saribakoly
1. paris10
(
02/07/2007 19:27)
ny tena saribakoly (poupée) taloha dia tena vita bakoly (porcelaine).Nisy hira zay fa tsy tadidiko loatra intsony,zay matadidy hoe mba tohizo dia mba lazao hoe iza moa ny nihara an'io:
Ny sarikobakoly
toa zaza fa tsy sary
ny volo holiholy
ny maso baribary
ny kilalao rehetra
dia tsy tadidiko intsony, mba ampio e!
Ny sarikobakoly
toa zaza fa tsy sary
ny volo holiholy
ny maso baribary
ny kilalao rehetra
dia tsy tadidiko intsony, mba ampio e!
novalian'i ktsif ny 11/07/2007 15:00
2. tslem
(
02/07/2007 19:42)
Ny sarikobakoly
toa zaza fa tsy sary
ny volo holiholy
ny maso baribary
ny kilalao rehetra
ity ny tohiny:
ianao no tiako indrindra
ka entiko mitoetra
sy entiko mamindra.
Ny volony hogoina
atao somary ngita
no zary indray bangoina
ka dia lamaody vita.
4. tslem
(
03/07/2007 03:22)
mbola misy an'ity koa kay:
jereo anie ity izy
mitady mba hankany
tsy omeko ny ahy rankizy
fa ahy irery ihany.
misaotra an'i paris10 nampahatsiahy an'io mba misy ho ampianarina ny papoose.
jereo anie ity izy
mitady mba hankany
tsy omeko ny ahy rankizy
fa ahy irery ihany.
misaotra an'i paris10 nampahatsiahy an'io mba misy ho ampianarina ny papoose.
6. rush
(
03/07/2007 07:02)
mahafinaritra ka!ndao ary mba tohizana e!iza no mba mahatadidy ireny hira na récitation taloha ireny?
7. tslem
(
03/07/2007 08:51)
inona moa ry reto lé misy hoe:
ô rafarakely
mipetraka teo ambony sezakely
nodakadakan'ny alikakely
mipitika tany analakely :-D
ô rafarakely
mipetraka teo ambony sezakely
nodakadakan'ny alikakely
mipitika tany analakely :-D
9. xxx
(
03/07/2007 16:59)
Toa tsy hira izy io fa tsianjery fa raha amorona ny feony i Paris10 dia aza adino ny manome ny feony koa an! fa miandry izahay ato @ serasera o:lol::lol::lol:
10. Bita
(
03/07/2007 17:02)
Dia rotsirotsina @ lay hoe:
Iny hono izy ravorom-bazaha
Ento manaraka anao any an-tsaha
Ento misidina ambony o
Rehefa mangina avereno
O o o o o o o
Iny hono izy ravorom-bazaha
Ento manaraka anao any an-tsaha
Ento misidina ambony o
Rehefa mangina avereno
O o o o o o o
11. johnnyandri
(
04/07/2007 08:31)
Jereo anie ity izy
mitandy mba ankany
tsy meko ny ah rankizy
fa so de mitomany
ny kilalao rehetra
ho anao tsy misy fetra
ny mamiko indrindra
dia i dada sy neny
malalako izay
dia foladamosina
ery taminay
i neny nitaiza nibaby nanasa
i dada isanandro torovana niasa
fa mafy asaina ny tanimbary
kanefa mikiry ny mpiasa tany
ny tanana miepaka maharary
fa ahy irery ihany...
Lasa remix ilay izy rehefa bobaka loatra ny tsianjery taloha:lol::lol::lol:
mitandy mba ankany
tsy meko ny ah rankizy
fa so de mitomany
ny kilalao rehetra
ho anao tsy misy fetra
ny mamiko indrindra
dia i dada sy neny
malalako izay
dia foladamosina
ery taminay
i neny nitaiza nibaby nanasa
i dada isanandro torovana niasa
fa mafy asaina ny tanimbary
kanefa mikiry ny mpiasa tany
ny tanana miepaka maharary
fa ahy irery ihany...
Lasa remix ilay izy rehefa bobaka loatra ny tsianjery taloha:lol::lol::lol:
12. paris10
(
04/07/2007 13:45)
ny any johnnyandri kosa mifangaro e!hira sy tsianjery ny anao reo:
dada sy neny malalako zay
dia fola-damosina ery taminay sns, sns;
omeo sapapa aloha ry zareo a!
dada sy neny malalako zay
dia fola-damosina ery taminay sns, sns;
omeo sapapa aloha ry zareo a!
13. paris10
(
04/07/2007 14:03)
tantara iray:6 taona aho tamizay,ny kilalao tena nankafizin'ny ankizy de ny misaoty @ elasitika reny;indray maraina,mbola ampandroin'i mamanay aho no miantso ny namana any antokotany hilalao,maika ery aho, niakanjo,nihogo dia nirifatra nivoaka, niantso ny mamany fa efa tsy noenoina,raikitra ary ny kilalao misaoty,zà moa ny voalohany,efa avoavo,lasa ihany ,nanao zay afaka fa tsy te hitazona ny elasitika, niomehy daolo ary ny ankizy ,inona hoy ianareo? hay adino ny nanao kilaoty!tsy nahalala menatra akory fa lasa nody niazakazaka nampiditra kilaoty d niverina indray!dia nisaoty, nisaoty!:-D:-D:-D:-D:-D:-D
15. menalamba
(
04/07/2007 15:48)
Izaho no Rakoto mpanao limonady
Loza dé loza raha hiady mivady
Dakako ny ankizy mitsiladilady
Dakako madama mivarina an-kady
Tsy tadidiko intsony ny tohiny fa nampianarin'ilay "cousin"-ko t@ mbola kely io ka mbola tadidiko foana sy manapa-tsinay ahy:-D:-D:-D
Loza dé loza raha hiady mivady
Dakako ny ankizy mitsiladilady
Dakako madama mivarina an-kady
Tsy tadidiko intsony ny tohiny fa nampianarin'ilay "cousin"-ko t@ mbola kely io ka mbola tadidiko foana sy manapa-tsinay ahy:-D:-D:-D
16. naughtyboy
(
04/07/2007 18:59)
milay daoly nisy faenoko 1 ko talo oe
azafady ry vahoaka
fa misy zv ipoaka
tsy mbo basy na tafonjo
fa zvbokatsy ny akonjo..
tsy tadidiko tsony ny tohiny:-D
azafady ry vahoaka
fa misy zv ipoaka
tsy mbo basy na tafonjo
fa zvbokatsy ny akonjo..
tsy tadidiko tsony ny tohiny:-D
17. johnnyandri
(
05/07/2007 08:55)
de nande hono de nande
de nande t@ arabe
arabe feno vatokely
vatokely marani-doha
de nande hono le vazah
nanontany hoe comma
de nvaliko hoe sa va
de nande hono ny roplann
de nandatsaka taratasy
ina n vakin taratasy
ain pliss e virgila
donatsetroka n lamasina
kidaranefatra n tomobil...
de tohizo ary ze mahay...:o
de nande t@ arabe
arabe feno vatokely
vatokely marani-doha
de nande hono le vazah
nanontany hoe comma
de nvaliko hoe sa va
de nande hono ny roplann
de nandatsaka taratasy
ina n vakin taratasy
ain pliss e virgila
donatsetroka n lamasina
kidaranefatra n tomobil...
de tohizo ary ze mahay...:o
18. cialaurie
(
05/07/2007 15:28)
dada malala sy neny malalako izay
dia fola damosina ery taminay
neny nitaiza nibaby nanasa
dada isan'andro torovana miasa
fa inn kosa ny zavatra omeny
fitaiava-ntsy ritra an'i dada sy neny
manaraka tsara ny zavatra omeny
mivavaka ho azy ny valibabeny
ohatrohatran'izao angamba
dia fola damosina ery taminay
neny nitaiza nibaby nanasa
dada isan'andro torovana miasa
fa inn kosa ny zavatra omeny
fitaiava-ntsy ritra an'i dada sy neny
manaraka tsara ny zavatra omeny
mivavaka ho azy ny valibabeny
ohatrohatran'izao angamba
19. cialaurie
(
05/07/2007 15:34)
ito ko mbola misy:!:
tafatsiry indray ny maitso
eo atokotaninay
rakopelana ny paiso
mavokely ranoray
tafafoha maraina aho
hifoka izany rivodanitra
eny anelakelataho
manga ery ny volondanitra
eny ambony ratsakazo
indreny vorona mivazo
.... tsy haiko intsony
dox
tafatsiry indray ny maitso
eo atokotaninay
rakopelana ny paiso
mavokely ranoray
tafafoha maraina aho
hifoka izany rivodanitra
eny anelakelataho
manga ery ny volondanitra
eny ambony ratsakazo
indreny vorona mivazo
.... tsy haiko intsony
dox
