Iray ihany isika ao amin'ny Kristy Tompo!

1. niryna ( 09/08/2007 06:17)
Fa ny Fanahy Masina no mahatonga antsika iray miaraka amin'i kristy,iray ihany isika rehetra ao amin'ny Tompo,ary iray ihany koa manerana an'izao tontolo izao ao amin'ny finoana dia i Kristy izany.

Raha niara-nivavaka ireo mpianatrin'ny Tompo tamin'ny andro pentekosta (Asa 1:13-14) dia nirotsaka ny Fanahy Masina.Noho ny fiarahan'izy ireo nivavaka,noho ny finoana iray niraisany dia tsy niala teo izy ireo raha tsy nahazo hery lehibe,dia Kristy no velona tao anatiny.
Niara-nivavaka izy ireo ary nankalaza fa:Kristy maty ,nitsangana, niakatra ho any an-danitra,nahafantatra ihany koa fa nisy fisalasalana tao ,nifamela,nifampivavaka,eny niara-nizara ny olana teo amin'ny tsirairay.Nidera ny avo indrindra fa Atra dia velona mandrakizay.
Ry namana,ny Tompo dia mitady antsika rehetra ny hanana fiainam-baovao. Tsy hanary antsika mihitsy Izy raha miara-mino azy isika rehetra,midera ny anarany fa tsara izy,misaotra azy noho ny soa maro nataony antsika tsirairay avy.Avy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina izany rehetra izany no hiasa ato amintsika avy.Andao isika rehetra hiaraka ho iray ao amin'i Kristy Tompo,iray ao amin'ny finoana Azy,iray ao amin'ny fanarahana ny didiny dia ny didy vaovao izay nomeny dia ny hifankatiavantsika tsirairay avy .

Ho Azy Irery anie ny voninahitra ary isaorana Izy fa nomeny andro isika rehetra hiderana ny anarany.

Ahoana no atao mba ahatongavana an'izany?
novalian'i niryna ny 26/08/2007 04:12
2. ikaretsaka ( 09/08/2007 14:46)
ahoana ny ahatongavana amin'izany?
Ny fiekena fa iray ihany ny fiangonana naorin'ny tompo!

Vala 1 ihany ary in-3 i Piera no nanontaniany sy nirahiny (Joany 21,15-17)

dia mivavaha mba ho iray hatrany anie(Matio 16, 16-18 )
Joany 17:19-21
3. piste ( 10/08/2007 04:48)
Raha mba iray ihany dia izay tena mampiray no aoka ahindrahindra fa tsy hifanebaka sy hifanaratsy eto. Mahagaga ahy ihany manko fa atsy @ theme hafa mifanaratsy eto indray dia milaza fa iray ihany.

4. niryna ( 10/08/2007 04:51)
Ika ka ahoana izany no atao mba hamahana sy hiandrasana ny ondrikeliny?
5. ikaretsaka ( 10/08/2007 04:57)
entina ao amin'ny vala iray daholo aloha ny ondrikely (fa tsy vao mainka saratsarahana vala kely maro be dia mody tenenina hoe tsy quoi io rangaha fa ondry ihany a!)
6. Mandefitra ( 10/08/2007 05:00)
Hoy Piste:
Raha mba iray ihany dia izay tena mampiray no aoka ahindrahindra fa tsy hifanebaka sy hifanaratsy eto. Mahagaga ahy ihany manko fa atsy @ theme hafa mifanaratsy eto indray dia milaza fa iray ihany.

Marina ny anao
7. ikaretsaka ( 10/08/2007 05:18)
dia raha ny fijeriko dia io ambony io voalazako io no ezaka tokony atao aloha,
dia mangataka @ tompon'ondry sy miaraka mivavaka aminy mba ho iray ihany (Joany 17,21)
8. tywa68 ( 10/08/2007 05:26)
=D Niryna efa hita fa mampiasa ny DIEM : Efa samy mahafantatra isika miditra eto hoe mitovy TANJONA IRAY no tratrarina ! ary mila ezaka avy @ rehetra ny fiarahana mba ho tonga @izany hoe Iray ao @ i Tompo izany.

Tompo ô ! ampio zahay mba tsy ho very @izany tanjona izany.
9. ikaretsaka ( 10/08/2007 05:31)
izay!.. mila ezaka.. hatramin'ny faran'izay madinika ka hatrany @ vaventy, dia atao mifandanja tsara ny mizana fa tsy hoe ny atsy ihany no miezaka fa ny atsy mijanona @ zao
10. niryna ( 10/08/2007 05:48)
tywa68:

=D Niryna efa hita fa mampiasa ny DIEM : Efa samy mahafantatra isika miditra eto hoe mitovy TANJONA IRAY no tratrarina ! ary mila ezaka avy @ rehetra ny fiarahana mba ho tonga @izany hoe Iray ao @ i Tompo izany.

Tompo ô ! ampio zahay mba tsy ho very @izany tanjona izany.


misaotra anao.Ho tanteraka tokoa anie izany!Aoka isika hivavaka mandrakariva fa mahery ny satana.
11. ikaretsaka ( 10/08/2007 05:58)
dia mila ezaka avy any @ tsirairay io o
12. vavolombel ( 10/08/2007 15:31)
zah aloha tsy afak ny hiray amna katolika sanatriavina
13. ikaretsaka ( 10/08/2007 15:33)
dia anao samirery izany , fa mandiniha tena kely fotsiny @ izany fo feno fankahalana be anao izany ko!
mivavaka sy manolotra toko saple ho anao e:wink:
14. fahamarinana ( 10/08/2007 17:29)
vavolombel:

zah aloha tsy afak ny hiray amna katolika sanatriavina


Za ndray dia miray amin'ny rehetra araka io hoe"iray ihany isika ao amin'ny Kristy Tompo".Jesosy o,ampianaro anay ny hanana toetra mora mandray fa tsy be critiques,ahafahanay manaiky ny hafa sy misokatra amin'ny hafa ihany koa.

15. fijo ( 10/08/2007 22:05)
voalaza tery ambony tery hoe :"ary kritsy no velona tao anatiny"????????tsy tromba ve izany????sa inoan no filaza azy rehefa kritsianina???
16. niryna ( 12/08/2007 23:59)
vavolombel:

zah aloha tsy afak ny hiray amna katolika sanatriavina


tsy mety koa izany hoe manana fankahalana izany ,iray isika ao amin'ny tompo.
17. ikaretsaka ( 13/08/2007 00:40)
Raha tena te ho iray, dia ataovy ny fihezahana, ankasitrahana i niryna fa efa milofo amin'izany tokoa, dia manamafy ny tenin'i Tywa sy i hery hoe manomboka amin'ny zavatra kely io e..
ny dingana voalohany foana no mikaonty e:-*
18. niryna ( 13/08/2007 04:43)
vavolombel:

zah aloha tsy afak ny hiray amna katolika sanatriavina


Fa inona no antony raha tsy mahadiso? Raha kristiana isika dia tsy tokony hankahala ny mpiray finoana antsika,misy indro kely daholo anie eo amin'ny fivavahana taritin'ny denomination e,rehefa miteny ny zavatra misy fotsiny ihany raha mino ny hafa dia arahaba soa arahaba tsara,raha tsy mino izy tsy azo ho forsena.Raha fankahalana kosa no miboiboika ao anaty dia mila mivavaka mangataka amin'ny tompo mba hiala izany fankahalana izany.Misy ary anie tsy mahalala fa izao izy vao mahalala e.Dia ahoana raha iray tam-po aminao? ho halanao koa ve rehefa tsy mitovy fivavahana aminao kanefa samy kristy daholo no hinoana?

19. ikaretsaka ( 13/08/2007 05:30)
ka kristianintianim-poana e
20. niryna ( 15/08/2007 00:05)
ikaretsaka:

ka kristianintianim-poana e



:cry::cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2766