Aza anontaniana Azy ny antony ..satria efa nampanantena Izy

1. niryna ( 05/08/2007 06:53)
Maro ny fanontaniana mifamahofaho rehefa misy zavatra mahazo na manjo ny olona .Ao ny hoe:
Fa maninona no .......?
Fa nahoana aho no .....
Rahatena misy Izy maninona no tsy mamaly ny vavako?
Raha misytokoa izany Atra izany maninona......?

Ary dia mitohy hatrany ny fanomezana tsiny an'Atra.


Nanome fanantenana ny olona Izy.
Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory Heb 13:5

Tsy miova Izy : omaly sy anio ary mandrakizay.

Ny fanantenana Izay nomeny dia mbola notazominy foana hatramin'izao.

Ny zavatra tsara ho fantatra dia ny hafany:
-Matokia an'i Jehovah amin'ny foanao rehetra,fa aza miankina amin'ny fahalalanao.Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra ,fa Izy handamina ny lalanao.Oha 3:5-6

Manafatra antsika Izy:
-Anaka,aza manadino ny lalako,Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko Oha 3:1

Ankino aminy ny fiainanao
-Aza manao anao ho hendry Matahora an'i Jehovah ka mifadia ny ratsy,dia ho famelombelona ny nofonao izany. Ohabolana 3:1-8

Ireo dia hery lehibe ka mahatonga antsika tsy ho kivy amin'izay rehetra mitranga amin'ny fiainana.

Ahoana ny hevitrao?


(l)niryna
novalian'i niryna ny 20/08/2007 03:15
2. niryna ( 05/08/2007 07:04)
Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy,Ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza.Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho.ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako Joba 23:3-4
3. simplex ( 05/08/2007 14:01)

d iza ndray zany no anotaniana? :P
4. ikaretsaka ( 05/08/2007 15:21)
betsaka aloha raha voalaza ao anaty baiboly no nanontany ny Tompo hoe:
Fa maninona no
fa ahoana no
Raha tena misy izy

fa nahazo valiny avokoa e

i Mosesy izao tratran'ny hoe Raha tena misy tany @ faraona
i Piera izao tratran'ny hoe fa ahoana aho no handa anao intelo
i Jesoa koa tratra
i Paoly
5. niryna ( 06/08/2007 00:36)
simplex:


d iza ndray zany no anotaniana? :P


Tsy tokony anontaniana Izy fa hanantonana hiresahana izay mahazo antsika.
6. ikaretsaka ( 06/08/2007 01:55)
dia ahoana ireny apostoly sy olona be dia be be dia be manontany azy ao amin'ny baiboly ireny?

"Ianao koa ve, o ry Tompo? Ianao koa ve hanameloka ahy?
7. Rasiligaoma ( 06/08/2007 05:12)
tsy haiko ilay manontany raha tena mamaky baiboly tokoa na izay tiany ihany no tsimpotsimponiny!

ao anaty baiboly dia manontany ny Tompo foana ny Olona rehetra.
I Izaia izao nanontany heo fa maninona no izaho? mandra-pitenin'ny Tompo hoe Izaho momba anao!
rehefa manao fanoharana i Jesoa dia anontanian'ny mpianatra hoe "ahoana ilay izy teo fa tsy azonay"

nanontany foana ny olona kah!
8. ari.malala ( 06/08/2007 13:51)
f'angaha izao Andriamanitra izao mpanao didy jadona no hoe aza anotaniana Azy ny antony? dia lasa tsy fifandraisan'ny Ray sy zanaka intsony zany fa tian-kano tsy tian-kano, sy didikofehy lehibe fts? nefa Izy no efa niteny hoe "antsoy aho dia hovaliako ianao", "izay manatona ahy tsy mba holaviko velively", de aona zany?
9. tywa68 ( 06/08/2007 13:57)
aza miala @izay ry ari.malala a !
:-*
10. ikaretsaka ( 06/08/2007 15:25)
Hoy ny Tompo : nareo koa angaha hiala?
dia hoy i piera hoe :ho aiza moa zahay, Tompo?
Ianao irery ihany!
11. niryna ( 07/08/2007 05:36)
Rasiligaoma:

tsy haiko ilay manontany raha tena mamaky baiboly tokoa na izay tiany ihany no tsimpotsimponiny!

ao anaty baiboly dia manontany ny Tompo foana ny Olona rehetra.
I Izaia izao nanontany heo fa maninona no izaho? mandra-pitenin'ny Tompo hoe Izaho momba anao!
rehefa manao fanoharana i Jesoa dia anontanian'ny mpianatra hoe "ahoana ilay izy teo fa tsy azonay"

nanontany foana ny olona kah!

Eny marina izany fa ny tiako ho resahina izany dia ny hoe.Izay zavatra mitranga amin'ny fiainana na tsara na ratsy dia efa fandaharana nataon'Atra avokoa.Tsy tokony hanontany Azy izany isika hoe fa maninona no nataonao izao ny zanako na fa maninona izy no nalaina(sanatria io an),fa maninona.Dia mitohy hatrany ny fanontaniana apetraka Aminy.

12. niryna ( 07/08/2007 05:40)
ari.malala:

f'angaha izao Andriamanitra izao mpanao didy jadona no hoe aza anotaniana Azy ny antony? dia lasa tsy fifandraisan'ny Ray sy zanaka intsony zany fa tian-kano tsy tian-kano, sy didikofehy lehibe fts? nefa Izy no efa niteny hoe "antsoy aho dia hovaliako ianao", "izay manatona ahy tsy mba holaviko velively", de aona zany?

Atra tsara fanahy tokoa Izy,tsy manao didijadona izany.
Rehefa misy zavatra mitranga amin'ny fiainana dia tsy miverin-dalana na mitsoaka mandositra manalavitra Azy.Matetika io fiteny foana fa maninona ......Izy anie efa mahafantatra ny lalana alehantsika e.Ny tokony atao izany dia ny mivavaka,mangataka aminy mba ahay hitondra ilay mangidy mahazo,mangataka Aminy mba omeny hery hatrany fa fantany ny zavatra tadiavintsika raha mbola vao tsy mangataka akory aza isika.

13. niryna ( 07/08/2007 05:48)
tywa68:

aza miala @izay ry ari.malala a !
:-*

Ao anaty mangidy no ahitana ny mamy.Matetika dia rehefa manana fifaliana na tsy misy olana ny fiainana dia somary adinon'ny olona Atra.Rehefa mihatra anefa ny olana eo amin'ny fiainana dia mila vonjy Azy isika.Misy fitsapana maro andalovana ary ao misy afaka ,misy indray ny manaraka dia toy izany hatrany.Iny fahoriana miantra amintsika iny no anehoany antsika ny heriny.(He demonstrates His power)
Ataovy ao an-tsaina izany hoe na inona na inona manjo ahy dia tsy hisaraka aminy Aho ary Izy koa tsy hisaraka amiko araka ny hafany.Arakaraky ny fahoriana mahazo na mihantra antsika no hitalahona Aminy,ary araka ny hivavahantsika sy hinoantsika Azy ihany koa no hampitomboany ny finoana izay misy ao amintsika.

14. niryna ( 07/08/2007 05:58)
Ity anie vakio e...Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.Koa nahoana no manome tsiny Azy hianao.Noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony?Kanefa misy fanao iray itenenan'Atra .Eny fanao roa aza,nefa tsy tandreman'ny olona izany.Dia ny nofy sy ny tsidrimandry amin'ny alina.
Raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo ampandriana.Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy.
Joba 33:12-17
15. niryna ( 07/08/2007 06:04)
Matokia Azy amin'izay rehetra ataonao ary aza kivy na miverin-dalana fa misy antony daholo ny zavatra rehetra.Mety tsy ho tsapanao izany amin'ny fotoana mamaivay sy mazana fa raha mametraka ny fiainanao aminy tokoa ianao dia ho maivana ny fahorianao
Aza matahotra hianao,fa momba anao Aho.Ary aza miherikerika foana ,fa Izaho no Atrao;Mampahery anao Aho sady mamonjy anao.Eny mitantana anao amin'ny tanana ankavan'ny fahamarinako Aho. Isaia 41: 10
16. niryna ( 07/08/2007 06:35)
Hoy i tywa68:

aza miala @izay ry ari.malala a !


Ity koa aky ari-malala nisy fanazavako iray a
niryna:

Ao anaty mangidy no ahitana ny mamy.Matetika dia rehefa manana fifaliana na tsy misy olana ny fiainana dia somary adinon'ny olona Atra.Rehefa mihatra anefa ny olana eo amin'ny fiainana dia mila vonjy Azy isika.Misy fitsapana maro andalovana ary ao misy afaka ,misy indray ny manaraka dia toy izany hatrany.Iny fahoriana miantra amintsika iny no anehoany antsika ny heriny.(He demonstrates His power)
Ataovy ao an-tsaina izany hoe na inona na inona manjo ahy dia tsy hisaraka aminy Aho ary Izy koa tsy hisaraka amiko araka ny hafany.Arakaraky ny fahoriana mahazo na mihantra antsika no hitalahona Aminy,ary araka ny hivavahantsika sy hinoantsika Azy ihany koa no hampitomboany ny finoana izay misy ao amintsika

Mety misy zavatra mitranga mahazo antsika izany ary io no atao hoe fitsapana,tsy miverin-dalana fa mandroso hatrany,mivavaka,mangataka Aminy mba omeny hery ahay hitraka.Asehony ho an'izay mitady Azy ny voninahiny sy ny heriny.Ary rehefa tena mivavaka aminy tokoa isika dia ahita fanantenana sy ho maivana ilay fahoriana.Tsy mora fa izay mitady dia ahita,izay mandodona dia ho vohany.
17. ikaretsaka ( 07/08/2007 11:16)
niryna:
Atra tsara fanahy tokoa Izy,tsy manao didijadona izany.
Rehefa misy zavatra mitranga amin'ny fiainana dia tsy miverin-dalana na mitsoaka mandositra manalavitra Azy.Matetika io fiteny foana fa maninona ......Izy anie efa mahafantatra ny lalana alehantsika e.Ny tokony atao izany dia ny mivavaka,mangataka aminy mba ahay hitondra ilay mangidy mahazo,mangataka Aminy mba omeny hery hatrany fa fantany ny zavatra tadiavintsika raha mbola vao tsy mangataka akory aza isika.


ka izy mahafantatra fa isika tsy mahafantatra..
dia tsy hanontany ve isika raha tsy mahafantatra, na tsy azo eo no ho eo aza ny valiny?
efa nolazaiko ao ambony ao hoe nanontany aby

-na ny apostoly (ahoana ny hevitr'ilay ilay fanoharana teo, ohatra)

-na maria (ahoana ny ampety izany fa aho virjiny) na i nikodemosy(mbola hiverina any ankibondreniny indray ve izany @ izany ateraka izany)

-na ny Jiosy (azo aloha ve ny hetran'i kaisara, impiry misoa bady ny olona, ianao ve no mesia?)

-na i Abrahama..(ahoana no hiterahan'i Sarah nefa izy efa mihoatra taona)
18. ari.malala ( 07/08/2007 11:59)
fa nahoana no tsy afaka anontaniana Izy e! Ray anie Andriamanitra fa tsy hafa akory e! ko maninona no hoe aza anontaniana? tsy azoko mintsy! de anaty ignorance lalandava zany? de aiza le oe antsoy aho de hovaliako enao? sa miantso fa tsy mahazo manontany? enao v ry niryna refa miresaka am dadanao k raha misy zavatra teneniny anao ts azonao de hiteny fts enao we zay zany no mety fa ts hanontany azy enao we fa manin ry dada na hoe fa ahoana izany na hoe azavao azafady? hafahafa izany!
19. ikaretsaka ( 07/08/2007 18:20)
za manko mba gaga.
marina fa mety tsy hamaly izy.. fa tsy mampaninona ny manontany
20. niryna ( 08/08/2007 06:49)
ari.malala:

fa nahoana no tsy afaka anontaniana Izy e! Ray anie Andriamanitra fa tsy hafa akory e! ko maninona no hoe aza anontaniana? tsy azoko mintsy! de anaty ignorance lalandava zany? de aiza le oe antsoy aho de hovaliako enao? sa miantso fa tsy mahazo manontany? enao v ry niryna refa miresaka am dadanao k raha misy zavatra teneniny anao ts azonao de hiteny fts enao we zay zany no mety fa ts hanontany azy enao we fa manin ry dada na hoe fa ahoana izany na hoe azavao azafady? hafahafa izany!

Eny e afaka manontany azy isika fa ny dikan'ilay fanontaniana dia hoe.Manome tsiny azy amin'ny fiainana miantra amintsika isika ka any amin'ny daholo ny rihitra no mitranga.Izay no tiako ho tenenina.Maro ary tsy ho voatanisa ny fanontaniana ihainana rehefa misy zavatra mitranga mahazo ny olona.
Dia izay no mahatonga ilay fanontaniana hoe fa maninona aho no avelany irery?
Raha misy koa izany Atra izany tsy toa izao ny fiainako
Raha mbola misy koa Izy izany dia antsoiko tody ity olona ity sns .....
Ianao angaha tsy mbola nanontanian'ny olona fanontaniana maro toa izany?
Raha misy izany Atra-trareo izany :roll: rehefa tena-grave izay ilay olona .....
Marina mihitsy izany Antsoy aho dia ho valiko ianao.
niryna:

Misy anarana maro iantsoana an'Atra (+30 )Inona no antony?

Maro no anarana iantsoana an'Atra satria maro no zavatra mahazo ny olony ka na inona izany olana izany dia voavaha daholo raha tena manankina Azy amin'ny fo tanteraka ianao.Manantona Azy(mivavaha Aminy fa mihaino anao Izy)

Araka ny voalaza etsy ambony dia manana anarana maro tokoa Atra ka na inona na inona zavatra mahazo antsika aza misalasala miantso azy fa ao aminy irery no ahitana izany vahaolana izany:
Mihaino antsika Izy ary miantso Azy fa mivoha 24/24 Izy.
Na amin'ny firy ianao no te-hiresaka aminy (mivavaka)dia vonona lalandava Izy hihaino anao.
Ny fanontaniana moa va tia Azy ianao?Moa va nomenao ho tantanany iray manontolo ny fiainanao?Ary moa va mahatoky Azy ianao fa any amin'ny ihany no ahitana famonjena.Andramo ka zahao fa tsara izy.(Andramo antsoina Izy ary minoa fotsiny ihany fa ataony tanteraka izay irian'ny fonao araka ny sitrapony.)

-Mpampahery:Izy no manome hery rehefa trotra ky ny dia ,rehefa tsy misy ny fanantenana sns(Sal 43:2)
-Mpanasitrana:Izy raha mitady fanasitranana isika na ara-tsaina na fanahy na vatana(Sal 103:3)
-Mpanavotra:Izy no manavotra ny fanahy tsy ho very,ary manavotra antsika amin'ny fakam-panahy sy ny herin'ny satana(Isaia 59:20)
-Mpamonjy:Izy no mamonjy amin'ny fahoriana(Sal 70:5)
ary mamonjy ao anaty rano lalina(fahoriana mianjady,tsy manana fanantenana,mamonjy ny fanahy tsy ho very any anaty afo mandoro.

Koa na inona olona mahazo antsika raha miantso Azy sy miresaka aminy isika dia omeny fanantenana tokoa.Mamaly vavaka foana izy fa na eny,na tsia na miandry kely fa ny valiny dia misy foana.
Ny finoana Azy izany no tena zava-dehibe,raha misy mahazo izany dia tokony hianatra ny ahay hizaka an'iny satria Izy dia tsy manome zavatra izay tsy ho zakantsika.Mino fotsiny ihany ary manana fanantenana fa ataony ho tanteraka izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3041