ireny mamo ireny

1. Angolaina ( 01/08/2007 06:43)
Variana aho mahita ireo mamo matoritory eran'ny lalana, inona ary no tena tsiron'ilay mamo raha fahafaham-baraka sy fahoriana ho an'ny fianakaviana no azo avy aminy e ? :?::?::?:
2. dadie ( 01/08/2007 07:31)
ny ahy manokana alo refa mivoaka miaraka am namana ka misotrosotro d refa tonga eo am lé mivanitika iny no tena mafinaritra ahy oatran'ny tonga lafatra zany ihihih,fa ny ol sasany c vré tena tsy miala eo mihintsy ra tsy midaraboka am tany ,ary ny fananana ray na reny mpisotro alo tena mahamenatra e,nefa tsy tsapan'izy ireo izany ,mananjanaka toa zany koa torakizany
ny hevitro ireo aki a
3. miou ( 01/08/2007 07:37)
mety marina izay, fa ilaina ko anie le izy ndraindray refa mahay mikarakara azy eh
4. naritsimba ( 01/08/2007 08:54)
Raha izaho manokana aloha dia tena nisotro toaka e, fa saingy mbola tsy natory teny amoron-dalana, amin'izao fotoana dia vao maika tsy hatory eny amoron-dalana satria efa tsy misotro intsony.

Tsy ratsy ny toaka, nefa koa tsy tsara, mahaiza fotsiny mandanjalanja.

Fifampitaizana no ilaina fa tsy ny fanaratsiana be fahatany ny toaka, na fanenjehana ny olona misotro.
Izaho rehefa tsy nisotro intsony, dia tsy sanatria ka hanary ny namana mbola misotro fa vao maika manatona azy ireny mba manampy azy raha te hiala izy, na miteny azy ireo rehefa hita fa be loatra ny laniny.
5. Angolaina ( 01/08/2007 09:55)
naritsimba:

Raha izaho manokana aloha dia tena nisotro toaka e, fa saingy mbola tsy natory teny amoron-dalana, amin'izao fotoana dia vao maika tsy hatory eny amoron-dalana satria efa tsy misotro intsony.

Tsy ratsy ny toaka, nefa koa tsy tsara, mahaiza fotsiny mandanjalanja.

Fifampitaizana no ilaina fa tsy ny fanaratsiana be fahatany ny toaka, na fanenjehana ny olona misotro.
Izaho rehefa tsy nisotro intsony, dia tsy sanatria ka hanary ny namana mbola misotro fa vao maika manatona azy ireny mba manampy azy raha te hiala izy, na miteny azy ireo rehefa hita fa be loatra ny laniny.



Marina zany, saingy za tsy hoe manaratsy be fahatany ny toaka fa raha amiko manokana aloha tsy hitako izay hisotroana azy raha tsy zaka e! sady ny tsapako, tsara tarehy kokoa ny olona rehefa tsy misotro sy tsy mifoka satria tena hita fa poizina ho an'ny vatana ilay izy rehefa diso be loatra. Fa de tena varina foana za mahita reny mamo mitsirara fahatany ireny e!
6. sonwin ( 01/08/2007 10:35)
ireny no atao hoe mamono eritreritra angamba. Gaigy be ilay fiainana :^)
7. mandrindra ( 01/08/2007 11:33)
aleo ihany hoaaa diteee fa io no tsy manary e:wink:
8. ari.malala ( 01/08/2007 12:00)
izaho koa aloha d ts mahazo mitnsy hoe inona no antony isotroana toaka e! zavatra tsy zaka ko sotrona!!! sady raha mamo ka mba calme moa manin, fa misy ireo tsy mahay mamo fa mitabataba sy mikasi-tanana mintsy! manorosory sy manafintohina ny maita azy reny...
9. marvin ( 01/08/2007 12:23)
:Dtena mahasorena tokoa aloha misy ireo olona sady efa tsy ampy sakafo nefa dia misotro toaka foana no atao antondraharaha asa efa tambavy ny dada hoy ry zareo ny ahy aloha misotro aho fa avec modération ary tsy tia miosotro any @ bar fa aleoko ao antrano sady arahadromororo no raha sendra ka vizana dia ny fandriana no vonjena ny tena marina tena tsy ampy kilalao ny gasy e hany ka manao izay hitsiny lohany tsy omentsiny ny tsy mahay mamehitena nefa karazany famonoantena akolaka ihany izany loza anie dia miafara @ fanaovana zavatra tsy ampieverana hany ka miafara @ fahafatesana ilay diso doze io lazaiko io ampio izy fa aza faly manao fitsekerana be fahatany zahao fa misy ny antony ao dia izay misaotra anao nadray aho ho namana tena tiako tokoa raha ianao no mba namako e dia homeo sujet vaovao indray hifampidinihana dia manao veloma mirary soa ho anao Marvin
10. Fiffi ( 01/08/2007 12:40)
heu....mety hoe tsy fidiny ho an'ireny olona ireny ve io hoe mamo lava io ? satria misy ny antony matoa zareo misotro ?:roll:
11. tywa68 ( 01/08/2007 13:05)
ari.malala : misotro ho mamo tampona satria te-hanadino ny sorisory isakarazany e !
12. princesseN ( 01/08/2007 15:36)
Fiffi:

heu....mety hoe tsy fidiny ho an'ireny olona ireny ve io hoe mamo lava io ? satria misy ny antony matoa zareo misotro ?:roll:

otrn'ny toa fialana bala fotsiny aky zany ry Fiffi ah! za mantsy mahita fa misy olona tena tsy mba miheritreritra mintsiny ireny olona mammo lava ireny, misy de olona manam-bady tsara tarehy zao de faly am-pijaly sy hanala baraka vatana fotsiny!tena mampalahelo alou eh!:(:(:(

13. ianao ( 01/08/2007 16:05)
Mahasorena mihitsy ierny. Na ny fofona, na ny teny ratsiny. Mila ady, mandoa, tena mahatsiravina. Izaho koa mba gaga hoe mahita fahafinaretana ve ireny.
14. ikaretsaka ( 01/08/2007 16:06)
ny tsy fahalalana onony no tena anton'io e.

"na rano avao aa mahafaty lehe be loatse" hoy ny fomba fiteny any @ Bara any

Raha voky rano be ianao ka voadaka ao @ kibo.. mety ho gravy nohon'ny mamo koa a

ny antonony ihany hoa
15. sakaizakely ( 01/08/2007 16:33)
le mivarina antantatra tokoa aloha de tena tsy lasa e ! Fa ny mahagaga dia hoatran'ny efa mahazatra rehefa lhl, tsy mahataitra ny oul intsony, fa nena le vhv efa zokinjokiny mihitsy no nahataitra ahy tam zany. Tena tia toaka tsisy hoatr'izany.

Asa re, atao hoe mafy ve ny fiainana de mba te hisavirivole kely izy e ?
16. ikaretsaka ( 01/08/2007 16:53)
Asa raha mbola any ihany izy iny!
fa nareo izay mpandalo amin'iny Rue ratsimilaho (ilay avy eo @ pergola hatrany @ tranovato sy ny 4 chemins le avy any ambatovinaky, amparibe, sns iny...

Nisy ramatoa mpivarotra gazety izay teo Antaninarenina teo, sy teo Ambatonakanga teo, dia rehefa lafo ny gazety, dia hitanao izy, indrindra ilay avy misakafo handeha hianatra sy hiasa @ 2 iny... dia mamo rafotsy dia eo @ ilay Mosque eo izy no midodo, mipipi klaoty. miainga zipo....
Sadaikatra ery ny karana mandinika ny tokony hatao, indrindra rehefa zoma ny andro!
mahonena!
17. wooda ( 01/08/2007 18:29)
nena avec bcp de modération!

Io ilay hoe revy samy manana ny azy! Safidy indraindray fa tsy noterana!

So de HS za?
18. Fiffi ( 01/08/2007 19:26)
tsy HS ndry wooda kah ! fa heu...marina fa hoe safidy io an ! azo atao tsara angé hoe mba misotro indraindray fa le hoe "mamo lava" kosa aloha heu....:roll:
19. ikaretsaka ( 01/08/2007 21:14)
tsy mampaninona mihitsy no manao "ndeha hody dia ny tsy mamo"
20. niryna ( 02/08/2007 04:31)
Ny olona tsy mety afaka amin'ny toaka hono dia toy ny aretina rehetra ary efa misy fanasitranana azy izao.Misy aza firenena mampianatra ireny olona tsy afaka ireny.
Tsy izay rehetra misotro akory no teneniko fa ireo izay tsy mety afaka intsony.Isika gasy dia tsy mety raha tsy misotro kely rehefa misy fety ary raha ohatra ka apetra eo ny toaka dia masoandro maty no mampalahelo.

Raha aretina ny fisotroana alkola dia:

-Raha aretina ny fisotroana alkola na toaka dia ny fanjakana no manao sy mahazo vola indrindra amin'ny orin'asa manao an'io.
-Io no aretina mitondra ady indrindra,mitondra fahafatesan'ny olona tsy nahy satria mamo ny mpitondra
-Io no aretina tsy mitondra otrik'aretina kanefa tsy sitran'ny fanafody.

Mampalahelo ny olona sasany satria ao anaty ny fahamamony izy vao afaka manambara ny alahelony na zavatra tiany hambara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.298