iza no efa tratry ny toy izao?

1. nenipita ( 11/07/2007 12:56)
salut nareo, bevoka 7 mois akia aho de refa nanao echo de position en siege le zaza. nolazain'le dr aloha fa mbola tokony hihodina hono izy. Iza no efa tratry ny toy ahy na mahafantratra olona toy izany fa tena mampitebiteby be akia ilay izy a.
Mety ve hoe ilay izaho mipetraka foana no mahatonga izany? ny asako moa de mipetraka foana mandritry ny andro ary eto ambony ordi eto foana koh.
Mba toroy hevitra izay efa naheno toy izany sanatria ve de tsy maintsy cesarienne e?
Misaotra o
novalian'i eiluj ny 06/08/2007 15:06
2. mamzelkely ( 11/07/2007 13:36)
za efa nahafantatra olona toy izany izy ko mipetraka fôna sady miasa be fôna nefa ef atoko ny congé de maternité izy ko mo tale ana orinasa de efa nivadika aza ny le zaza fa aveo niverina position siège njay satri mipetraka lava izy

ka mety avy amin le enao mipetraka lava io no mahataonga an le izy fa tokony haka aina enao de tokony hitsangana tsinjainjay fa sinon de cesariène io
3. loula ( 11/07/2007 13:40)
Bjr ianao NENIPITA a!
Zah aloha mbola tsy tratran'izao, fa homeko torohevitra kely e! manatona an'ireny renin_jaza ireny, haindry zareo hono ny mampihodina azy io, mihafy kely fa toa hoe marary be hono an! Dia mirary ny soa hoanao hatrany, tongava soa na i Koto, na i Ikala e! Manaova mora ô!
4. Mitah ( 11/07/2007 13:45)
Aza matahotra izany nenipita a! Ataovy izay hahatony anao foana satria ianao mitondra vohoka. Ny zokiko ohatra anao koa fa nihodina ihany ilay zaza herinandro mialohan'ny haterahany. Mandeha an-tongotra vao maraina adiny iray isanandro izy mivady. Na izao aza ianao vao manomboka tsy maninona. Sady mahazo rivotra madio no mety hampihodina ilay zaza tampoka ilay izy. Tery izy ianao mipetraka foana dia lasa toy ny olona matory lava.Aza kivy e!
Misy ireny mpanotra ireny koa anie hono ka mahay manodina azy rehefa tsy tafodina amin'izao ilay zaza e!Izaho aloha mbola tsy tratra.
5. ari.malala ( 11/07/2007 14:17)
mbola tokony miodina izany zaza izany ka! manaoa mora nenipita a:-*:-*:-* d aza d manao vizana loatra tsony raha efa 7mois zany an! de mba mitsangatsangàna tsindraindray iany na izany aza.
6. fanantenana2003 ( 11/07/2007 19:00)
jusqu' ahatraminy farany dia siege le zanako tsy nety nivadika mihitsy izy, donc natao ny radio de bassin de hoe tery tsy afaka ihodina izy donc natao cesarienne programmer no nataoko fa de bonne courage fa mety mbola hivadika io
7. meva2 ( 12/07/2007 07:06)
Izao fotsiny e! Ny important indrindra dia en bonne santé ilay zaza sy ianao. Ka na par voie naturelle na tsia aza dia hatao mampi-stressée loatra fa manjary tsy mety hoan'ilay zaza.
8. sechat ( 12/07/2007 08:46)
nenipita> mety mbola mihodina aloha zany 7 mois zany e! Nefa na tsia aza dia aza dia mitaintaina @zany. Ny essentiel tafavoaka tsara ny zaza sady salama ny reniny, na césarienne io na tsia.
9. nenipita ( 12/07/2007 10:57)
Misaotra betsaka anareo namaly sy nanoro hevitra fa tena tsapa fa mana-namana tokoa eto ami'nny forum.
Hiezaka tokoa akia handehandeha isaky ny misy fotoana fa izay no hampihodina azy. Efa miotra eny andranomena amin'ni Mama Jeanne ihany koa mantsy aho .
Fa tena ambony ny morale-ko maheno fa efa misy ihany tokoa ny olona tratry ny toy ny mahazo ahy iofa dia misaotra betsaka e.
10. bozyboleta ( 12/07/2007 11:00)
Tena efa nahazo ahy io.
Efa 8 mois ny kiboko t@ zay de nanao echo fa tena hita be hoe nipetraka le zaza tao an-kibo. Le za nipetraka foana t@ buro no antony nahatonga io.
Nasain’le dr nitsongoloka za 5mn isa-maraina sy hariva de miaina mafy @ orona fa herinandro fotsiny taorian’io exercice io de nivadika soa amantsara le zaza.
Tsisy mampatahotra fa andramo raha mety. Fa anontanio ny dr ihany aloha. Za ary mantsy t@ zany nanao hypertension be fa tsy fanina mitsy t@ le nitsingoloka nefa @ zany mandohalika miaraka @ kibobe ary ny loha mitsy no ambany.

Manaova mora akia a!:-*
11. kallie ( 12/07/2007 14:28)
bon courage nenipita a :-*
12. sakaizakely ( 13/07/2007 08:05)
nitsongoloka za 5mn isa-maraina sy hariva de miaina mafy @ orona 8O8O8O8O8O8O8O8O8O8O8O8O8O8O8O
13. sakaizakely ( 13/07/2007 08:30)
elaela indray izany nenipita :P

nanao ahoana ilay rano bedabe ? misy diabeta ihany sa tsia ?

momba ny maha siège ilay zaza indray dia tsy avy @ position-nao mihitsy, betsaka ny vhv miasa birao nefa position céphalique ny zaza f'aza mety rebireben'ny olona am zany, fa ilay zaza dia maka izay position maha confortable azy, ary plus miha-mandroso ny fotoana, mihalehibe ilay zaza, moins izy manana plasy hivadihana. Resaka lojika io ary tsy misy mahafantatra izay ho fihetsiny, misy ny mivadika au dernier moment ihany, misy dia mijanona ho siège. Toa hoe 5% n'ny zaza ihany no siège fa dia mirary anao hanao mora. Ny pozin'ny tranonjaza dia mitovy ihany na mitsangana mandehandeha ianao na mipetraka ka tsy ny fandehandehanana no hampivadika azy. Ny soa azo avy @ fitsangatsanganana dia ny oxygénation fa tsy mampisy fiantraikany @ position'ny zaza

Ary aza dia matahotra loatra izay césarienne. Araky ny nolazain'i meva2; tsy aleo ve tonga soa ilay zaza qqsoit ny fivoahany ?

Ny ahy koa ny voalohany dia efa césa satria kely ny bassin ary nanomboka tsy ampy oxygène ilay zaza. Voatery nodidiana, ary nizotra soa amantsara na ny fandidiana, na ny suite opératoire. Ka aza manahy fa matetika koa raha diso manahy loatra mitarika complications.

Ny ahy moa dia césa foana, ho fanintelony izao. Toy ny opération rehetra ihany, ny tokinaina no atao be fa le risque zéro n'existe pas. Normalement mandeha tsara ny ankabeazan'ny césarienne ka aza manahy.

Mikasina ny fanaovana "version"

Arak'ilay lojikanjavatra hoe le bébé adopte la position la plus confortable pour lui, matoa izay ny position raisiny, dia misy antony ao. Sao dia sanatria voakendan'ny tadimpoitra ao izy raha avadika manuellement izany. Mety manko (mety an) fohy ny tadimpoitrany matoa izy tsy afaka mitsongoloka. Ka sao kenda ao, fa avelao rehefa izay no nataony. Dia aza miasa saina be loatra fa tsy hampiova zavatra akory izany, ianao no manjary tsy mahazo aina. Avelao ny natiora hanao ny asany.

Mahereza :-*:-*:-*:-*:-*
14. booboo ( 13/07/2007 09:31)
Sakaizakely > dia nanakory ilay mitsongolongolika ? hihihihi. pas taper fa hi :arrow: zà
15. bozyboleta ( 13/07/2007 11:26)
Mpandefa : sakaizakely [ Valio ] 13-07-2007 10:05:04
Lohateny : Re : iza no efa tratry ny toy izao?
nitsongoloka za 5mn isa-maraina sy hariva de miaina mafy @ orona


Inn no mampihiratra be ny voamason'i Sakaizakely @ io???
Ny dokotera no nampanao an'io ary manampahaizana izy fa tsy sanatria mamosavy olona akory.
Ary nety tamiko le izy.
Nenipita: tsy miteny anao za hoe io atao fa ny experience-ko no lazaiko an! Aleo ozy za mijery dr ihany.
Manaova mora akia a!
16. ari.malala ( 13/07/2007 12:15)
miandry vaovao avy amin'i nenipita dia mirary soa hoan'i nenipita sy sakaizakely hanao mora na cesarienne na hiteraka par voie basse e! tongava soa daolo ny kilonga dia manaova mora daolo:-*:-*:-*:-*:-*
17. bozyboleta ( 13/07/2007 12:21)
Ndry moa Nenipita nanontany hoe iza no efa tratry ny toy izao, de mba nilaza ny experience-ko za.
Za tsy dokotera no tsy nampanao CPN an-dry ka tsy mahalala hoe inn no antony nahatonga ny zanak'indry hoe en siège. Fa aleo ny dr no anontaniana e! Ny vohoka sy ny fiterahana koa ange tsy mitovy mihitsy ho an'ny vhv e satria tsy mitovy ny toe-batana.
Hevitra sy traikefa no ifampizarantsika eto ary efa betsaka ireo niteny ireo de indry mahita ze tokony hatao.
>>> Sakaizakely, f'anga misy mifandrebireby eto no ozy enao hoe "f'aza mety rebireben'ny olona am zany"???:?:
18. sakaizakely ( 15/07/2007 22:38)
booboo> de mbola mitohy foana ny tsongolobatita sady miampy baolina ankitra koa :-D:-D:-D:-D
2 volana sisa :P:P:P

ari.malala> misaotra akia :-*:-*:-*:-*
izaho indray aloha tsy manana ahiahy loatra ary efa tsy andriko indray aza, sady efa programmé ny andro anaovana azy. Mila mifampiresaka tsara @ le anésthésite fotsiny. Ny dokotera hampiteraka dia ilay nanao ny faha-2 ihany.

bozy> aza misahotaka wà :roll::roll::roll:
tous les médecins n'ont pas la science infuse. Ny ahy raha vao tsy rationnel ny zavatra lazain'ny oul de mampi 8O8O8O8O sy mampi =))=))=))=)) ahy, na dokotera io na tsia. Mila mandray hevitra amin'ny maro foana. Izany no ilàna sy ampiasana itony aterineto sy forum itony ^^^^^^
19. bozyboleta ( 16/07/2007 09:24)
Ho fanajako ny tompon'ny lohahevitra de tsy hitariko eto io fomba fanaon'ny eo ambony io ze zatra mitsara sy manabaty ny hafa @ zavatra tsy fantany akory.:!:
Ny Tompo anie hampahiratra ny masony sy hampalady ny sofiny mba hitomboan'ny fahalalany.:lol:
20. bozyboleta ( 18/07/2007 08:55)
Satria Nenipita ngamba eto Tanà de reto mety mahasoa anao.
Ao @ pavillon ste fleur sy hopitaly sasany eto Tanà mampanao gymnastique pré-natale rehefa feno 8 volana ny kibo. Gymnastique au sol no atao, tena gymnastique aloha fa tsy hoe zesita, misy mihohoka ôtran’le lazaiko ery ambony io, ary misy position gynécologique otran’ireny miteraka ireny, de misy exercice de respiration koa. Tena manampy be ireo refa tonga le andro iray. Ho an’ny voie basse no lazaiko an ! (Ny césarienne moa tsy mila an’zany ka zay no tsy ahazoany azy! Entre pa ihany iny)
Ampianarina koa ny fomba fatorin’ny reny hoe tokony hanindry ankavia mba hi-oxygéner-na an’le zaza.

HS: nataoko @ teny vahiny mitsy ny sasany mba ho azon’ze tsy mahazo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2128