Raha ianareo no eo am toerako...

1. xxx ( 15/06/2007 06:13)
Manaona daolo,

Mba mila ny hevitrareo namana fa misy manahiran-tsaina kely! Izao no momba ahy, vehivavy aho, tsy mbola manambady, fa nisedra olana foana teo am fianako ka nanapa-kevitra mintsy aloha hoe aoka izay aloha, fa tena haka pause mintsy mandritra ny fotoana elaela. Amin'izao fotoana izao nefa dia misy lelà zay, zandriko 5 taona eo milaza fa tia ana hono ary te hiaraka amiko... vaka ny saiko satria za ts mbola niaraka t@ olona zandriko zany mintsy... Efa niresaka t@ namako izay aho, dia izy niteny ana hoe za b principes sns, raha olona hanaja v maninona raha iarahana sns, nefa za ts mbola vonona mints alo, no sady tsy resy lahatra iany koa. Ny niafarany moa araky ny torohevitr'io namako io iany dia hoe mihaona matetitetika aloha de hita eo ny tohiny , dia izay no hatao, de rariva no hiaona izahay, dia izay no ilàko ny hevitrareo namana. Miala tsiny aky ry ... raha sendra mamaky ity indry, fa tsy hoe sanatria tsy matoky andry za fa mba mila hevitr'olona hafa koa a ;)
2. xxx ( 15/06/2007 06:54)
tsisy tsiny akia aaa :wink: ny hevitry ny maro hono maha-takan-davitra fa zay fotsiny aloha ny ahy ny ao andohako hoe mihaona matetika aloha ianareo de anjarandry no mandanjalanja zay mety ho relation anareo fa rehefa hitandry kosa ve fa mety amindry izy, manaja andry izy inona no tokony hisalasalana s' il peut te rendre heureuse na dia hoe zandrindry aza izy :D
3. xxx ( 15/06/2007 07:17)
OK aky a :)
4. xxx ( 15/06/2007 07:17)
fa maninona raha zandry kay?
fa tia andry ve izy sa tsia e!hay moa mbola hihaona nareo?
fa inona tao aminy aloha no nanaitra le fitiavana tony e!
tavela eo ndry sy ny principe-ndry de ho lasan'ny sasany eo fa!
ze rsaka taona ve akia no tsy hiarahana aman'olona

zay vao tonga @ fitenenana we: teo ampelatananao sy nandalo le bonheur fa tsy hainao no naka azy
mbola variana t@ le principe de tavela

tandremo ary sao de we:
"(teo tsy hita ze natao)an-tanan-tsy rototra fa rehefa lasa vao mamerovero"

vas-y fonce
5. sakaizakely ( 15/06/2007 15:32)
inona no olana mipetraka kay ?

angaha moa rehefa misy olona milaza fa tia anao dia voatery hiaraka aminy ianao ?

rehefa tianao fotsiny izy dia izay, na firy taona na firy taona izy.

amiko matoa ianao mikafiry @ taonany na misalasala dia mbola tsy babo sy tena tia azy izany donky adabohy any fa tsy fanerena ny fiarahana. Raha fitia tsy mifampizara dia tsy tokony hisy fiarahana eo aminareo
6. kallie ( 15/06/2007 16:58)
refa ts vonona aza forcéna fa mande am ftônany ny zvtra reetra
7. xxx ( 16/06/2007 06:23)
izahio indray nefa mahita hoe aleo alou ry zareo hifankahalala tsara de refa ela ny ela mety ho tia ihany xxx fa ts precipiter-na fotsiny le izy 8)
8. colar ( 16/06/2007 06:36)
fa milay v nefa alo le izy sa fopla,refa milay ange lasa tina fona refa ela ny ela e,ny tina mitombo tarehy,
9. sakaizakely ( 16/06/2007 08:32)
aiza kou no hisy an'zany hoe tina ihany rehefa ela ny ela 8O8O8O8O8O8O

ny fitiavana izany ve tsy tokony mifamaly dieny manomboka e ? Raha olona tsy manaitra anao dieny voalohany izany ve tsy hampihisatra na ny hi:* sns aza ?

hafahafa :roll::roll::roll::roll::roll:
10. mignone ( 16/06/2007 09:22)
sakaizakely > misy ka ... à force anlay miresaka sy mifanena foana eny dia manomboka misy ilay fitiavana :wink:
11. kally ( 16/06/2007 10:08)
Io izay tianao na fitiavana nambolena na ilay nitsiry ho azy e!
Ianao no hiaraka aminy fa tsy izahay ka sao hanaiky dia avy eo tsy sahy hilahatra aminy akory eny an-dalana na hampiseho azy ny namana sy ny olona akaiky fa hoe zandrinao izy.Sao hanongo tena avy eo fa rehefa tsy vonona dia tsy vonona izany koh!
12. tslem ( 16/06/2007 10:30)
ny fitiavana tsy misy taona izany fa ny fo no ilaina mibaiko, refa tena tinao izy d mandrosoa hatrany fa aza mihemotra, rehefa tsy manjary ve tsy hisaraka? nefa enga anie mba ho tafita @ tanjona irina e:wink:
13. karinah ( 16/06/2007 13:02)
xxxan> miombon-kevitra @ i Kally koa aho, ny tiko tsindriana eto dia mba jerena raha mifanentana aminao (fizika sns....) ; ny fahamatorana mety efa misy lasa lavitra be noho ny zokiny ny tanora à izao :-D:-D:oops: d efa nahare koa aza aho hoe Vhv 40ans mifankatia @ na bandy 20ans8O:wink:.. fa ny tokony hejerenao akaiky kokoa dia io resaka fizika io, hoe mifanentana ve ianareo: tsy dia hita be loatra ve le elanelan-taona izay hahatonga ny fiarahnareo ho voahelingelina ny tondro-mason'ny olona, fa anao ihany ny safidy!!:-*
14. meva2 ( 17/06/2007 07:56)
Ny ahy indray dia ny tiako tsindrina eto dia hoe ianao ve tia azy ? satria non seulement ianao toa tsy mbola vonona no koa tsy misy faniriana ny hiaraka aminy! ohatran'ny hoe izy no maniry fa tsy ianao.Amiko aloha tsy tokony hisy hoe mihaona matetika...sns...fa rehefa sens unique ilay izy tsy tokony ho forcer-na.
15. xxx ( 18/06/2007 06:20)
Miarahaba indray, ary misaotra betsaka @ valinteny nomenareo rehetra. Taorian'ilay fihaonana t@ zomà aloha izany dia izao ny zavatra tsapako, mahafinaritra ahy ny miresaka aminy, à première vue olona serieux be izy, na firesaka na fihetsika, ponctuel be mintsy am fotoana. Tsy dia tena mametraka olana be anie le resaka hoe izy zandriko e, nisalasala fotsiny za hoe ahoana, satria za tsy mbola niaraka t@ olona zandriko zany mintsy, d zay; fa tsd we pb b majeur b le izy akory :)momba ilay hoe mifanentana sns, izy aza lava noho izà ko! :-D:-D fa ilay hoe hita b v ny elanelantaona, tsy mino ah, ts haiko alo nefa izay ho fijerin'ny olona e! de zay le izy...
16. diamondra27 ( 18/06/2007 06:30)
sao de mba tratry ny crise de 40 taine aza xxx?
Zay manko le torohevitry ny namana teto we refa 40 ans et + de mitady lhl zandry:oops::oops:

tsy nitady moa izany enao fa nahita e!


de reveo manja @zay zany le izy koa!
17. xxx ( 18/06/2007 07:38)
tsy mbola mahatratra 40taona akory aza aho ry diamondra27!!! mbola ho elaela iany! ary ts za no nitadyfa iz no nanatona anie e! :)
18. xxx ( 18/06/2007 09:24)
Fa firy taona zany elanelana zany?

Nareo miteny hoe tsy de misy blem le elanelantaona fa indraindray misy ihany. Raha 10 taona mihoatra ohatra ilay elanelantaona dia eritrereto hoe rehefa feno 50 taona izy (ka hanao krizy) dia ianao vehivavy efa 60 taona (efa antitra)... dia matetika izy mitady tanora.

Raha vonona amin'izay aloha dia ok
19. xxx ( 18/06/2007 13:45)
izaho aloa ts hiteny hoe ts problema le elanelantaona fa ny mahatonga ahy mi-conseil an'i xxx hoe zao atao dia satria diso fatatro loatra ny fijaliana nandalovany ka zay no hilazako hoe ra olona hi-rendre heureuse anao, hanaja anao sy vonoa hitia anao inona ny problema na dia zandrinao aza izy, ny olona nampijalya zy hatrizay dia zokiny daholo ka ra ity olona zandriny ity kosa ve no vonona hanome bonheur azy inona ny problema.

zavatra efa niainako izany fitiavana mitsiry zany refa ela ny ela niarahana ary ankehitriny io olona io dia hatao mlariage amiko zany tsy amoureuse taminy za no niaraka taminy fa à force niaraka zay dia nitsiry le fitiavana ary ankehitriny dia mifankatia zahay.

ka zay no nahatonga ahy ni-conseiller hoe maninona mo ra mihaona matetika ry zareo mitsiry le fitiavana tsara refa tsy mety mihitsy de mijanona fa tsy terena :)
20. xxx ( 18/06/2007 14:28)
xxx:

Fa firy taona zany elanelana zany?

Nareo miteny hoe tsy de misy blem le elanelantaona fa indraindray misy ihany. Raha 10 taona mihoatra ohatra ilay elanelantaona dia eritrereto hoe rehefa feno 50 taona izy (ka hanao krizy) dia ianao vehivavy efa 60 taona (efa antitra)... dia matetika izy mitady tanora.

Raha vonona amin'izay aloha dia ok



4 taona ilay elanelana k!

ary marina mints io voalazan'i xxx anakiray eo ambony io hoe ireo olona nampijaly ana hatrizay olona zokiko daolo, fa olona mahalala ahy personnellement izy. Encore merci ky a:-*:-* d bonne chance njy sy razaodahiko e;)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1258