maha lasa saina???????

21. yah ( 21/09/2007 04:46)
mahaliana avokoa irao hevitrareo fa ny ho marihiko de hoe ny tontolon'ny fiangonana @izao fotoana izao no ambarako
talou ange jesôsy ka nanao fahagaga mihitsy hanomezana sakafo ireo olona nanaradia azy e (mofo 5sy azandrano 2)fa @izao ny mpiangonaindray no tsimaintsy manao fahagagana hampiadanana anry mpitatana fiangonana nadia efa sarota aza ny fiainana
:-@:-@:-@^:^^:^
22. la ( 21/09/2007 05:26)
yah> resaka materialy fotsiny nge zany e! ra nenah aloha ny fandraisako ireny de zao: olona miasa otran'ny rehetra ihany ireny, ary zah mila mpanoro, mapafantatra ny zavatra tokony hatao mba ahazoana manitsy ny fitondran-tena, de zay no ilako ireny olona ao amin'ny fiangonana ireny, mampahery sns...fa tsy ireny no ivavahako sady zah tsy manome "vola" mihotra izay tokony ho vitako satria zah koa mba manana fiainana atrehana! sady enao koa ve iandry ze fahagagagana ataony eo fa ny azy aza mety manahirana azy.
Mampahery anao ra sendra olana, mizara ra sendra mila fanapina any aminy enao zay no azon'ireny mpitondra fivavahana reny atao aminao, de mivavaka ho anao koa mety tsy ho adinony. Fa io miankina amin-dry zareo ihany satria olom-belona ihany ireny:D:-w^:^
23. Mandefitra ( 21/09/2007 06:54)
yah:
fa @izao ny mpiangonaindray no tsimaintsy manao fahagagana hampiadanana anry mpitatana fiangonana nadia efa sarota aza ny fiainana

Izay ataonao de ataovy toy ny ho an'A/tra fa tsy ho an'ny olona.
Azonao atao ohatra ny manome rakitra ariary 10, fa manome 5000 Ar ho an'ny mpangataka miandry eo @ varavaram-piangonana ... Ny Tompo no mahita.
Fa ny fiangonana tsy miodina ra tsisy vola:handoavana jiro sy rano, karaman'ny mpamafa trano sy ny mpiandry fiangonana,ny adidy @ ireo zana-mpiangonana maro,ny asa fitoriana ny filazan-tsara, ny tafika masina,ny fanampiana ny mahantra,fividianana Baiboly sy Fihirana,fividianana fitaovana ampiasaina ao ampiangonana ... etc ...
Ny fifohazana zao ohatra ra ao @ flm tsy mahazo mandray vola @ olona miantso azy hiasa any aminy na frais de déplacement aza.Donky,ny raki-pisaorana no budget entiny miasa ...
Ka aza mijery ny vola miditra any am-paosin'ny olona fa ny fahasoavana tsy tambo isaina raisinao @ ilay Mahefa ny zavatra rehetra jerena sy ankasitrahana.Ary ra Kristianina enao, tsy eto no fiainana fa hoy Rija Rasolondraibe hoe :
Tsy maintsy ho any antranon'ny Raiko aho
F'efa lasa tanteraka any ho'aho ny saiko
Fa aloky ny ho avy ny ety an-tany
Fa ny tena izy,efa miandry antsika any an-danitra any.


24. fijo ( 21/09/2007 20:49)
marina be ny an'i yah,
mandefitra,io le toetsaina hararaotin'ny sasany.
25. yah ( 22/09/2007 04:22)
zao ko e! , misy tenin'A/tra ao @ baiboly manao hoe : izay ataonareo @ ireny madinika ireny no ataonareo @ko koa. ndeha atao hoe... ireo olona manankarena sy manankatao no noresahany t@io , ka raha izay teny izay no arahina ,tsy tokony hifameno tsara ve ireo mpivavaka ao @ fiangonana iray @ lafiny rehetra ? toa ny mifanohitra @izany anefa no hitako fa mifampitsetsitra ireo mpianakavin'ny finoana
sady ny tena mahamenatra de lasa tokotany be filalaovana pôlitika ny fiangonana @izao izay voalaza fa tranon'A/tra ka tsy aleo ve mitandrina ny tempoliny @ fomba rehetra e! (ny vatana io):idea:
26. prime ( 25/09/2007 11:49)
yah> Mitombina ny fanamarihan'i mandefitra... tsy ampahafirin'ny fahasoavan'Andriamanitra arotsany amin'ny mpino izay vola sy harena arotsaka entina anompoana Azy...
27. yah ( 26/09/2007 04:23)
prime:

yah> Mitombina ny fanamarihan'i mandefitra... tsy ampahafirin'ny fahasoavan'Andriamanitra arotsany amin'ny mpino izay vola sy harena arotsaka entina anompoana Azy...



fa tena ANDRIAMANITRA marina ve alou no tena tmpoina @le vola na harena harotsaka e! sa olombelona kosa?
28. fahamarinana ( 26/09/2007 05:14)
:arrow:Yah : Amiko aloha tsy hoe Andriamanitra no tompoina amin'ny vola sy harena fa lasa hafahafa be ndray,amboariko kely fontsiny an :AROTSAKA lay vola ho entina manao ny Asa sy Fitoriana atao,hikolokoloina ny Tempolin'Andriamanitra fa izay olombelona manararaotra kosa dia azy iny dia izy no responsable.Fa marina aloha fa misy tokoa ilay olona ohatr'izay.Ny hoe maro indray dia mety ho marina,fa maro koa ny tena Mpino nefa madio.Hevitro manokana iny an...(l)
29. la ( 26/09/2007 05:25)
Miombo-kevitra amin'ny fahamarinana=D=D^:^:D
30. fahamarinana ( 26/09/2007 05:40)
fijo:

mbal,misy manao fikafika ao ko


:arrow:Fijo a,misy manao fikafika foana na ho aiza halehantsika na amin'ny fiainana andavanandro,indrindra moa any am-piangonana ary marina fa mampalahelo fa tsy ireny no fitaratra ho antsika an,zany Fijo an ,aleo any zay ho any hoy ny hiran'iza moa fa tsy tsaroako loatra...:wink: (l)
31. prime ( 26/09/2007 11:33)
yah> ny fanatitra sy ny fahafolon-karena no tena fototra fahitàna ny ho enti-manana rehetra teo amin'ny jiosy rehefa manompo an'Andriamanitra raha ny soratra masina no jerena... ny fanaterana vola sy ny harena dia ampahany ihany amin'ny fomba fanompoana an'Andriamanitra fa ny fo sy fanahy no tena mahamaika an'Andriamanitra...

ny fanontanianao moa no mahatonga ireo fanamarihana voalaza ireo, fa ny tenin'Andriamanitra hatramin'ny voalohany dia tsy miova fa mahasoa ny manao fanatitra avy amin'ny fo... manolotra no anjaran'ny mpino fa raha vao misy fisalasalàna dia aleo lavitra tsy manolotra toy izay mihatsaravelatsihy na mitsara mialoha ny hitranga...
32. fijo ( 26/09/2007 21:23)
ny vola wa mahery.io no tena ambony
33. yah ( 27/09/2007 04:53)
misy teny ao @ baiboly manao hoe :tsy fantatrareo va fa tempolin Atra ny tenanareo?
mifono zavatra tena lehibe io @ko, izany hoe tokony ny tenoko manotolo alou no ataoko mendrika @maha tempolin Atra azy ary rehefa izany vao misaina izay ataoko hoan'ny fiangonana za fa @izao, rehefa mahaloa ny adidy sy izay rehetra vola ilain'ny ao ampiangonana ny olona de izay na dia simba aza ilay tmpoly masina^:^^:^^:^^:^^:^
34. la ( 27/09/2007 06:41)
yah> Adinonao koa anga fa ao amin'ny baiboly misy tantara iray milaza hoe nisy mpanan-karena iray sy vehivavy mananon-tena iray nanao fanatitra ho Atra; ny an'ilay mpanan-karena nanome be izy fa ilay vehivavy ze kely nananany no nomeny ary tamin'ny fony no naomezany azy; ka ny fanatitra nataony no tsara?
De zay koa no tokony ataontsika, ilaina ny momba antsika ivelany amin'ny maha olona antsika, fa ny zava-dehibe de ny fanahintsika satria io no tena maha olona antsika :):D
Ka zay no tokony tena ho jerena we madio ve ny fonao? refa manao zavatra enao ao ampiangonana de vokatry ny fonao ve iny sa ahoana...?
Aza de jerena ivelany fotsiny koa ny olona refa manao zavatra izy fa mety mba tena vokatry ny fony ange no anaovany an'iny efa avy nandini-tena tsara izy de manao ny adidiny amin'ny fiangonana amizay :):):)
35. fijo ( 27/09/2007 21:21)
yahnmarina nenao,ny tenanao aloh akarakaraina,fa ze fiangonana any ,fivorivoriana fotsiny no atao any
36. fahamarinana ( 28/09/2007 11:20)
fijo:

yahnmarina nenao,ny tenanao aloh akarakaraina,fa ze fiangonana any ,fivorivoriana fotsiny no atao any

:arrow:Eny samy manana ny fiheverany tokoa fa za manokana aloha dia tsy ny fandehanako any am-piangonana sy ny fanaovako adidy no midika fa adinoko koa ny tenako.Mbola tsy nahatsiaro aho hoe maty noana na ahoana,raha maty noana aho ka marary dia tsy ho vitako koa ny Asa niantsoany Tompo ahy,mino aho fa tsy izay no tadiavin'ny Tompo.(l)

37. yah ( 29/09/2007 04:27)
fahamarinana:

fijo:

yahnmarina nenao,ny tenanao aloh akarakaraina,fa ze fiangonana any ,fivorivoriana fotsiny no atao any

:arrow:Eny samy manana ny fiheverany tokoa fa za manokana aloha dia tsy ny fandehanako any am-piangonana sy ny fanaovako adidy no midika fa adinoko koa ny tenako.Mbola tsy nahatsiaro aho hoe maty noana na ahoana,raha maty noana aho ka marary dia tsy ho vitako koa ny Asa niantsoany Tompo ahy,mino aho fa tsy izay no tadiavin'ny Tompo.(l)





tsy ny mofo ihany ange no hiveloman'ny olona ry fa ny
teny rehetra izay haloaky ny vavan'Atra e ireo izany ilay fikarakarana ny tempoly fa ny antsika @izao fotoana izaonoho ny mankany ampiangonana no maha maika

38. tywa68 ( 29/09/2007 05:27)
yah : tsy ny rehetra no maika mankany ampiangonana k ! miharihary loatra zay fangataham-bola zay dia tssss nefa ilaina ilay mankany, miova fiangonana rhf tsy tanty e :lol:
39. fahamarinana ( 29/09/2007 06:37)
yah:
tsy ny mofo ihany ange no hiveloman'ny olona ry fa ny
teny rehetra izay haloaky ny vavan'Atra e ireo izany ilay fikarakarana ny tempoly fa ny antsika @izao fotoana izaonoho ny mankany ampiangonana no maha maika.


:arrow:Yah :fantatro tsara fa tsy ny mofo ihany no ivelomana ary ny ahy manokana aloha dia tsy izay fa famaliana ilay soratra ery ambony ery no nataoko raha narahanao tsara lay resaka.Avereno vakiana daholo aloha.(l)
40. fahamarinana ( 29/09/2007 06:47)
yah:
misy tenin'A/tra ao @ baiboly manao hoe : izay ataonareo @ ireny madinika ireny no ataonareo @ko koa. ndeha atao hoe... ireo olona manankarena sy manankatao no noresahany t@io :


:arrow:Ary ianao maka verset dia ohatran'ny ovainao ny dikany.Izy io anie tsy hoe androany dia izao no hanaovantsika ny dikany fa lasa mivaona lay izy e.(l)


yah:
ka tsy aleo ve mitandrina ny tempoliny @ fomba rehetra e! (ny vatana io):idea:


:arrow:Inona ary no tena tianao tenenina amin'io eto satria nolazainao teo hoe tsy ny nofo ihany no .....ka eto ary isika zao ,ny vatana hoy ianao :azonao azavaine ve par rapport amin'ilay teninao?(l)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562