fitiavana nipoitra avy amin'ny fifandraisana tsaty

1. xxx ( 20/06/2007 00:31)
ahoana ny hevitrareo ny amin'ny fitiavana nipoitra avy amin'ny fifandraisana teo amin'ny tsaty ? tena sincère ve sa mety ho virtuel ?
ary possible ve oe olona tena misy sentiment fort mifanoratra fotsiny eo amin'ny tsaty kanefa tsy mbola nifanatri-tava akory ?
novalian'i BONGOMASO ny 09/07/2007 12:31
2. cutie ( 20/06/2007 00:34)
ahoana ny hevitrareo ny amin'ny fitiavana nipoitra avy amin'ny fifandraisana teo amin'ny tsaty ? tena sincère ve sa mety ho virtuel ?

misy ny virtuel misy tena sincere,arakaraky ny oul ihany io :lol:
ary possible ve oe olona tena misy sentiment fort mifanoratra fotsiny eo amin'ny tsaty kanefa tsy mbola nifanatri-tava akory ?

de mbola arakaraky le oul ihany io
mety possible mety tsy mety :lol:
3. Jeankely ( 20/06/2007 04:08)
Mety foana na avy amin'ny taratasy na atolotry ny olona na hita aiza fa ny sasany aza makorelina novidiana indray alina lasa vady satria nifanojo ny tia sy ny manina. Raha ny fahitana ny tarehiny na ny vatany fotsiny no nahasarika dia zavatra hafa. Raha nifampitafa matetika kosa dia hita ihany fa mifanaraka ny "onde" e.
4. la ( 20/06/2007 04:52)
Zany moa izy io Jeankely??:)
5. diamondra27 ( 20/06/2007 09:54)
xxx:

ahoana ny hevitrareo ny amin'ny fitiavana nipoitra avy amin'ny fifandraisana teo amin'ny tsaty ? tena sincère ve sa mety ho virtuel ?
ary possible ve oe olona tena misy sentiment fort mifanoratra fotsiny eo amin'ny tsaty kanefa tsy mbola nifanatri-tava akory ?


de virtuel zany le izy fa tsy réel raha izay
azo tenenina doly ze atsanga tsy aman'orana refa tsy sincère , na refa sincère de miteny ny sentiment

mitovy doly ihany io na virtuel na réel
réel= misy tsy sincère fa de anjaranao no mandray décision na tu continues na stop

6. tsiafoi1 ( 20/06/2007 10:30)
Aleo ihany aloa le face à face, fa ohatran'ny tsy sur loatra le virtuel
7. hery ( 20/06/2007 10:57)
Ny hoe sincère ve ny amin'ny tsaty dia tsy miankina amin'ny maha tsaty azy satria na ny fitiavana tsy hita amin'ny tsaty koa aza mety tsy ho sincère.

Fa ny hoe possible ve ny hisian'ny tena fitiavana miala avy amin'ny tsaty dia possible. Amin'izao fotoana izao ny aty andafy, toa efa nisy statistika nivoaka mihitsy, fa be dia be ireo fitiavana tafita (= matotra) nanomboka avy amin'ny tsaty.

Mazava ho azy fa fanombohana fotsiny ny tsaty (tahaka ny toerana rehetra) fa tsy maintsy misy ny fifanatonana sy fifankahafantarana. De rehefa tsy ok de mipitika.
8. diamondra27 ( 20/06/2007 10:58)
tsiafo: :twisted::twisted::twisted:
de ahoana zany le amitiéntsika , tsy lasa zany an!
za hisaraka amindry zany:lol:
9. vale ( 20/06/2007 11:08)
xxx:

ahoana ny hevitrareo ny amin'ny fitiavana nipoitra avy amin'ny fifandraisana teo amin'ny tsaty ? tena sincère ve sa mety ho virtuel ?
ary possible ve oe olona tena misy sentiment fort mifanoratra fotsiny eo amin'ny tsaty kanefa tsy mbola nifanatri-tava akory ?
Ahoana no tsy ho sincère hozy anao? moa ny personnalité an'ny olona anakiray ve tsy antony iray lebé itiavana anazy? rhf mifankahita endrika de eo ny hafantarana koa hoe sady tiko ny personnalitéany no tiko ny endriny!:lol:


10. vale ( 20/06/2007 11:21)
tsiafoi1:

Aleo ihany aloa le face à face, fa ohatran'ny tsy sur loatra le virtuel
zava-db ny Toetran'ny olona iray, (Izaho Manokana alou de io no Jerevako Voalohany @ olona Iray, avy teo manaraka ny Sisa...! anjaranao indray no "mipitika" araka ny tenin'i Hery raha toa ka tsy tinao ilay endrik'ilay olona?...:lol:


11. Jeankely ( 21/06/2007 02:31)
Io fitiavana resahinareo io moa fitiavana fanambadiana sa revirevy sipasipa sa ahoana fa misy mifangaro. Misy miresaka endrika io ambony kely io. Ny zavatra tsapa ary tena hiainana mantsy dia tsy endrika mihintsy no voalohany amin'ny fanambadiana. Ny toetra ary afaka hiaraka hatramin'ny farany ve? Ka na tsaty io na inona ka hita ilay toetra dia mazava fa tsy rava io. Angaha moa tsy manomboka tsaty fa avy eo mifanatrika ihany e. Ny sary dia tena mamitaka noho izany mila mifanatrika sy mifampiserasera ahitana ny marimaritra.
12. nathie86 ( 21/06/2007 07:14)
io d miankina @ ts11 iany eh, ôtrany reny mifampikoty reetra reny iany anie fa oe tsy mifankahita aloha, io ary ny tena tsara ra tsy mandainga lay ol, satria ny firesahana iany no ijerena ny interieur.
13. Jeankely ( 21/06/2007 07:18)
Tena tara amin'ity tonaka "nathie86" ity mihintsy aho marina kano.=))
14. karinah ( 21/06/2007 07:48)
hihihihi!
15. karinah ( 21/06/2007 07:50)
Jeankely:

Io fitiavana resahinareo io moa fitiavana fanambadiana sa revirevy sipasipa sa ahoana fa misy mifangaro. Misy miresaka endrika io ambony kely io. Ny zavatra tsapa ary tena hiainana mantsy dia tsy endrika mihintsy no voalohany amin'ny fanambadiana. Ny toetra ary afaka hiaraka hatramin'ny farany ve? Ka na tsaty io na inona ka hita ilay toetra dia mazava fa tsy rava io. Angaha moa tsy manomboka tsaty fa avy eo mifanatrika ihany e. Ny sary dia tena mamitaka noho izany mila mifanatrika sy mifampiserasera ahitana ny marimaritra.
ekena,:* Jeankely ,;-)


16. la ( 21/06/2007 08:05)
Jeankely>nathie86 ra raikitra zany nenareo de tsy tamin'ny tsaty fa tamin'ny dinika an!! dinidinika sy tapata-pak'ahitra:D:)=D^:^
17. Jeankely ( 22/06/2007 02:57)
Aza hitarina sao tezitra "nathie86" fa na tamin'ny andro taloha aza anie ka betsaka ny tsaty ankolaka e. Jereo fa ny tarakin'ny Andriana na tamin'ny tany taiza na taiza (Chine, Inde, Madagascar...) dia samy tsy afaka manambady izay rehetra hitany manja manodidina eo fa tsy maintsy mitady izay mitovy ahavo amin'ny firazanana ka raha mahare dia avy amin'ny alalan'ny RAD no hanombohan'ny serasera. Ny problema amin'izao fotoana izao dia ny resaka serasera amin'ny sex no betsaka ary io no lasa aloha fa tsy ny resaka fiainana manontolo.
18. nathie86 ( 22/06/2007 07:51)
tsy tian'i "la" nga le fombanay eh=)) aleo ny anay tapatapak'ahitra fa tianay fôna io sa aôna Jean an=))=))
19. Jeankely ( 22/06/2007 09:24)
Ok "nathie86" a. Ilaina ny mifanome hevitra e. Izay mahamety ny sasany mety mahasoa ny hafa. Ny mifampiana-dratsy no tsy mety. izay hipoiran'io na nifanampy tamin'ny tondradrano, na tamin'ny ady, na taiza na taiza mety foana. Avaho fotsiny fa ny sasany resaka kilalao fitiavana fakana "experience" dia aza tratran'izay na lehilahy na vehivavy fa samy midona amin'ny rindrina.
20. tslem ( 22/06/2007 09:52)
Jeankely:

Tena tara amin'ity tonaka "nathie86" ity mihintsy aho marina kano.=))


tairotairo malaky ary lé tsaty e:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.152