Aza anontaniana Azy ny antony ..satria efa nampanantena Izy

21. ikaretsaka ( 08/08/2007 12:50)
za aloha manontany e.. ary reflexe voalohany izany
maty Rakoto? fa naninona no maty! Na marary Randria, dia hoe fa maninona no marary
Fa raha tsy mivavaka Rasoa ve dia tsy hanontany ianao hoe fa maninona fa dia hoe zay izany fa zay no lahatra?
mahonena:roll:
22. ikaretsaka ( 08/08/2007 12:52)
niryna> sady @ ilay nolazain-dRasily ireo, ao ko le hoe

The Answer


Dia ahoana izany the answer whitout the question izany?
23. niryna ( 09/08/2007 05:45)
Ny tiako tenenina dia hoe rehefa misy zavatra manjo antsika dia tsy tokony Izy no omena tsiny voalohany indrindra.Maro ny fanontaniana mipetraka isaky ny misy mahazo ny olona.
Ny tokony atao dia ny mivavaka mandrakariva amin'ny na inona mitranga na inona manjo.

Ireto misy teny mamy fampaherezana omeny antsika:

Mifalia mandrakariva.Mivavaha ,ka aza mitsahatra.Misaora amin'ny zavatra rehetra;fa izay no sitrapon'Atra ao amin'ny kristy Jesosy ho anareo. Fantaro ny zavatra rehetra;hazony izay tsara.Fadio ny fanao ratsy rehetra.Mahatokia Izay miantso anareo,sady Izy ihany no hanefa izany( I Tes 5:16,21,22,24)
Tiako izay tia Ahy,ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.Ato amiko ny harena sy ny voninahitra,Eny ny harena mateza sy ny fahamarinana.(Oha 8:17-18)
Tezera fa aza manota;mieritrereta eo am-pandrianareo,ka mangina.(Sal 4:4)

Ray: Inona no tianao ataoko aminao?

Zanaka:Mamindra fo amiko ka henoy ny fivavako(Sal 4:1)

Ray:Koa mihainoa ahy hianareo ,anaka;Fa sambatra izay manaraka ny diako;Minoa anatra ,ka hendre fa aza manda.,Sambatra izay olona mihaino Ahy ka miari-tory mandrakariva eo am-baravarako.( Oha 8:32-34):D

Inona no tokony ataontsika?
-Izaho tia an'i Jehovah,satria efa nandre ny feon'ny fifonako Izy.Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy,dia hiantso aho ,raha mbola velona koa.(Sal 116:1-2)

^:^
24. ikaretsaka ( 10/08/2007 02:27)
ka samihafa ange ny manontany ny antony sy ny manome tsiny e.. noho iznay dia mivoana indray izany ity fanontaniana ity
25. ari.malala ( 10/08/2007 07:49)
:roll: hay va re ny manontany lasa manome tsiny amzao e! :roll: gaga be mitns aho! refa misy zavatra tsy mazava zany d ts mahazo manontany fa sao manome tsiny:roll: hafa kely le teoria!!!!
26. niryna ( 13/08/2007 05:17)
ari.malala:

:roll: hay va re ny manontany lasa manome tsiny amzao e! :roll: gaga be mitns aho! refa misy zavatra tsy mazava zany d ts mahazo manontany fa sao manome tsiny:roll: hafa kely le teoria!!!!

ari-malala hoy aho ery ambony hoe isika rehefa misy manjo dia ny manome tsiny an'Atra no atao voalohany.
Izay no antony nanazavako azy aminao.Izao fotsiny no atoroko anao,raha mbola tsy mangataka akory isika dia efa fantany izay tadiavintsika.Atra dia be fitiavana ary mamaly vavaka foana,indraindray isika no tsy mahay mangataka,ary na izany aza fantany ny olona manantona azy amin'ny fo torotoro.Manandrama hoy aho aminao,manantona azy,antsoy ny anarany manana anarana maaaarrrooo hiantsoana azy isika,ny dikany izay olaaannnnna misy antsika dia voavaha daholo raha tena manankina sy mivavaka aminy isika.Andramo anie e.Ankatony ny tranonao dia mivavaha miresaha aminy toy ianao miresaka amin'i mamanao na ny dadanao,tantarao azy daholo izay olana misy ao aminao,mangataha famelan-keloka ary mivavaha ireny olona manana alahelo aminao ireny na hananao halahelo,fo madio no hiantsonao azy.Andana andramo kely fa mila porofo ianao,hitanao mihitsy fa maivana ny zioganao,mamaly izy ari-malala a.Raha ireo olona maro nijoro vavolombelona ireo no valiany dia mbola mamaly foana izy hatramin'izao.Andramo Izy irery (tompo )mivantana antsoina.:*

27. ikaretsaka ( 13/08/2007 05:29)
Izay no antony nanazavako azy aminao.Izao fotsiny no atoroko anao,raha mbola tsy mangataka akory isika dia efa fantany izay tadiavintsika

marina.. izy mahafantatra fa isika tsy mahafantatra... izay no anontaniantsika ny antony!
Tahaka ny nanontanian'ny Apostoly, Jody, mpaminany, fariseo, maria, Abrahama azy sns.. azy.
Voalaza imbetsaka ao anaty baiboly ny fanontaniana hoe"
Inona no dikan'izao?
inona no hevitr'izao?
fa maninona no ohatran'izao?
Izany ve dia azo atao?
fa maninona no izaho ?

nanontany an'izany daholo ny olon'Andriamanitra ry "Kristianintianim-poana"
tsy mahatoky? ivereno
28. ari.malala ( 14/08/2007 13:31)
inona no atao hoe manome tsiny @ niryna? fa anga refa manontany d manome tsiny? za zao raha misy tsy mzava amko ny zavatra tenenina eto d mametraka fanontaniana za, ary ts manome tsiny mitns ny fandraisako anzanya lo e
29. niryna ( 15/08/2007 00:15)
ari.malala:

inona no atao hoe manome tsiny @ niryna? fa anga refa manontany d manome tsiny? za zao raha misy tsy mzava amko ny zavatra tenenina eto d mametraka fanontaniana za, ary ts manome tsiny mitns ny fandraisako anzanya lo e

Manome tsiny izy dia hoe "Do not blame God ...",raha misy zavatra mahazo antsika dia misy antony daholo.Ny antony no maro ka Izy irery ihany no mahalala izany saingy matetika raha ao anaty fahoriana isika no mitady Azy dia hitantsika mihitsy izany fampaherezana omeny izany.Maro ny zavatra efa nandalo teo amin'ny olona ary nomeko fampaherezana sy miara-mivavaka,marrrrooo,raha mandaitra amiko sy ny hafa dia sa milaza aminao aho fa mandaitra aminao koa,izay no zavatra hitako ary mbola miantra hatrany io.Afaka manontany hoy aho ianao,fa ireo olona manome tsiny Azy rehefa misy mahavoa na manjo no resahiko. Afaka manontany koa ianao raha izany no mampalahelo anao.Andriamanitra o raha tena misy tokoa ianao dia omeo fahitana aho,azavao ny saiko ahalala izay tianao ataoko? Asehoy ahy izany herinao izany.Andramo. Pratique,ampiarina amin'ny fiainana daholo ny fivavahana amiko,ary manandrama,efa nanandrana ve aloha ianao,efa im-betsaka aho no nampahery anao ?

30. ari.malala ( 17/08/2007 13:50)
tsy mba fombako ny mizahozaoh etsy sy eroa, ary ny fifandraisako @ Atra Raiko dia entre Izy sy zaho irery ka tsy ilaiko tantaraina etsy sy eroa hoe zao no nataoko zao no nataoko. Ilay fanamarihanao sy affirmation anao hoe refa manotany d manome tsiny no tsy mety mazava amiko mintsy!! Amiko dia Raiko Andriamanitra, manana droit hiresaka Aminy sy hanontany Azy izay tsy mazava amiko aho.
31. niryna ( 18/08/2007 00:40)
ari.malala:

tsy mba fombako ny mizahozaoh etsy sy eroa, ary ny fifandraisako @ Atra Raiko dia entre Izy sy zaho irery ka tsy ilaiko tantaraina etsy sy eroa hoe zao no nataoko zao no nataoko. Ilay fanamarihanao sy affirmation anao hoe refa manotany d manome tsiny no tsy mety mazava amiko mintsy!! Amiko dia Raiko Andriamanitra, manana droit hiresaka Aminy sy hanontany Azy izay tsy mazava amiko aho.

:D:D
Dia aza misalasala ary manontany Azy ary manolotra ny fiainanao aminy.Zahao fa tsara izy.
"Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana "hoy Izy

Tamin'ny andro taloha TT dia nanome fahagagana isan'andro Atra ka nomena" mana "ny Israely
Ara-panahy koa dia mila miankina amin'Atra isika amin'ny hanina hohanintsika isan'andro. Ny tenin'Atra izany ary afaka mamaky sy mandalina azy isika amin'izay ora hitiavantsika azy.
Hanome antsika fampaherezana,fahatokiana,fitaritana izay lalany tiany homban-tsika ary fahazoantsika fahasambarana sy fiadanantsaina izany mofon'aina izany. Jaona 6:35 .
Mazoto :*
32. ikaretsaka ( 19/08/2007 11:58)
Raha manao kosa amin'Andriamanitra hoe mba homeo fanazavanazavana aho ry Tompo ahafantarako ny anton'izao zavatra misy eto amin'ny fiainako izao kosa dia inoako fa tsy maninona ka

fa raha hoe #$%&#$ ianao ry tompo fa nataonao an'izao aho dia samihafa
33. niryna ( 20/08/2007 03:15)
ikaretsaka:

Raha manao kosa amin'Andriamanitra hoe mba homeo fanazavanazavana aho ry Tompo ahafantarako ny anton'izao zavatra misy eto amin'ny fiainako izao kosa dia inoako fa tsy maninona ka

fa raha hoe #$%&#$ ianao ry tompo fa nataonao an'izao aho dia samihafa

ie,izay indrindra.Azonao ny tiako ho tenenina fa misaotra.Firy no miteny an'izany? Toy ireny hoe mangataka vavaka dia tsy mivaly mifanaraka ny tiany dia milaza fa tsy misy Izy na koa hoe raha misy Izy maninona aho no ataony toy izao na ...

Atra dia mamaly vavaka hatramin'ny madinika kely indrindra ka hatramin'ny faran'izay vaventy indrindra.
Ataovy hoe misy trano misy jiro ary tsy fantatrao ny olona mipetraka ao,sendra nisy zavatra nahazo anao ary dia tsy nahita olona hiantsampazana intsony ianao.Nahita ilay trano misy jiro mirehitra ianao dia nandona ary tsy nitsahatra nandona.Farany nivoha ny varavarana .:roll::D^:^^
Toy izany fanoharana ataoko izany koa Atra,mitady sy manao izay zavatra araka ny sitrapon-tsika isika ary tena lany haiky tsy misy lalan-kaleha intsony, nahafantatra anefa isika fa izy no jiro manazava ny diantsika raha mitady izany jiro izany isika,hitantsika ilay jiro,nodomintsika ny varavarana ary mety ela izy vao namoha kanefa fantatra fa tsy maintsy hivoha foana io varavarana io raha tsy mitsahatra mandona isika.Mat 7:7:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6019