolution naturelle io fa tsy hoe divorce akory.
=> plutot phenomene ekonomika ny fananganana trano.

* Marina fa ny fitomboan'ny tokan-trano mampitombo ny fandaniana angovo sy rano fa araka ilay teniko teo hoe misy foana ny misolo-toerana ary na mijanona selibany aza izy, dia hiakatra 56% ve tombony? tsy aleo mitady mpanafana hafa :°)
Et encore, manimba tontolo iainana ve ny fampiasana herin'aratra sy rano? :roll:

=> tsisy ilavana azy!!! ilay article :b:b
ny fiovana tsy maintsy misy foana fa ny fahaizana mitandro ny tontolo iainana no tokony hiezahana. Mamboleha vonikazo, aza mandoro bozaka,...
Le resaka Kyoto ireny no tena tokony hilofosana fa fianakams kely ary ve dia hahavita firy @ gaz a effet de serre eo 8)

lapino:
Tena raha mba tia ny taranaka ihany dia aza mba misara-bady izany mihitsy ry zareo a.
tsy ho efa afaka mipetraka eny @ volana sy marsa kosa ve ny zanak'olombelona refa tonga ny tena fahasimban'ny tontolo iainana tanteraka eto antany :) nofinofy :P

;-)
16. pissoa ( 12/12/2007 22:24)
simp:
* hatr@ zao alou, indrindra fa @ tany mandroso dia olona 2 ihany no mpivady ary manorona tokan-trano. Izany hoe ra tsy ilay bandy/sipa no teo dia olon-kafa no misolo toerana, tsy tokony ho anisan'ny cause majeure an'ny fananganana trano ny fisian'ny divorce.
Zany hoe ra manambady an'i x i y ka nisaraka ry zareo dia niaraka t@ z i x, dia nanao trano vaovao. Nitombo iray zany ny trano kanefa aza adino fa ra tsy nisaraka aza i x sy i y dia mbola nety nisy t ihany niaraka t@ z ary i t sy z nanorina trano zany hoe evolution naturelle io fa tsy hoe divorce akory.
=> plutot phenomene ekonomika ny fananganana trano.

nope !
tsy voatery hisy partenaire foana i z refa tsy niaraka tamin'i y. betsaka ny antony ... ohatra hoe ny isan'ny vehivavy vs lehilahy eto an-tany :-D:-D:-D:-D:-D

fa na zany na tsy zany, ny isan'ny trano no mety mitombo fa tsy ny isan'ny mponina (raha tsy hoe manao tera-bitro isaky ze manambady :wink: ) ! izany hoe tsy voatery hitombo ny isan'ny mpanjifa izay mety manimba tontolo iainana rehetra.

fa zany akory tsy midika hoe misaraha a !

hevitr'olona tsy namaky an'le article akory io fa namaky ny tenin'i simp fotsiny :oops::oops::oops:
17. soanja ( 13/12/2007 05:06)
Sao dia ny mariazy ary izany no tokony hofohanana satria tsy mahalala izay vadiany ny olona.
Fantany ve ny dikan'ny mariazy sa natao ho tanjona ilay izy satria fahamendrehana?
18. xxx ( 13/12/2007 06:21)
soanja: ka marina mitsy izany...itako mbetsaka mihintsy ny olona mitoktrano amin'izao tsy manao mariazy anefa mandeha ihany......
19. xxx ( 13/12/2007 07:58)
lapino:

Aleo somary asiana hira kely e ! http://www.youtube.com/watch?v=fpzDJFvmYwk&feature=related :wink:

ny tonony sy ny tondrom-peo http://www.ultimate-guitar.com/tabs/j/jackie_deshannon/what_the_world_needs_now_is_love_crd.htm

o^oo^o


http://www.youtube.com/watch?v=7VUIX0-E60I&feature=related

20. Mannou ( 13/12/2007 11:28)
lapino:

Tena raha mba tia ny taranaka ihany dia aza mba misara-bady izany mihitsy ry zareo a. Dia mba aza manabosibosy olona hisaraka koa. :wink:

Voaporofo manko izao fa manimba tontolo iainana ny fisaraham-panambadiana. http://fr.news.yahoo.com/afp/20071205/tod-usa-divorce-climat-environnement-7f81b96_2.html

Ary ny tena loza dia tsy mitsahatra mitombo ilay izy, hoy ny statistika ! :cry::cry:


Ka ny fisarahana kosa anie tsy sitrapo akory e, toa rehefa tena tsy mifanaraka tsony zay tokoa hono d tena manahirana ko. Mila fifandeferana angamba no tena mety.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0809