Afaka mankany an-danitra ny olona na tsy ........

1. niryna ( 29/08/2007 17:21)
Mba nahafaly ny foko ny milaza aminareo fa na dia...Afaka mankany an-danitra ny olona na dia tsy manan-karena,ratsy tarehy,tsy nianatra,olona tsy malaza,tsy manana namana ,tsy manam-pahaizana.8)8)8)
Saingy tsy misy na iray aza mankany an-danitra raha tsy manana an'i KRISTY.:roll::oops::cry:

"Person may go to heaven without wealth,without beauty,without learning,without fames,without friends,without acknowledge."
But no one can go to heaven without CHRIST

Manana fanantenana izany isika fa izay tandrify nomen'ny Tompo antsika dia tokony hakasitrahina sy hisaorana Azy.Samy nomeny fahasoavana ny tsirairay ka anjaran-tsika no mikolokolo sy mankasitraka izay nomeny antsika. Misaotra Azy isika fa afaka manana anjara any an-danitra na inona fananana na inona toerana misy antsika tsirairay avy raha mino Azy isika.Ho azy irery anie ny voninahitra.Ary hisaorana Iza fa mbola nomeny andro isika rehetra nizara ny vaovao mahafaly hatrany.

(l)niryna
2. ikaretsaka ( 29/08/2007 17:27)
ny fananana an'i kristy... eo indrindra isika izao!
vitan'ny miteny fotsiny ve hoe manana?
3. niryna ( 29/08/2007 17:30)
Ity misy tantara roa nitranga.
Tonga tamin'ny fotoana fivavaha na fanasitranana marary ity ramatoa kely.(mitsapika ny tongony iray izany hoe lava sy fohy),nivavaka mafy tokoa ny pasitera ary naharitra ny fandehanany nivavaka,nahazo feo ilay pasitera satria izy koa mba tena nalahelo ity fitarain'ity tovovavy kely.Hoy ilay feo hoe ianao izany no tompon'andraikitra an'io vehivavy io fa ekeko ny fangatahany.Isika moa mahalala tsara fa na inona na inona no angatahintsika amin'ny ray dia ataony tanteraka izany,kanefa raha tsy omeny antsika ilay izy noho ny antony izay izy ihany no mahalala izany dia tsy omeny.Izy mianaka anefa dia nikiry hatrany ary dia nanao fahagagana ny tongony tokoa i kristy.Nitovy izany ny tongony ary nony tonga ny andro alahady ,tsy niangona ilay tovovavy.Inona no antony hoy ianareo?
4. Kwasi ( 29/08/2007 17:33)
suspens...:arrow::arrow:
5. niryna ( 29/08/2007 17:33)
Ity koa misy tantara marina iray.
Maty ny zanak'ity rangahy vavy tokana izay mbola kely.Nanome tsiny an'Atra izy ary tsy nitsahatra nanontany azy foana hoe maninona no nalainao ity zanako? Io no mba hany fanantenako.Tsy nitsahatra ny fanomezantsiny an'ATra.Indraindray isika dia mety manome tsiny an'Atra amin'izay zavatra mitranga.Indray andro nanofy ilay rangahy,mba azonao ho tohizana ve ny nofiny?:roll:
6. niryna ( 29/08/2007 17:35)
ikaretsaka> eo indrindra no hitarihana ny saintsika rehetra fa maro no mieritreritra hoe nahavita izao na nanao izao kanefa tsy ao anatiny ny kristy ka ahoana no ahatongavana amin'izany.Ireo aloha misy tantara marina mba afaka ho tohizanao ve ny fiafarany.
misaotra betsaka
niryna
7. ikaretsaka ( 29/08/2007 17:54)
niryna. io lazainao io dia mampatsiaro ahy ilay tantara izay (efa nolazaiko teto ihany)

Taloha izahay nipetraka tany Antsirabe fa nianatra tany Antananarivo, dia mody any antsirabe rehefa week end mamonjy Ray aman-dreny. dia miakatra rehefa Alahady hariva satria hianatra alatsinainy.

t@ izany fotoana izany teo Ambatofotsy dia mbola ilay tetezana taloha, ilay ao akavanana io rehefa avy aty A/rivo no lalana, nisy Cyclone t@ izay!

Zahay avy any antsirabe...4L ny fiara t@ izany, tsy maintsy hiakatra ho aty A/rivo hianatra! ilay tetezana anefa tototra ao ambany rano ao fa niakatra be i Sisaony!
dia nivavaka teo dia hoe andao fa tsy maninona io, dia sady mandeha mitsapatsapa lalana ilay ankizytompon-tany mahalala hoe aty sy aty ny lalana.. no manaraka avy ato afara izahay. Ny vavaka mandeha ihany.

tafita ihany zahay t@ farany... fa avy eo ilay vao misento sy misaotra iny... no nivoaka tampoka tao anaty fiara ilay saofera dia nanao hoe: "ialahy tsy mahafantatra an-Dra Justin"?

Nobedesinay mafy Razistain!:roll:

dia toy izany io tantaranao io.. manao Andriamanitra raha misy patsa!
8. fijo ( 29/08/2007 20:58)
ka le lanitra eto aiza??????le mangamanga be io ve????io mantsy rivotra fotsiny
9. ikaretsaka ( 29/08/2007 22:32)
fijo> ialahy ity lesy!8)
10. piste ( 29/08/2007 23:32)
Ampiako hoe : afaka mankany an-danitra ny olona izay HEVERINTSIKA mpanota sy mpanompo sampy, eny na dia tsy manana an`i Jesoa aza.

Hoy i Jesoa : ny vehivavy janga( makorelina) sy ny poblikanina no hialoha-lalana anareo any @ Fiainana.
11. niryna ( 30/08/2007 04:15)
ikaretsaka:

ny fananana an'i kristy... eo indrindra isika izao!
vitan'ny miteny fotsiny ve hoe manana?

Tsia ,tsy vitan'izany fotsiny.Miova daholo ny fiainana izay nihainanao taloha,lasa olom-baovao ianao,nisy lasa efa nafoiny ary efa nodiovin'i Kristy tamin'ny rany.Raha tsy mampiseho fitaratra tahaka azy dia tsy ao aminao izy.

12. niryna ( 30/08/2007 04:22)
niryna:

Ity koa misy tantara marina iray.
Maty ny zanak'ity rangahy vavy tokana izay mbola kely.Nanome tsiny an'Atra izy ary tsy nitsahatra nanontany azy foana hoe maninona no nalainao ity zanako? Io no mba hany fanantenako.Tsy nitsahatra ny fanomezantsiny an'ATra.Indraindray isika dia mety manome tsiny an'Atra amin'izay zavatra mitranga.Indray andro nanofy ilay rangahy,mba azonao ho tohizana ve ny nofiny?:roll:

Nanofy ilay rangahy ary dia hitany tao anaty fivarotana zava-pisotro mahamamo ity vehivavy.Hoy ilay feo tao anaty nofiny,mba fantatrao io tovovavy io? Tsy fantatro io hoy izy.Namaly ilay tao anaty nofy,nalaiko izy fa tsy tiako ho toy izao no hiafarany.Any amin'ny toerana fisotroana izy ho hivarilavo raha velona teo.Izay nofy izay no nampiova sy nampionona ny sain'ity ray very zanaka. Eny mahay zavatra Atra isika tsy mahafantatra izay antony fijaliana mety mahazo antsika,mety mampiova ny fiainantsika iny,mety hanavotra olona maro koa iny satria mijoro vavolombelona ary manampy ireo mijaly ,mangetaheta an'Atra mba ho voavonjy ny fanahiny. Ary dia nijoro vavolombelona io lehilahy io ka tsy nanome tsiny an'Atra noho ny antony nakany ny zanany.

13. niryna ( 30/08/2007 04:23)
Kwasi:

suspens...:arrow::arrow:

io ambony io no tohin'ilay tantara.:D

14. niryna ( 30/08/2007 04:29)
niryna:

Ity misy tantara roa nitranga.
Tonga tamin'ny fotoana fivavaha na fanasitranana marary ity ramatoa kely.(mitsapika ny tongony iray izany hoe lava sy fohy),nivavaka mafy tokoa ny pasitera ary naharitra ny fandehanany nivavaka,nahazo feo ilay pasitera satria izy koa mba tena nalahelo ity fitarain'ity tovovavy kely.Hoy ilay feo hoe ianao izany no tompon'andraikitra an'io vehivavy io fa ekeko ny fangatahany.Isika moa mahalala tsara fa na inona na inona no angatahintsika amin'ny ray dia ataony tanteraka izany,kanefa raha tsy omeny antsika ilay izy noho ny antony izay izy ihany no mahalala izany dia tsy omeny.Izy mianaka anefa dia nikiry hatrany ary dia nanao fahagagana ny tongony tokoa i kristy.Nitovy izany ny tongony ary nony tonga ny andro alahady ,tsy niangona ilay tovovavy.Inona no antony hoy ianareo?

Tohiny.Tonga ny fotoana fandehanana miangona,tsy hita tao am-piangonana ity tovovavy,nandeha ny fianarana soratra masina ,tsy tao koa izy.Inona no nitranga? Tany amin'ny fitoerana fandihizana izy no nandeha ary dia tsy niverina niangona intsony.Nivavaka indray ity pasitera mba ho voavonjy ny fanahin'ity tovovavy ary dia tanteraka izany saingy inona no nitranga? Niverina lasa kilepaka indray ny tongony.Izay ilay feo niteny hoe omeko anao izany fa ianao no tompon'andraikitra amin'io tovovavy io.
15. niryna ( 30/08/2007 04:30)
fijo:

ka le lanitra eto aiza??????le mangamanga be io ve????io mantsy rivotra fotsiny

Hoy ny hira hoe ry lanitra mangamanga o,hitoeran'ny olo-marina an,an.Andeha re mba ho any e,dia tohizo fa tsy tadidiko intsony.o^oo^o

16. niryna ( 30/08/2007 04:40)
fijo:

ka le lanitra eto aiza??????le mangamanga be io ve????io mantsy rivotra fotsiny

Misy fitoerana maro ho antsika any an-tranon'ny
Ray,raha tsy izany ,dia efa nilaza tamintsika i Kristy ,fa handeha hanamboatra fitoerana ho antsika.Hoy koa izy hoe andeha aloha izy hanamboatra fitoerana ary dia mbola ho avy indray ka handray antsika rehetra izay mino Azy ho any aminy ary izay misy an'i Kristy no misy antsika ihany koa. Vakio ny Jaona 14 :2-3 (oops,tsy maninona fa fantatro ianao fa mbola manana baiboly ka vakio:D)

Dia ho anay kristiana koa dia matoky tokoa izahay ny hiaraka aminy fa tsy matoky ny hitoetra ao amin'ny tenanay izahay.Satria fitaka daholo na ny fahatsaran-tarehy,ny fahaizana,ny harena sns rehefa tsy natao hiderana sy hisaorana an'Atra noho ny fahasoavana nomeny anay. 2 kor 5:8

17. ikaretsaka ( 30/08/2007 05:04)
piste:

Ampiako hoe : afaka mankany an-danitra ny olona izay HEVERINTSIKA mpanota sy mpanompo sampy, eny na dia tsy manana an`i Jesoa aza.

Hoy i Jesoa : ny vehivavy janga( makorelina) sy ny poblikanina no hialoha-lalana anareo any @ Fiainana.

mitovy isika roalahy eto.
niryna>My experience is that it's precisely the ones who don't know what to do with this life who are all hot and bothered about what they are going to do with another life.

18. niryna ( 30/08/2007 05:17)

ianao izany no niteny an'io indray fa tsy mba izaho:D

Ampio hoe raha mibebaka fa raha tsy izany foana daholo ny fijoroana vavolombelona,ny fitoriana ny filazantsara,tsy nisy fihovana eo amin'ilay olona talohany nandraisany an'i kristy sy amin'izy nandray an'i Kristy tao am-pony,izay lasa olombaovao. Raha tsy izany mantsy dia tsy misy dikany ny mino sy ny tsy mino raha io fanazavan'ika azy io amiko.
19. majesty ( 30/08/2007 05:29)
Afaka mankany an-danitra ny olona rehetra.
Dia afaka tsy mankany an-danitra koa.
Fa ilay afaka mankany an-danitra ilàna fiseraserana matotra amin'ilay tompon'ny tanàna any aloha raha tsy zany tsy tafiditra any mintsy.
Fa le tsy mankany an-danitra tsy misy na inona na inona takiana fa dia mijanona amin'izao fotsiny dia afaka manao izay saim-patany sy izay tiany atao fa tsy misy bedy.:D
20. ikaretsaka ( 30/08/2007 05:42)
iie.. Izaho no niteny an'io ka! za angaha niteny hoe ianao fa hoe opinion ko io dia eritrereto!

Momba ilay "mibebaka"
izaho atsy @ blaogy atsy (teny angalisy moa ny anynoho ilay hoe tanora amerikanina mpianatro katesizy no ampitako ilay hafatra fa ezahiko atao teny gasy ihany ..:oops: :
People are so distressed when I tell them to forget their past. They're crazy! Just drop it! When you hear "Repent for your past," realize it's a great religious distraction from waking up. Wake up! That's what repent means. Not "weep for your sins.": Wake up! understand, stop all the crying. Understand! Wake up!

izaho ihany fa ataoko dikan-teny malalaka:
Somary gaga ny olona rehefa teneniko hoe adinoy ny lasa. Rehefa misy miteny anao hoe mibebaha dia toa karazana rebarebam-panahy ihany izany hitarihana anao tsy ho tonga saina. Tongava saina!! mandiniha tena! izany no dikan'ny hoe "mibebaka" fa tsy hoe "mitomania amin'izay fahotanao", Tongava saina!! mandiniha tena. Aoka izany ny fitomaniana sy ny Fikatroha-nify. Tongava saina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6577