maha lasa saina???????

1. yah ( 19/09/2007 05:03)
salama daholo tompoko ô!
mahita ireo hevitra maro eto aho dia hitako fa samy tena mitana ny finoany avy ny tsirairay fa ny fahitako ity resaka fivavahana sy fiangonana ity , dia lasa ohatran'ny societe fitadiavam-bola fotsiny ankehitriny fa tsy misy haim-panahy itsony
Ny tanjona dia ny ananan'ny fiangonana tanjaka ara-bola fatsy ny ara-panahy
kalasa ny saiko hoe:mbola tena mahavonjy ve ny fankanesana any@ireny fiangonana ireny?:?::?::?::?::?::?::?::idea::idea::idea::idea:^:^^:^^:^^:^^:^
dia manantena valiny mahafa-po avy any @areo e!
novalian'i yah ny 02/10/2007 04:45
2. kalina80 ( 19/09/2007 05:25)
ilaina ny fivoriam-bavaka na any am-piangonana io na aiza.Ilaina mantsy ny mandre ny tenin'Andriamanitra sy ny fifandraisana @ireo fianakaviana aram_panahy mba hahafahantsika mahare ny sitrapon'Atra @ fiainantsika . Marina tokoa, maro ankehitriny ny fitadiavam-bola ao anatin'ny fiangonana.Tsy anjarantsika anefa ny mitsara izany fa ny tokony ataontsika dia ny mande @ fahamarinana hatrany (manome izay azo omena : ny ampahafolon-karena izay voasoratra ao anatin'ny baiboly raha misy)Tsy tokony atao ny manaraka izay tenenina mpitondra fiangonana rehetra, izany no tokony hananana ésprit de discernement hahalalana izay tokony atao marina @ ity fanarahana an'ny Tompo ity.
Ny tena marina dia ny famonjena tsy @ fiangonana fa @Atra irery ihany. Tsy anjarantsika hoy aho ny milaza na tsy mahavonjy ny makany @ ireny fiangonana ireny na tsia fa Atra ihany no mahalala izany.Ataovy fotsiny izay hitomboanao aram_panahy ary aza mijery ny hafa.:-*:-*:-*
3. Fiffi ( 19/09/2007 06:11)
yah:

kalasa ny saiko hoe:mbola tena mahavonjy ve ny fankanesana any@ireny fiangonana reny?:?::?::?:
rehefa hitanao fa tsy mahavonjy anao de aza makany koh !

fa inn kalou no andehanana miangona , na andehanana any am-piangonana ? hivavaka hangataka famonjena sa hitsikera ny vola azon'fiangonana ?

fa iza no manomé vola an'fiangonana raha tsy enao hiany am rakitra ohatra ?


4. inhbrab ( 19/09/2007 06:31)
yah:

salama daholo tompoko ô!
mahita ireo hevitra maro eto aho dia hitako fa samy tena mitana ny finoany avy ny tsirairay fa ny fahitako ity resaka fivavahana sy fiangonana ity , dia lasa ohatran'ny societe fitadiavam-bola fotsiny ankehitriny fa tsy misy haim-panahy itsony
Ny tanjona dia ny ananan'ny fiangonana tanjaka ara-bola fatsy ny ara-panahy
kalasa ny saiko hoe:mbola tena mahavonjy ve ny fankanesana any@ireny fiangonana ireny?:?::?::?::?::?::?::?::idea::idea::idea::idea:^:^^:^^:^^:^^:^
dia manantena valiny mahafa-po avy any @areo e!


ya marina tokoa izany leretsy e! mila fitadiavambola (na mitovitovy amin'izany) ny fiangonana mba ihodina. Ao ny momba ny trano iangonana, ny sono, ny asa fitoriana (@ radio, télé, boky, etc) maro zany ny ilana vola eo amin'ny fiangonana iray (aza hadino koa fa mbola ao ny karaman'ny pasitera).
Tokony ho araka izay voalaza ao @ baiboly anefa ny fakana ireo zavatra ireo @ mpiangona!

Mahavonjy ny fakanesana miangona ho an'izay te ho voavonjy! satria raha te ho voavonje ianao de miezaka manara-dia an'i Kristy zany hoe i Kristy iany no ataonao référence: raha mangalatra volampiangonana pasitera dia hivavaka ho azy ianao ary fantatrao fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny soa izay nataonao! sady any aminy zany no iantefan'ny fahatezeran'Andriamanitra fa nenao efa nahavita ny anjaranao de hahazo ny fankasitrahana avy amin'Andriamanitra

5. Mandefitra ( 19/09/2007 06:39)
Ny tanjonao jerena refa mankany ampiangonana ianao.
Misy soa 4 hoy le mpitondra fivavahana iray zay no azo refa mankany ampiangonana:
1/Ny famelan-keloka
Ao ampiangonana no tononina ny famelan-keloka :
"Matokia anaka, voavela ny helokao.Fa toy zao no nitiavan'Andriamanitra zao tontolo zao noemny ny zanany lahitokana mba tsy ho very zay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay"
Eo koa ny sakramenta, zay handraizana ny Ran'ny Kristy ho famelan-keloka.
2/fifaliana
Ny olona voavela heloka de manana fifaliana.Midera ilay Mpahary.Midera ilay Mpamonjy, mahazo ny fankaherezan'ny Fanahy Masina
3/fiadanana
Ao am-piangonana koa Kristy no mizara ny fiadanany ho amintsika :"Ny fiadanako no omeko anareo" hoy Izy, ary ao Izy satria "na oviana no iangonan'ny 2 na 3 @ anarako dia eo afovoany Aho" hoy Izy
4/fanantenana
Io ilay fiainana mandrakizay, tsy eto an-tany ihany no hanarahana an'iKristy fa hatrany ankoatra.

Ka aza variana mijery ny ataon'ny olona :"..ahoanao zany,fa manaraha Ahy", hoy Jesosy mantsy an'i Petera, ra nahita ilay mpianatra tian'i Jesosy niankina teo antratrany izy (Jaona io)...
6. mbaliana ( 19/09/2007 07:10)
marina daholo zany... ianao sy ny ao ambony no ataovy ze mety... asakasaky zay te-hanararaotra fa aza adino fa ilaina ny vola matoa mbola afaka mampiasa ny fiangonana ny olona ahafahana miaraka mivavaka.. vidim-piainana koa misondrotra foana
7. piste ( 19/09/2007 09:18)
Na izany aza dia tsy tokony hitazam-potsiny @ ireo hadalana ataon'ny mpitondra fivavahana fa mahakivy ny Kristianina. Raha ny natao ho fitaratra indray ve no manondrana dia hisy zava-banona.
Ka isan'ny adidin'ny Kristianina ny mifanitsy sy mifananatra am-panajana mba hampandroso ny Fanjakan'Andriamanitra.
8. soanja ( 19/09/2007 09:59)
Ny fiangonana dia hevero toy ny fandraisana ny reny niteraka antsika ihany. Karakaraina sy tiavina ary ifandraisana saingy tsy natao hahavita izay rehetra rehetra momba antsika amin'ny antsipirihany.

Ny famonjena dia tsy avy amin'ny fiangonana fa avy amin'Andriamanitra izay ifandraisanao any ampiangonana na any amin'izay misy antsika avy.
9. la ( 19/09/2007 11:12)
yah> ra ny hevitro de zao:
Ny fiangonana (trano) sy ny pasera na mopera dia fitaovana fotsiny ihany mba ahazoana famonjena, torak'izay koa ny toriteny, ny fitorina filazantsara sns...zany hoe ze zavatra itatsika sy iainatsika andavan'andro fitaovana daholo ireny ampahafantarana antsika ny tokony hatao sy tsy hatao mba ahazoana famonjena; fa miankina aminao ihany no ahazoana famonjena na tsia fa ny zavatra rehetra fitaovana daholo sady zao enao nge ra mande any am-piangonana tsy voatery hanome vola fa ny saina sy ny eritreritra fotsiny no tsy mety satria hoe mila manao rakitra sy fafolo-karena sns...any de zay fa enao tsy votery hanao izany rehetra izany.
Ny zava-dehibe ahazoanao famonjena dia enao ihany miankina aminao fa tsy ny aty ivelany satria ny toe-panahinao no mety ahazonao famonjena na tsia!
Zay fa de mahereza ry se a!! fitaovana daholo ireny de amin'ny maha fitaovana azy dia mila vola izy hikojakojana...:):-w
10. prime ( 19/09/2007 12:49)
yah> tsy mahavonjy ny fankanesana any am-piangonana... finoana an'i Jesosy Kristy sy ny fanatanterahana ny sitrapony no mahavonjy... nefa tena ilaina ny fankanesana any am-piangonana satria any no ihaonana amin'ny mpino hafa miara-miatrika an'Andriamanitra amin'ny fotoana sy ny toerana iray efa nohamasinin'Izy Andriamanitra ho amin'izany...
11. ikaretsaka ( 19/09/2007 14:43)
prime> complement be mihitsy ny fankanesana any am-piangonana ka...
i jesoa tsy vitan'ny hoe mino sy mamakimaky ny tantarany sy ny teny nolazainy sy ny apostoly sy ny mpaminany izay efa fandre lava fotsiny.. fa mila mandray ny vatana sy ra-ny koa koa ho sakafom-panahy, ary hitoerany sy mitoetra ao aminy (joany 6)
Tsy afaka manao an'izay ao an-trano anefa!
Aleoko mino ilay voalaza ao @ Joany kokoa(tena izy no niteny) toy izay i Paoly, na samy inoako aza.
12. fijo ( 19/09/2007 19:33)
tena tsara fipetraka le fanontaniana voalohny.lasa fomba sy fahazarana sisa ny alahady hoan'ny maro,averiko hoan'ny maro.ary tena marina fa ny fiangonana sy ny mpitarika dia tena resaka vola sisa.izany hoe efa resin'ny andriamanitra vola le andriamanitra tsy hitamaso.ka asa izay mbola hanaraka azy
13. mbaliana ( 19/09/2007 19:50)
fijo> fitsarana ivelany ny anao no betsaka... misy koa ny komiti-piangonana natao hitantana ny volan'ny fiangonana...ary ireo dia olona tsotra mpiangona ao daholo
14. fijo ( 19/09/2007 19:55)
ka ireo komity ireo ,dia mihezaka manao fitadiavam bola be fotiny.
15. ikaretsaka ( 19/09/2007 21:21)
raha hita hoe nakaiza ny vola... ankoatran'ny lasa sakafo sns.. dia ie..
fa raha ohatra kosa hoe hanavaozana fatonfranom-piangonana ka lasa ny prezinam-piangonana no nanana 4l... dia tena lasa saina tokoa ny saina
16. mbaliana ( 20/09/2007 08:55)
fijo> raha tsy manaiky ny vahoaka hitady vola dia tsy mitady.. hisy foana ny hanohitra ny tsy rariny.. anga izy ity didy jadon'ny komity...
17. prime ( 20/09/2007 10:39)
ikaretsaka:
complement be mihitsy ny fankanesana any am-piangonana ka...
...ka niteny ny mifanohitra amin'izany ve izaho r'ise? izaho aza niteny hoe tena ilaina...
ikaretsaka:
i jesoa tsy vitan'ny hoe mino sy mamakimaky ny tantarany sy ny teny nolazainy sy ny apostoly sy ny mpaminany izay efa fandre lava fotsiny.. fa mila mandray ny vatana sy ra-ny koa koa ho sakafom-panahy, ary hitoerany sy mitoetra ao aminy
... tsy haiko raha mamaky tsara ise na tsia... tsy niteny izany ambaran'ise izany aho ary tsy nihevitra izany na dia kely aza fa andrao manana endrika fitsaràna mialoha ny hevitr'ise...:lol: ny nambarako dia hoe ny famonjena dia avy amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy sy ny fanatanterahana ny sitrapony...:lol:
ikaretsaka:
Tsy afaka manao an'izay ao an-trano anefa!
... raha ny fandraisana ny fanasàn'ny Tompo no tian'ise ambara dia mitombina saingy tsy foana... satria ny marary ohatra dia azo ampandraisina any an-trano...
ikaretsaka:
Aleoko mino ilay voalaza ao @ Joany kokoa(tena izy no niteny) toy izay i Paoly, na samy inoako aza.
... zon'ise malalaka izany saingy ny famonjena tsy avy amin'i Jaona na i Paoly... olombelona ohatra ahy sy ianao ireny, iraka sy fitaovana fotsiny ihany...
18. ikaretsaka ( 20/09/2007 13:44)
prime> kas za angaha moa ni critique fa VAO MAINKA NANAMAFY AZA...
enao koa an!:wink:
19. fijo ( 20/09/2007 20:58)
mbal,misy manao fikafika ao ko
20. mbaliana ( 20/09/2007 21:36)
fijo> possible e.. ny ratsy hono tsy mba kely lalana...:cry::cry::cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3884