Bokin'ny Fahendrena

1. hery ( 07/08/2007 09:49)
Misy boky vitsivitsy (boky 7) tsy hita ao amin'ny Baiboly dika protestanta kanefa dia ao amin'ny dika katolika. Tsy hanazava ny antony aho eto fa te hizara aminareo fotsiny hoe inona avy izy izany.

Ireto avy ary izany, ary azonareo vakiana avy hatrany.

Tobia, Jodita, Makabeo I, Makabeo II, Fahendrena, Eklesiastika (na Bokin'i Siràka), Baroka
2. tywa68 ( 07/08/2007 09:57)
Anampiako an'io voalazan'i Hery io d efa nazavain'i Ika ao ambadika ao ny momban'io baiboly samihafa io.
3. Fiffi ( 07/08/2007 10:17)
fa inona kay no nahatonga an'zany ? nefa ny Baiboly de tokana...
4. diamondra27 ( 07/08/2007 10:26)
ary le bonkin'ny evanjely 5 koa raha tsy diso za, mbola tsy ao anatin'ny baiboly ny protestant, le nolazaina t@ resaka da vinci code reny
5. caprio ( 07/08/2007 11:14)
fiffi:tsy tokana ny baiboly,fa ny olona no tsy ampy fikarohana ka izany no mahatonga azy hilaza we tokana.Efa voalazako teto koa fa ny baiboly dia betsaka ny zavatra tsy voasoratra ao nefa voasoratra any @baibolin'i hafa,ohatra fotsiny ny finoan'ny any @tany sasany fa jesosy k dia efa nahay niresaka t@ maria reniny raha vao teraka enimbolana,kanefa tsy hita ao anaty baiboly zany,ary azo hinoana tsara zany raha ny fahagagana vitany no resahina
6. hery ( 07/08/2007 11:14)
diamondra27> Bokin'ny Da Vinci Code ve no novakianao sa ny Baiboly Katolika? :-)

Ireo ihany (miampy andininy vitsivitsy ao amin'ny Estera sy Daniela) no tsy mitovy amin'ny baiboly katolika sy protestanta kah.

Fiffi> azo hazavaina fa tsy eto
7. ikaretsaka ( 07/08/2007 11:26)
hery:

diamondra27> Bokin'ny Da Vinci Code ve no novakianao sa ny Baiboly Katolika? :-)

za koa saika hanindry hoe fiction ange i da vinci code e

Ireo ihany (miampy andininy vitsivitsy ao amin'ny Estera sy Daniela) no tsy mitovy amin'ny baiboly katolika sy protestanta kah.

hery:
Fiffi> azo hazavaina fa tsy eto

fiffi> raha te hahalala ny antony (fohifohy sy notsotsorina) dia hoe nisy nanala satria lasa mi contrer ilay hevitra (ideology) tian'ilay nanala voizina sy afafy :

ohatra hoe ao @ Makabeo misy fanazavana ny Purgatoire, fivavahana ho an'ny fanahin'ireo olona efa lasa nialoha lalana, sns...


8. Mandefitra ( 07/08/2007 12:06)
ohatra hoe ao @ Makabeo misy fanazavana ny Purgatoire, fivavahana ho an'ny fanahin'ireo olona efa lasa nialoha lalana

Omeo tokoa hoe ny toko sy andininy misy an io raha azo atao mba hodinihana, isaorana i Hery nizara ireo bokin'ny fahendrena ireo.
9. ikaretsaka ( 07/08/2007 12:19)
ohatra hoe ireo efa lasa dia mbola afaka mivavaka ho an'ny velona
2Makabeo 15:11-16

Tobita12: 1-22 manoro hoe Rafaely dia arakanjely ohatra
10. Mandefitra ( 07/08/2007 12:29)
Misaotra fa hodinihana
11. ikaretsaka ( 07/08/2007 12:30)
marihina fa i jeremiah dia efa maty vao tonga Oniasa,
12. Fiffi ( 07/08/2007 13:00)
caprio:
fiffi:tsy tokana ny baiboly,fa ny olona no tsy ampy fikarohana ka izany no mahatonga azy hilaza we tokana.
heu....de inn sy inn avy zany karazana baiboly zany ? sao de karazana boky fa tsy Baiboly ?


13. hery ( 07/08/2007 13:21)
Ny ahy indray raha hanomboka hamaky an'ireo boky ireo ianareo (tsy lava io fa pejy maromaro fotsiny) dia atombohy amin'ny Fahendrena sy Eklesiastika.
14. xxx ( 07/08/2007 14:01)
misy Eklesiastika (Ecclésiaste) ny Baiboly protestant fa Mpitoriteny no hilazana azy, hita ao @ perikopa ny Fédération Protestante de France koa io Eccésiastiste io
15. ari.malala ( 07/08/2007 14:06)
le Eklesiastika tian'i Hery tenenina angamba dia ilay bokin'i Siraka na Siracide
16. hery ( 07/08/2007 14:55)
xxx> tsy mitovy ny bokin'ny Eklesiastika (Siracide na bokin'i Siraka) sy ny bokin'ny Eklesiasta (Qohelet na mpitory teny)

:-)
17. hery ( 07/08/2007 14:56)
xxx> izany hoe ny bokin'ny katolika sy protestanta dia SAMY misy Eklesiasta (Bokin'ny mpitory teny ka Qohelet) fa ny an'ny katolika ihany no misy ny bokin'ny Eklesiastika.

18. sitlo ( 07/08/2007 15:00)
:^) Toa be dia be, ary diso fihevitra indray aho tamin'iny.
19. sitlo ( 07/08/2007 15:06)
Tadidiko kay ny antony tamin'iny ka. Amiko ny finoana izany safidy. Dia nogetigeteko fotsiny hoe ny protestanta dia ao anatin'ny katolika. (inclus), dia raha avotra ny katolika dia avotra koa ny protestanta. :°)
Fa raha ny protestanta no marina. Izay mandray fa mivavaka ny mangata-bavaka. Dia mbola gidragidra ny an'ny katolika.

Fa zany hoe revirevy fotsiny izany fa io tsy miankina amin'izany loatra eh. Samaritanina tsara fanahy dia paradisa. Ny filirony samy manana ny azy.
20. rakaroka ( 07/08/2007 15:36)
Isaorana ny namana Hery nameno ny tsy ampy t@ nampianarana anay: tsapako hoe tsy ampy ny bokin'ny fahendrena tokoa ny protestant ka hany ka ny mpitazana indray no manongo-tena matetika ary zary "sujet" mpiverina eto matetika mihitsy ny hoe
"fandinihan-tena" sns.
Ato @ bokin'ny "fahendrena" izao dia apetrany tsara mihitsy ny maha zava-dehibe ny fitondra-tena: Du moins mba mikaja ny momba azy ny olona fa tsy variana
mikaja an'i Jesoa izay tsapa koa wé mbola "abstrait BBbbe" na aminy na @ fiaraha-monina.
Ny soa fianatra hono e!:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2333