Ireo anana misy aty aminay.

1. soanja ( 26/09/2007 14:43)
Ireto avy ny anana misy aty US mahazatra antsika Gasy ka sao misy tsy tazako ka mba lazao aho azafady an.

Anandrano
Ramirebaka
Epinara
Anambe
Anambe fotsy vody
Anan-tsinoa ilay fanao misao iny
Ravim-bomanga le matsoratsoraka iny fa tsy ilay matevin-dravina
Anamamy dia (Mhong greens)
Ny ravimboatavo moa otazako any amin'ny Ranch sy eny amin'ny pumpkin pach fa tsy amidy eny amin'ny mpivarotra.



De ireo de ireo :(:( Sao mbola misy mahalala hafa azafady ampio. De aiza no misy an'ireo? Azafady teneno anie ny Etat misy anle izy sao mba afaka hanafarana avy any. Misaotra mialoha.

novalian'i rinja ny 08/10/2007 15:37
2. Fiffi ( 26/09/2007 15:29)
Anatsonga

Petsay

Anatsinaha

Tissam

Anamalaha

zah kalou de mamboly an ! ny anamalaha , anatsonga , tissam , anandrano (de jardin) petsay , anamamy (misy karazany 2)
3. booboo ( 26/09/2007 15:30)
misy pub iny mpandeha @ RVG dia any manafatra ny tsy hita e.
au****.com (asa na azo hanaovana pub ato @ forum na tsia ?)
4. Fiffi ( 26/09/2007 15:38)
zoma
5. sipagasy ( 26/09/2007 17:26)
mmhh, izaho kosa tsy mahay anarany fa mahay mihinana e! hihih, fa raha hanafatra any @ zoma.com aloha dia miala tsiny fa fady hhihihihihih anana maina ny vavako e! hihihih ny lena mbola misy ny azo vangaina kouuh, hiaritra ny maina sy ny ambifotsy veh?? hihi

mazotoa homana e!:-*
6. Kwasi ( 26/09/2007 17:41)
Sambatra nareo ry zareo fa raha ny eto @ misy anay ndray dia tsisy afa-tsy
Ravitsaonjo
Ravi-mangahazo (ravitoto)
Anana karazny 2 izay tsy dia haiko loatra ny anarany, ny iray fotsiny lasa maditidity hoatra ny lakaoly rehefa andrahoana elabe.:cry:
7. Fiffi ( 26/09/2007 19:20)
inn zany anana madity zany ? :roll:

Ravitsaonjo nga azo ho hanina ? :roll:
8. Papoose ( 26/09/2007 21:10)
ravitoto koa!hmmmmm!!!
9. hery ( 26/09/2007 22:41)
anana any Etazonia kay no nanontanian'i Soanja :-)

Izaho tsy any
10. soanja ( 27/09/2007 01:19)
hery:

anana any Etazonia kay no nanontanian'i Soanja :-)

Izaho tsy any


Ie anana avy aty Andrefana io anontaniako io ka . De miandry mafy zah fa izay any Eropa aloha sarotra ihany ny hanafaraha azy satria malazo vao ho tonga aty. Mandeha avion ara zahako vizana vao manitsaka tany. Raha tsy angaha misy fomba tena efa tsy arako intsony amin'ity tekinolojia matanjaka ity. Azo alefa satelita ve ny ravitoto oooooooo!!! te hihinana mafy aho zany.


11. cutie ( 27/09/2007 04:20)
soanja
tsy misy haiko ny anarany :-D
anatsonga ihany no haiko :lol:
efa tazako ihany ny ravim-boatavo fa za tsy sahy manandrana fa tsy mitovy ny voatavo any dago ny aty koa :)
12. cutie ( 27/09/2007 04:21)
Azo alefa satelita ve ny ravitoto oooooooo!!! te hihinana mafy aho zany.

nga tsy misy ravitoto any @ njy :roll::roll::roll::roll:
aty nefa feno :lol::lol::lol:
13. Herimiafina ( 27/09/2007 04:49)
Bok choy, cassava leaves, ananambo, watercrest, :roll:
14. soanja ( 27/09/2007 12:36)
Cutie sy herimiafina> Mba karakarao any moa fa tena zero boribory ny aty raha ny ravitoto no resahina. Misaotra mialoha. Zany hoe azonareo omena ahy ve ny adiresin'ireo toerana ireo hanafarako azy. :-*:-* eto US ihany an!
15. cutie ( 27/09/2007 12:59)
soanja
alaiko ny adiresy de omeko an-jy any @hafatra :)
16. Herimiafina ( 27/09/2007 19:35)
Jereo any amin'ireny sinoa ireny, na karana na afrikana fa any feno ravitoto anaty sachet ireny! :^):-D
17. cutie ( 27/09/2007 20:14)
HM
ka efa we tsy misy any aminy :-D
18. Fiffi ( 27/09/2007 20:26)
hery:

anana any Etazonia kay no nanontanian'i Soanja :-)
hay ! marina zany ! zah koh aza mba diso....noheveriko hoe inn no anaran'anana..:oops:


19. Herimiafina ( 27/09/2007 20:51)
cutie:

HM
ka efa we tsy misy any aminy :-D


Marina ve izany? Ny vietnamiana no tena spesialista ny ravitoto dia ny karana punjab le manao turban ireny fa ireny hanontaniana fa hahita izy.

Ny ahy izao, ana-madinika sy anamalao no tena mba tadiaviko klé. :^):-D
20. cutie ( 27/09/2007 21:56)
Nahoana zany no tsy ho marina
Taloha tany @ misy ahy tsy nahitana ravitoto na tany @ mpivarotra sinoa aza.
Ka raha tsy mahita i soanja any @mpivarotra sinoa, na afrikana , na jamaicana , de tsy misy zay :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3344