ireny mamo ireny

21. Rasiligaoma ( 02/08/2007 04:53)
misy milaza hoe mitovy @ aretina rehetra koa hono ary tsy ny taoka ihany no mahamamo, fa rahaefa zavatra rehetra no atao tafahoatra sy tsy am-piheverana, na fivavahana aza!
22. niryna ( 02/08/2007 05:03)
niryna:

Lohateny : Re : Alcoolisme:aretina hono fa tsy vazivazy!


Anjoanina:


niryna> Marina tokoa fa aretina ny fisotroan-taoka. Nanoratra hafatra momba ity resaka ity aho nanome fanazavana momba an'io saingy nony nalefa dia tsy nipoitra akory. Herim-po very maina marina!

Miantehitra amin'ilay taoka ny vatana ka tsy afaka ny miala. Ny atidoha, aty, fo, sy ireo taova maro tsy voatanisa eto no voa.

Ny mpitsabo, ny mpiara-monina, ary finiavana avy amin'ilay mpisotro taoka no ilaina mitambatra mba hialana amin'io. Ary ny ambony indrindra dia vavaka.

Vizana be aho hamerina hanoratra indray.


niryna:


Marina izany,alefaso ato ny fanazavana rehefa tsy nivoaka tany an-kafa raha mbola tadidinao.
23. niryna ( 02/08/2007 05:06)
niryna:

Lohateny : Re : Alcoolisme:aretina hono fa tsy vazivazy!
Toy ny ankizy mandena fandriana lava dia azo tsaboina,toy izany koa hono ny olona tsy mety afaka amin'ny toaka intsony.
Aretina izy ka inona no mety mitranga iza no mahazo vola ,iza no hiaran'ny loza noho ny nataon'ilay mamo?Ny olona tsy mety afaka amin'ny toaka hono dia toy ny aretina rehetra ary efa misy fanasitranana azy izao.Misy aza firenena mampianatra ireny olona tsy afaka ireny.
Tsy izay rehetra misotro akory no teneniko fa ireo izay tsy mety afaka intsony.Isika gasy dia tsy mety raha tsy misotro kely rehefa misy fety ary raha ohatra ka apetra eo ny toaka dia masoandro maty no mampalahelo.

Raha aretina ny fisotroana alkola dia:

-Raha aretina ny fisotroana alkola na toaka dia ny fanjakana no manao sy mahazo vola indrindra amin'ny orin'asa manao an'io.
-Io no aretina mitondra ady indrindra,mitondra fahafatesan'ny olona tsy nahy satria mamo ny mpitondra
-Io no aretina tsy mitondra otrik'aretina kanefa tsy sitran'ny fanafody.

Mampalahelo ny olona sasany satria ao anaty ny fahamamony izy vao afaka manambara ny alahelony na zavatra tiany hambara.

Farany aretina io ka io no fefy manakana ny olona tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra raha tsy ohatra ka tsy mibebaka(I Kor 6:9-10)
24. niryna ( 02/08/2007 05:07)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 02-08-2007 06:56:40
Lohateny : Re : Alcoolisme:aretina hono fa tsy vazivazy!
Ity anie jereo ny stastic mikasika ny vokatry ny fisotroana zava-pisotro mahamamo e: Izany ary t@ 1972.
1- Ny amerikana hono dia 9 million no voan'io aretina io
2-200,00 olona isan-taona no fitombony.
3- Ao anatin'ny 50.000 olona maty ,ny 28,400 dia hita taratra ny rany fa misy alkola
4-Ao anatin'ireo olona tsy afaka miasa intsony izay 50,000 tamin'ny taona lasa dia voadona vokatry ny mpamily mamo.
5-2.000.000 isan-taona no voasakana noho ny fahamamoany
6-21 billion de dollars no lanin'ny olona tamin'ny herin-taona nividianana toaka.
7-Ny fotoana lany sy ny tsy fiasana miasa ho an'ny olona ,vokatry ny fahamamoan'ny mpamily dia nahatratra
15 billion de dollars( 1971)
8-Ny 1/2 ny olona miditra ny hopitaly dia olona mamo tanteraka(aty misy fanadiovana ireny olona mamotampona ireny ary raha tsy mailo dia maty ny tanora izay nanandrana ka mamo nisotro ny tsy zakany.
9-1/3 ny olona mamono tena dia nisy fifandraisany amin'ny toaka,
10- Ny olona mamolava hono dia mihena 10-12 taona ny andro ihainany.

Koa raha mbola tsy tafiditra dia hialaho toy ny afo mandoro.Ny tokan-trano rava sy potika moa izany tsy lazaina intsony.Ny fahorian'ny ankizy mahita ilay ray mamo sady mamony ny vadiny sy mitabataba manginy fotsiny.
25. mandrindra ( 02/08/2007 06:47)
tsara ny toaka fa mila hay ny misotro azy eeee
26. bozyboleta ( 02/08/2007 11:02)
Misy aza @ le mpisotro toaka be reny na tsy misotro aza fa tratry ny ainandro fotsiny de mamo.
Za nanana mpiara-miasa mpisotro toaka be zay, de nomena avertissement lery fa hoe nisotro toaka nandritra ny ora fiasana, fa ny navaliny de hoe tsy nisotro toaka hono izy fa efa fofom-bavany mitsy zany :roll:
27. boraingy ( 02/08/2007 14:55)
Reseo Satana fa Masina ny Tena (l)
28. Herimiafina ( 02/08/2007 14:59)
Angolaina:

Variana aho mahita ireo mamo matoritory eran'ny lalana, inona ary no tena tsiron'ilay mamo raha fahafaham-baraka sy fahoriana ho an'ny fianakaviana no azo avy aminy e ? :?::?::?:


Mety efa hafa-baraka klou izy sady efa ory vao nisotro dia mamo fa tsy voatery foana hoe mamo vao hafa-baraka sy mahazo fahoriana :wink:
29. ikaretsaka ( 02/08/2007 15:24)
za efa nahita io hoe mitanin'andro dia mamo io..
mbandy gardien jardinier izay
ilay tena efa lasa mabokely ireny mihitsy ny orony sy ny tenany manontolo. zahay moa tsy mahazo manao mamo rehefa miasa, lery milaza fa tsy misotro mihitsy rehefa ora fiasana
fa tena mamo be foana lery dia nony farany no verifier-ko sao tena mamely ambadika, fa tena miava zaridaina eo lery dia danihan'ny hainandro eo dia lasa mamo le
30. boraingy ( 02/08/2007 16:24)
Mitady ny Fanahiny izy
31. naughtyboy ( 02/08/2007 18:09)
le varimbariny no tsara fa tsy le mamo:)tsindraindray fa tsy matetika
32. rasil ( 02/08/2007 18:39)
Ohatra an'ilay hira izany:

...
Lasa toxico - alcolo - pinard - toakalahy
...
33. Herimiafina ( 02/08/2007 23:10)
Te hirevy zah zany klé. Ndeh hanamboatra gilomidro indray klou! :-w:@
34. Fiffi ( 05/08/2007 06:06)
boraingy:

Mitady ny Fanahiny izy
an ? de ao am fisotroana taoka ve no ahitany azy ? heu....:-w:-w


35. kiadi ( 05/08/2007 11:37)
ny sarin'ny angolaina aza hotran'ny oe mamo zany eo @ palge io ko lol
36. ikaretsaka ( 05/08/2007 16:04)
ny an'i angolaina aza io jereo fa eau de source no sotroiny io ko
tsy haiko aloha na ny tavoanginy fotsiny fa ambodivoara no ao anatiny ao e
37. princesseN ( 08/08/2007 09:36)
:-w:-wtsy mety ouah zany manao mamo lava zany?
38. xxx ( 09/08/2007 04:06)
Misy zavatra hafeniny ao ambadika ao dia iny no hanariany dia.
39. Angolaina ( 14/08/2007 09:25)
kiadi:

ny sarin'ny angolaina aza hotran'ny oe mamo zany eo @ palge io ko lol



nga tsy tadidinao fa tsika nge no niaraka teny e! normal be za raha mamo fa jere aza le eau vive nosotroiko mbola eo :-D:-D:-D
40. Angolaina ( 14/08/2007 09:28)
ikaretsaka:

za efa nahita io hoe mitanin'andro dia mamo io..
mbandy gardien jardinier izay
ilay tena efa lasa mabokely ireny mihitsy ny orony sy ny tenany manontolo. zahay moa tsy mahazo manao mamo rehefa miasa, lery milaza fa tsy misotro mihitsy rehefa ora fiasana
fa tena mamo be foana lery dia nony farany no verifier-ko sao tena mamely ambadika, fa tena miava zaridaina eo lery dia danihan'ny hainandro eo dia lasa mamo le



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0727