Ny fahotana.

1. Ylly ( 07/11/2007 14:23)
Ao isika mba handinika kely ny atao hoe >>fahotana
novalian'i rapala ny 10/11/2007 17:55
2. Ylly ( 07/11/2007 15:50)
tohizako kely indray.

Ny ota sy ny lalàna : Ny lalàna no mampibaribary ny fahotàna (lois et règles) + fahalalàna ny tsara sy ny ratsy (conscience individuelle ou communautaire) + fibitsiky ny Fanahy Masina.
Romana 3:19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ny lalàna dia lazainy amin’izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao, 20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota. 21 Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, tsy amin’ny lalàna anefa, fa ambaran’ny lalàna sy ny mpaminany,
Tsy ny lalàna no nampisy ny ota. Tsy izy no mampirongatra ny ota. Ary ny lalàna tsy mahafaka na fomba entimiady @ fahotana
3. Ylly ( 07/11/2007 15:52)
dia ny manaraka.

Ny ota sy ny heloka: Ota - atao amin’Andriamanitra, na manoloana an’Andriamanitra, heloka - atao aman’olona, na manoloana ny fiarahamonina. (aoka tsy afangaro @ contexte firenen’ny israely izay noho ny didin’Andriamanitra nampiharina ho lalàna mifehy ny fiarahamonina dia ota mira heloka, ) oh : Levitikosy 20, izay meloka dia atao maty eo no ho eo.
Jaona 8:10 Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va? Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony. Mampiala azy @ fahotàna Jesosy fa tsy manameloka azy
4. ikaretsaka ( 07/11/2007 16:12)
ylly:
famaritana =FINIAVANA (volontairement) - fandikàna ny didin’Andriamanitra (désobeissance et transgression), Fihantsiana an’Andriamanitra @ tsy fankatoavana ny teniny, fanaovana ny ratsy (evil), fiviliana miala @ làlana mahitsy , fandikàna ny tenin’Andriamanitra misy endrika etraketraka sy faharatsiana (violence sy injustice) @ olona IJaona 5:17, IJaona 3:4 Izay rehetra manota no mandika ny lalana; fa ny ota no fandikana ny lalàna
. dia ahoana indray ilay fahotana t@ fototra?
sy ilay lazalazain'ny mpitory tenin'ny secte hoe mpanota mpanota nefa ireny olona tondroiny ireny dia saika "involontaire" izy izany no nanota? misy tsy nahalala izany didin'A/tra izany akory misy tsy mahalala tenin'Andriamanitra akory?
Na ohatra hoe mpanao Jihad izy.. misy "tenin'Andriamaniny" narahiny tsara an-tsakany sy andavany!
nanota ireny sa tsia?
5. Ylly ( 07/11/2007 17:29)
hoy Ikaretsaka>>>>>>>dia ahoana indray ilay fahotana t@ fototra?
sy ilay lazalazain'ny mpitory tenin'ny secte hoe mpanota mpanota nefa ireny olona tondroiny ireny dia saika "involontaire" izy izany no nanota?
6. Ylly ( 07/11/2007 17:31)
tohizako kely indray aloha.


Ny ota sy ny fitondrantena.

Ny ota mety tsy hita mazava eny ivelany, mety tsy mbola tra-tehaka ho heloka. Fa ny ota dia avy @ fo, ao anaty. Tsy afaka manameloka ny ota ny fitsaran’olombelona, fa saingy manameloka ny ota Andriamanitra.
Matio 15:19 fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, na fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy
7. ikaretsaka ( 07/11/2007 17:42)
rehefa ratsy fitondran-tena izany dia mpanota?
dia ahoana ireo izay "mihevitra ny tenany" ho tsara fitondran-tena?
8. fijo ( 07/11/2007 21:31)
tsara le fanontaniana????
ary raha tsy manaraka ny lalanan'andriamanitra nfa manaraka nylalanan'ny firenena ,de manota ve?
9. niryna ( 08/11/2007 05:25)
[quote=Ylly]
Ao isika mba handinika kely ny atao hoe >>fahotana
10. niryna ( 08/11/2007 05:32)
Ylly:

.Ampy ahy Jesoa sy ny fandihihina ny didin'Andriamanitra.

=D
Sady na inona olana na inona tantara nihantra tamin'ny olombelona dia saika efa voalazan'ny ao amin'ny baiboly avokoa,tsy anasorana,tsy analana.Raha mamaky boky isika dia mety tsy hisy fiafarana ilay izy fa ankamatatra ny sasany,ny baiboly kosa dia manambara amintsika ny misiterin'Atra ,ny fanasitranany ireo marary na ara-panahy na ara-tsaina,ireo mijaly dia mahita fifaliana rehefa tena manankina ny fiainany tokoa amin'i Kristy.Atra efa niteny fa tsy hamela antsika ho irery izy.Teniny io ka hatramin'izao dia mbola notanterahany ihany.

^:^

11. Ylly ( 08/11/2007 08:00)
hoy Ikaretsaka>>>>>>>rehefa ratsy fitondran-tena izany dia mpanota?>>>ratsy sy ny tsara @ nao?
ohatra iray no omeko anao r'isé a!ny fitondran-tena @ fihalonana,fihavonavonana,tsara ve zany @ nao?tsy ota ve izany?Nefa kosa misy ny>>>>>>ota tsy nahy>>>ary raha tsy manaraka ny lalanan'andriamanitra nfa manaraka nylalanan'ny firenena ,de manota ve?
12. Ylly ( 08/11/2007 08:01)
hoy niryna>>>>>>>Atra efa niteny fa tsy hamela antsika ho irery izy.Teniny io ka hatramin'izao dia mbola notanterahany ihany.
13. tsiafoi1 ( 08/11/2007 09:11)
Fijo : ny tsy fanarahana ny lalan'Andriamanitra, dia ota atao amin'Andriamanitra, aferao sy Andriamanira ny mi-réglé azy.

ny tsy fanarahana ny lalan'ny firenena, dia ota atao amin'ny firenena, aferanao sy Fanjakana ny mi-réglé azy.

14. pimaso ( 08/11/2007 10:40)
ny Fahotana dia fandikana ny Didy folo, fahafatesana ny tambiny
fa i jesoa kristy kosa dia manome aina sy fitiavana,
tsy tonga handrava ny didy aho hoy izy...
Mamela heloka izy, ka araraoty izany tombotsoanao izany,...
Amen
15. ikaretsaka ( 08/11/2007 13:09)
Fa maninona kay
Ylly:
mbola nahita na nahafantatra olona ratsy fitondran-tena ka nolazaina hoe tsara fa tohizo zao fitondran-tenanao izao ve ianao r'isé?dia efa lazaina hoe"ratsy" ve dia mbola tsy ota hiany izany ratsy izany?inona nodikan'ny hoe ratsy sy ny tsara @ nao?
arakarak'ilay point de vuen'ilay olona io ka, Ts'isy hafa @ Silamo sy ny terrorisma sns.. ihany io e! ny tsara aminy dia mety ho ratsy amintsika, na ny Jiosy miady aminy any Israely: ny Tsara amin'ny Jiosy ratsy amin'ny silamo
Na ny samy Kristianina any Irlande, ny tsara amin'ny andaniny ratsy amin'ny ankilany

Ota tsy nahy : samihafa ny involontaire sy ny inconscient izay samy tsy nahy (tsy fanahy iniana) no andikan’ny teny malagasy azy. Samy fahotana daholo anefa izany satria misy safidy foana manoloana ny fahotana, libre arbitre. Eny fa na dia voatery mihatra aman’aina aza dia mbola misy foana safidy mipetraka: hamoy aina ve sa hanota (ex : otage, chantage, …, tsy fananana haninkohanina,…sns)

izya ilay hoe arakarak'ilay cause io Ramose, Izay ilay hoe "fijery" lazaiko any ambony

hoy FijoL ary raha tsy manaraka ny lalanan'andriamanitra nfa manaraka nylalanan'ny firenena ,de manota ve?inona moa no atao hoe alanan'ny firenena?

Raha manao soa, tsy mamono ny mpiara belona, tsy misy fialonana tsisy lilil. Betsaka ny tany sy ny tanana , eny na any M/kara aza, tsy mahalala an'A/tra akory nefa dia mandry fehizay, dia manota ve ireny olona ireny.
Ethics, fifanajana, morals,fahatsapan-tena no mitondra ny societe-ny.
di amanota ve ireny.
Izany hoe ny olona franc nefa ignorant izany Mpanota?
Amiko aloha tsia e. Atao mino fotsiny izy dia izay!

16. koffman ( 08/11/2007 13:32)
pimaso:
fa i jesoa kristy kosa dia manome aina sy fitiavana,
tsy tonga handrava ny didy aho hoy izy...
Mamela heloka izy, ka araraoty izany tombotsoanao izany,...

Hamafisiko kely :
VAKIO MATIO 22 :
36-Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin\'ny lalàna?
37 Dia hoy Jesosy taminy: \"Tiava an\'i Jehovah Andriamanitrao amin\'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra\" ( Deo.6.5).
38 Izany no didy lehibe sady voalohany.
39 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: \"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao\" ( Lev.19.18).
40 Izany didy roa izany no ihantonan\'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany
.

izany hoe didy 2 no mandravona ny didy reetra:
-Tia ny Jehovah Atrao ianao @ fankatoavana Azy (Hajao ny andro fahafito: Andron\'ny Jehovah)
-RAh niteny Atra oe Aza mangalatra tsy ny namanao ve no hangalaranao?Aza mijangajanga, aza mandainga.... ny namanao daholo no hiharan\'izany reetra izany. Izany hoe rah tia ny namanao enao de tsy hanao izay mety hanafintohina azy. De izay le didy faharoa.

Fa tsy sanatria tsy akory oe tsy manankery intsony ny didy 10 rah naravona dia ireo didy 2 ireo no mandravona azy.:)


17. ikaretsaka ( 08/11/2007 14:02)
ndao hifankatia isika sy koffman ary:wink:
18. koffman ( 08/11/2007 14:45)
ka tsy izany ve no didy e, "mifankatiava", sady tsy izany koa ve no hifaneraserana eto e! hitady namana hotiavina :D:-D
namana ho ah an!
19. rabilabila ( 08/11/2007 14:53)
Raha manao soa, tsy mamono ny mpiara belona, tsy misy fialonana tsisy lilil. Betsaka ny tany sy ny tanana , eny na any M/kara aza, tsy mahalala an'A/tra akory nefa dia mandry fehizay, dia manota ve ireny olona ireny.
Ethics, fifanajana, morals,fahatsapan-tena no mitondra ny societe-ny.
di amanota ve ireny.
Izany hoe ny olona franc nefa ignorant izany Mpanota?
Amiko aloha tsia e. Atao mino fotsiny izy dia izay!


Melci e!!:lol:
20. rabilabila ( 08/11/2007 14:56)
oups!!

Atao mino fotsiny izy dia izay!


Melci latsaka fahefany indray fa tsy hitako ilay hehezan-teny farany io ambony io:-D:-D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0741