Inona no hevitra tiana ho tenenina amin'ireto?

1. niryna ( 11/10/2007 05:19)
Misy teny ireto Inona avy no heviny ?

1- Tezera, fa asa manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Efe 4:26



2- Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,

Fandrao hianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.Ohabolana 22:24-25

Misaotra mialoha.:D

(l)niryna
novalian'i niryna ny 23/10/2007 17:18
2. deric ( 11/10/2007 06:27)
Heveriko fa ny manan-tsaina rehetra dia samy manana ny zavatra mahatezitra azy, mety ho ny zavatra tsy araka ny noheveriny no mitranga sy miseho ohatra.
Indrindra fa raha olom-belona dia mitombina tsara raha toa ka misy ny fotoana mahatezitra azy. Eny fa na dia Andriamanitra az dia mety tezitra, toy izany koa JEsosy Zanany izay naneho ny fahatezerany tamin'ireo olona nanao tsena ny tempoly tao Jerosalema.
Misy ilana azy ihany ny fahatezerana, nefa raha io soratra masina io jerena dia mamaritra avy hatrany ny fetran'ny fahatererana tokony havoaka na haseho, indrindra mampitandrina koa fa tsy noho ny fahatezarana no lalana hidirana amin'ny fahotana.
Rehefa tsy voafehy mantsy ny fahatezerana dia miteny hiteniteny foana, mety hamono, mety....
Tsy tokony ho tratry ny masoandro milentika hoy ny soratra masina satria heverika fa rahaizay no mitranga dia mety hifara amin'ny lolom-po izany.
Ny amin'ny amin'ilay faharoa indray dia tsy tsara ny miaraka amin'ny olona foizina satria mety ho voataonany amin'izay heveriny hatao izay miaraka aminy; amiko koa dia manimba saina sy manorisory koa izany e! misaotra.
3. Mandefitra ( 11/10/2007 07:54)
Miombon-kevitra @ Deric.
Ampiako hoe, rehefa alina (maty masoandro) no tena miasa ny ratsy (ny mpamosavy,ny mpanendaka, ny mpagalatra, ny devoly ...), ka ra mbola tezitra ianao mety manokatra lalana ho an-dry zareo ...

hoy ny hira hoe:
Raha alina mangina ka hatory
tsarovy eo ny ota zay natao
ka dia ifony mafy sy itsory
ndrao maningotra anao
4. diamondra27 ( 11/10/2007 08:32)
niryna:

Misy teny ireto Inona avy no heviny ?

1- Tezera, fa asa manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Efe 4:26



2- Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,

Fandrao hianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.Ohabolana 22:24-25

Misaotra mialoha.:D

(l)niryna



____________________________

le 1 : dia hoe: raha manana zavatra naha -tezitra anao ianao dia aoka hamela ilay olona fa aza mitazona alahelo aminy.

le 2: raha mi-frequenter olona iray ianao dia en général manaraka ny ataony koa. Fantatr'Atra zany ary ampitandremany isika mba tsy hifandray @ olona tahaka izany fandrao ho lavo.
Jereo fotsiny raha misy olona 7 /10 zao samy misafoaka daholo dia ilay 3/10 calma à force miaraka @ireo de hahazo ny pression sy ny geste mal placé de manaraka tsy fidiny: @ famaliana azy ohatra we: @ fitenenana na fihetsika sns...
5. prime ( 11/10/2007 12:07)
niryna:
Misy teny ireto Inona avy no heviny ?

1- Tezera, fa asa manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Efe 4:26
... ny tena heviny ry niryna aloha dia Andriamanitra angamba no tena mahay manazava kokoa ny tiany ambara, fa raha ny kely mba fantatro dia anisan'ny lalana haingana ho amin'ny fahotàna ny fahatezerana ka mila miambina mandrakariva... no sady ihany koa tsara raha entina eo am-pototry ny hazofijalian'i Kristy isanandro, mialoha ny masoandro milentika, mialoha ny herinandro vaovao, mialoha ny volana vaovao, mialoha ny taona vaovao, mialoha ny ahafatesana... ny hatezerana ka mba iasan'Andriamanitra amin'ny tsirairay ka hifamelàna amin'izay natao rehetra ka mba fitiavana sy fifankatiavana no iatrehana ny andro, ny herinandro, ny volana, ny taona, vaovao... ny fitsanganana amin'ny maty... sy ny andro sisa rehetra...

Ny amin'ilay teny faharoa dia angamba efa voalazan'ny namana ny tena ventin-kevitra ka dia manohana ireo voalaza ireo...

Mahereza...
6. Kwasi ( 11/10/2007 13:56)
1- Tezera, fa asa manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Efe 4:26


Teny nomena antsika mba hifehy ny fahatezerana.
Ny fahatezerana manko dia fihetseham-po anisan'ny mahery vaika, ka mety ahavitana zavatra ratsy tsy fanao [fahotana] raha tsy voafehy. Indrindra moa fa hoe tahirizina maharitra [tratry ny masoandro milentika].

2- Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,

Fandrao hianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.Ohabolana 22:24-25


Miombonkevitra @ i Diamondra.
Tadidio marina tokoa fa ny fihetseham-po dia mifindra vetivety toy ny valan'aretina (tahaka ilay manoaka ihany io), ka raha olona mora tezitra no iarahana dia mety hitovy aminy raha tsy manana ny hery enti manohitra ilay hatezerana. Ary ny olona tezitra koa matetika dia maharesy lahatra ny manodidina azy @ antony mampahatezitra azy. Raha miomana ny hanome valinkafatra moa ilay olona dia mety ho voataonany ianao namany ka izay no maha-fandrika azy.

Dia inona moa izany fa tsy hoe... Tsiky ihany dia ampy e!:)
7. ikaretsaka ( 11/10/2007 16:14)
afaka manao tezitra ianao faaza minamana @ olona tezitra!
-->rehefa resaka hatezerana dia rehefa ny olona de tsy ok fa rehefa ianao dia ok rehefa tsary mbola nanota ianao!

dia aza manao ny fataon'ny olona tezitra (na ilay manota na tsy ilay...tsy misy fanazavana izany eto) sao matimaty foana (na nanota na tsy nanota)

raha ohatra ka tezitra izany ianao na ilay olona namanao dia ialao pa lavitra be na ilay olona no asaivo mipitsika sy atao hoe aza minamana amiko fa za mora tezitra:-D
8. fijo ( 11/10/2007 19:58)
ilaina ny tezitra,satria tsy voatery hanaiky izay atolotra eo foana koa ny tena.nefa aoka ahay hifehy tena,fa tsy hoe tezitra aho dia handravatsena.ialao io fa ratsy.
aza miaraka amin'ny tezitra,fa voaromoromo ao koa ny hiafarany.rehefa manao ny tsy voahevitra izy;

ary aza atao mihoatra ny masoandro maty ny hatezerana,fa :"izay tsy miady olombodo ,fa izay to fo mpamosavy"io mahafehy azy tsara
9. ikaretsaka ( 11/10/2007 23:17)
"izay tsy miady olombodo ,fa izay to fo mpamosavy"

HS kely!
hay moa izay tokoa io ohabolana io:oops:
efa tao an-tsaiko tao ihany fa
tsy sahiko napoitra fa neveriko fa Y" manko ilay "O" any @ faran'ny teny faha 4 @ ilay ohabolana:oops:
fona aho fona aho
10. niryna ( 12/10/2007 07:06)
deric:

Heveriko fa ny manan-tsaina rehetra dia samy manana ny zavatra mahatezitra azy, mety ho ny zavatra tsy araka ny noheveriny no mitranga sy miseho ohatra.
Indrindra fa raha olom-belona dia mitombina tsara raha toa ka misy ny fotoana mahatezitra azy. Eny fa na dia Andriamanitra az dia mety tezitra, toy izany koa JEsosy Zanany izay naneho ny fahatezerany tamin'ireo olona nanao tsena ny tempoly tao Jerosalema.
Misy ilana azy ihany ny fahatezerana, nefa raha io soratra masina io jerena dia mamaritra avy hatrany ny fetran'ny fahatererana tokony havoaka na haseho, indrindra mampitandrina koa fa tsy noho ny fahatezarana no lalana hidirana amin'ny fahotana.
Rehefa tsy voafehy mantsy ny fahatezerana dia miteny hiteniteny foana, mety hamono, mety....
Tsy tokony ho tratry ny masoandro milentika hoy ny soratra masina satria heverika fa rahaizay no mitranga dia mety hifara amin'ny lolom-po izany.
Ny amin'ny amin'ilay faharoa indray dia tsy tsara ny miaraka amin'ny olona foizina satria mety ho voataonany amin'izay heveriny hatao izay miaraka aminy; amiko koa dia manimba saina sy manorisory koa izany e! misaotra.



misaotra anao nanazava

http://www.abcnews.go.com/US/story?id=3712960&page=1

Nisy ankizy lahy 14 taona tsy nahazo nianatra fa niady.Noho ny fahatezerana tafahoatra sady tsy dia ampy saina loatra koa hono ity zazalahy dia namaly faty ny mpampianatra izy sady efa nandrahona ny namana fa tsy nino ity namana,ka nitondra basy roa samihafa .Mpampianatra roa no notofiriny ary mpianatra roa ary avy eo notofiriny ny tenany ka maty.
11. niryna ( 12/10/2007 07:08)
Mandefitra:

Miombon-kevitra @ Deric.
Ampiako hoe, rehefa alina (maty masoandro) no tena miasa ny ratsy (ny mpamosavy,ny mpanendaka, ny mpagalatra, ny devoly ...), ka ra mbola tezitra ianao mety manokatra lalana ho an-dry zareo ...

hoy ny hira hoe:
Raha alina mangina ka hatory
tsarovy eo ny ota zay natao
ka dia ifony mafy sy itsory
ndrao maningotra anao



:roll: dia mila mivavaka sy manadio tena tokoa izany alohan'ny hatoriana e
12. niryna ( 12/10/2007 07:16)
diamondra27:

[quote=niryna]
Misy teny ireto Inona avy no heviny ?

1- Tezera, fa asa manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Efe 4:26


2- Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,

Fandrao hianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.Ohabolana 22:24-25

Misaotra mialoha.:D

(l)niryna



____________________________
[quote=diamondra]
le 1 : dia hoe: raha manana zavatra naha -tezitra anao ianao dia aoka hamela ilay olona fa aza mitazona alahelo aminy.
ie,jereo ilay vaovao nalefako ao amin'i hafatry deric io fa nisy ankizy lahy tsy nahataty ny hatezerana dia niverina tany am-pianarana izy ka notofiriny ny mpampianany sy ankizy tandrifiny
http://www.abcnews.go.com/US/story?id=3712960&page=

le 2: raha mi-frequenter olona iray ianao dia en général manaraka ny ataony koa. Fantatr'Atra zany ary ampitandremany isika mba tsy hifandray @ olona tahaka izany fandrao ho lavo.
Jereo fotsiny raha misy olona 7 /10 zao samy misafoaka daholo dia ilay 3/10 calma à force miaraka @ireo de hahazo ny pression sy ny geste mal placé de manaraka tsy fidiny: @ famaliana azy ohatra we: @ fitenenana na fihetsika sns...

toy ny aretina mifindra ilay izy izany

13. niryna ( 12/10/2007 07:19)
prime:

niryna:
Misy teny ireto Inona avy no heviny ?

1- Tezera, fa asa manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Efe 4:26
... ny tena heviny ry niryna aloha dia Andriamanitra angamba no tena mahay manazava kokoa ny tiany ambara, fa raha ny kely mba fantatro dia anisan'ny lalana haingana ho amin'ny fahotàna ny fahatezerana ka mila miambina mandrakariva... no sady ihany koa tsara raha entina eo am-pototry ny hazofijalian'i Kristy isanandro, mialoha ny masoandro milentika, mialoha ny herinandro vaovao, mialoha ny volana vaovao, mialoha ny taona vaovao, mialoha ny ahafatesana... ny hatezerana ka mba iasan'Andriamanitra amin'ny tsirairay ka hifamelàna amin'izay natao rehetra ka mba fitiavana sy fifankatiavana no iatrehana ny andro, ny herinandro, ny volana, ny taona, vaovao... ny fitsanganana amin'ny maty... sy ny andro sisa rehetra...

Ny amin'ilay teny faharoa dia angamba efa voalazan'ny namana ny tena ventin-kevitra ka dia manohana ireo voalaza ireo...

Mahereza...



Misaotra anao.Ny fahatezerana tokoa mety hitarika fahotana raha mitohy ka mamaly faty ilay olona nahatezitra azy iny.Fa afaka tezitra isika satria olombelona ihany:D Aza manota izany koa ve tsy azo lazaina hoe aza mamaly ratsy ny ratsy?
14. niryna ( 12/10/2007 07:24)
Kwasi:

1- Tezera, fa asa manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Efe 4:26


Teny nomena antsika mba hifehy ny fahatezerana.
Ny fahatezerana manko dia fihetseham-po anisan'ny mahery vaika, ka mety ahavitana zavatra ratsy tsy fanao [fahotana] raha tsy voafehy. Indrindra moa fa hoe tahirizina maharitra [tratry ny masoandro milentika].

2- Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,

Fandrao hianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.Ohabolana 22:24-25


Miombonkevitra @ i Diamondra.
Tadidio marina tokoa fa ny fihetseham-po dia mifindra vetivety toy ny valan'aretina (tahaka ilay manoaka ihany io), ka raha olona mora tezitra no iarahana dia mety hitovy aminy raha tsy manana ny hery enti manohitra ilay hatezerana. Ary ny olona tezitra koa matetika dia maharesy lahatra ny manodidina azy @ antony mampahatezitra azy. Raha miomana ny hanome valinkafatra moa ilay olona dia mety ho voataonany ianao namany ka izay no maha-fandrika azy.

Dia inona moa izany fa tsy hoe... Tsiky ihany dia ampy e!:)



ie,nisy vhvvy izay mora tohina be ary misy tsininy daholo ny olona eo aminy.Nisy fivoriana tampoka izahay ka izy andeha haka rivotra kely no nitotona ilay ora dia nisafoaka mafy tsy nisy toa izany izy.Rehefa nanontaniako moramora ilay antony dia ny ranomasony no nipatrapatraka ka talanjona aho fa tsy nampoiziko.Hay izy tsy tia terena intsony hono fa hatry ny mbola kely dia voaterin-dreniny foana izy ka lasa toetra ratsy tsy tiany ilay izy.
Io ilay zavatra kely tsy ampoizina mety mahazo rehefa misy fifandrifian-javatra
15. niryna ( 12/10/2007 07:30)
ikaretsaka:

afaka manao tezitra ianao faaza minamana @ olona tezitra!
-->rehefa resaka hatezerana dia rehefa ny olona de tsy ok fa rehefa ianao dia ok rehefa tsary mbola nanota ianao!

ahoana koa izany?

dia aza manao ny fataon'ny olona tezitra (na ilay manota na tsy ilay...tsy misy fanazavana izany eto) sao matimaty foana (na nanota na tsy nanota)

Ny ho faty aloha dia samy andalo izany daholo ,fa ilay olona tsy namela na nangataka famelana raha sendra maty tampoka no dange.Izay no mahatonga antsika mila mihomana isan'andro.Mila mamaky ny tenin'Atra mba ahafantarana izay tiany ataontsika,sa tsy izany?

raha ohatra ka tezitra izany ianao na ilay olona namanao dia ialao pa lavitra be na ilay olona no asaivo mipitsika sy atao hoe aza minamana amiko fa za mora tezitra:-D

iLay hialana lavitra aloha dia mety tsara,fa mila mivavaka ho azy ihany koa fa tsy ho voatery hinamana aminy intsony raha tena grave ny nataony.Ilay hiteny hoe aza minamana amiko indray aloha dia ......

16. niryna ( 12/10/2007 07:31)
fijo:

ilaina ny tezitra,satria tsy voatery hanaiky izay atolotra eo foana koa ny tena.nefa aoka ahay hifehy tena,fa tsy hoe tezitra aho dia handravatsena.ialao io fa ratsy.
aza miaraka amin'ny tezitra,fa voaromoromo ao koa ny hiafarany.rehefa manao ny tsy voahevitra izy;

ary aza atao mihoatra ny masoandro maty ny hatezerana,fa :"izay tsy miady olombodo ,fa izay to fo mpamosavy"io mahafehy azy tsara



=D:*
17. niryna ( 12/10/2007 07:34)
ikaretsaka:

"izay tsy miady olombodo ,fa izay to fo mpamosavy"

HS kely!
hay moa izay tokoa io ohabolana io:oops:
efa tao an-tsaiko tao ihany fa
tsy sahiko napoitra fa neveriko fa Y" manko ilay "O" any @ faran'ny teny faha 4 @ ilay ohabolana:oops:
fona aho fona aho

ny ahy indray hoe olona bodo,toy ny zaza bodo izany ika a= olombodo.:D
Sao dia hoe olom-boto ilay izy aloha e.

18. niryna ( 12/10/2007 16:45)
oops,toa diso izany teny izany ka
Izay tsy miady olom-po fa izay to-fo mpamosavy.
Olon'ny fo ,olona mora tohana ny fony=olona mora tezitra. sa ahoana fa ilay teny gasy koa toa sarotrarotra be izany indraindray:oops:
19. ikaretsaka ( 12/10/2007 18:56)
misy le olona mitazona am-po ireny dia marary fo fa aleo ihany le bodobodo ka!

sady tsy mitombina mihitsy izany olona tezitra tsy miady izany raha hoe izay tsy miady olom-po no raisina

moa raha ilay to-po.. hoe tsy manaiky mihitsy (stubborn) ny dikan'ny to eto de reny izany mpamosavy doa manaiky ihany aho
20. fijo ( 12/10/2007 20:26)
raha hoe olom po,izany anie olona be fo,izany,midika hoe tsy mahafe tena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0529